Seminera
Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13—“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”


“Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13—‘Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany,’” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13

“Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”

Sary
ny Mpamonjy nijaly tao Getsemane

Tamin’ny fandalinanao ny Almà 7:1–13 ianao dia nianatra momba ny sasany amin’ny zavatra niaretan’ny Mpamonjy tao anatin’ny Sorompanavotany mba “hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 7:11–13, sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andalan-tsoratra masina io ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Ampio handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo ny mpianatra. Ny fianarana ny filazantsara izay mitarika mankany amin’ny fiovam-po dia mitaky ny hampiharan’ny mpianatra finoana sy ezaka lehibe. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny fiainan’izy ireo ny seminera dia miankina be amin’izy ireo. Amporisiho handray andraikitra amin’ny fianaran’izy ireo ny mpianatra, omeo fahafahana hanao izany izy ireo ary manehoa fahatokiana fa hahomby izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina am-bavaka ny zavatra azon’izy ireo atao mba handraisana ny fanampiana sy hery omen’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao mba hampianarina aorian’ny lesona “Almà 7:1–13,” izay lesona miompana amin’ny sahan-kevitr’ilay andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Almà 7:11–13. Raha ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa, dia alaivo antoka fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Tadidio sy hazavao

Ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 7:11–13 dia ny hoe “Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany”. Hevero ny hanisy marika io andian-teny ao amin’ny soratra masinao raha tsy efa nanao izany ianao.

Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja, dia hevero ny hanasa azy ireo hamerimberina izany miaraka amina namana iray, mandra-pahavitan’izy ireo mamerina izany mora foana tsy ankijery.

Avy eo dia azo atao ny mampiasa ity fitaovana manaraka ity mba hanomezana ny mpianatra fahafahana hanazava ny fotopampianarana ao amin’io andalan-tsoratra masina io.

Tao amin’ny lesona iray teo aloha ianao dia nianatra tao amin’ny Almà 7:11–13 fa nijaly i Jesoa Kristy mba hamonjena anao amin’ny ota sy ny fahafatesana sy hanampiana anao amin’ireo fanamby mandritra ny fiainana an-tany.

Andeha hatao hoe nisy namana iray nandefa hafatra an-tsoratra momba ny zava-tsarotra andalovany ianao. Mieritreritra ianao fa ilay hafatra ao amin’ny Almà 7:11–13 dia hanampy ny namanao saingy manahy ianao fa tsy hamaky izany izy raha ny andalan-tsoratra masina fotsiny no alefanao any aminy.

  • Ahoana no hamintinanao ny Almà 7:11–13 amina fomba iray izay mety hanampy ny namanao amin’ny zava-tsarotra lalovany?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hanoratan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe ny valin-tenin’izy ireo amin’ilay fanontaniana teo aloha. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara ny valin-tenin’izy ireo amina namana iray na anatina vondrona kely.

Fampiharana hanazaran-tena

Anontanio ny mpianatra raha afaka mitadidy ireo fitsipika telon’ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Raha tsy mahavita izany izy ireo, dia asao hanaraka ireo torolalana ao amin’ny andiam-pehezan-teny manaraka.

Tadiavo ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Soraty ataovy lohateny ao amin’ny diary fandalinanao ireo fitsipika ireo, ka asio toerana eo anelanelan’ny tsirairay amin’izy ireo mba hahafahanao mamaly fanontaniana momba azy ireo any aoriana ao amin’ny lesona.

Hevero ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 7:11–13 manampy amin’ity rafi-tantara manaraka ity.

Hevero ny hampiseho ity rafi-tantara manaraka ity mba hahafahan’ny mpianatra mijery izany mandritra ny ambin’ny lesona. Raha ilaina, hevero ny hanamboatra ilay rafi-tantara mba hampidirana toe-javatra izay mifanaraka indrindra amin’ny mpianatrao.

Hatramin’izay nisarahan’ny ray aman-drenin’i Peter taona vitsy lasa, dia tsapany ho lasa nihasarotra hatrany hatrany ny fiainany. Sahirana mafy izy any am-pianarana ary ny namany sasany dia toa tsy mandray azy firy toy ny fanaony taloha intsony. Tsy dia mamonjy ny fiangonana intsony ihany koa i Peter, tsy dia mamaky soratra masina intsony izy, ary tsy dia mivavaka amin’ Andriamanitra intsony. Indray andro dia niresaka tamin’ny namany iray momba ny olany i Peter. Hoy izy: “Tiako hihatsara ny zava-drehetra saingy tsy fantatro hoe aiza no hitodihana. Mahatsapa tena ho irery sy tsy afa-miala amin’ny toe-javatra misy ahy aho.”

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao ilay namana niresahan’i Peter ary mangataka torohevitra aminao momba ny fomba handresena ny toe-java-tsarotra atrehiny ihany koa izy. Ampiasao ny fampianarana ao amin’ny Almà 7:11–13 sy ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy mba hanampiana an’i Peter amin’ny fanamby atrehiny.

Misy fomba maro ahafahan’ny mpianatra mamita ity sahanasa fampiharana hanazaran-tena ity. Fomba iray azo atao ny mandalina ny Almà 7:11–13 sy ny andiam-pehezan-teny 5–8, 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana, hitadiavana fampianarana izay mety hanampy an’i Peter. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara hevi-baovao amin’ny iray kilasy, amin’ny namana na anatina vondrona kely.

Mety hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra ataon’izy ireo ireto fanontaniana sy loharanom-pitaovana manaraka ireto. Tsy voatery hampiasa ireo loharanom-pitaovana sy fanontaniana rehetra ireo ianao; ohatra amin’ny zavatra azon’ny mpianatra heverina izy ireo rehefa miasa ho an’io rafi-tantara io izy ireo.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ireo andiam-pehezan-teny 5–7 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao fa manampy.

  • Inona no azonao ampianarina an’i Peter momba an’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ka afaka manampy an’i Peter hanao asa amim-pinoana?

  • Inona no azon’i Peter atao mba handraisana ny fanampiana azon’i Jesoa Kristy omena?

Mamakafaka ireo hevi-dehibe na fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ny zavatra hitanao fa manampy

  • Ahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra hieritreretan’i Peter ny zava-misy atrehiny?

  • Nahoana araka ny eritreritrao fa mety hanampy an’i Peter ny fahitana ny zava-misy atrehiny amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no karazana loharano nofidin’ Andriamanitra azonao atoro an’i Peter ka afaka manome azy ny fanampiana ilainy?

Loharano nofidin’ Andriamanitra manan-danja iray izay afaka manampy amin’io zava-misy io ny Almà 7:11–13. Avereno vakina ireo andininy ireo hitadiavana fampianarana izay afaka ny hanampy an’i Peter.

  • Inona no tianao ho takatr’i Peter sy ho tsapany avy amin’ireo andininy ireo?

  • Afaka mieritreritra andalan-tsoratra masina hafa izay mampianatra ny zavatra mety ho tian’ Andriamanitra ho fantatr’i Peter ve ianao?

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra ny toe-javatra misy azy ireo manokana ilan’izy ireo ny fanampian’ny Mpamonjy. Azonao atao ny mangataka azy ireo hieritreritra ny fomba ahafahan’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ny Almà 7:11–13 manampy azy ireo hahazo ny fanampian’ny Mpamonjy eo amin’ny fiainan’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mirakitra an-tsoratra ireo eritreritra ireo ao anatin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ity sahanasa famerenana manaraka ity dia tokony hampiasaina amina lesona iray izay hampianarina tsy ho ela aorian’ity iray ity.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamerimberina ny andalan-tsoratra sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny “Almà 7:11–13: ‘Ary handeha Izy, hiaritra fanaintainana sy fahoriana ary fakam-panahy isan-karazany’” miaraka amina namana iray mandra-pahavitan’izy roa mamerina izany tsy ankijery.

Hamoaka printy