Seminera
Almà 5–7: Topimaso ankapobeny


“Almà 5–7: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 5–7,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 5–7

Topimaso ankapobeny

I Almà dia nametraka andiam-panontaniana tamin’ny mpikamban’ny Fiangonana tao Zarahemlà izay namporisika azy ireo hisaintsaina ny fifantohan’ny fon’izy ireo sy ny fijoroan’izy ireo eo anatrehan’ Andriamanitra. Nanasa azy ireo izy mba hanatona an’i Kristy tamin’ny alalan’ny fampiasana sary maneho fitiavana toy ny hoe “ny sandrin’ny famindram-po[ny] dia mitolotra” (Almà 5:33), sy ny hoe “mibebaha dia handray anareo Aho” (Almà 5:33), ary ny hoe “miantso anareo ilay mpiandry tsara” (Almà 5:38). Nampianatra izy fa nijaly tamin’ny zava-drehetra an-tsitrapo ho antsika ny Mpamonjy “mba hahafantarany araka ny nofo ny fomba hanampiana ny vahoakany arakaraka ny rofiny” (Almà 7:12). Nampianariny ihany koa ny fomba hanohizana eo amin’ny “lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra” (Almà 7:19).

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 5:1–32

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ny fivoaran’izy ireo ara-panahy sy hanamafy ny fiovam-pon’izy ireo ho an’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 5 ny mpianatra ary hanisy marika ny baraingo rehetra ao amin’ilay toko. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mametraka amin’ny tenan’izy ireo ny fanontaniana napetrak’i Almà tamin’ny vahoakany ao amin’io toko io.

  • Horonan-tsary: “Miverina sy mandray” (16:10; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 8:14 hatramin’ny 8:58)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Tanjona fototr’ity lesona ity ny hamela ny mpianatra hamaky sy hisaintsaina fanontaniana maro momba ny Almà 5. Fomba iray hanaovana izany ny fanomezana fotoana ny mpianatra mandritra ny fotoam-pianarana hamono ny mikrô sy fakantsarin’izy ireo, handalina, hisaintsaina, ary hanoratra ny valin-tenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Mety hanampy raha ampahafantarina izy ireo rehefa roa minitra sisa no ananany amin’io fotoana io ary avy eo rehefa 30 segondra sisa no ananan’izy ireo.

Almà 5:33–62

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy sy handray ireo fitahiana omeny azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao handalina ny Almà 5:33–34 ny mpianatra ary ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Mpamonjy tao amin’ireo andininy ireo.

  • Sary: Sary vitsivitsy izay mety hahaliana ny mpianatra ny hijery azy; sary vitsivitsiy an’i Jesoa Kristy maninjitra ny sandriny

  • Horonan-tsary:Fo mifamihina” (15:10; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:56 hatramin’ny 14:51)

Almà 7:1–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitoky sy hahatsapa fitiavana lehibe kokoa ny Mpamonjy azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny Almà 7:11–13 sy hijery ao amin’ireo andininy ireo ny zavatra niaretan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny Sorompanavotany sy ny antony niaretany ireo zavatra ireo.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao momba ny fijalian’ny Mpamonjy, na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe mba hahafahan’ny mpianatra mandika izany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo

  • Horonan-tsary:Ankaherezin’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy” (15:54; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 3:13 hatramin’ny 4:01)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa solaitrabe fotsy nomerika na tahirin-kevitra iraisana mba hamelana ny mpianatra hiaraka hameno ilay tabilao.

Fifehezana fotopampianarana: Almà 7:11–13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny Almà 7:11–13 sy hanazava ny fotopampianarana ampianarina ao amin’io andininy io, ary hampihatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hisaintsaina am-bavaka ny zavatra azon’izy ireo atao mba handraisana ny fanampiana sy hery omen’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ao amin’ny chat ny toko sy andininy ary andian-teny betsaka indrindra tadidin’izy ireo tsy ankijery. Avy eo dia avereno jerena imbetsabetsaka ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny, ary asao hanoratra ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny ao amin’ny chat indray ny mpianatra mba hahitana ny fitombon’ny ny zavatra tadidin’izy ireo. Tohizo mandra-pahavitan’ny ankamaroan’ny mpianatra manao tsianjery tsara ilay andalan-tsoratra masina sy andian-teny izany.

Almà 7:14–27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hahazo toetra tahaka ny an’i Kristy rehefa manaraka ny lalana izay mitondra miverina amin’ Andriamanitra izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hieritreritra toetra tahaka ny an’i Kristy izay tian’izy ireo hampivoarina feno kokoa ary ho tonga efa vonona hizara ny anton’izany.

  • Votoatiny haseho: Torolalana ho an’ny sahanasa toetra tahaka ny an’i Kristy any amin’ny fiafaran’ny lesona

  • Sary: Lalana iray; fanehoana ilay lalana izay mitondra mankany amin’ny fanjakan’ Andriamanitra; sary isan-karazany maneho an’i Jesoa Kristy

  • Horonan-tsary:Famerenana amin’ny laoniny isan’andro” (13:43; jereo manomboka amin’ny 1:40 hatramin’ny 3:25)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa fiasa solaitrabe fotsy amin’ny rindrambaiko fanaovana visio-conférence-nao. Apetraho eo amin’izany ilay sarin’ilay lalana ary asao ny mpianatra hanoratra fihetsika sy toetra ary fitondran-tena manodidina ilay sary mandritra ny lesona, araka ny torolalana.

Hamoaka printy