Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 10: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 10: Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 10,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 10

Ampiharo ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Sary
zatovo mandalina eo amin’ny solosaina

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hianatra ny fomba hampiharana ny fotopampianarana ampianarina ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana. Ity lesona ity dia hanome anao fahafahana hizatra hampihatra ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalininao tamin’ity taona ity amin’ny fiainanao manokana.

Ampio hampifandray ireo fitsipiky ny filazantsara amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro ny mpianatra. Aza tonga dia lazaina amin’ny mpianatra ny fomba hampiharana ny fahamarinana ara-pilazantsara fa ampio izy ireo hianatra samirery ny fomba hampiharana ny filazantsara amin’ny toe-javatra manokana misy azy ireo. Asao ny mpianatra hangataka amin’ Andriamanitra sy hihaino ny bitsika avy amin’ny Fanahy mba hahalalana ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisafidy iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 hitan’izy ireo ho manan-danja ny mpianatra. Amporisiho ho tonga efa vonona hizara ny antony maha manan-danja amin’izy ireo ny andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mety ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray no ilaina ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Avereno jerena ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Asehoy na omeo ny mpianatra ny tahadikan’ity tabilao manaraka ity.

Amin’ny alalan’ny fampiasana ity tabilao manaraka ity dia avereno jerena ireo andinin-tsoratra msina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Avy eo dia misafidiana iray izay hitanao fa manan-danja ary vakio ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Hevero ny hanasa ny mpianatra handehandeha eran’ny efitrano sy hizara ny andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo amin’ny mpiara-mianatra hafa roa na telo. Azonao atao ihany koa ny mizara amin’ny mpianatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray izay manan-danja manokana aminao.

Mampifandray fahamarinan’ny filazantsara amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao

Rehefa mandalina ny soratra masina ianao dia fomba iray hanaovana ny zavatra ianaranao ho anao manokana sy hampiharana izany ny fiezahana mampifandray izany amin’ny fiainanao manokana sy ny toe-javatra iainanao. Ohatra, mety ho sahirana mafy amina fanontaniana na fanamby iray manokana ianao. Ny fitadiavana valiny eo am-pamakiana ny soratra masina dia fomba iray mahomby hampitomboana ny lanjan’ny fandalinana ataonao.

Sahanasa A

Hevero ny hanasa ny mpianatra hitanisa eny amin’ny solaitrabe fanamby isan-karazany eo amin’izao tontolo izao. Zarazarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary omeo ny iray amin’ireo fanamby ny mpiara-miasa tsiroaroa isanisany avy. Azon’ny mpianatra atao ny mamorona rafi-tantara iray ary avy eo miara-milalao izany. Afaka manazava ilay fanamby ny mpianatra iray ary ny iray afaka misafidy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana iray avy eo amin’ilay tabilao mba hiezahana mamaha ilay fanamby amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fahamarinana avy amin’ilay andalan-tsoratra masina. Avy eo dia afaka mifanakalo anjara asa ny mpianatra na azonao atao ny manasa azy ireo hilalao ny rafi-tantaran’izy ireo eo anoloan’ny kilasy.

Safidy iray azo atao ny manome andalan-tsoratra masina iray ny mpianatra ary avy eo dia mamorona rafi-tantara miainga amina fanamby azon’ilay andalan-tsoratra masina sahanina.

  • Misy andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay heverinao fa mahasahana ilay olana ve? Ahoana no mety ho fiovan’izao tontolo izao raha mampihatra ilay fahamarinana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao ny ankamaroan’ny olona? Mizarà ohatra manokana iray na roa.

  • Raha mampiasa ilay fotopampianarana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao dia inona no mety holazainao amin’ny olona iray izay miatrika io fanamby io?

Sahanasa B

Hevero ny hanasa ny mpianatra hamita mangina samirery ity sahanasa ity. Raha tsy an’ny tena manokana loatra dia azonao atao ny manasa ny mpianatra hizara ny eritreritra sy fahatsapan’izy ireo momba ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nosafidin’izy ireo ary ny mety hanampian’izany azy ireo ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa.

Eritrereto ny toe-javatra iainanao amin’izao fotoana izao, tafiditra amin’izany ny fanontaniana, na fanamby, na fitondran-tena an’ny tena manokana izay mety hoitadiavanao fanampiana. Avereno jerena ny lisitr’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, hitadiavana fahamarinana izay afaka manampy anao amin’ireo fanontaniana, na fanamby na fitondran-tena ireo. Misafidiana andalan-tsoratra masina iray farafahakeliny izay afaka manampy anao amin’ny zavatra iray izay atrehinao amin’izao fotoana izao.

  • Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ilay fotopampianarana avy ao amin’ny andalan-tsoratra masina nosafidinao ho fitahiana amin’ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampiharana ireo fahamarinana avy amin’izany andalan-tsoratra masina izany manampy anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy sy ho tonga tahaka Azy kokoa?

  • Inona no dingana kely iray na roa azonao atao mba hanombohana mampihatra ireo fahamarinana ireo eo amin’ny fiainanao?

Hamoaka printy