Seminera
Môzià 29–Almà 4: Topimaso ankapobeny


“Môzià 29–Almà 4: Topimaso ankapobeny,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Môzià 29–Almà 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Môzià 29Almà 4

Topimaso ankapobeny

Teo anivon’ny Nefita dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Nehôra nampianatra fotopampianarana diso izay nahatonga ny olona tamin’ny androny sy ireo hafa amin’ireo taona ho avy nandà ny Mpamonjy. Noho ny fitaomany, ny olona sasany dia “nanenjika ireo izay isan’ny fiangonan’ Andriamanitra” (Almà 1:19). Tatỳ aoriana dia nisy lehilahy iray nantsoina hoe Amlisia nitarika fikomiana tamin’ny Nefita izay nahatonga ny fahafatesan’ny olona maro tamin’ny ady. Rehefa nandeha ny fotoana dia nahatonga ny Fiangonana ho tsy nandroso ny avonavona sy ny fifandirana nasehon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy. Vokatr’izany dia nahatsapa ho nentanim-panahy hiala tamin’ny maha-lohan’ny mpitsara azy i Almà mba hanokan-tena hitory ny tenin’ Andriamanitra.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 1:1–18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahafantatra sy handà ireo fampianaran-diso izay mety hampiala azy ireo amin’i Jesoa Kristy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azon’ny mpianatra atao ny mandalina ny fizarana hoe “Afaka mahafantatra sy mandà fampianaran-diso aho” ao amin’’ilay rindran-damina “ 3–9 jona. Môzià 29–Almà 4: ‘Niorina mafy izy sady tsy niova ’” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

  • Horonan-tsary: “Ny fibebahana: Safidy mahafaly” (15:45; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:17 hatramin’ny 10:10)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Rehefa avy mahita soratra masina izay manitsy ny fampianaran-dison’i Nehôra ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mizara ny valintenin’izy ireo amin’ny alalan’ny fampiasana ny fanaovana chat.

Almà 1:19–33

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamaly amim-pahatokiana sy hahatsapa fiadanana na dia miatrika fanenjehana noho ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany azy aza izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nitsapana ny finoan’izy ireo sy ny fomba nasetrin’izy ireo izany ny mpianatra.

  • Horonan-tsary:Ny sarany efaina—sy ireofitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy” (14:45; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:25 hatramin’ny 2:05)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanasa ny mpianatra hampiasa ny fanaovana chat hitanisana ireo zavatra nataon’ny Nefita. Izany dia hanome lisitra azon’ny mpianatra rehetra jerena, ahafahan’izy ireo mampiditra ao amin’ny lisitr’izy ireo ny zavatra natao izay hitan’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo.

Almà 2–3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny vokatry ny safidìn’izy ireo momba ny olona harahina mandritra ity fiainana ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky na hihaino ny Almà 2–3 alohan’ny hahatongavana ao an-dakilasy ny mpianatra. Asaivo mieritreritra momba ny zavatra azon’izy ireo ianarana avy amin’ny tantara ao amin’ireo toko ireo izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao mitondra ny lohateny hoe “Ilay karama amin’izay nofinidiny hankatoavina,” na aseho na adika eny amin’ny solaitrabe hofenoin’ny mpianatra

  • Zavatra: Taratasy maneho vola; kitapo na boaty roa

Almà 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ny tenin’ Andriamanitra handresena ny avonavona sy ny fifandirana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara soratra masina na fanambarana iray avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fanetrentena.

  • Lesona ampiasana zavatra azo tsapain-tanana: “Vato mahatafintohina” voasoratra amina ravin-taratasy apetaka amina scotch eo amin’ny tany eo amin’ny fidirana ao amin’ny efitrano fianarana

  • Horonan-tsary:Mampianatra ny tenin’ Andriamanitra i Almà” (10:33; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:36 hatramin’ny 1:59)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiseho tabilao iray mandritra ny lesona, ka ny ilany iray mampiseho ireo olana niainan’i Almà sy ny olony ary ny ilany iray mampiseho ireo vahaolana. Asao hanampy ao amin’io tabilao io mandritra ny lesona ny mpianatra ary handika azy io ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanome fahafahana ny mpianatra hizatra hampihatra ny sasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalinin’izy ireo tamin’ity taona ity amin’ny fiainan’izy ireo manokana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisafidy iray amin’ireo toko sy andininy fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hitan’izy ireo fa manan-danja ny mpianatra. Amporisiho ho tonga efa vonona hizara ny antony maha manan-danja amin’izy ireo ny toko sy andininy nosafidin’izy ireo ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Ilay tabilao misy ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny fanaovana chat mba hametrahana fanamby na olana samihafa izay misy eo amin’zao tontolo izao. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mametraka andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay afaka manampy ny olona miatrika ireny fanamby na olana ireny.

Hamoaka printy