Seminera
Almà 4: Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona


“Almà 4: Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 4

Ilay vato mahatafintohin’ny avonavona

Sary
I Almà zanany nitory tany Gideona

Ny avonavona dia tsy fisian’ny fanetrentena ary mitarika ny olona hametraka ny tenany ho ambony na hanohitra ny hafa sy Andriamanitra (jereo ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fiavonavonana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Eritrereto ny avonavona hitanao eo amin’izao tontolo izao ankehitriny sy ny voka-dratsy entin’izany eo aminao sy ireo manodidina anao. Ny avonavona sy ny fifandirana nasehon’ny mpikambana sasany tao amin’ny Fiangonan’ny Mpamonjy tamin’ny andron’i Almà dia nahatonga ny Fiangonana ho tsy nahomby tamin’ny fandrosoany. Vokatr’izany dia nahatsapa ho nentanim-panahy hiala tamin’ny maha-lohan’ny mpitsara azy i Almà mba hanokan-tena hitory ny tenin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hampiasa ny tenin’ Andriamanitra handresena ny avonavona sy ny fifandirana.

Ampio ireo mpianatra hahita fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Ny fotopampianarana sy ireo fitsipika dia tokony holazaina amin’ny fomba mazava sy fohy. Izy ireny dia afaka mampianatra ny mpianatra ny maha zavat-dehibe ny soratra masina sy ny fomba iharan’ireo tantara sy fampianarana ara-tsoratra masina amin’ny fiainan’izy ireo isan’andro. Ny fahatakarana fotopampianarana sy fitsipika dia afaka mandrisika ny mpianatra hianatra sy hampihatra ireo fampianaran’ny filazantsara.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara soratra masina na fanambarana iray avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fanetrentena.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Vato mahatafintohina iray

Apetaho eo amin’ny tany eo amin’ny varavaran’ny kilasy ny taratasy kely iray misy soratra hoe “vato mahatafintohina.” Anontanio hoe firy ny mpianatra nanitsaka tsy nahy izany talohan’ny nahitan’izy ireo azy teo rehefa niditra tao an-dakilasy izy ireo. Raha irìna dia azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara zavatra niainana mahakasika ny fotoana nahavoafingana na nahatafintohina azy ireo.

Mitadidiava fotoana nahavoafingana na nahatafintohina anao. Tadidinao ve hoe inona ilay zavatra nahavoafingana anao? Eo amin’ny fiainana dia matetika isika no tafintohina amin-javatra izay azo antsoina hoe “vato mahatafintohina.” Marina ara-panahy koa izany.

Ity fanazaran-tena fanaovana sary aroso manaraka ity dia azon’ny iray kilasy atao eny amin’ny solaitrabe. Na azon’ny mpianatra atao ny mamita azy io isam-batan’olona.

Sary
sarina bolongam-bato

Manaova sarina bolongam-bato vitsivitsy ary asio soratra milaza zavatra izay mety hahatonga ny zatovo ho tafintohina ara-panahy izany. Ohatra, mety ho sahirana amin’ny fihainoana ny mpaminany na fankatoavana ny Tenin’ny Fahendrena ny sasany.

Eritrereto ny vokatry ny fahatafintohinana amin’ireo zavatra ireo. Saintsaino ny antony ilanao ny fanampian’ Andriamanitra mba hahitanao, sy hisorohanao ary handresenao ireo vato mahatafintohina ireo.

Vao avy niaina fahavoazana lehibe tamin’ny ady tamin’ny Lamanita ny vahoakan’i Almà. Noho ny fahorian’izy ireo dia “nofohazina ho amin’ny fahatsiarovana ny adidiny” izy ireo ary olona maro no natao batisa (jereo ny Almà 4:1–5). Na izany aza dia tsy naharitra ny fiadanan’izy ireo satria nanomboka tafintohina ara-panahy izy ireo.

Vakio ny Almà 4:6–8, hitadiavana ny antony nampiahiahy ireo mpitarika tao amin’ny Fiangonana.

Asao hizara ny zavatra hitan’izy ireo ny mpianatra ary ampio hahita izy ireo fa mety ho vato mahatafintohina ara-panahy ny avonavona.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no “nalahelo mafy” noho ny fitomboan’ny avonavon’ny olona ny mpitarika tao amin’ny Fiangonana (Almà 4:7)?

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson (1899–1994) hoe:

Ny fieboeboana no vato mahatafintohina an’i Ziona. Averiko: Ny fieboeboana no vato lehibe mahatafintohina an’i Ziona. (Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 7)

Manaova sarina bolongam-bato lehibe maneho ny vato mahatafintohin’ny avonavona. Mitanisà valiny amin’ireto fanontaniana manaraka ireto eo amin’ilay bolongam-bato:

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny olona iray ho tafintohina ara-panahy?

  • Amin’ny fomba ahoana no anakanan’ny avonavona antsika tsy ho tonga tahaka ny Mpamonjy kokoa?

Rehefa manohy mandalina ny Almà 4 ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny avonavona ho vato mahatafintohina eo aminao sy ny zavatra azonao atao mba handresena izany.

Vakio ny Almà 4:8–12 hitadiavana ny vokatry ny avonavona teo amin’ny Fiangonana. Mariho fa ny hoe adilahy dia midika ho tsy fifanarahana na fifandirana feno hatezerana na mangidy. Ny hasomparana dia faniriana hanao ratsy, na sitrapò ratsy.

Asaivo tanisain’ny mpianatra eny amin’ny solaitrabe ny vokatry ny avonavona tao amin’ny Fiangonana. Hojerena any aoriana amin’ny lesona ilay lisitra. Raha ampy ny fitaovam-panoratana anananao, dia avelao hiaraka ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra maro. Avy eo dia asao hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra:

  • Inona avy ireo vokatry ny avonavona teo amin’ny Fiangonana?

  • Amin’ny fomba ahoana no tsy mahamety ireny fihetsika ireny amin’ny mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

  • Ahoana no fiantraikan’izany tamin’ireo izay tsy tao amin’ny Fiangonana?

Misoroka ny avonavona sy fifandirana

Nampianatra ny Filoha Ezra Taft Benson hoe:

Ny fanefitry ny avonavona dia ny fanetrentena—halemem-panahy, fahononam-po [jereo ny Almà 7:23]. (Ezra Taft Benson, “Beware of Pride,” Ensign, mey 1989, 6)

Vakio ny Almà 4:13–14 hitadiavana ny zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana sasany mba hisorohana ny avonavona sy hijanonana ho mahatoky. Mariho fa ny hoe nanetry tena eo amin’ny andininy 13 dia manondro fahatongavana ho malemy fanahy kokoa.

Asao hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo fihetsika manetry tena ataon’ny mpikamban’ny Fiangonana ny mpianatra.

  • Inona avy ireo fihetsika sy toetra ao amin’ny andininy 13–14 mampahatsiahy anao an’i Jesoa Kristy?

  • Ahoana no ahafahan’ny fampivelarana ireo toetra ireo sy ny fanaovana ireo fihetsika ireo manampy antsika ho tonga tahaka Azy kokoa?

  • Ahoana no nahitanao ny hafa niaina ireo toetra na fihetsika tahaka ny an’i Kristy ireo, ary inona no fiantraikan’izany taminao?

Manomeza fotoana hisaintsainan’ny mpianatra mangina izay mety ho avonavona na fifandirana misy eo amin’ny fiainan’izy ireo sy ny fomba ahafahan’izy ireo manaraka ny ohatry ny Mpamonjy.

Tsapan’i Almà fa nila nandany ny fotoany hanampiana ny vahoaka amin’ny lafiny ara-panahy izy. Nomeny an’i Nefihà ny toeram-pitsarana fa notanany ho an’ny tenany kosa ny asan’ny mpisorona avo (jereo ny Almà 4:15–18).

Vakio ny Almà 4:19 ary tadiavo ny zavatra fantatr’i Almà fa afaka “mandrodana” ny avonavona sy ny fifandirana teo anivon’ny olona. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Mitory ny tenin’ Andriamanitra i Almà” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:36 hatramin’ny 1:59, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanaovan’i Almà zavatra tahaka an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà?

Fahamarinana iray avy ao amin’ny Almà 4:19 ny hoe ny tenin’ Andriamanitra sy ny fandrenesana fijoroana ho vavolombelona madio dia afaka manampy antsika handresy ny avonavona sy ny fifandirana.

Tadiavo ny zavatra nampianarin’ny Filoha Ezra Taft Benson momba ny tenin’ Andriamanitra ao amin’ity fanambarana manaraka ity.

Ny tenin’ Andriamanitra araka izay hita ao amin’ny soratra masina, sy ny tenin’ireo mpaminany velona, ary avy amin’ny fanambarana ho an’ny tena manokana dia manana hery hampahatanjaka ny Olomasina sy hanome azy ireo ny Fanahy ho fitaovana mba hanoherany ny ratsy sy hifikitra mafy amin’ny tsara ary hahita fifaliana eto amin’ity fiainana ity. (Ezra Taft Benson, “The Power of the Word,” Ensign, mey 1986, 80)

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahafahan’ny tenin’ Andriamanitra sy ny fijoroana ho vavolombelona madio manampy amin’ny fandrodanana ny avonavona sy fifandirana.

Asao hisafidy roa na telo amin’ny fiantraikan’ny avonavona notanisain’izy ireo teny amin’ny solaitrabe teo ny mpianatra, ary omeo fotoana handalinana ny fomba handresena ireny olana ireny ao anatina vondrona kely izy ireo.

Azon’ny mpianatra atao ny mikaroka lohahehitra toy ny hoe “Fanetrentena” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina. Mety hanampy ihany koa raha atoro azy ireo ny fomba fanaovana fikarohana ao amin’ny application Médiathèque de l’Évangile mba hahitana fampahalalana.

Asao hizara ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy ny vondrona, ao anatin’izany ny fomba ahafahantsika mitondra ny hafa tahaka ny ho nataon’ny Mpamonjy. Zavatra azo anoloana izany rehefa avy mandalina izy ireo dia afaka manoratra lahateny fohy miresaka momba ny olana amin’ny avonavona sy ny fifandirana izy ireo.

Amporisiho ny mpianatra mba hanao asa araka ny fahatsapana rehetra azon’izy ireo momba ny fomba mety hahafahan’izy ireo mampihatra ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’io lesona io.

  • Mitanisà olana roa na telo izay vokatry ny avonavona sy fifandirana.

  • Mitanisà soratra masina sy fampianaran’ny mpaminany maoderina izay tsapanao fa afaka manampy amin’ireo olana ireo.

  • Fantaro hoe nahoana ary amin’ny fomba ahoana no hanampian’ny zavatra notanisainao anao hitondra ny hafa tahaka ny mety hanaovan’ny Mpamonjy izany.

Katsaho ny hahatsikaritra sy hahafantatra bitsika avy amin’ny Fanahy Masina momba ny fomba mety hahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao tao amin’ity lesona ity. Mitadiava lala-misokatra hanarahana hatramin’ny farany ireny fahatsapana ireny.

Hamoaka printy