Seminera
Almà 1:19–33: Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana


“Almà 1:19–33: Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Almà 1:19–33,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Almà 1:19–33

Mahita fiadanana ao amin’i Kristy amin’ny alalan’ny fitoerana ho mahatoky ao anatin’ny fanenjehana

Sary
misiônera falifaly mampianatra vehivavy iray sy ankizy kely

Mino isika fa ny olon-drehetra dia manana zo hanompo an’ Andriamanitra araka ny baikon’ny fieritreretan’izy ireo (jereo ny Fanekem-pinoana 1:11). Kanefa inona no miseho raha manenjika anao noho ny finoanao ny hafa? Ahoana no ahafahanao mamaly na mahita fiadanana raha manakiana anao amin’ny finoanao ny hafa? Tamin’ny andron’i Almà, ny olona dia “rafitra nanenjika ireo izay isan’ny fiangonan’ Andriamanitra” (jereo ny Almà 1:19). Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamaly amim-pahatokiana sy hahatsapa fiadanana na dia miatrika fanenjehana noho ny maha-mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao aza.

Ampio hampivelatra fahaiza-mandalina ny mpianatra. Afaka manampy ny mpampianatra sy ny mpianatra hamantatra ny hevi-dehibe izay tian’ny mpanoratra antitranterina ny fijerena ireo lisitra ao amin’ny soratra masina. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manao lisitra ireo eritreritra, na hevitra, na torolalana mifandray mba hanampiana azy ireo hahatakatra ny zavatra ianaran’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hieritreritra ireo fotoana teo amin’ny fiainan’izy ireo izay nitsapana ny finoan’izy ireo sy ny fomba nasetrin’izy ireo izany ny mpianatra.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Enjehina noho ny finoanao

Zarao ity manaraka ity izay avy amin’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Na hevero ny hanasa ny mpianatra hilalao an-tsehatra rafi-tantara iray izay mety hanenjehana azy ireo noho ny finoan’izy ireo.

Ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanoro hevitra ny zatovon’ny Fiangonana. Jereo ilay horonan-tsary hoe “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:25 hatramin’ny 2:05, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny fanambarana eto ambany:

Ao anatin’ny fiderana sy famporisihana ireo rehetra izay mila miorina mafy amin’izao andro farany izao no ilazako amin’ny rehetra, indrindra amin’ireo tanoran’ny Fiangonana, fa ho avy ny fotoana indray andro any, raha toa ka mbola tsy nitranga izany, izay hanananareo fahafahana hiaro ny finoanareo, na hiaritra herisetra mihitsy aza noho ianareo hoe mpikamban’ Ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany tsotra izao fotsiny. Ny fotoana toy izany dia sady mitaky herim-po no mitaky fahalalam-pomba avy aminareo.

Ohatra, vao haingana no nisy rahavavy misiônera iray nanoratra taty amiko hoe: “Nahita lehilahy iray nipetraka sy nisakafo teo amin’ny dabilio teo akaikin’ny lapan’ny tanàna izaho sy ny rahavavy mpiara-miasa tamiko. Rehefa nanatona azy izahay, dia nitraka izy ka nahita ny soratra famantarana ny misiônera teny aminay. Nahatsiravina ny fijeriny, ary nitsangana izy sady nanainga ny tanany handeha hamely ahy. Nahay niala aho, saingy naloany teny amiko indray ny sakafony sady nanomboka nanompa anay tamin’ny teny ratsy faran’izay mahatsiravina izy. Niala teo izahay ary tsy niteny na inona na inona. Niezaka namafa ny sakafo teny amin’ny tarehiko aho, kanjo nisy vaingan’ovy voapotsitra namely ahy indray avy tao amin’ny hatoka. Indraindray dia tena sarotra ny manao asa fitoriana satria tamin’izay fotoana izay aho dia naniry ny hiverin-dalana, sy hisambotra ilay rangahy kely ka hiteny hoe: –AZAFADY KELY HOE!– Saingy tsy nanao izany aho.” (Jeffrey R. Holland, “Ny sarany efaina—sy ireo fitahiana azo—amin’ny maha-mpianatr’i Kristy,” Liahona, mey 2014, 6)

Ampio ny mpianatra hihevitra ny fahatsapan’izy ireo manokana amin’ny alalan’ny fametrahana ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana ireto.

  • Mety ho nanao ahoana no fomba nasetrinao raha ianao ilay misiônera tamin’io toe-java-misy io?

  • Nahoana no mety ho sarotra ny mamaly amin’ny fomba tahaka ny ho nataon’i Kristy?

  • Oviana ianao no nanaovana fitondrana tsy mety na nenjehina noho ny finoanao?

  • Inona no mety ho toe-javatra any amin’ny hoavy izay mety hanenjehana anao noho ny finoanao?

Rehefa mandalina ny ohatr’ireo mpikamban’ny Fiangonan’i Kristy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao dia mitadiava fomba ahafahanao mijanona ho tsy azo hozongozonina sy hahita fiadanana ao amin’i Jesoa Kristy mandritra ny fanenjehana.

Fanenjehana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna

Niatrika fanamby maro i Almà nandritra ny androny tamin’ny naha-lohan’ny mpitsara azy. Taorian’ny namonoana an’i Nehôra noho ny namonoany an’i Gideona dia nanohy nino ireo fampianaran’i Nehôra ny sasany tamin’ny vahoaka. Vakio ny Almà 1:19–24, hitadiavana ireo fanamby natrehin’ny Nefita.

  • Inona avy ireo fitoviana hitanao eo amin’ny zavatra natrehin’ny Nefita sy ny zavatra niainanao?

  • Inona avy ireo zavatra nataon’ny mpikamban’ny Fiangonana ka niteraka tamin’ireo fanamby ireo (jereo ny andininy 22)?

Azonao atao ny manamafy amin’ny mpianatra fa ny Mpamonjy dia nampianatra fa tsy mety ny fifandirana ary an’ny devoly izany (jereo ny 3 Nefia 11:29–30). Tafiditra ao anatin’izany ny rehefa marina sy mety ny zavatra ampianarinao.

Vakio ny Almà 1:25–28 hitadiavana ny zavatra nataon’ny mpikambana marin’ny Fiangonana. Mba hanampy anao handamina ny zavatra halalininao dia manaova lisitry ny zavatra nataon’ny olona. Azonao atao ao amin’ny diary fandalinanao izany, na azonao marihina ao amin’ny soratra masinao ny zavatra hitanao.

Azo ampianarina ny fahaiza-mandalina soratra masina amin’ny fanaovana lisitra ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny manisy marika ny soratra masina amin’ny fomba hitan’izy ireo fa mety. Azon’ny mpianatra sasany atao ny manisy lohateny amin’ny lisitra toy ny hoe “Ahoana no hananana fiadanana rehefa enjehina” na lohateny hafa ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Azo atao ny manasa ny mpianatra hifantina singa iray avy ao amin’ny lisitra nataon’izy ireo ary avy eo dia handehandeha eran’ny efitrano sy hamaly ireo fanontaniana eo ambany miaraka amina mpianatra maro araka izay azon’izy ireo atao.

  • Inona avy no sasantsasany tamin’ireo fomba samy hafa nasetrin’ny mpikamban’ny Fiangonana ny fanenjehana?

Fenoy amina zavatra iray nianaranao tamin’ny ohatry ny Nefita ity andian-teny manaraka ity.

  • Ny … dia afaka manampy antsika hahatsapa ny fiadanana mitohin’ny Mpamonjy na amin’ny fotoana anenjehana antsika noho ny finoana Azy aza.

  • Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny famaliana amin’izany fomba izany manampy ny olona iray hahatsapa ny fiadanan’ny Mpamonjy?

  • Inona amin’ireny andininy ireny na ny lisitra nataonao no tianao hotadidìna indrindra raha sendra miatrika fanenjehana noho ny finoanao ianao? Nahoana?

    Raha misy fotoana dia hevero ny hifanakalo hevitra momba ny sasany amin’ireo fampianaran’ny Mpamonjy mahakasika ny fiaretana fanenjehana ao amin’ny 3 Nefia 12:10–12, 43–45.

    Mety hanampy raha asaina misaintsaina ny fanontaniana manaraka ny mpianatra fa tsy angatahina hamaly mafy. Ny fanaovana izany dia afaka mamela ny Fanahy Masina hitari-dàlana azy ireo manokana tsy ahatsapan’izy ireo ho voatery hizara bitsika azon’izy ireo manokana.

  • Inona no zavatra iainanao eo amin’ny fiainanao ka mahatonga anao hahatsapa ho mila ny fiadanana atolotr’i Jesoa Kristy?

Mihoatra noho ny fiadanana fotsiny

Ankoatra ny fiainana fiadanana dia notahin’ny Ray any An-danitra tamin’ny fomba hafa ireo Nefita nahatoky. Vakio ny Almà 1:29–32, hitadiavana ireo fitahiana nomen’ny Ray any An-danitra ny Nefita rehefa nitoetra ho mafy orina nandritra ny andro sarotra izy ireo.

  • Ahoana no nahitanao ireo fitahian’ny Ray any An-danitra rehefa nitoetra ho mahatoky nandritra ny fanenjehana ianao na ny olona hafa fantatrao?

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana momba ny fomba nitahian’ny Tompo anao na ny olona iray fantatrao noho ny fitoerana ho mahatoky nandritra ny fanenjehana?

Mifantena roa farafahakeliny amin’ireo zavatra nataon’ny Nefita mba hanehoana fitiavana sy fangoraham-po ho an’ny olon-drehetra na dia teo aza ny fanenjehana (jereo ny Almà 1:25–30). Fariparito ny fomba ahafahan’ny olona iray manao toy izany amin’izao androntsika izao.

Asao hizara ny valin-tenin’izy ireo ny mpianatra.

Zarao amin’ny mpianatra ny fatokianao fa hanampy azy ireo hijanona ho mafy orina ao Aminy ny Mpamonjy na dia ao anatin’ny fanenjehana aza. Asao izy ireo hihevitra ny hanao zavatra araka ny zavatra nozarain’izy ireo na ny iray amin’ireo mpiara-mianatra aminy.

Hamoaka printy