Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 11: Ianaro tsianjery sy takaro


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 11: Ianaro tsianjery sy takaro,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 11,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Famerenana fifehezana fotopampianarana 11

Ianaro tsianjery sy takaro

Sary
mpianatra manangan-tanana hametraka fanontaniana

Ny fianarana tsianjery ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny fanakarana ny fotopampianarana ampianarin’izy ireo dia afaka manasa ny Fanahy Masina ho eo amin’ny fiainanao sy hanampy anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanao tsianjery andian-teny manan-danja avy ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hikatsaka fahatakarana misimisy kokoa amin’ny alalan’ny fametrahana sy famaliana fanontaniana nentanin’ny Fanahy.

Ampio hampivelatra fahaiza-mandalina soratra masina ny mpianatra. Amporisiho hametraka fanontaniana ao an-dakilasy sy mandritra ny fandalinan’izy ireo manokana ny mpianatra. Ny fianarana mametraka fanontaniana sy mikatsaka valiny avy ao amin’ny soratra masina dia afaka manatsara ny traikefam-pandalinan’ny mpianatra. Ampio hahatakatra ny mpianatra fa ny soratra masina dia mihatra amin’ireo fanontaniana sy fanamby atrehan’izy ireo amin’izao fotoana izao, na lehibe izany na kely.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifantina iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 izay tian’izy ireo ho fantatra misimisy kokoa. Amporisiho izy ireo ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara ilay andalan-tsoratra masina nosafidin’izy ireo sy fanontaniana iray farafahakeliny izay tsapan’izy ireo fa mety hanampy azy ireo hahafantatra misimisy kokoa momba izany andalan-tsoratra masina izany.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Mety ho andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray no ilaina ampianarina ho solon’ity lesona famerenana ity. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Ataovy tsianjery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja

Hevero ny hampiseho na hanome ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity sy hanasa azy ireo hamerina hijery ireo toko sy andininy sy ireo andian-teny manan-danja. Afaka minitra vitsy dia jereo hoe ahoana ny fahavitan’ny mpianatra manao tsianjery ny toko sy andininy, amin’ny alalan’ny famakiana ny andian-teny manan-danja sy fanasana azy ireo hitady ilay andalan-tsoratra masina ao amin’ny soratra masin’izy ireo. Avereno amina toko sy andininy samy hafa io dingana io. Avy eo dia azonao atao ny mamaky mafy ny iray amin’ireo andian-teny manan-danja, ka miato kely tsindraindray mba hamelana ny mpianatra hanoratra ao amin’ny diarin’izy ireo ny na ireo teny manaraka. Avereno imbetsaka amin’ny alalan’ny fampiasana andian-teny samy hafa io dingana io. Asaivo manamarika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana tian’izy ireo haverina jerena misimisy kokoa ny mpianatra.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Mametraka fanontaniana entanim-panahy

Ny fanontaniana nentanim-panahy dia ampahany tena ilaina amin’ny dingana fianarana. Nandritra ny asa fanompoany tetỳ an-tany dia matetika ny Mpamonjy no nametraka fanontaniana izay nanasa ny mpianatra hieritreritra, sy hahatsapa, ary hanao zavatra araka ireo fahamarinana nampianariny (jereo ny Matio 16:13–16; Jaona 6:66–69). Angamba efa nahatsikaritra ray aman-dreny, na mpampianatra na mpitarika ao amin’ny Fiangonana nametraka fanontaniana izay nanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny filazantsara na hampifandray ny zavatra ianaranao amin’ny fiainanao ianao. Ny fametrahana sy famaliana fanontaniana nentanim-panahy dia afaka mahatonga ny dingana fianarana ho zavatra iainana mahasarika sy manan-danja kokoa aminao.

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto sokajim-panontaniana telo manaraka ireto. Mba hanomanana ny mpianatra hanao ilay sahanasa dia mifantena iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 ary mamoròna fanontaniana iray avy amin’izany andalan-tsoratra masina izany ho an’ny sokajy tsirairay. Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra handroso fanontaniana ho an’ny sokajy tsirairay. Ny fanontaniana ohatra mampiasa ny 2 Nefia 32:8–9 dia omena.

Ireto manaraka ireto dia ohatra amin’ny karazana fanontaniana samy hafa izay azo ampiasaina rehefa mandalina ny soratra masina. Ireo fanontaniana ohatra dia mifandray amin’ireo fahamarinana ampianarina ao amin’ny 2 Nefia 32:8–9.

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny sahan-kevitry ny soratra masina

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny votoatiny sy hevitry ny soratra masina

Ireo fanontaniana ireo dia afaka manampy antsika hamantatra fotopampianarana sy fitsipika.

  • Inona no tian’ny mpanoratra hianarantsika?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe “mivavaka mandrakariva ka tsy reraka”? (2 Nefia 32:9).

Fanontaniana hanampiana anao hahatakatra ny fotopampianarana sy fitsipika ao amin’ny soratra masina

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ny fivavahana mandrakariva miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ny Ray any An-danitra?

  • Inona no afaka manampy antsika hivavaka mandrakariva, na dia amin’ny fotoana tsy itiavantsika manao izany aza?

Rehefa avy manao môdely ny fanontaniana ohatra sasantsasany miaraka amin’ny mpianatra dia hevero ny hizara azy ireo ho tsiroaroa na vondrona kely hanao ity sahanasa manaraka ity.

Ao amin’ny vondrona misy azy ireo dia asaivo misafidy iray amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 ny mpianatra ary hiaraka hamaky ilay andalan-tsoratra masina iray manontolo. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mamorona farafahakeliny fanontaniana iray avy amin’ny tsirairay amin’ireo sokajy telo eny amin’ny solaitrabe. Rehefa vitan’ny mpianatra ny famoronany ny fanontaniana telon’izy ireo, dia asaivo mitambatra amina olona roa miaraka na vondrona hafa izy ireo. Asao hizara ny andalan-tsoratra masina sy fanontaniana nosafidiny ny olona roa miaraka na vondrona voalohany, ary asao hamaly ny fanontaniana tsirairay ny olona roa miaraka na vondrona faharoa. Avy eo dia asaivo mifamadika anjara asa ny mpianatra.

Raha misy fotoana, dia avereno ilay sahanasa ka misafidy andalan-tsoratra masina hafa isaky ny vondrona.

Amporisiho ny mpianatra mba hampiasa ilay fahaiza-mametraka fanontaniana mandritra ny fandalinan’izy ireo manokana sy ao an-dakilasy.

Hamoaka printy