Seminera
Almà 13–16: Topimaso ankapobeny


“Almà 13–16: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 13–16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 13–16

Topimaso ankapobeny

Nanazava i Almà fa ny Tompo dia nanendry mpisorona avo hampianatra ny didy sy hanatanteraka ny ôrdônansy mba ahafahan’ny olona miditra ao amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra. Rehefa nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny tanànan’i Amônihà izy sy i Amioleka, dia nampahory ny mpino sy namono azy ireo ho faty tamin’ny afo ny olona ratsy toetra. Avy eo dia nogadraina sy nenjehina mafy i Almà sy i Amioleka. Rehefa avy nohafahana tamim-pahagagana tany am-ponja izy ireo, dia nankany Sidôma izay nahitan’izy ireo an’i Zezrôma nararin’ny tazo mahamay noho ny fahatsapany ho meloka. Nanasitrana sy nanao batisa an’i Zezrôma i Almà.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 13

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny dikan’ny hoe miditra amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra sy ny fomba ahafahan’izy ireo manao izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalana mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamina ôrdônansin’ny filazantsara iray.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona mba handalina ny iray amin’ireo fanambarana fotopampianarana sy fitsipika anankiroa ao amin’ny lesona ary hiomana hizara ny zavatra hitan’izy ireo amin’ny iray kilasy. Azo atao ny mmitokana mba hiaraka handalina, na azon’izy ireo atao ny mandalina tsirairay.

Almà 14

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy ny mpianatra hitoky amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra sy fijaliana ary tsy rariny.

Almà 15

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahazo ilay hery manasitrana izay azo ampiasaina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina eo ambanin’ny Almà 15:1–12 ao amin’ny tari-dalana amin’ny fandalinana “jona 24–30. Almà 13–16: -Midira amin’ny fitsaharan’ny Tompo-” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

  • Horonantsary:Zeezrom Is Healed and Baptized (Nositranina sy natao batisa i Zezrôma)” (2:42)

  • Taratasy zaraina: “Aretina ara-panahy

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hampiasa ny solaitra fotsy mba hampisehoana ilay taratasy zaraina “Aretina ara-panahy” mba ahafahan’ny mpianatra manoratra ny zavatra hitan’izy ireo sy ny valintenin’izy ireo eo amin’izany.

Tombano ny fianaranao 5

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hitady soratra masina ao amin’ny Môzià 18Almà 16 momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay manan-danja amin’izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Sarina tendrombohitra iray na olona iray mandehandeha eo amin’ny tendrombohitra iray; sarin’olona iray eo afovoan’ny lalana, atao sary eny amin’ny solaitrabe alohan’ny fotoam-pianarana

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hampiasa ny solaitra fotsy mba ahafahan’ny mpianatra mizara ny zavatra nianaran’izy ireo na tsapan’izy ireo nandritra ny fandalinan’izy ireo ny antsasany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna. Raha manapa-kevitra ny hampiasa ilay fampiasana izay manampy ny mpianatra hanazava ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ianao, dia hevero ny hizara ny mpianatra amina efitrano kely mitokatokana.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hamerina hijery sy hampihatra fahatakarana sy fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalinin’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hifantina roa amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo anelanelan’ny 1 Nefia sy ny Môzià ary hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatakarana sy hampiharana izany.

  • Taratasy zaraina:Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Eo am-piandohan’ny lesona, rehefa mizara ny hevitr’izy ireo momba ny fomba hanakarana ny soratra masina ny mpianatra, dia manambàra lisitra amin’izany torohevitra izany eo amin’ny izay ahafahan’ny mpianatra mahita izany. Azo atao amin’ny alalan’ny fampiasana ny solaitra fotsy na koa ny chat izany. Ampidiro izay hevitra rehetra tsapanao fa hanampy. Mety hahazo tombony amin’ny fahitana ireo hevitra ireo ny mpianatra rehefa miezaka manakatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nofidiny izy ireo.

Hamoaka printy