Seminera
Almà 13: “Mba hahazoanareo miditra amin’izany fitsaharana izany”


“Almà 13: -Mba hahazoanareo miditra amin’izany fitsaharana izany,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 13,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 13

“Mba hahazoanareo miditra amin’izany fitsaharana izany”

Sary
ny Mpamonjy

Be fanahiana sy fahoriana isika eto amin’ity fiainana ity. Eo ny Tompo hanampy antsika sy maniry ny hidirantsika ao amin’ny fitsaharany. Nanazava i Almà fa ny Tompo dia nanendry mpisorona avo hampianatra ny didy sy hanatanteraka ny ôrdônansy mba ahafahan’ny olona miditra ao amin’ny fitsaharan’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny dikan’ny hoe miditra amin’ny fitsaharan’ny Tompo sy ny fomba ahafahanao manao izany.

Manampy ny mpianatra hahatakatra sariohatra manondro an’i Jesoa Kristy Feno sariohatra manondro an’i Jesoa Kristy ny soratra masina. Mametraha fanontaniana hanampiana ny mpianatra hamantatra ireny sariohatra ireny sy hijery ny fanehoan-kevitra ara-paminaniana raha misy izany. Ifanakalozy hevitra ny zavatra ampianarin’ireo sariohatra momba ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hieritreritra momba ny fomba nitahiana azy ireo tamin’ny alalana mpitarika iray ao amin’ny Fiangonana na tamin’ny alalan’ny fandraisana anjara tamina ôrdônansin’ny filazantsara iray.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fitsaharan’ny Tompo

Ny tanjon’ity sahanasa manaraka ity dia ny hanomana ny mpianatra hahatakatra ny fitsaharan’ny Tompo. Azonao sy ny mpianatrao atao ny mizara zavatra niainana tamin’ny fahazoana tombony amin’ny fitsaharana.

  • Oviana no fotoana nahazoanao tombony tamin’ny fitsaharana?

Matetika ny soratra masina no miresaka momba ny fitsaharan’ny Tompo. Ny fitsaharan’ny Tompo dia manondro “ny fahafenoan’ny voninahiny” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 84:24). Ny fitsaharan’ny Tompo dia manondro ihany koa ny “fananana fiadanana sy fahafahana amin’ny ahiahy sy tebiteby. Nampanantena izany fitsaharana izany mandritra izao fiainana izao amin’ny mpanaraka mahatoky azy ny Tompo. Nanomana toeram-pitsaharana ho azy ireo any amin’ny fiainana ho avy ihany koa Izy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Fitsaharana,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Ny fananana fiadanana sy fahafahana amin’ny ahiahy sy tebiteby dia tsy midika fa tsy hisy fizahan-toetra ny fiainana. Vakio ny Matio 11:28–30, ka tadiavo ny zavatra ampianarin’ny Tompo momba ny fitsaharany mandritra ireo fahasarotan’ny fiainana.

Omeo fotoana hisaintsainana ny fomba ahafahan’izy ireo misitraka ny fitsaharan’ny Tompo amin’izao fotoana izao eo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra. Mety ho azon’izy ireo atao hatramin’ny mirakitra an-tsoratra ny sasany amin’ny eritreritr’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany aza.

Eritrereto ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao.

  • Ahoana no ahafahanao mahazo tombony amin’ny fiainana ny fitsaharan’ny Tompo?

I Almà dia nanasa ny vahoakan’i Amônihà hibebaka ary tsy hanamafy ny fon’izy ireo mba ahafahan’izy ireo ho voavela heloka sy hiditra amin’ny fitsaharan’ny Tompo (jereo ny Almà 12:33–37). Rehefa mandalina ny Almà 13 ianao, dia tadiavo ny zavatra nomen’ny Tompo mba hanampiana anao hiditra ao amin’ny fitsaharany eto amin’ity fiainana ity sy amin’ny fiainana ho avy.

Hevero ny hizara roa ny kilasy ka hanendry ny antsasany iray handalina ny Almà 13:1–2, 6 mikasika ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana ary ny antsasany iray hafa handalina ny Almà 13:16 mikasika ireo ôrdônansin’ny fisoronana. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra haingana fitsipika roa sy hanao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hifanakalozanareo iray kilasy hevitra momba izany. Fiantomorana iray hafa azo atao ny manomana votoatiny avy amin’ny fitsipika tsirairay mba hohalalinin’ny mpianatra tsiroaroa na anatina vondrona alohan’ny hitaterana ny fianaran’izy ireo amin’ny mpianatra hafa. Izany dia mety hanome fotoana hifanakalozana hevitra ny Almà 13:27–30 any aoriandriana ao amin’ny lesona.

Ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana dia manampy antsika hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo

Ny vahoakan’i Amônihà dia nandray ny tenan’izy ireo ho “araka ny lamina sy finoan’i Nehôra” (Almà 14:16). Noho izany, nino izy ireo fa afaka ny ho voavonjy tsy misy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary nosoloin’izy ireo lamina diso izay nantsoin’i Almà hoe “kômiberaky ny mpisorona” ny fisoronana (jereo ny Almà 1:3–4, 12, 16). Mba hanitsiana ny finoan-dison’izy ireo, i Almà dia nampianatra azy ireo ny fomba “anendren’ny Tompo Andriamanitra mpisorona, araka ny laminy masina” (Almà 13:1).

Vakio ny Almà 13:1–2, 6, hitadiavana ny antony anendren’ny Tompo mpitarika ao amin’ny fisoronana.

  • Inona avy no antony sasantsasany iantsoan’ny Tompo mpitarika ao amin’ny fisoronana?

Avy amin’ireo andininy ireo, isika dia mianatra fa miantso mpitarika ao amin’ny fisoronana ny Mpamonjy mba hanampiana antsika hiandrandra fanavotana Aminy sy hampianatra ny didiny mba ahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharany.

Nampianatra toy izao ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo:

Noho ny Sorompanavotana nataony dia manana ny hery sy fahefana hanavotra ny olombelona rehetra i Jesoa Kristy. mba ahafahana mahazo ny herin’ny Sorompanavotany dia nanome ampahany amin’ny heriny sy ny fahefany ho an’ny lehilahy eto an-tany Izy. Io hery sy fahefana nomena io dia antsoina hoe fisoronana. (Dale G. Renlund, “Ny fisoronana sy ny herin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy,” Liahona, nôv. 2017, 64)

  • Inona no anampian’io teny natao io anao hahatakatra momba ny antony anohizan’ Andriamanitra miantso olona hihazona ny fisoronana amin’izao androntsika izao?

Ireo mpisorona avo noresahin’i Almà ireo dia “nantsoina sy nomanina hatry ny fanorenana izao tontolo izao … noho ny finoany fatratra sy ny asa soany” (Almà 13:3). Tamin’izany fotoana izany ihany, nisy ireo hafa izay “nandà ny Fanahin’ Andriamanitra noho ny hamafin’ny fony” (Almà 13:4).

Ireo mpitarika hafa ao amin’ny Fiangonana, toy ny Fikambanana Ifanampiana, ny Zatovovavy ary ny mpitarika Sekoly Alahady, dia manompo araka ny fahefam-pisoronana ampiandraiketina azy. Manompo miaraka amin’ireo mpitarika ao amin’ny fisoronana, izy ireo dia manampy amin’ny fitarihana ireo isam-batan’olona sy ireo fianakaviana hanatona an’i Kristy.

Mba hamaliana ity fanontaniana manaraka ity, dia azon’ny mpianatra atao ny mamorona lisitra miaraka daholo na anatina vondrona kely. Azonao heverina ihany koa ny manasa mpitarika ao amin’ny Fiangonana eo an-toerana mba ho tonga ao am-pianarana sy hizara ny zavatra ataony hanampiana ny hafa hiandrandra an’i Jesoa Kristy.

  • Inona avy no fomba sasantsasany anampian’ny mpitarika ao amin’ny Fiangonana antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy sy hiditra ao amin’ny fitsaharany?

Ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo

I Almà dia niresaka momba ireo ohatra marina nasehon’ireo mpisorona avo sy ny fomba “[nanamasinana]” (Almà 13:11) sy “[nanadiovana]” azy ireo ary “[nidirany] ny fitsaharan’ny Tompo Andriamaniny” (Almà 13:12). Avy eo i Almà dia niresaka manokana an’i Melkizedeka ho ohatra iray amin’ny mpitarika tao amin’ny fisoronana marina. Mariho fa tamin’ny voalohany ny vahoakan’i Melkizedeka dia ratsy fanahy tahaka ny vahoakan’i Amônihà (jereo ny Almà 8:9; 13:17).

Vakio ny Almà 13:14–19, hitadiavana ny fomba nanompoan’i Melkizedeka ny vahoakany.

  • Inona avy no fitovitoviana voamarikao eo amin’i Melkizedeka sy i Jesoa Kristy?

  • Araka ny voalazan’ny andininy 16, inona no tanjona iray amin’ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

Manomboka eo amin’ny andininy 16 dia ianarantsika fa ny ôrdônansin’ny fisoronana dia manampy antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy amin’ny famelana ny fahotana mba ahafahantsika miditra ao amin’ny fitsaharany.

Mety hanampy ny fampisehoana sarina fanatanterahana ôrdônansin’ny fisoronana isan-karazany eo sy ny firesahana ny fomba anampian’izany antsika “hiandrandra ny Zanak’ Andriamanitra” (Almà 13:16). Ampio hisaintsaina ny fandraisan’izy ireo anjara amin’ny ôrdônansy sy ny fomba nahatsapan’izy ireo ny fitsaharan’ny Mpamonjy ny mpianatra.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nampianatra ny fomba anampian’ny ôrdônansin’ny fisoronana antsika hiandrandra an’i Jesoa Kristy. Vakio ny lahatsoratra eto ambany ChurchofJesusChrist.org.

Ireo ôrdônansy fototra ao amin’ny filazantsara dia tandindon’ny Sorompanavotana. Ny batisa dia tandidon’ny fahafatesana, sy ny fandevenana, ary ny Fitsanganan’ny Mpanavotra tamin’ny maty. Ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo dia manavao ireo fanekem-pihavanan’ny batisa sy manavao ihany koa ny fahatsiarovantsika ny nofon’ny Mpamonjy nopotipotehina sy ny rà nalatsany ho antsika. Ireo ôrdônansin’ny tempoly dia maneho ny fihavanana antsika amin’ny Tompo ary mamehy ny fianakaviana hiaraka mandrakizay. (Russell M. Nelson, “The Atonement,” Ensign, nôv. 1996, 35)

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Filoha Nelson momba ireo ôrdônansin’ny fisoronana?

  • Oviana no nahatsapanao ho akaiky ny Mpamonjy tamin’ny alalan’ny fandraisanao anjara tamina ôrdônansin’ny fisoronana iray?

Mba hahazoanareo miditra amin’ny fitsaharany

Araka ny namaritan’ireo mpisorona azy ao amin’ny Almà 13:1–19, i Almà dia nikatsaka tamim-pahazotoana ny hanampy ny vahoaka hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo. Nampahatsiahy azy ireo izy fa ho avy tsy ho ela ny Tompo (jereo ny Almà 13:21–26). I Almà dia naniry tamin’ny “tebiteby lehibe, [t]amin’ny fanaintainana aza, ny hihainoan’izy ireo ny teni[ny]” (Almà 13:27).

Vakio ny Almà 13:27–30, ka tadiavo ny zavatra nasain’i Almà nataon’ny vahoaka.

  • Iza amin’ireo fanasan’i Almà (makà fanasana manokana iray) no heverinao fa afaka manampy antsika hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo?

    Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hametraka izay fanontaniana rehetra mety ananan’izy ireo momba ireo fampianaran’i Almà ka hiaraka hiasa ny iray kilasy hamaly azy ireny.

    Ity fanontaniana manaraka ity dia natao hanaovana fandinihan-tena manokana. Asao ny mpianatra hanao asa araka ny fanasana izay tsapan’izy ireo fa mety hanampy azy ireo indrindra ary hitady ny fomba hanampian’ny fanaovana izany azy ireo mba handray ny fitsaharan’ny Tompo.

  • Inona no nianaranao avy tamin’ny Almà 13 ka afaka manampy anao amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao?

Katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra azonao atao hampiharana ny zavatra nianaranao mba hidirana ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo.

Alaivo sary an-tsaina hoe miresaka amina namana iray izay manahy momba ny olana iray atrehiny ianao. Inona no hozarainao amin’ny namanao avy amin’ny fandalinanao ny Almà 13 mba hanampiana azy ireo hiditra ao amin’ny fitsaharan’ny Tompo? Mampidira andininy iray farafahakeliny avy ao amin’ny Almà 13 ao amin’ny valinteninao.

Hamoaka printy