Seminera
Tombano ny fianaranao 5: Mozià 18–Almà 16


“Tombano ny fianaranao 5: Môzià 18–Almà 16,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Tombano ny fianaranao 5,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Tombano ny fianaranao 5

Môzià 18Almà 16

Sary
zatovo mandeha an-tongotra lavitra

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Manampy ny mpianatra hifanaiky sy hifanaja. Mamoròna zavatra iainana izay mamela ny mpianatra hifampisintona hery amin’izy samy izy sy avy amin’ny faniriana iombonan’izy ireo hahazo ny fanasitranana sy fahasoavana ary fiadanan’ny Mpamonjy. Rehefa fantatry ny mpianatra ny zavatra iombonan’izy ireo, dia azo inoana kokoa fa hitondra ny anjara birikiny izy ireo sady mahay mipetraka amin’ny toeran’ny hafa.

Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hitady soratra masina ao amin’ny Môzià 18Almà 16 momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay manan-danja amin’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombana ireo tanjona napetrak’izy ireo, ny fahafahany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna, na ny fomba iovan’ny fihetsik’izy ireo, ny fanirian’izy ireo, ary ny fahafahan’izy ireo miaina ny filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy ny Môzià 18 hatramin’ny Almà 16 dia mety efa nanamafy fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao anatin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ny sahanasa mba hahatafiditra ireo fahamarinana ireo.

Manao jery todika, mandroso any aloha

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana rehefa nanao dia an-tongotra na am-bisikileta ianao, nahita ny fandrosoanao ry nanohy nankany amin’ny toerana nalehanao. Raha azo atao dia mizarà sarin’ny fivoahana nataonao. Azo atao koa ny manasa mpianatra hizara ny zavatra niainan’izy ireo manokana mitovitovy amin’izany.

Sary
zatovo manao dia an-tongotra

Mieritrereta fotoana nanaovanao dia an-tongotra, dia am-bisikileta, na dia lavitra. Rehefa mijery any aloha ianao ka manomboka ny dia, dia mety ho tena kely no fahitanao ny fandrosoana vitanao. Inona no mitranga rehefa maka fotoana hanaovana jery todika ny toerana nolalovanao ianao? Mety ho voamarikao fa nandeha lavitra kokoa noho ny tsapanao ianao.

  • Inona no tombony amin’ny fahalalana ny toerana nalehanao sy ny toerana halehanao?

Azo oharina amina dia iray ny fiainantsika. Ny fisaintsainana ny toerana misy anao sy ny toerana halehanao amina dia iray dia mety hitovy amin’ny fisaintsainana tsindraindray ny tanjona anananao amin’ny fandrosoan’ny tenanao manokana.

  • Ahoana no nahazoanao tombony tamin’ny fakana fotoana hanombanana ny tanjonao sy ny fandrosoanao?

Ity lesona ity dia hanampy anao hanombana ny fandrosoana vitanao tamin’ny dianao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao. Katsaho ny fitaomam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ny fandrosoanao ianao.

Lasa mpianatr’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa ity dia natao hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nohalalinin’izy ireo hatreto tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Izy io dia natao ihany koa hanampiana ny mpianatra hieritreritra tanjona mety ho tian’izy ireo hatao hitarihana ny fandalinana sy fianaran’izy ireo ny ambin’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mampiseho na manao sary tsotra toy ilay anankiray etsy ambany eny amin’ny solaitrabe ary mizara ireo toromarika manaraka izany. Hevero ny hanamboatra ilay sahanasa araka izay ilaina mba hanampiana ny mpianatra hiaina zava-manan-danja rehefa misaintsaina ny fianarany izy ireo. Amporisiho hijery andinin-tsoratra masina ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manohana ny valintenin’izy ireo ny mpianatra.

Sary
kisarisarin’olona ambony lalana

Manaova sarina lalana izay maneho ny lalan’ny fanekempihavanana sy ny dianao amin’ny maha-mpianatr’i Jesoa Kristy anao. Ampidiro any amin’ny fiafaran’ilay lalana ny fanjakana selestialy. Ataovy sary eo afovoan’ny lalana ny tenanao.

Avereno jerena ny zavatra nohalalininao tao amin’ny Bokin’i Môrmôna sy ny zavatra noraisinao an-tsoratra tao amin’ny diary fandalinanao mba hanampy anao hahatsiaro ny zavatra nianaranao. Ao aorian’ny sarin’ny tenanao, soraty ny zavatra nianaranao nandritra ny fandalinanao ny antsasany voalohany amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy anao ho tonga mpianatr’i Jesoa Kristy. Azonao atao ny mampiditra ny fahalalana azonao, ny fihetsika na faniriana ampivelarinao, na ireo asa nataonao.

Rehefa vitan’ny mpianatra izany, dia omeo fahafahana hizara izy ireo. Mety ho azonao atao ny manasa ny mpianatra maniry hanao izany mba hitanisa ny valintenin’izy ireo eny amin’ny solaitrabe eo aorian’ilay olona eo amin’ilay lalana. Avy eo dia azonao atao ny manomboka ny fifanakalozan-kevitra ho an’ny rehetra amin’ny alalan’ny fanasana azy ireo hizara izay zavatra tsapan’izy ireo fa nanan-danja indrindra. Na azonao anontaniana ny mpianatra ny fahalalana noraisin’izy ireo ka azon’izy ireo hazavaina tsara kokoa amin’izao, ireo fihetsika na faniriana tsapan’izy ireo fa nahitsy na novaina noho ny zavatra nianaran’izy ireo, na fitondrantena ampiharin’izy ireo eo amin’ny fiainan’izy ireo avy amin’ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ihany koa ny manondro ny iray amin’ireo valinteny voasoratra eny amin’ny solaitrabe ary manasa ny mpianatra hizara ireo andalan-tsoratra masina manokana na tantara izay nanome aingam-panahy ny valintenin’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra izay maniry hanao izany hifantina valinteny iray eny amin’ny solaitrabe izay tsy azy ireo ary hizara ny antony mahatonga izany hanaitra azy ireo. Amporisiho tsy hizara zavatra mikasika ny tenan’izy ireo manokana loatra ny mpianatra.

Rehefa avy mizara ny mpianatra, dia asaivo mieritreritra momba ny fahalalana fanampiny antenain’izy ireo ho azo izy ireo rehefa manohy mandalina ny Bokin’i Môrmôna. Azonao atao ny mizara ireto torolalana manaraka ireto sy manasa ny mpianatra hanampy ao amin’ny pejy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Jereo indray ilay sary ao amin’ny diary fandalinanao. Eo amin’ilay lalana eo alohan’ilay sary maneho anao, soraty ireo asa tianao hatao na hotohizana atao rehefa miezaka ny ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy ianao.

  • Inona ihany koa no antenainao hianarana rehefa mandalina ny antsasany manaraka amin’ny Bokin’i Môrmôna ianao?

  • Inona no antenainao fa ho fantatrao, tsapanao, na hataonao any amin’ny fiafaran’ity taona ity vokatry ny fandalinanao ny antsasany faharoa amin’ny Bokin’i Môrmôna?

Miaina fiovam-po

Ity sahanasa ity dia afaka manampy ny mpianatra hisaintsaina ireo fomba iainan’izy ireo fiovam-po.

Vao haingana ianao no namaky momba ny olona maro izay niaina fiovam-po. Ho an’ny sasany tahaka an’i Almà Zanany sy ny zanak’i Môzià, ilay fiovana dia teo no ho eo sy nisongadina. Ho an’ny sasany, tahaka an’i Amioleka sy ny vahoakan’i Limia, ny fiovam-pon’izy ireo dia niseho rehefa nandeha ny fotoana.

Nanontany ny vahoakan’i Zarahemlà toy izao i Almà: “Efa nahatsapa izany fiovana mahery vaika izany tao am-ponareo va ianareo?” (Almà 5:14). Ary raha izany no izy, “tsapanareo ve izany ankehitriny?” (Almà 5:26). Saintsaino ny fivoaran’ny fiovam-ponao manokana. Sarotra indraindray ny mahafantatra ny fomba mety hanampian’ny Tompo anao hiova? Amin’ny lafiny inona no nahitanao ny tenanao tamin’ny sasany tamin’ireo tantara nohalalininao?

Vakio ny Almà 5:14–19, 26–29, ary saintsaino am-bavaka ny fanontanian’i Almà.

Mety ho noraketinao an-tsoratra tao amin’ny diary fandalinanao ny valinteninao tamin’ireo fanontanian’i Almà tamin’ny fotoana nandalinanao voalohany ireny andininy ireny. Ampitahao amin’ny fomba hamalianao ireo fanontaniana ireo amin’izao fotoana izao ny zavatra nosoratanao tamin’izany. Inona no tsikaritrao? Inona araka ny eritreritrao no tian’ny Ray any An-danitra ho fantatrao, tsapanao, na hataonao rehefa avy mampitaha ny valinteninao ianao?

Hevero ny hirakitra an-tsoratra ny valinteninao na fahatsapanao vaovao momba ny fandrosoanao.

Ampio hahatakatra fa mety ho sarotra ny mahatsapa ny fivoaran’ny tena manokana indraindray. Mitadiava fahafahana hanampy ny mpianatra tsirairay hahita ny fitomboany sy fivoaran’izy ireo. Raha mahatsikaritra fomba niainan’ny mpianatra sasany fiovam-po ianao, dia zarao aminy izany.

Manazava ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy

Ity sahanasa manaraka ity dia afaka manampy ny mpianatra hizatra manazava ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy. Fomba iray anampiana ny mpianatra hanao izany ny fanasana azy ireo hiasa tsiroaroa. Ny mpianatra tsirairay dia afaka manoratra zava-misy na fanontaniana iray izay mety hahafahan’ny fahatakarana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy manampy. Rehefa avy manoratra ilay zava-misy na fanontaniana ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo taratasy ary avy eo manoratra valiny iray. Rehefa avy manoratra izy ireo, dia azon’ny mpianatra atao ny mifampizara ny valintenin’izy ireo.

Manorata rafi-tantara na zava-misy iray izay hanampian’ny fahafantarana momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy ny olona iray. Ohatra, manontany tena ny zatovovavy iray raha afaka ny ho voavela heloka izy, na mahatsiaro ho irery amin’ny fizahan-toetra lalovany ny zatovolahy iray. Na, ho solona zava-misy iray, azonao atao ny manoratra fanontaniana iray mety hanananao na ny olona iray hafa fantatrao momba ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy.

Eritrereto ny zavatra nianaranao momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy tamin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna. Jereo ny soratra masina nasianao marika na ny zavatra noraisinao an-tsoratra tao amin’ny diary fandalinanao. Mety nanisy marika ny soratra masina sasany ianao na nandray naoty tamin’ny fandalinanao ny Môzià 26 na ny Almà 7 (jereo ihany koa ny 2 Nefia 9; Môzià 14–16).

Soraty ny zavatra holazainao hasetry ilay zava-misy na fanontaniana. Hazavao ny fomba mety hahafahan’ny fahatakarana ny fotopampianaran’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy manampy amin’ilay zava-misy na mamaly ilay fanontaniana. Miezaha mampiasa andalan-tsoratra masina iray na mihoatra avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao sy hanasa ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy