Seminera
Almà 14: “Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo”


“Almà 14: ‘Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo,’” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 14,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 14

“Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo”

Sary
I Almà sy i Amioleka nigadra

Satria miaina ao anatin’ny tontolo lavo isika, dia maro ny olona anehoana fitondrana mafy sy tsy rariny. Rehefa nampianatra ny filazantsaran’i Jesoa Kristy tao amin’ny tanànan’i Amônihà i Almà sy i Amioleka, dia nampahory ny mpino sy namono azy ireo ho faty tamin’ny afo ny olona ratsy toetra. Avy eo dia nogadraina sy nenjehina mafy i Almà sy i Amioleka. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampy anao hitoky amin’ny Tompo rehefa miatrika zava-tsarotra sy fijaliana ary tsy rariny.

Mampianatra amin’ny alalan’ny herin’ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina dia mijoro ho vavolombelona ny amin’ny fahamarinana rehetra ary mijoro ho vavolombelona momba ny Ray sy ny Zanaka. Nampianatra toy izao ny Filoha Henry B. Eyring: “Tsy afaka mahalala an’ Andriamanitra sy mitia araka ny tokony ho izy ny mpianatra, raha tsy ampianarin’ny Fanahy Masina” (“To Know and to Love God” [evening with a General Authority, 26 feb. 2010], 2).

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina ny fizahan-toetra rehetra efa niaretan’izy ireo ny mpianatra. Amporisiho izy ireo hieritreritra momba ny fomba nanampian’ny fitokian’izy ireo tamin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy nanampy azy ireo na mety ho nanampy azy ireo hiaritra ireo fisedrana azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanambin’ny fiainana an-tany

Vakio ity fanambarana manaraka ity izay nataon’ny Loholona Anthony D. Perkins ao amin’ny Fitopololahy:

Na aiza na aiza toerana onenanao, ny fijaliana ara-batana na ara-pihetsehampo izay avy amin’ireo karazana fitsapana sy fahalemena amin’ny maha-olombelona, dia efa ampahan-javatra iray tao anatin’ny fiainanao na ampahan-javatra ao amin’ny fiainanao amin’izao fotoana izao na ho ao amin’ny fiainanao indray andro any. (Anthony D. Perkins, “Tsarovy ireo olomasinao mijaly, Ry Andriamanitray ô,” Liahona, nôv. 2021, 103)

Amporisiho hieritreritra valiny maro araka izay azo atao amin’ity fanontaniana manaraka ity ny mpianatra, ary hevero ny hanao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe.

  • Inona avy ireo fomba samy hafa sasantsasany azontsika asetry ireo fisedrana?

Ny Almà 14 dia fitantarana momba ireo olo-marina izay niaina fisedrana mahamay. Ny ankamaroan’ireny fisedrana ireny dia nampiharin’olona izay nampiasa tamin’ny fomba tsy mety ny fahafahany misafidy teo amin’izy ireo. Rehefa mandalina ianao diahevero ny fomba ahafahan’ireo fahamarinana hitanao tamin’ny ohatra nasehon’i Almà sy i Amioleka ary olo-marina hafa manampy anao amin’ny fihetsika asetrinao ireo fisedrana amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireto anarana manaraka ireto. Asao ho eny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ary hanoratra ny zavatra niaretan’ny tsirairay araka ny amaritan’ny Almà 14:1–9 izany. Raha mampiasa ilay horonantsary hoe “Zeezrom Believes, and the Righteous Are Persecuted (Nino i Zezrôma ary nenjehina ny marina)” (3:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ianao, dia hevero ny hiato kely eo amin’ny kaodim-potoana 2:03.

  • Almà sy Amioleka

  • Zezrôma

  • Mpino ny tenin’ Andriamanitra

Vakio ny Almà 14:1–9 ka mitadiava ohatra amin’ny fijaliana niainan’ireo olona samy hafa. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Zeezrom Believes, and the Righteous Are Persecuted (Nino i Zezrôma ary nenjehina ny marina)” (3:51), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona avy no fanontaniana mety hanananao raha miaina fizahan-toetra toy ny sasany amin’ny an’ireo olona ireo ianao?

Hevero ny hampiasa ilay sahanasa fianarana fanampiny mitondra ny lohateny hoe “Almà 14:11. Fomba fijery mibanjina ny mandrakizay” entina hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny fomba famakafakana hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Matoky ny Tompo

Afaka maneho fihetsika entina hamaliana amin’ny fomba maro isika rehefa miaina fijaliana na mahita ny fijalian’ny hafa. Vakio ny Almà 14:10–11 hitadiavana ny fihetsika nasetrin’i Amioleka sy i Almà ny fijalian’ny mpino.

  • Efa nisy fotoana ve nanirianao hamonjy ny tenanao na ny hafa tamin’ny fanaintainan’ny fisedrana, tahaka ny nataon’i Amioleka? Nahoana?

  • Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ny fihetsika nasetrin’i Almà ao amin’ny andininy 11?

Vakio ny Almà 14:12–13 hitadiavana fahamarinana iray nampianarin’i Almà momba ny fihetsika tokony asetrintsika rehefa miatrika fijaliana.

  • Ahoana no nanehoan’ny tenin’ny Almà fitokisana amin’ny Tompo?

  • Inona no fitsipika azontsika ianarana avy amin’ny ohatra nasehon’i Almà?

Fitsipika iray azontsika ianarana ny hoe rehefa mandalo fisedrana sy fijaliana isika, dia azontsika atao ny misafidy ny hatoky ny Tompo na inona na inona ho vokany. Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fitsipika io ao amin’ny diary fandalinanao sy hanisy marika ny andian-teny hoe “Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo” ao amin’ny soratra masinao.

  • Amin’ny fomba ahoana avy araka ny eritreritrao no maha safidy ny fitokiana amin’ny Tompo?

  • Ahoana no mety hahafahanao mampihatra ilay andian-teny hoe “Aoka ho to araka ny sitrapon’ny Tompo” amin’ny zavatra iray iainanao amin’izao fotoana izao?

Eritrereto ny fomba ahafahanao manampy ny mpianatra hanombana ny fahafahan’izy ireo mitoky amin’ny Tompo mandritra ny fisedrana azy ireo. Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ireto fanambarana manaraka ireto sy hanome fotoana hanaovana fanombanan-tena mangina amin’ny mpianatra.

Eritrereto ny fiainanao sy ny toe-javatra misy anao. Inona no ataonao rehefa mandalo fanenjehana, fisedrana, na tsy rariny ny olona akaiky anao? Valio amin’ny hoe mandrakariva, indraindray, na tsy mihitsy ireto fanambarana manaraka ireto.

  1. Matoky ny sitrapon’ny Tompo sy ny fotoanany aho rehefa mivavaka mba hahazo fanamaivanana amin’ny fisedrana lalovako.

  2. Mikatsaka faharetana sy fahatakarana amim-pahatokiana aho rehefa toa tsy rariny ny fiainana.

  3. Afantoko amin’i Jesoa Kristy sy ireo fampanantenany maharitra mandrakizay ny finoako fa tsy amina vokatra manokana antenaiko.

Ny Loholona Quentin L. Cook ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara fomba fijery izay afaka manampy antsika hatoky ny Tompo mandritra ny fisedrana lalovantsika. Jereo ilay horonantsary hoe “Fiadanan’ny tena manokana: Valisoa avy amin’ny fahamarinana” manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:02 hatramin’ny 9:33, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity manaraka ity:

Nandray anjara tao amin’ilay fivoriana tany an-danitra avokoa isika rehetra, izay natao mba ahafahana manao safidy eo amin’ny tsara sy ny ratsy, ary fantatsika fa hisy ny fanaintainana amin’ny fiainana an-tany ary hisy loza tsy hay lazaina aza noho ny fanararaotana diso tafahoatra ny fahafahana misafidy. Nahatakatra isika fa mety hahatonga antsika ho tezitra izany, hikorontan-tsaina, tsy afaka hiaro tena, ary halemy. Saingy fantatsika ihany koa fa handresy sy hisolo vaika ny tsy rariny eto amin’ny fiainana an-tany ary hitondra fiadanana ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. (Quentin L. Cook, “Fiadanan’ny tena manokana: Valisoa avy amin’ny fahamarinana,” Liahona, mey 2013, 33–34)

  • Inona no zavatra nianaranao ka afaka manampy anao rehefa miaina fijaliana na lasa mahalala ny fijalian’ny hafa ianao?

Ataovy azo antoka fa takatry ny mpianatra ireto fampahalalana manaraka ireto ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra.

Zava-dehibe ny hahatsiarovana fa raha maratra na iharan’ny herisetra na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ianao, dia tokony hikatsaka fanampiana avy amin’ny ray aman-dreny na mpitarika ao amin’ny Fiangonana mba ahafahan’izy ireo manampy anao hamaha ilay olana. Tia anao ny Tompo ary tiany hahatsapa fiadanana sy fahasambarana ianao.

Manohy amin’ny finoana sy fahatokisana ny Tompo.

Rehefa avy noterena hanatrika ny fandoroana ireo mpino marina i Almà sy i Amioleka, dia noesoina sy nokapohina ary nogadrain’ireo mpanapaka an’i Amônihà (jereo ny Almà 14:14–17).

Fantaro ny fomba tsara indrindra hampandraisana anjara ny mpianatra ao amin’ny kilasy misy anao rehefa mandalina ireto andininy ireto izy ireo. Mety ho tian’ny mpianatra raha miara-mamaky na mihaino ny raki-peon’izany sady manaraka izany.

Raha afaka mahazo tombony amin’ny fampitahana io tantara io amin’ny fiainan’ny Mpamonjy ny mpianatra, dia hevero ny hampiasa ilay sahanasa fampianarana fanampiny “Almà 14:14–24. Manaraka ny ohatra nasehon’i Jesoa Kristy.

Vakio ny Almà 14:18–29 ka tadiavo ny fomba nitokian’i Almà sy i Amioleka tamin’ny Tompo nandritra ny fijalian’izy ireo. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Alma and Amulek Are Miraculously Delivered from Prison (Nafahana tany am-ponja tamin’ny fomba mahagaga i Almà sy i Amioleka)” (2:45), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no nanohizan’i Almà sy i Amioleka natoky ny Tompo nandritra ny fahorian’izy ireo?

Iza no fantatrao?

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa sy hanasa azy ireo hizara momba ny olona fantatr’izy ireo fa ohatra tsara amin’ny fahatokisana ny Tompo mandritra ny fisedrana. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny mizara hevitra momba ny fomba ahafahan’izy ireo matoky tsara kokoa ny Tompo mandritra ny fisedrana lalovan’izy ireo.

Mieritrereta olona iray eo amin’ny fiainanao izay miezaka mafy mitoky amin’ny Tompo mandritra ireo fisedrana sy fahoriana. Inona no azonao ianarana avy amin’ny ohatra nasehony? Inona no fitovitoviana hitanao eo amin’ny fihetsika nasetrin’io olona io sy ny fihetsika nasetrin’i Almà sy i Amioleka ny toe-javatra sarotra?

Manorata zavatra manokana iray na roa azonao atao mba hitokisana tsara kokoa amin’ny Tompo rehefa sarotra na tsy rariny ny fiainana. Hevero ny hametraka ny zavatra soratanao amin’izay toerana hahitanao azy matetika.

Hamoaka printy