Seminera
Almà 15: Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy


“Almà 15: Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 15,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 15

Ny hery manasitran’i Jesoa Kristy

I Zezrôma eo am-pahasitranana

Ny fanatonana ireo izay nijaly dia zavatra nifantohan’ny asa fanompoan’i Jesoa Kristy tetỳ ambonin’ny tany. Nitovy tamin’izany zavatra nifantohan’i Almà sy i Amioleka rehefa avy nafahan’ny tanan’ Andriamanitra tamin’ny fonja tamin’ny fomba mahagaga izy ireo. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahazo ilay hery manasitrana izay azo ampiasaina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy.

Asao ny fianarana amim-pahavitrihana. Ampio ny mpianatra hahatakatra fa ny fianarana ny filazantsara dia tsy natao ho zavatra iainana tsy anaovana na inona na inona. Izy io dia mitaky fisainana tsara, fandalinana, vavaka ary asa. Azonao atao ny manampy ny mpianatrao amin’ny alalan’ny famoronana zavatra iainana izay hamporisika azy ireo handray anjara amin’ny fifanakalozan-kevitra, hizara ny zavatra niainan’izy ireo ary hametraka fanontaniana.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamaky ny hevitra ho an’ny fandalinan’ny mpianakavy soratra masina eo ambanin’ny Almà 15:1–12 ao amin’ny tari-dalana amin’ny fandalinana “jona 24–30. Almà 13–16: -Midira amin’ny fitsaharan’ny Tompo-” ao amin’ny Avia, hanaraka Ahy—Ho an’ny isam-batan’olona sy ny fianakaviana: Bokin’i Môrmôna 2024.

Sahanasa fianarana azo atao

Aretina ara-batana sy ara-panahy

Ity manaraka ity dia natao hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra hamantatra ny fambara na fiantraikan’ny fahotana. Azonao atao ny misafidy aretina mahazatra kokoa ny mpianatra noho ny eo amin’ny lisitra raha ilaina.

Hadihadio ity lisitr’aretina manaraka ity. Diniho ny fambara amin’izy ireo sy ny fitsaboana rehetra ampiasaina hitsaboana azy ireo.

  • Aretim-po

  • Homamiadana

  • Taolana tapaka

  • Inona no hitranga raha ny fambara amin’ireo aretina ireo fotsiny no tsaboin’ny olona iray fa tsy mikatsaka ny hahatakatra ny olana fototra izy?

Rehefa mampiditra ity andiam-pehezanteny manaraka ity sy izay mety ho fanontaniana, dia aza mikatsaka na mamela ny mpianatra hamboraka fahotan’ny tena manokana.

Tahaka ny aretina ara-batana, ny fahotana—na aretina ara-panahy—dia misy fambara ihany koa. Diniho ireo mety ho fambara sasantsasany amin’ny fahotana, ary makà fotoana hieritreretana momba ny toe-pahasalamanao ara-panahy. Afaka manampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Araka ny lahatsoratra ao amin’ny Lohahevitry ny Filazantsara “Fahotana” (topics.ChurchofJesusChrist.org), inona avy no fiantraikan’ny fahotana?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahotana miantraika amin’ny fahatsapantsika momba ny tenantsika sy miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ny hafa?

Rehefa mandalina ianao, dia mihainoa ny Fanahy Masina hampianatra anao ny fomba ahafahanao mahazo ny hery manasitran’i Jesoa Kristy mba hanatsarana ny fahasalamanao ara-panahy.

Ny aretin’i Zezrôma

Rehefa avy nafahan’ny tanan’ Andriamanitra tamin’ny fonja tamin’ny fomba mahagaga i Almà sy i Amioleka, dia nandeha tany Sidôma izy ireo (jereo ny Almà 15:1–2). Nandritra ny fotoana naha-tany Sidôma azy ireo, dia nanao asa fanompoana tamin’ireo izay noroahina tany Amônihà noho ny finoana ny hafatr’i Jesoa Kristy izy ireo. Oolona iray nanaovan’izy ireo asa fanompoana i Zezrôma.

sary famantarana ny taratasy zarainaHevero ny hizara amin’ny mpianatra ity taratasy zaraina manaraka ity. Azon’izy ireo atao ny miara-miasa ao anatina vondrona kely, amin’ny alalan’ny fampiasana ny Almà 15:4–12 mba hamantarana ny soritr’aretin’i Zezrôma sy hamaritana ny taratasy avy amin’ny mpitsabo izay afaka nanasitrana azy.

Aretina ara-panahy

doctor note

Vakio ny soratra masina voatanisa eo ambanin’ny hoe “Soritr’aretina”. Tanisao eo ambanin’izy ireo ny teny sy andian-teny rehetra izay mamaritra ny aretin’i Zezrôma.

  • Ahoana no mety hahafahanao mamaritra ny aretin’i Zezrôma, ao anatin’izany ny fahasalamany ara-panahy?

  • Inona no zavatra tadidinao momba an’i Zezrôma ka mety nahatonga azy ho nahatsapa toy izany?

Hevero ny hanasa mpianatra iray hizara ny sasantsasany amin’ny tantaran’ny lasan’i Zezrôma. Mety hanampy ireto andininy manaraka ireto: Almà 10:31; 11:21–22; 12:1, 7–8. Azonao heverina ihany koa ny hizara ny teny nataon’ny Filoha Ezra Taft Benson ao amin’ny fizaràna hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra”.

Tsy hoe misy ifandraisany amin’ny fahotana foana akory ny aretina ara-batana (jereo ny Jaona 9:2–3). Mariho ny fahatsapan’i Zezrôma ho diso ao amin’ny Almà 14:6. Na dia tsy mahafinaritra aza ny miaina fahatsapana ho diso, dia tena misy tanjona izany. Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny tanjona mety hananan’ireny fahatsapana ireny. Jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:15 hatramin’ny 13:49 ilay horonantsary hoe “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena”, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny lahatsoratra eo ambany.

15:47

Isika rehetra dia niaina ny fanaintainana miaraka amin’ny ratra ara-batana na fery. Rehefa ao anatin’ny fanaintainana isika dia mikatsaka ny ho maivamaivana araka ny mahazatra ary feno fankasitrahana noho ny fanafody sy fitsaboana nanampy tamin’ny fampihenana ny fijaliantsika. Raiso ho toy ny fery ara-panahy ny fahotana izay mahatonga fahatsapana ho meloka na, araka izay nofaritan’i Almà tamin’i Kôriantôna zanany lahy hoe “fanenenan’ny fieritreretana” (Almà 42:18). Ny fahatsapana ho meloka ho an’ny fanahintsika dia mitovy amin’ny fanaintainana ho an’ny vatantsika—fampitandremana ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny. (David A. Bednar, “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44)

  • Araka ny voalazan’ny Loholona Bednar dia inona no iray amin’ireo tanjon’ny fahatsapana ho meloka?

  • Ahoana no mety hanovan’izany ny fahitantsika na ny fomba fijerintsika ny fahatsapana ho meloka rehefa avy manao hadisoana?

  • Amin’ny fomba ahoana araka ny eritreritrao no itovian’ny soritr’aretin’i Zezrôma amin’ny “fampitandremana amin’ny loza sy fiarovana amin’ny fahavoazana fanampiny”?

Fanasitranana amin’ny alalan’ny herin’i Jesoa Kristy

Vakio tsara ny fanasitranana an’i Zezrôma ao amin’ny Almà 15:4–12. Azonao atao ny mijery ilay horonantsary hoe “Nositranina sy natao batisa i Zezrôma” (2:42), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Rehefa mamaky ianao, dia ifantohy tsara ny antsipiriany nandray anjara tamin’ny fanasitranana an’i Zezrôma. Hevero ny hanoratra fanamarihana fohy momba ireny antsipiriany ireny eo ambanin’ny ampahany hoe “Toromarika” amin’ny taratasin’ny dokotera nataonao.

2:42
  • Inona avy no fitsipika na fahamarinana azontsika ianarana avy amin’ny fanasitranana an’i Zezrôma?

Fitsipika iray ianarantsika amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy isika dia afaka ny ho sitrana.

  • Inona no porofo hitanao tao amin’ireo andininy momba an’i Zezrôma nampihatra finoana an’i Jesoa Kristy taloha sy taorian’ny nahasitranany ireo?

  • Ahoana no ahafahantsika mampihatra finoana an’i Jesoa Kristy amin’ny fomba tahaka izany?

Ny Loholona David A. Bednar dia nanazava ny fomba ahafahantsika mampihatra finoana. Jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 13:49 hatramin’ny 14:17 ilay horonantsary hoe “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ny lahatsoratra eo ambany.

15:47

Matetika ny Mpamonjy no antsoina hoe ilay Mpitsabo Lehibe, ary io anarana fiantsoana io dia sady tandindona no manana heviny ara-bakiteny. … Mikoriana avy amin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ny balsaman’ny fampitoniana izay afaka manasitrana ny ferintsika ara-panahy ary manala ny fahatsapana ho meloka. Io balsama io anefa dia tsy azo ahosotra raha tsy amin’ny alalan’ireo fitsipiky ny finoana an’i Jesoa Kristy Tompo, sy ny fibebahana ary ny fankatoavana mandrakariva. Ny vokatry ny fibebahana marina dia fiadanan-tsaina sy fahazoana aina ary fanasitranana sy fanavaozana ara-panahy. (David A. Bednar, “Mino Isika fa tokony ho Madio Fitondrantena,” Liahona, mey 2013, 44)

Mila mahita valinteny mazava amin’ny fanontaniana voalohany ny mpianatra hanomanana ny sahanasan’ny lesona farany. Rehefa mifanakalo hevitra amin’ny iray kilasy momba io fanontaniana io ianao, dia azonao atao ny manao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’ny mpianatra. Ampio izy ireo hahita hevitra isankarazany.

Ny fanontaniana roa hafa dia azo ampiasaina ho fanontaniana fanarahana ao anatin’io fifanakalozan-kevitra io.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika mahazo ny hery manasitran’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no anarana fiantsoana mety tsara amin’ny Mpamonjy ny hoe “Mpitsabo lehibe”? Nahoana araka ny eritreritrao no mahay manasitrana antsika Izy?

    Raha hahazoan’ny mpianatra tombony ny soratra masina sasantsasany izay manamafy fa manana hery anasitranana i Kristy, dia hevero ny hizara ny sasany amin’ireto manaraka ireto: Salamo 30:2; 147:3; Isaia 53:5.

  • Oviana ianao (na oviana ny olona iray fantatrao) no niaina ny fanasitranan’ny Mpamonjy?

Na dia mety tsy mijaly tahaka an’i Zezrôma avokoa aza isika rehetra, dia manana olana isika rehetra ary mandalo fijaliana izay azon’ny Mpamonjy anampiana antsika. Eritrereto ny sasantsasany amin’ny fiantraikan’ny fahotana na fahadisoana mety hiainan’ny tanora sy ny mety hilan’izy ireo ny hery manasitran’ny Mpamonjy.

Hevero ny hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny hevitry ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ihany koa ny miasa tsiroaroa na anatina vondrona kely hikaon-doha hitady hevitra ary avy eo hizara hevitra amin’ny iray kilasy.

Mamoròna taratasin’ny dokotera iray hafa mba hanampiana olona iray. Vakio ny 3 Nefia 9:13–14, ary ampiasao ny zavatra nianaranao androany mba hamoronana toromariky ny mpitsabo iray. Mety ho azonao tondroina ny Almà 15. Zarao ny fomba ahafahan’i Jesoa Kristy manampy sy ny mety ho endrika isehoan’ny fampiharana finoana Azy. Aza hadinoina ny mameno ity fanambarana tsy feno manaraka ity:

  • Raha misy olona iray mahatsapa [ataovy lisitra ny soritr’aretina amin’ny fahotana] … , dia mila mahatsiaro [ataovy lisitra ny toromarika na fanafody] … izy

Ampahatsiahivo ny mpianatra fa mila ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary ny fanasitranana azon’Izy ireo omena antsika isika rehetra. Mijoroa ho vavolombelona fa hanampy antsika mandrakariva ny fampiharana finoana sy finoana an’i Jesoa Kristy. Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny zavatra nianaran’izy ireo na izay nanaitra indrindra azy ireo tamin’ny fandalinany androany.