Seminera
Famerenana fifehezana fotopampianarana 12: Takaro ary ampiharo


“Famerenana fifehezana fotopampianarana 12: Takaro ary ampiharo,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatraa (2024)

“Famerenana fifehezana fotopampianarana 12,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana fifehezana fotopampianarana 12

Takaro ary ampiharo

Sary
I Kristy nampianatra tao amin’ny synagoga

Ity lesona ity dia hanampy anao hamerina hijery sy hampihatra fahatakarana sy fampiharana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana nohalalininao.

Manampy ny mpianatra ho mpandray anjara mavitrika. Eo am-piomanana hampianatra, mifantoha amin’ny zavatra izay hataon’ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra mba hiezaka hianatra amin’ny soratra masina sy avy amin’izy samy izy. Rehefa mandray anjara ny mpianatra, dia hitombo ny fahatokisan’izy ireo ny fahafahan’izy ireo mianatra fahamarinana ara-pilazantsara. Ho azo inoana kokoa hampihatra ny zavatra ianarany ihany koa ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hifantina roa amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo anelanelan’ny 1 Nefia sy ny Môzià ary hisaintsaina ny zavatra azon’izy ireo atao mba hahatakarana sy hampiharana izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra rehefa mandeha ny seminera.

Mahatakatra andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Alaivo sary an-tsaina hoe ianao dia manana fahafahana hiresaka amin’ny olona iray izay mieritreritra fa tsy mahatakatra ny soratra masina izy sady tsy mahazo antoka hoe te hiezaka hanao izany.

  • Nahoana no manan-danja ny miezaka manakatra ny soratra masina?

  • Raha tokony hanome torohevitra momba ny zavatra azon’ny olona iray atao hampitomboana ny fahatakarany ianao, inona no holazainao?

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ny hevitry ny mpianatra. Voatanisa eo ambany ny hevitra mety ho hita amin’izany. Avy eo dia asao hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana roa ny mpianatra ary hampiasa ny iray amin’ireo hevitra eny amin’ny solaitrabe mba hanampiana amin’ny fampitomboana ny fahatakaran’izy ireo ilay andinin-tsoratra.

Ao anatin’ny fomba sasantsasany hampitomboana ny fahatakaranao ny

  • fijerena ny teny tsy azonao;

  • famakiana ny lohatenin’ny toko na ireo andininy eo aloha sy eo aorian’ilay andalan-tsoratra masina halalininao hahalalana ny sahan-kevitra;

  • famakiana ny ireo andalana ampifandraisina eo amin’ny fanamarihana ambanin’ny pejy;

  • fijerena teny manan-danja ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina;

  • fangatahana fanampiana amin’ny ray aman-dreny, mpampianatra, na mpitarika ao amin’ny Fiangonana;

  • famantarana ireo fahamarinana momba an’i Jesoa Kristy; sy

  • fisaintsainana ny fomba ahafahan’ny fiainana ireny fahamarinana ireny manampy anao hanakaiky kokoa ny Mpamonjy.

Asehoy na omeo ny mpianatra ny tahadika iray amin’ity tabilao manaraka.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Mampihatra ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Mety ho ny iray amin’izy ireo ihany no tianao hampiasaina, na azonao atao ny mamela ny mpianatra hifantina ny hoe iza no ataon’izy ireo miainga amin’ny fahalianan’izy ireo na fahaiza-manaon’izy ireo. Asaivomiara-miasa anatina vondrona kely ny mpianatra.

Sahanasa A. Mamoròna rafi-tantara iray

  1. Eo amin’ny lafiny iray amin’ny taratasy iray, manorata fanontaniana momba ny filazantsara izay azo valiana na toe-javatra miseho iray azo ampiana amin’ny alalan’ny fampiasana io andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana io.

  2. Ao ambadika, soraty ilay toko sy andininy fifehezana fotopampianarana, ny andian-teny manan-danja ary ny fanazavana fohifohy ny fomba ahafahan’izany manampy.

Raha io ihany no sahanasa ataon’ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny manolotra ny taratasin’izy ireo. Avy eo dia azonao atao ny mamaky ny rafi-tantara sy fanontaniana ary manasa ny mpianatra hijery fahamarinana avy amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana afaka manampy. Azo ampifanoloina amin’izany, hevero ny hanasa ny mpianatra handehandeha eran’ny trano, ka hifampizara ny rafi-tantara na fanontaniana nosoratan’izy ireo ary hamela ny mpianatra hafa hiezaka hieritreritra fahamarinana izay mihatra.

Sahanasa B. Manaova rindran-damina ho ana horonantsary iray

Alaivo sary an-tsaina hoe ny tsatokanao dia nifantina ny iray amin’ireo andian-teny manan-danja fifehezana fotopampianarana ho lohahevitra amin’ny fihaonamben’ny zatovo. Nangataka taminao izy ireo mba hanao rindran-damina ho anao horonantsary iray hampahafantarana ilay lohahevitra. Mamoròna srindran-damina ho ana horonantsary izay ahitana

  • ilay andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina sy ilay toko sy andininy,

  • fomba mifono fahaiza-mamorona hanazavana ny hevitr’ilay andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny antony maha-zava-dehibe izany amin’ny zatovo ary

  • ny fomba mety hahafahan’izany mihatra amin’ny fiainantsika sy manampy antsika hanakaiky kokoa ny Mpamonjy. (Azonao atao ny mampiditra ohatra iray na tantara avy ao amin’ny soratra masina, fihaonambe maneran-tany, na ny fiainanao manokana.)

Raha io ihany no sahanasa ataon’ny mpianatra, dia hevero ny hanasa mpianatra samihafa hizara ny hevitr’izy ireo. Raha azo atao, hevero ny hanasa ny mpianatra hanao ilay horonantsary.

Raha samy azon’ny mpianatra atao na ny iray na ny iray, dia asao hizara izay nataon’izy ireo amin’ny kilasy izy ireo.

Hamoaka printy