Seminera
Almà 17–22: Topimaso ankapobeny


“Almà 17–22: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 17–22,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 17–22

Topimaso ankapobeny

Ny zanakalahin’i Môzià dia nisafidy ny handeha ho any amin’ny Lamanita hitory ny filazantsara. Nanompo teo anivon’ny vahoakan’i Lamônia Mpanjaka tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna ary niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka tamin’ny fomba mahagaga. Voatohina mafy tamin’ny fahatokiana nentin’i Amôna nanompoana azy i Lamônia. Ary noho ny zavatra tsapany dia naniry ny hino ny tenin’i Amôna rehetra i Lamônia. Ny rain’i Lamônia dia lehilahy ratsy fanahy fahiny, saingy taorian’ny nahafantarany ireo fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjintsika sy ny drafitry ny famonjena, dia nanomboka niova be ny faniriany. Tamin’ny farany dia nanjary niova fo ho an’ny Tompo ny tokantranon’ny mpanjaka manontolo.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Almà 17

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hamantatra ny fanampiana sy ny hery omen’ny Tompo azy ireo ao anatin’ny toe-javatra sarotra atrehin’izy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara sy hifanakalo hevitra momba ny olana na fanamby atrehin’ny tanora matetika ary ny antony ilan’izy ireo ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho azon’izy ireo atao ihany koa ny mieritreritra fotoana nandraisan’izy ireo ny fanampian’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Horonantsary:Ammon Becomes the Servant of King Lamoni (Lasa mpanompon’i Lamônia Mpanjaka i Amôna)” (3:47); “Ammon Defends the King’s Flocks (Niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna)” (5:24; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 3:10)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Hevero ny hizara ny mpianatra anaty efitrano samy hafa mba handalina ny iray amin’ireo andian’andinin-tsoratra masina efatra voatanisa eo akaikin’ny fanombohan’ny lesona. Aorian’izany, azon’ny olona iray isaky ny vondrona atao ny mamintina ny zavatra nohalalinin’ny vondrona misy azy.

Almà 18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hitady fomba hanampiana ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy ananan’izy ireo.

Almà 19

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fa tia ny olon-drehetra ny Tompo ary maniry azy ireo hanatona Azy.

Almà 20–22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra haniry ireo zavatr’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra azon’izao tontolo izao atolotra.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 20 sy ny 22 ny mpianatra ka hitady ny fomba niovan’ny rain’i Lamônià Mpanjaka ao amin’ireo toko ireo. Asaivo mieritreritra izay mety ho anton’izany fiovana izany izy ireo.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Any am-piandohan’ny lesona, rehefa anontaniana momba ireo toe-javatra izay mety hisy fiantraikany amin’ny fahavononan’izy ireo hanao zavatra ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny chat. Azon’izy ireo atao ny mizara valinteny maro amin’ny toe-javatra tsirairay.

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra fanontaniana ara-panahy nananan’izy ireo na ananan’izy ireo amin’izao fotoana izao sy ny zavatra nataon’izy ireo mba hahitana valiny amin’ny fanontanian’izy ireo.

  • Horonantsary:Divinely Appointed Sources (Loharano nofidin’ Andriamanitra)” (9:16; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:43 hatramin’ny 4:19, 4:19 hatramin’ny 5:35, ary ny 5:35 hatramin’ny 7:01)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana conférence vidéo: Ity lesona ity dia ahitana rafi-tantara roa arahina fizaràna telo mifandray amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny tsirairay amin’ireo fizaràna telo ireo dia misy andiam-panontaniana. Ao amin’ny fizaràna tsirairay, rehefa avy mahavita ny fisahanana ilay rafi-tantara nosafidinao ny mpianatra, dia hevero ny hametraka azy ireo amina efitra fanasarahana mba hifanakalozana hevitra momba ireo fanontaniana. Mety ho azonao afangaro isaky ny mandeha ny vondrona.

Hamoaka printy