Seminera
Almà 18: Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna


“Almà 18: Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 18,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 18

Nanompo sy nampianatra an’i Lamônia Mpanjaka i Amôna

Sary
I Lamônia Mpanjaka ampianarin’i Amôna

Tsy fantatsika hoe nahoana i Lamônia Mpanjaka no nanaja be an’i Amôna tamin’izy ireo nihaona voalohany. Angamba ny fahavononan’i Amôna hanompo na ny fahazavan’i Kristy natarany izany, na noho izy zanak’i Môzià Mpanjaka. Na inona na inona anton’ny fahatsapana voalohany tsara nananan’i Lamônia momba an’i Amôna, i Lamônia dia voakasika lalina tamin’ny fahatokiana izay nanompoan’i Amôna azy nandritra ny telo andro manaraka. Noho ny zavatra tsapany dia vonona ny hino ny tenin’i Amôna rehetra i Lamônia. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hitady fomba hanampiana ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy anananao.

Ampiasao amin’ny fomba mahomby ny fitaovan-tserasera mifono sary sy horonantsary nahazo fankatoavana tamin’ny Fiangonana. Ny fahaizana mampiasa ny fitaovan-tserasera mifono sary sy horonantsary dia afaka mampitombo ny fahatakaran’ny mpianatra sy manampy ny mpianatra hanorina ny fijoroan’izy ireo ho vavolombelona. Hevero ny hanapatapaka ny horonantsary lava kokoa ho ampahany fohy kokoa. Asao hitady sy hifanakalo hevitra amin’ny fomba anehoana ny fotopampianarana sy fitsipika ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hangataka amin’ny namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana hijery olona fantatr’izy ireo izay nanampy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana mifanaraka amin’i Kristy ananan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Torio ny filazantsara

Zarao na asehoy ity fanambarana manaraka ity ary asao hizara izay hevererin’izy ireo ho dikan’izany ny mpianatra. Azonao atao ny mampiasa ireo fanontaniana manaraka ilay fanambarana mba hanampiana amin’ny fampivelarana io fifanakalozan-kevitra io.

Nampianatra toy izao ny Filoha Dieter F. Uchtdorf, izay tao amin’ny Fiadidiana Voalohany tamin’izany:

Ny iray amin’ireo toriteny tena lehibe indrindra natao hatramin’izay momba ny asa fitoriana dia ity torohevitra tsotra avy amin’i Masindahy François d’Assise ity: “Torio amin’ny fotoana rehetra ny filazantsara ary raha ilaina dia mampiasà teny.” (Dieter F. Uchtdorf, “Miandry eny amin’ilay Lalana Mankany Damaskosy,” Liahona, mey 2011, 77)

  • Ahoana no ahafantsika mitory ny filazantsara raha tsy mampiasa teny?

  • Ahoana no maha-fomba mahery vaika itoriana ny filazantsara izany?

I Jesoa Kristy no ohatra tonga lafatra amin’ny fampianarana ny filazantsara.

  • Ianao ve afaka mieritreritra fitantarana momba an’i Jesoa manampy ny hafa hianatra momba ny Ray any An-danitra na dia tsy dia miteny firy aza?

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ohatra amin’ny fomba nanampian’ny Mpamonjy ny hafa hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra tamin’ny alalan’ny ohatra, fahagagana, na fanompoana ny hafa nataony. Mety ho ohatra amin’izany ireo fitantarana ao amin’ny Jaona 11:41–45; 13:4–5, 13–15.

Sary
I Amôna niaro ny andian’ondriy

Mety ho tadidinao fa rehefa nanomboka ny iraka nataony teo amin’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Ismaela i Amôna, dia tsy tonga dia nanomboka nampianatra ny filazantsara avy hatrany izy. Tsy izany no nataony fa nampanantena ny mpanjaka toy izao izy: “ho mpanomponao aho” (Almà 17:25). Avy eo dia nomena asa hiambina ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna. Tamin’ny alalan’ny herin’ Andriamanitra no niarovany ny andian’ondry sy ny mpanompo hafa tamin’ny Lamanita izay nanandrana nanaparitaka ny ondry.

Rehefa mandalina ny Almà 18 ianao anio, dia jereo tsara ny fiantraikan’ny fanompoana mahatoky nataon’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Aoka ianao hieritreritra fomba ahafahanao manampy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana azy ireo amin’ny fomba araka an’i Kristy.

Ny fiantraikan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy nananan’i Amôna

Azon’ny iray kilasy atao ny mandalina miaraka ireto andininy manaraka ireto, na azon’ny mpianatra atao ny mandalina miaraka amin’ny namana iray.

Vakio ny Almà 18:1–11, hitadiavana ny vokatry ny zavatra nataon’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Defends the King’s Flocks (Niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:57 hatramin’ny 5:24 eo am-panarahana ao amin’ny soratra masinao. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona no zavatra nanaitra anao tamin’ny zavatra nataon’i Amôna ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no fiantraikan’ny zavatra nataon’i Amôna tamin’ny mpanjaka?

Rehefa avy nanomana ny soavaly sy kalesin’ny mpanjaka i Amôna, dia nankao amin’ny mpanjaka izy ary nahatsikaritra fa niova ny endrik’i Lamônia. Tamin’ny alalan’ny Fanahy, i Amôna dia nahatakatra ny eritreritry ny mpanjaka ary nahalala fa i Lamônia dia gaga tamin’ny fomba mahagaga niarovan’i Amôna ny andian’ondrin’ny mpanjaka (jereo ny Almà 18:12–19).

Vakio ny Almà 18:20–23, hitadiavana ny zavatra nirin’i Lamônia. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Teaches King Lamoni about the Gospel of Jesus Christ (Nampianatra an’i Lamônia mpanjaka momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:23 hatramin’ny 1:56 eo am-panarahana ao amin’ny soratra masinao. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona araka ny eritreritrao no anjara asa notanan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy nasehon’i Amôna tamin’ny fahavononan’ny mpanjaka hino ny tenin’i Amôna?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy ananantsika, Andriamanitra dia afaka manomana ny fon’ireo izay anaovantsika fanompoana handray fahamarinana ara-pilazantsara.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hifanakalo hevitra momba ity fanontaniana manaraka ity ao anatin’ny vondrona kely. Avy eo dia azon’ny mpikambana isaky ny vondrona atao ny mizara amin’ny kilasy ny sasany amin’ny valintenin’izy ireo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahantsika manampy ny hafa hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy ananantsika.

Raha azo atao, mizarà ohatra tamin’ny fotoana nahitanao ny hafa nanakaiky kokoa an’ Andriamanitra noho ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy nananan’ny olona iray. Azonao atao ihany koa ny mangataka ny mpianatra hieritreritra sy hizara ireo ohatra hitan’izy ireo.

Nampianatra fahamarinana ara-pilazantsara an’i Lamônia i Amôna

Miainga amin’ny zavatra ilain’ny mpianatrao na ny fahaizan’izy ireo, hevero raha mety ho tsara kokoa ho an’ny mpianatra ny hiaraka handalina ireto andininy manaraka ireto, na miaraka amin’ny namana iray na mandeha irery.

Vakio ny Almà 18:24–43 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Amôna an’i Lamônia. Azonao atao ny manao lisitra ny zavatra hitanao ka mijery tsara ny teny hoe: “notantarainy,” “nohazavainy,” ary ny hoe “nolazainy.” Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Ammon Teaches King Lamoni about the Gospel of Jesus Christ (Nampianatra an’i Lamônia mpanjaka momba ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:56 hatramin’ny 5:41, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, ary manaraka ao amin’ny soratra masinao.

  • Inona avy ireo fahamarinana manan-danja sasantsasany nanampian’i Amôna an’i Lamônia mba ho takany?

    Hevero ny hanasa ny mpianatra hanao lisitra eny amin’ny solaitrabe ny valintenin’izy ireo amin’ny fanontaniana teo aloha. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny manisy kintana eo akaikin’ireo fahamarinana izay ampianarin’ny misiônera ankehitriny.

  • Inona no fiantraikan’ireo fahamarinana ireo tamin’i Lamônia?

  • Nahoana no zava-dehibe amintsika ny mahatakatra ireo fahamarinana ireo ankehitriny?

Mijereva sosokevitra ao amin’ny fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny” izay afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fahamarinana nampianarin’ i Amôna ny mpanjaka ao amin’ireo andininy ireo.

Na dia maro tamin’ny Lamanita aza no nihevitra fa maty i Lamônia rehefa nianjera tamin’ny tany, dia nampian’i Amôna izy ireo hahatakatra fa ny mpanjaka dia “teo ambanin’ny herin’ Andriamanitra,” na “nentina tao amin’ Andriamanitra” (Almà 19:6). Hahalala misimisy kokoa momba ny fiovam-pon’i Lamônia ianao rehefa mandalina ny Almà 19.

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Omeo fotoana hiheverany ny fomba ahafahan’izy ireo mampihatra ireo fahamarinana nohalalinin’izy ireo androany ny mpianatra. Mety hanampy raha aseho ireto torolalana manaraka ireto ary asaina mirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Avy eo dia azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny sasany amin’ireo tanjona na drafitr’izy ireo, fa tsy ny anaran’ny olona noeritreretin’izy ireo.

Mieritrereta olona iray tsapanao fa azonao ampiana hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra amin’ny alalan’ny fitiavana sy fanompoana araka an’i Kristy.

  • Ahoana no ahafahanao manompo na mampiseho fitiavana araka an’i Kristy amin’io olona io?

  • Ahoana no mety hanampian’ny ezaka ataonao an’io olona io hanakaiky kokoa an’ Andriamanitra?

  • Inona avy no sakana hitanao hoe mety hahasarotra ny fanompoana io olona io amin’ny fitiavana madio? Ahoana ny ahafahanao mandresy ireny olana ireny?

Hamoaka printy