Seminera
Almà 20–22: “Inona no hataoko mba hahafahako manana … fiainana mandrakizay?”


“Almà 20–22: -Inona no hataoko mba hahafahako manana … fiainana mandrakizay?-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 20–22,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 20–22

“Inona no hataoko mba hahafahako manana … fiainana mandrakizay?”

Sary
tanora mitsiky

Inona no afaka manampy anao haniry ny hanaraka an’ Andriamanitra mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra? Ny rain’i Lamônia Mpanjaka dia lehilahy ratsy fanahy fahiny, saingy taorian’ny nahafantarany ireo fahamarinana manan-danja momba ny Mpamonjintsika sy ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra, dia nanomboka niova be ny faniriany. Ity lesona ity dia afaka manampy anao haniry ny zavatr’ Andriamanitra mihoatra noho ny zava-drehetra azon’izao tontolo izao atolotra.

Mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy. Mitadiava fahafahana hijoroana ho vavolombelona momba ny hery, sy ny famindram-po ary ny hery mitariky ny Tompo eo amin’ny fiainantsika. Amporisiho ny mpianatra hanontany hoe: “Inona no ampianarin’io andalan-tsoratra masina io mikasika an’i Jesoa Kristy ka hanampy ahy hahatakatra sy hitoky amin’ireo fampianarany sy Sorompanavotany?”

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny Almà 20 sy ny 22 ny mpianatra ka hitady ny fomba niovan’ny rain’i Lamônià Mpanjaka ao amin’ireo toko ireo. Asaivo mieritreritra izay mety ho anton’izany fiovana izany izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Vonona ve ianao?

Efa tsikaritrao ve fa ny toe-java-misy sasany dia afaka ny hisy fiantraikany amin’ny fahavononanao hanao zavatra—na tsy hanao zavatra?

Ohatra, mieritrereta toe-javatra misy izay mahavonona anao hanao ireto manaraka ireto. Avy eo dia mieritrereta toe-javatra izay mety hahatonga anao ho tsy vonona kokoa hanao azy ireo.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely sy hanendry ny vondrona tsirairay hifanakalo hevitra amin’ireto hetsika manaraka ireto. Avy eo dia azon’ny mpikambana ao amin’ny vondrona tsirairay atao ny mizara amin’ny kilasy ny valintenin’izy ireo.

  • Manadio ny efitrano fatorianao.

  • Mamaky boky.

  • Manao dia an-tongotra.

Asao hanao fanombanan-tena amin’ny alalan’ny fizaràna ireto toromarika manaraka ireto ny mpianatra. Aza angatahina hizara ny valintenin’izy ireo amin’ireo fanontaniana ny mpianatra.

Afaka mandrisika antsika hanaraka an’ Andriamanitra ny zavatra sasany.

Makà fotoana hieritreretana momba ny fanirianao hanaraka an’ Andriamanitra. Raha mahatsapa faniriana hanaraka Azy ianao, inona no nanampy anao hahatsapa izany faniriana izany? Raha tsy manam-paniriana hanaraka Azy ianao amin’izao fotoana izao, inona no heverinao ho mandray anjara amin’izany fahatsapana izany?

Anio ianao dia hianatra momba ny lehilahy iray izay nitombo aoka izany tao anatin’ny fotoana fohy ny faniriany hanaraka an’ Andriamanitra. Rehefa mandalina ianao, dia jereo tsara ny zavatra nahatonga io fiovana io. Mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hanana faniriana lehibe kokoa hanaraka an’ Andriamanitra sy handray ireo fitahiana izay Izy ihany no afaka manome azy.

I Amôna sy i Lamônia nihaona tamin’ny rain’i Lamônia

Fintino ity fampahalalana manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hiomana handalina ireo zava-niseho ao amin’ny Almà 20. Tandremo tsara ny tsy handaniana fotoana be loatra amin’io ampahany amin’ny lesona io. Hilainao ny hananan’ny mpianatra fotoana ampy tsara handalinana ny tantaran’i Aharôna nampianatra ny rain’i Lamônià ao amin’ny Almà 22.

Nandritra ny fotoana nanompoan’i Amôna sy nampianarany an’i Lamônia Mpanjaka tany amin’ny tanin’i Ismaela, ny Tompo dia nanambara tamin’i Amôna fa i Aharôna sy ny hafa tao amin’ny vondrona nisy azy ireo dia nogadraina tany amin’ny tanin’i Midônia. Nanao drafitra handeha hankany hanafaka an’i Aharôna sy ireo hafa i Amôna sy ny mpanjaka. Teny an-dalana izy ireo dia nihaona tamin’ny rain’i Lamônià izay mpanjaka nanerana ny tany rehetra (jereo ny Almà 20:1–8).

Mety hanampy ny fanasana mpianatra vonona roa na telo hamaky ireto andininy manaraka ireto raha toa ka hanaraka ao amin’ny soratra masin’izy ireo kosa ny ambiny ao an-dakilasy.

Vakio ny Almà 20:13–28 hitadiavana ny fifaneraserana nisy teo amin’i Amôna sy i Lamônia ary ny rain’i Lamônia.

  • Ahoana no nahitanao ny fiovan’ny fanirian’ny rain’i Lamônia nandritra ny fifaneraserany tamin’i Amôna sy i Lamônia?

  • Inona avy no sasantsasany tamin’ireo zavatra izay nandray anjara tamin’izany fiovana izany?

Hevero ny hanisy marika ao amin’ny andininy 23 ny zavatra vonona ny hafoin’ny rain’i Lamônia raha hitsimbina ny ainy i Amôna. Azonao atao ny mampitaha ny fihetsika nasetriny ao amin’io andininy io sy ny fihetsika nasetriny ao amin’ny andininy hafa hohalalininao any aoriana amin’ny lesona.

Nampianatra ny rain’i Lamônià i Aharôna

Rehefa avy navoaka tany am-ponja i Aharôna sy ireo izay niaraka taminy, dia niverina tany amin’ny tanin’i Ismaela niaraka tamin’i Lamônia Mpanjaka i Amôna. Notarihin’ny Fanahy hitsidika ny rain’i Lamania tany amin’ny tanin’ny Nefia i Aharôna (jereo ny Almà 22:1).

Vakio ny Almà 22:2–6, hitadiavana ny fanontaniana nananan’ny rain’i Lamônia tamin’ny fotoana nihaonany tamin’i Aharôna. .

  • Inona no mety hozarainao momba ny Ray any An-danitra sy ny drafiny hamaliana ireo fanontanian’ny mpanjaka ao amin’ny andininy 5–6?

Vakio ny Almà 22:7–14 ary tadiavo ny fomba namalian’i Aharôna ireo fanontanian’ny mpanjaka. Mariho fa ilay teny hoe mendrika ao amin’ny andininy 14 dia midika hoe “mahazo noho ny ezaka.”

  • Inona no nianaran’ny mpanjaka momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny ka mety ho nisy fiantraikany tamin’ny fomba fijeriny momba ny fiainana?

  • Ahoana no ahafahan’ny finoana sy fahatakarana ireo fampianaran’i Aharôna momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny miantraika amintsika?

Vakio ny Almà 22:15–18 hitadiavana ny zavatra nirin’ny mpanjaka sy nahavonona azy hatao rehefa avy nampianatra azy i Aharôna.

Alohan’ny hiresahana ireo fanontaniana roa manaraka, hevero ny hanasa mpianatra maro hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo andian-teny tian’izy ireo indrindra avy amin’ireo andininy ireo. Avy eo dia azonao atao ny manontany ny mpianatra raha misy amin’ireo andian-teny ireo no mamariparitra zavatra iray tsapan’izy ireo taloha na koa raha manana fanontaniana izy ireo. Manasà mpianatra vonona hizara ny fanontaniana na zavatra niainan’izy ireo. Ilazao ny mpianatra mba tsy hizara zavatra mahakasika ny tenan’izy ireo manokana loatra.

  • Inona no teny na andian-teny manampy anao hahita fa niova nanomboka tamin’ny fotoana nihaonany tamin’i Amôna sy i Lamônia teo amin’ny lalana mankany Midônia ny fanirian’ny mpanjaka?

  • Inona no nolazain’ny mpanjaka ao amin’ny andininy 15 sy 18 fa vonona izy ny hamoy izany?

  • Miainga amin’ny zavatra nianaranao tamin’ny fandalinanao ny Almà 20 sy 22, inona avy no sasany tamin’ireo antony nahatonga ny fiovana niainan’ny mpanjaka?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io tantara io ny hoe rehefa takatsika ny filantsika an’i Jesoa Kristy, dia mitombo ny faniriantsika hanaraka Azy sy handray ireo fitahiana azony omena antsika.

  • Nahoana araka ny hevitrao no afaka ny hisy fiantraikany lehibe eo amin’ny faniriantsika sy ny zavatra ataontsika ny fahatakarana ny filantsika ny Mpamonjy?

  • Inona no afaka manampy na nanampy anao hahatakatra tsara kokoa ny filanao an’i Jesoa Kristy?

Ny fomba ahafahan’ny faniriana marina ananantsika miantraika amintsika

Ny zavatra niainan’ny mpanjaka niaraka tamin’i Aharôna dia nisy fiantraikany lalina tamin’ny mpanjaka sy ny vahoakany. Ny mpanjaka, ny vadiny, ny tokantranony manontolo ary ireo Lamanita maro hafa dia lasa niova fo ho an’ny Tompo ary nahatoky Taminy tamin’ny androm-piainan’izy ireo sisa (jereo ny Almà 22:23; 23:6).

Avereno eritreretina ny zavatra nolazain’ny mpanjaka fa iriny ao amin’ny andininy 15–18. Tafiditra ao anatin’izany

  • ireo fitahian’ny fiainana mandrakizay (andininy 15, 18);

  • ny “haterak’ Andriamanitra, rehefa hongotana hiala ao an-tratra[ny] izao faharatsiam-panahy izao” (andininy 15);

  • ny handray ny Fanahy Masina (andininy 15);

  • ny hofenoina fifaliana (andininy 15); sy

  • ny hahafantatra an’ Andriamanitra (andininy 18).

Ataovy lisitra eny amin’ny solaitrabe ny fanirian’ny mpanjaka raha mbola tsy natao izany. Eo amin’ny toeran’ny fametrahana ny fanontaniana manaraka dia hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra famaritana fohy ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo momba ny karazan’olona mety hahatongavan’izy ireo afaka 5 na 10 taona raha maniry tsy tapaka ireo zavatra ireo mandritra izany fotoana izany izy ireo.

Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny hevi-baovaon’izy ireo amin’ny iray kilasy.

  • Inona no fahasamihafana heverinao fa hoentin’ny faniriana tsy tapaka ireo zavatra ireo eo amin’ny fiainanao?

  • Inona no mety hilaintsika afoy na ovana mba hahazoana ireo fitahiana ireo?

Saintsaino ny zavatra nianaranao sy tsapanao rehefa nianatra ianao androany. Hevero ny zavatra azonao atao mba haniriana feno kokoa ireo fitahiana tian’ny Ray any An-danitra homena anao. Eritrereto ny zavatra mety hilainao atao na afoy mba handraisanao ireo fitahiana ireo. Raketo an-tsoratra ao anatin’ny diary fandalinanao ny eritreritra sy fahatsapana ara-panahy azonao.

Omeo fotoana ampy hiraketan’izy ireo ny eritreritra sy fahatsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Hevero ny hanasa mpianatra vonona vitsivitsy hizara amin’ny iray kilasy ny sasany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo ka tsy an’ny tena manokana loatra.

Hamoaka printy