Seminera
Almà 17: “Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra”


“Almà 17: -Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Almà 17,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Almà 17

“Araka ny teny sy ny fahefan’ Andriamanitra”

Sary
I Amôna niaro ny andian’ondrin’i Lamônia Mpanjaka

Alaivo sary an-tsaina izany hoe miezaka mitory ny filazantsara amina vondron’olona izay azo faritana ho olon-dia, tsy mihontsona ary masiaka. Tena izany mihitsy no nosafidin’ireo zanakalahin’i Môzià hatao rehefa nandeha tany amin’ny tanin’ny Lamanita hitory ny filazantsara amin’izy ireo izy ireo. Ny Almà 17 dia mamariparitra ny fanampiana azon’i Amôna tamin’ Andriamanitra rehefa nanomboka ny asa fanompoany teo anivon’ny Lamanita tany amin’ny tanin’i Ismaela izy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamantatra ny fanampiana sy ny hery omen’ny Tompo anao ao anatin’ireo toe-javatra sarotra atrehinao.

Ampio hahatakatra ny sahan-kevitra sy ny votoatin-kevitra ny mpianatra. Ny sahan-kevitra sy votoatin-kevitry ny soratra masina dia mety hahitana zotran-tantara maromaro mikasika ny olona sy trangan-javatra mifandray. Ampio hahatakatra sy hampifandray ireo tantara ireo ny mpianatra mba ahafahan’izy ireo mahafantatra tsara kokoa ny fotopampianarana sy fitsipika ary hafatra nentanim-panahin’ny mpanoratra.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara sy hifanakalo hevitra momba ny olana na fanamby atrehin’ny tanora matetika ary ny antony ilan’izy ireo ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho azon’izy ireo atao ihany koa ny mieritreritra fotoana nandraisan’izy ireo ny fanampian’ Andriamanitra teo amin’ny fiainan’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny filantsika ny fanampian’ Andriamanitra

Ampio ny mpianatra hieritreritra ohatra amin’ny fotoana ilan’ny tanora ny fanampiana na herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho afaka manampy amin’izany ireto rafi-tantara manaraka ireto, na azon’ny mpianatra atao ny mamorona rafi-tantara hafa.

Nahatsapa hoe mila mibebaka sy manova ny fomba fiainany ny fiainany i Luci, saingy toa tsy tena mitondra fiovana ny zavatra rehetra noezahiny novana.

Mahatsiaro ho entanim-panahy hanao ny asa fitoriana i Guillermo, saingy sosotra ny ray aman-dreniny satria mila ny fanampiany amin’ny orinasa kelin’ny fianakaviana izy ireo.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azon’ Andriamanitra anampiana an’i Luci na i Guillermo?

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahan’izy ireo mikatsaka na mamantatra ny fanampiany?

Hevero ny hampiseho ity andiam-pehezanteny manaraka ity. Omeo fotoana sahaza hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny mpianatra.

Makà fotoana hisaintsainana sy hanoratana ao amin’ny diary fandalinanao momba ny fomba ahatsapanao filana ny fanampiana na herin’ Andriamanitra indrindra eo amin’ny fiainanao. Inona avy no fomba sasantsasany antenainao fa mety hanampian’ Andriamanitra anao? Rehefa mandalina ny Almà 17 ianao anio, dia mitadiava fomba ahafahanao mahafantatra sy manasa ny herin’ Andriamanitra ho eo amin’ny fiainanao.

Ny zanakalahin’i Môzià

Hazavao amin’ny mpianatra fa mandritra ny herinandro roa manaraka, izy ireo dia handalina momba ny dia fitoriana nataon’ny zanakalahin’i Môzià miisa efatra tany amin’ny Lamanita. Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fifanarahan’io dia fitoriana io tsara amin’ny sehatra ankapoben’ny bokin’i Almà, dia hevero ny hamintina ity andiam-pehezanteny manaraka ity.

Ny toko 1–16 ao amin’ny Almà dia mitantara zava-niseho tamin’ny fiainan’i Almà nandritra ny 14 taona voalohany tamin’ny fanjakan’ny mpitsara. Ao amin’ny Almà 17–27 isika dia mianatra momba ny dia fitorian’ireo zanakalahin’i Môzià tamin’ny Lamanita nandritra izany vanim-potoana izany ihany. Ny Almà 17 dia manomboka amin’ny Almà sy ny namany, ireo zanakalahin’i Môzià, nihaona voalohany rehefa avy tafasaraka nandritra izany 14 taona izany (jereo ny Almà 17:2–4; 27:16). Ny anaran’ireo zanakalahin’i Môzià dia Amôna, Aharôna, Ômnera ary Himnia.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona efatra. Asaivo mandalina ny iray amin’ireto andalan-tsoratra masina manaraka ireto ny vondrona tsirairay. Avy eo ny olona ao anatin’ny vondrona tsirairay dia afaka mizara amin’ny mpianatra ny zavatra hitan’izy ireo.

Vakio ireto andininy manaraka ireto, ka tadiavo ireo antsipiriany manan-danja momba ny asa fitorian’i Amôna, i Aharôna, i Ômnera ary i Himnia.

  • Inona no manaitra anao momba ireo zanakalahin’i Môzià avy ao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no porofo hitanao amin’ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra niasa teo amin’ny fiainan’izy ireo? Hevero ny hanisy marika izany porofo izany ao amin’ny soratra masinao.

I Amôna sy i Lamônia Mpanjaka

Talohan’ny nisarahan’ireo misiônera ireo mba hitory ny filazantsara tamin’ny faritra samy hafa dia nampianatra sy nitso-drano azy ireo i Amôna. Avy eo dia nankany amin’ny tany iray nantsoina hoe Ismaela i Amôna. Rehefa niditra izany tany izany izy dia nosamborina ary nentina teo anoloan’ny mpanjaka izay nantsoina hoe Lamônia (jereo ny Almà 17:17–20).

Vakio ny Almà 17:21–25, hitadiavana ny sosokevitra naroson’i Amôna tamin’i Lamônia Mpanjaka. Azonao atao ihany koa ny mijery ilay horonantsary hoe “Ammon Becomes the Servant of King Lamoni (Lasa mpanompon’i Lamônia Mpanjaka i Amôna)” (3:47), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no mety ho nahafahan’ny fitenenan’i Amôna tamin’ny mpanjaka hoe “ho mpanomponao aho” (Almà 17:25) namela an’i Amôna ho misiônera mahomby kokoa?

Nandritra ny fotoana niandrasan’i Amôna sy ny mpanompon’ny mpanjaka hafa ny andian’ondry, dia niatrika toe-java-tsarotra iray izy ireo.

Azonao atao ny manasa mpianatra vitsivitsy izay maniry hanao izany mba ho eny aloha sy hifandimby hamaky mafy ireto andininy manaraka ireto ary ny ambin’ny kilasy kosa hanaraka ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

Vakio ny Almà 17:26–39, ary tadiavo ny fihetsika nasetrin’i Amôna io zava-nisy io. Mety ho azonao atao ihany koa ny mijery ny “Ammon Defends the King’s Flocks (Niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka i Amôna)” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 hatramin’ny 3:10. Io horonantsary io dia hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatokian-tenan’i Amôna tao anatin’io toe-javatra io mifandray amin’ny fampanantenana nomen’ny Tompo ny rain’i Amôna, i Môzià, ao amin’ny Môzià 28:7?

  • Raha teo ianao, inona no mety ho noeritreretinao momba an’i Amôna?

Vakio ny Almà 18:1–3, dia tadiavo ny zavatra nolazain’ireo mpanompo Lamanita tamin’i Lamônia Mpanjaka momba io zavatra niainana io.

  • Ahoana no namaritan’ireo mpanompon’ny mpanjaka an’i Amôna?

Na dia sahirana nilazalaza ny antony nahavitan’i Amôna niaro ny andian’ondrin’ny mpanjaka tamin’ny fomba mahagaga aza ireo mpanompon’ny mpanjaka, dia niaiky izy ireo fa nanana fahefana izay lehibe noho ny azon’ny olona mety maty ananana izy.

Azontsika ianarana avy amin’ny zavatra niainan’i Amôna fa manome ny heriny sy ny fahefany ho an’ny mpanompony izay miezaka hanao ny sitrapony ny Tompo.

Rehefa akaiky ny fiafaran’ny asa fitoriany nandritra ny 14 taona, dia nisaintsaina ny hery sy fahefana nomen’ Andriamanitra azy tamin’ny nandritra ny fotoana nanompoany ny Lamanita i Amôna.

Vakio ny Almà 26:12, ary tadiavo ny zavatra nolazain’i Amôna momba ny loharanon’ny heriny.

Hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona telo ka hanasa ny vondrona tsirairay hifanakalo hevitra amin’ny iray amin’ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’ny vondrona tsirairay atao ny manao lisitra fanontaniana maro araka izay azon’izy ireo eritreretina ao anatin’ny iray na roa minitra ary avy eo dia hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny iray kilasy.

Azo ampifanoloina amin’izany, soraty amina faritra samy hafa eny amin’ny solaitrabe ireo fanontaniana. Afaka mankeny amin’ny solaitrabe ny mpianatra ka manao lisitra ny valinteny amin’ny fanontaniana iray na maromaro mandra-pananan’ny fanontaniana tsirairay valinteny maro voasoratra eo akaikiny. Avy eo dia azon’ny kilasy manontolo ifanakalozana hevitra ny valintenin’ny mpianatra.

  • Inona avy no ohatra sasantsasany amin’ny toe-java-misy ilantsika ny fanampiana sy herin’ny Tompo eo amin’ny fiainantsika?

  • Inona avy no fomba sasantsasany mety hitahian’ny Tompo antsika amin’ny fanampiany sy ny heriny?

  • Inona no azonao atao mba hanasana na hahazoana ny fanampiana sy herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Asao ny mpianatra mba hieritreritra ny zavatra nianaran’izy ireo momba an’ Andriamanitra androany ka afaka manampy azy ireo amin’ny fiainan’izy ireo manokana. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreritra sy fahatsapana ara-panahy ananan’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany. Amporisiho hikatsaka fanampiana avy amin’ny Ray any An-danitra izy ireo mba ho afaka hanatanteraka zavatra izay tsy vitan’izy ireo manokana.

Hamoaka printy