Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4: Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4: Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 4

Mitady valiny amina fanontaniana ara-panahy

Sary
mpianatra mametra-panontaniana

Indraindray, mety manana fanontaniana na ahiahy ara-panahy mombana lohahevitra ara-potopampianarana, na manokana, na ara-piarahamonina, na ara-tantara ianao. Rehefa manana fanontaniana na ahiahy toy izany ianao dia afaka manao asa am-pinoana, mamakafaka ireo hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay, ary mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hamerina hijery ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy.

Mampianatra ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ny fianarana sy famerenana ireo fitsipika ireo dia afaka manampy ny mpianatra hamaly rehefa mitranga ny fanontaniana. Ny famerenana tsy tapaka azy ireo dia hamela ny mpianatra hihazona tsara kokoa ao anatin’izy ireo sy hampiasa ireo fitsipika ireo isan’andro.

Fanomanana ny mpianatra: Azo atao ny manasa ny mpianatra hieritreritra fanontaniana ara-panahy nananan’izy ireo na ananan’izy ireo amin’izao fotoana izao sy ny zavatra nataon’izy ireo mba hahitana valiny amin’ny fanontanian’izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Fanamby amin’ny finoana

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 2:43 hatramin’ny 4:19, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Azonao atao ny misafidy iray na mihoatra amin’ireo rafi-tantara aroso na mamorona ny anao manokana hozaraina amin’ny iray kilasy. Hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy rafi-tantara iray hosahanina eo am-pitohizan’ny lesona na omeo rafi-tantara ny vondrona kely ary asaivo mifanakalo hevitra amin’ireo fanontaniana izy ireo mandritra ny lesona.

I Ashlyn dia zatovovavy izay naheno zavatra izay nampanahy azy momba ny Fiangonana tamin’ny namana iray. Tsapany hoe nafenina taminy ilay fampahalalana ary nandaingana tamin’ny alalan’ny tsy fitenenana taminy ireny zavatra ireny alohaloha kokoa teo amin’ny fiainany izy. Nanomboka niresaka tamin’ny hafa izay sosotra ihany koa izy ary namaky fanehoan-kevitra miiba momba ilay resaka.

Nianatra mombana lohahevitra ara-potopampianarana sarotra iray tamina seminera i Hugo ary nandeha tao amin’ny aterineto mba hianatra misimisy kokoa. Nahita loharano izay manakiana ny Fiangonana momba io resaka io izy. Noho ny fahalianana dia nijery horonantsary iray izay maneho ireo fampianaran’ny Fiangonana momba ilay lohahevitra amin’ny fomba miiba izy. Io zavatra niainany io dia namela azy hametra-panontaniana amin’ny fahamarinan’ny Fiangonana voalohany ndrindra teo amin’ny fiainany.

  • Ahoana no mety ho fahatsapanao amin’ireo zava-misy ireo?

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety ho fihetsika havalinao?

Mety ho sarotra izany hoe manana fanontaniana ara-panahy mombana lohahevitra ara-potopampianarana, manokana, ara-piarahamonina, na ara-tantara tsy voavaly izany. Mieritrereta fanontaniana toy izany mety hanananao ary hevero ny hanoratra azy ireny ho an’ity lesona ity.

Misy zavatra azonao ianarana sy atao izay afaka manampy anao hamaly fanontaniana na ahiahy amim-pahitsiana sy finoana. Rehefa mandalina io lesona io ianao, dia eritrereto ny fomba ahafahan’ny fampahalalana ianaranao manampy anao hamaly ireo fanontanianao manokana amim-pahatokiana ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

Fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy

Ireto fitsipika manaraka ireto dia afaka mitari-dalana anao amin’ireo ezaka ataonao handraisana fitarihana sy fahatakarana mombana resaka ara-panahy:

  • Manao asa amim-pinoana.

  • Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

  • Mikatsaka fampahalalana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Azonao atao ny misafidy ny hanamboatra ity lesona ity, miankina amin’ny fahazaran’ny mpianatrao amin’ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ohatra, raha manana mpianatra sasantsasany izay zatra ny fitsipika ianao saingy misy hafa tsy zatra, dia azonao atao ny manasa ireo zatra ireo fitsipika hanazava azy ireo amin’ny iray kilasy. Raha vaovao amin’ireo fitsipika ireo daholo ny mpianatra, dia mila maka fotoana misimisy kokoa ianao hampahafantarana ny fitsipika. Mety ho azonao atao ny manondro ny “Mahazo fahalalana ara-panahy,” Tapany 1 sy 2 ary 3 manomboka amin’ny fanombohan’ity boky torolalana ity.

Manao asa amim-pinoana

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 4:19 hatramin’ny 5:35, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Azonao atao ihany koa ny mamaky ny andiam-pehezanteny 5–7 ao amin’ny fizaràna hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) alohan’ny hamakiana ireo rafi-tantara sy hijerena ilay horonantsary.

Fomba iray hamerenana mijery ireo andiam-pehezanteny voalaza ao amin’ny fehezanteny teo aloha ny fametrahana ny mpianatra ho vondron’olona efatra. Asao ny telo amin’ny olona ao amin’ny vondrona mba hamaky mafy ny iray amin’ireo andiam-pehezanteny telo amin’ny vondrona. Avy eo dia asao hamintina ny zavatra novakin’ny olona telo ilay olona fahefatra ao amin’ny vondrona.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto miainga amin’ny rafi-tantara nosafidin’izy ireo teo ambony.

Rehefa avy nahalala ny zavatra nataony i Ashlyn, dia tena sosotra izy ka najanony ny fandraisany anjara ao amin’ny Fiangonana. Nandritra ny herintaona mahery, nanalavitra ny Fiangonana izy. Tamin’ny farany, nisy namana akaiky nanontany azy ny antony nijanonany tsy nandray anjara. Nizara lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany izay noheveriny fa hanampy taminy izy, ary nanasa azy hivavaka momba ny zavatra novakiny.

Nohazonin’i Hugo ho azy ny fisalasalany sy ny ahiahiny saingy nanohy nandray anjara tao amin’ny fiangonana izy. Na izany aza, tsy niala ny fahatsapany fisafotofotoana. Tamina fotoana iray, tena nahatsapa izy fa tokony hiresaka amin’ny ray aman-dreniny momba ny ahiahiny. Izany no fahatsapana ara-panahy voalohany tsapany hatramin’izay niainany zavatra tamin’ny aterineto.

  • Ahoana no ahitanao an’i Ashlyn sy i Hugo manao zavatra na tsy manao zavatra amim-pinoana?

  • Inona no azonao lazaina ka mety hamporisika azy ireo hitodika amin’ Andriamanitra ho setrin’ny fanamby atrehin’izy ireo?

  • Inona no soratra masina afaka manampy ny olona iray hanao zavatra amim-pinoana rehefa manana fanontaniana izay tsy voavaly mora foana izy?

Azonao atao ny manome fotoana ny mpianatra mba hitadiavany soratra masina hamaliana ny fanontaniana teo aloha. Mety ho hita ao anatin’ireny soratra masina ireny ny 2 Nefia 31:20 sy ny Ohabolana 3:5–6. Rehefa avy mahazo fotoana ampy tsara ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao avy eo ny mizara amin’ny olona iray mipetraka eo akaikin’izy ireo. Azo ampifanoloina amin’izany, azon’izy ireo atao ny manoratra eny amin’ny solaitrabe ny andininy hitan’izy ireo ary ny mpiara-mianatra sasany dia afaka mamaky andininy tsy mahazatra azy ireo. Avy eo dia azon’ny mpianatra atao ny mizara ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny soratra masina hitan’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo.

Mamakafaka ireo hevi-dehibe sy ireo fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay.

Fomba iray hamerenana mijery ireto andiam-pehezanteny manaraka ireto ny fametrahana ny mpianatra vondrona kely sy fanasana ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona hamaky ny andiam-pehezanteny telo rehetra. Avy eo dia asao izy ireo hizara andalana iray amin’ny vondrona misy azy ireo izay nanaitra azy ireo indrindra tao amin’ireo andiam-pehezanteny.

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana..

  • Ahoana ny mety ho nanampian’ny famakafakana hevi-dehibe sy fanontaniana amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay an’i Ashlyn na i Hugo tamin’ny fotoana nitrangan’ny ahiahin’izy ireo voalohany?

  • Ahoana no ahafahan’izany manampy azy ireo amin’ny toe-javatra misy azy ireo ankehitriny?

  • Inona no tianao ho takatr’i Hugo sy i Ashlyn momba an’ Andriamanitra sy ny drafiny amin’io fotoana eo amin’ny fiainan’izy ireo io?

Mety ho toerana iray hafa mety amin’ny fanasana ny mpianatra hampihatra ny fampiasana ny soratra masina izany. Azonao atao ny manasa ny mpianatra hitady soratra masina izay manohana ny valintenin’izy ireo amin’ny fanontaniana teo aloha. Ohatra, raha milaza ny mpianatra iray fa tsy mandrakariva no anomezan’ny Ray any An-danitra antsika valiny feno tonga dia indray mandeha, dia mety ho azony ampiasaina ny 2 Nefia 28:30 mba hanohanana izany fanambarana izany.

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana..

Fomba iray hamerenana mijery ireo andiam-pehezanteny voalaza ao amin’ny fehezanteny teo aloha ny fanasana mpianatra roa hamaky mafy amin’ny iray kilasy ireo andiam-pehezanteny. Avy eo dia manasà mpianatra iray manolo-tena hanoratra eny amin’ny solaitrabe mandritra ny fotoana izaran’ny mpianatra loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra henon’izy ireo nolazaina.

Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto. Na azonao atao ny mijery ny horonantsary hoe “Loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” manomboka eo amin’ny mari-potoana 5:35 hatramin’ny 7:01, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Nanapa-kevitra hamaky ilay lahateny avy amina fihaonambe maneran-tany natoron’ny namany azy i Ashlyn. Rehefa namaky izy dia nahatsapa fiadanana sy fianinana izay tena tsy nitovy tamin’ny zavatra tsapany tamin’ny fotoana namakiany fanehoan-kevitra miiba momba ny Fiangonana. Nahatsapa fahazoana antoka manokana izy fa nisy fahatsarana sy fahamarinana tao amin’ny zavatra novakiny. Tamin’ny farany, tamin’ny alalan’ny vavaka sy fandalinana mahatoky, tsapany fa natanjahina ny fijoroany ho vavolombelona, na dia mbola nanana fanontaniana tsy voavaly aza izy.

Niresaka tamin’ny ray aman-dreniny i Hugo ary nahita fa tena tsara fanahy izy ireo ary mahatakatra ny ahiahiny. Nampahafantarin’izy ireo ny loharano Gospel Topics (Lohahevitra ara-pilazantsara) ao amin’ny Gospel Library izy, ary niara-namaky mombana lohahevitra iray izay nahakasika azy izy ireo. Nahita fampiononana tamin’ny fahalalana fa misy valiny ara-paminaniana azony andrandraina amin’ny valin’ny fanontaniany izy.

  • Avy amina loharano inona avy no nahazoan’ny olona tsirairay ao amin’ireo rafi-tantara fampahalalana? Inona avy no loharano azo itokiana? Nahoana, na nahoana no tsia?

    Na dia misy aza ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra izay voafaritra mazava tsara, toy ny soratra masina, ny mpaminany ary ny Fanahy Masina, dia misy loharanom-pahalalana azo itokiana hafa izay mampijery antsika an’i Jesoa Kristy sy milahatra amin’ireo fampianaran’ny andro maoderina ihany koa.

  • Inona no fahasamihafana rehefa nitodika tamina loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra i Ashlyn sy i Hugo?

  • Inona avy no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ankasitrahanao? Nahoana?

Eritrereto ny zavatra nianaranao androany sy ny fomba mety hanampian’izany amina fanontaniana na fanamby ara-panahy anananao na ny hafa. Hevero ny hanoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra nianaranao ka mety hanampy anao hahita fiadanana sy fahatakarana. Asao ny hery mitariky ny Ray any An-danitra mba hanome anao aingam-panahy rehefa misaintsaina sy manoratra ianao.

Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sasany amin’ny hevi-baovaon’izy ireo amin’ny kilasy. Mijoroa ho vavolombelon’ny fahamarinana noresahinareo androany ary amporisiho hampiasa ireo fitsipika ireo ny mpianatra rehefa miatrika fanontaniana ara-panahy.

Hamoaka printy