Seminera
Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra


“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3: Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Mahazo Fahalalana Ara-panahy, Tapany 3

Mikatsaka fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Sary
Fiji: Mandalina ny soratra masina

Isan’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampiana anao hianatra sy hampihatra ireo fitsipika mikasika ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny maha zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharano nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana.

Mampiasa loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Ampianaro ny mpianatra hitodika amin’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra rehefa mikatsaka valin’ireo fanontaniana ara-panahy. Fomba iray anaovana izany ny fanaovana maodely ny dingana arahina ho an’ny mpianatra. Ampio ny mpianatra hianatra hanavaka ny marina sy ny diso, ary hahatakatra fa ny sasany amin’ireo loharano fampahalalana dia tsy azo inoana na mikatsaka ny hamotika ny finoana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra fanontaniana na fanahiana manan-danja ananan’izy ireo sy loharanom-pahalalana azon’izy ireo itodihana hahazoana valiny. Amporisiho izy ireo ho vonona hizara ohatra anankiray amin’ireo loharanom-pahalalana ireo na hitondra iray any am-pianarana mihitsy aza.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Zava-dehibe ny loharano nipoirana

Sary
Tetikasa famatsiana rano madio

Hevero ny hampiasa rano ho zavatra azo tsapain-tanana enti-mampianatra. Safidy iray azo atao ny mandraraka rano madio iray vera ary manasa mpianatra iray hisotro izany eo anoloan’ny iray kilasy. Safidy hafa azo atao ny manasa mpianatra iray hanasa ny tànany ao anatina koveta misy rano.

Saintsaino vetivety ny lanjan’ny rano eo amin’ny fiainanao.

  • Amin’ny fotoana inona no tena manan-danja aminao ny fananan-drano?

  • Nahoana no zava-dehibe ny loharano nipoiran’ny rano izay sotroinao?

Ny fikatsahana fahamarinana dia afaka ny ho toy ny fisotroana rano: zava-dehibe ny loharano nipoirany? Eritrereto ireo loharano itodihanao rehefa manana fanontaniana na fanahiana ianao. Manao ahoana ny fahatokianao fa manome valinteny marina ireo loharano ireo?

Hevero ny hamporisika ny mpianatra hizara ny zavatra noeritreretin’izy ireo tamin’ny fanomanana ny mpianatra.

Ny fitadiavana valiny avy amin’ny loharano azo antoka no afaka mampiavaka ny hoe mamantatra ny fahamarinana sy ny hoe voafitaky ny hevi-diso. Mety tsy ho fantatsika foana akory rehefa misy zavatra diso ny loharano. Ny loharano sasany dia mety ho nokajikajina mihitsy aza mba hiteraka tsy fahatokiana, sy tahotra ary fisalasalana. Maniry ny hamaly ireo fanontaniana amin-kitsimpo anananao ny Ray any An-danitra ary nanome loharano azo antoka hitarihana anao. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahalala sy hikatsaka valiny amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Mikatsaka fahamarinana

Ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia nisy lehilahy iray antsoina hoe Serema nifanatrika tamin’i Jakoba, rahalahin’i Nefia, izay nanandrana “nanozongozona [an’i Jakoba] tamin’ny finoana” (Jakoba 7:5). Nilaza i Serema fa nampianatra fotopampianaran-diso momba an’i Jesoa Kristy i Jakoba: “fa tsy misy olona mahalala ny zavatra toy izany; noho izy tsy afaka milaza ny amin’ny zavatra ho avy.” (Jakoba 7:7). Namaly tamin’ny alalan’ny fanambarany ny fomba nahalalany ny fahamarinana momba ilay Mpamonjy ho avy i Jakoba.

Vakio ny Jakoba 7:8–12 hitadiavana ireo loharano izay nanampy an’i Jakoba hianatra momba an’i Jesoa Kristy.

  • Nahoana araka ny hevitrao no nitokian’i Jakoba ireo loharano ireo ho nanome fahamarinana?

Hevero ny hanomboka lisitr’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra eny amin’ny solaitrabe. Aorian’ireo loharano hita ao amin’ny Jakoba 7:8–12, dia azonao atao ny mangataka ny mpianatra hitanisa loharano azo itokiana hafa fantatr’izy ireo. Amporisiho ireo mpianatra mba ho vonona hanampy ny lisitra rehefa mahavita ity sahanasa manaraka ity.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 1, 11–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022), hitadiavana fampahalalana momba ireo loharanom-pahalalana. Hevero ny hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

  • Inona no hitanao ho nanan-danja indrindra tao amin’ireo andiam-pehezan-teny ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ireo loharano ampiasainao mitondra fanovana amin’ny fampahalalana azonao?

  • Ahoana no anehoan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy antsika?

Ity sahanasa manaraka ity, izay manohy ny rafi-tantaran’i Adry ao amin’ny “Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 2,” dia hanampy ny mpianatra hampihatra ny fampiasana loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Raha efa matoky tena amin’ny fampiasana ireo loharano ireo ny mpianatra dia hevero ny hiroso amin’ny sahanasa fandalinan’ny tsirairay.

Afaka miasa irery na tsiroaroa na anaty vondrona kely ny mpianatra. Hevero ny hanoratra ilay fanontaniana eny amin’ny solaitrabe ary hampiseho ireo loharanom-pahalalana naroso na hanome azy ireo amina taratasy zaraina. Ampio ny mpianatra hampiasa tsara ny fotoanan’izy ireo mba hananan’izy ireo fotoana amin’ny sahanasa fandalinan’ny tsirairay.

Mampiasa loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra.

Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna(2024)—“Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3”

Ny lesona teo aloha dia nampahafantatra an’i Adry izay nametraka ilay fanontaniana hoe “Raha tena misy marina ny Andriamanitra be fitiavana, nahoana no avelany hijaly ny olona?” Mba hampiharana ny fikatsahana fahamarinana avy amin’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra, dia makà minitra vitsy hamitana ny roa farafahakeliny amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny zavatra ianaranao.

  1. Ray aman-dreny sy mpitarika ao amin’ny Fiangonana: Alefaso an-kafatra any amina ray aman-dreny iray na mpitarika ao amin’ny Fiangonana ny fanontanian’i Adry, ary hazavao fa mifanakalo hevitra momba ilay fanontaniana ianareo ao amin’ny seminera ary te hahafantatra izay eritreritr’izy ireo momba izany.

  2. Vavaka: Ao anatin’ny vavaka iray mangina manokana dia angataho ny Tompo mba hanome tari-dàlana sy aingam-panahy avy amin’ny Fanahy Masina momba io fanontaniana io. Raketo an-tsoratra ny eritreritra sy ny fahatsapana izay tonga aminao.

  3. Soratra masina: Mitadiava soratra masina mety hanampy an’i Adry. Ohatra, mety ho azonao atao ny mamaky momba ny vahoakan’i Almà ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay niaina ny fijalian’ny fahababoana ara-batana (jereo ny Môzià 23:21–23; 24:8–15).

  4. Ireo mpaminanin’ny Tompo: Mitadiava fanambarana ara-paminaniana mety hanampy an’i Adry. Ohatra, vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Joseph B. Wirthlin (1917–2008) tao amin’ny Kolejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

    Ampahany amin’ireo zavatra mahasoa ianarantsika avy amin’ny fiainana ny fianarana mizaka ireo fotoam-pahakiviana sy fijaliana ary alahelo. Ireny zavatra iainana ireny mihitsy, izay mila tsy ho zaka matetika, no karazana zavatra iainana izay mampivelatra ny fahatakarantsika sy mamolavola ny toetrantsika ary mampitombo ny fangorahantsika ny hafa.

    Satria nijaly izaitsizy i Jesoa Kristy dia mahatakatra ny fijaliantsika Izy. Mahatakatra ny alahelontsika Izy. Misedra zava-tsarotra isika mba hahafahantsika manana fangorahana sy fahatakarana bebe kokoa ny hafa. (Joseph B. Wirthlin, “Come What May, and Love It,” Liahona, Nov. 2008, 27)

Ampiasao ireto fanontaniana manaraka ireto na hafa izay mety hanampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny fomba ahafahan’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra manome valiny amina fanontaniana sarotra.

  • Inona no nampianarin’ireo loharanom-pahalalana ireo ka tianao hozaraina amin’i Adry?

  • Inona no zavatra nianaranao ka hitondra fanovana amin’ny fomba ikatsahanao ny valin’ireo fanontaniana sarotra?

Fanontanian’ny fanahy

Mandritra ity sahanasa manaraka ity dia fantaro ireo mpianatra izay mety mila fanampiana manokana. Hevero ny hitarika azy ireo amina loharano mitondra fanampiana na hametraka fanontaniana fanaraha-maso mba hanampy azy ireo hampifantoka ny ezaka ataon’izy ireo.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanondro ireo fanontaniana sarotra sy fanahiana eo amin’ny fiainana ho “fanontanian’ny fanahy” (jereo ny ““Raha nahafantatra Ahy hianareo”,” Liahona, nôv. 2016, 103). Ao amin’ny diary fandalinanao dia mitanisà “fanontanian’ny fanahy” vitsivitsy. Mety ho fanontaniana anananao ireo na fanontaniana mety hananan’ny namanao na olona ao amin’ny fianakaviana.

Misafidiana fanontaniana iray izay ilanao ny fanampian’ny Ray any An-danitra ny fahatakarana azy. Makà fotoana hikatsahana fahatakarana bebe kokoa avy amin’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra. Asao ny Fanahy Masina hitarika anao ary raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao ny fahatakarana azonao.

Mba hanombohana azy, dia azonao karohina ny ChurchofJesusChrist.org, na ny application Médiathèque de l’Évangile, na laharan’ny gazetibokin’ny Fiangonana misy ny fihaonambe mba hahitana fanambarana avy amina mpitarika ao amin’ny Fiangonana izay niresaka momba ilay fanontanianao. Ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, sy ny tovana ao amin’ny triptika dia afaka mahita soratra masina manampy ihany koa.

Sary
Zazalahy mipetraka amin’ny gorodona miaraka amina solosaina finday, boky isan-karazany, karine, gazety ary gazetiboky manodidina azy.

Tadidio fa maka fotoana ny fikatsahana ny valin’ireo fanontaniana ara-panahy. Rehefa manaraka ny maodelin’ny Tompo amin’ny fahazoana fahalalana ara-panahy ianao, dia afaka mampianatra anao “andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, … etsy kely ary eroa kely” ny Fanahy Masina (2 Nefia 28:30). Mitadiava fahafahana hizara ny zavatra ianaranao amin’olona ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana.

Amporisiho ireo mpianatra izay mazoto hizara ny fomba anampian’ny fikatsahana valiny avy amin’ny loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra azy ireo hanatona kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Hevero ny hijoro ho vavolombelona momba io fahamarinana io.

Hamoaka printy