Seminera
1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra


“1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 8:19–38: Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 8:19–38

Hazòny mafy ny tenin’ Andriamanitra

Sary
Lehia eo amin’ny anja-by

Olona be dia be eo amin’izao tontolo izao no te hahatsapa fifaliana sy fitiavana saingy tsy mahalala hoe aiza no ahitana izany. Tamin’ny alalan’ny fahitana hitany momba ilay hazon’aina i Lehia dia nianatra momba ny làlana tsy maintsy diavintsika sy ny fomba hijanonana amin’izany mba hisitrahana ireo fitahian’ny fitiavan’ Andriamanitra. Afaka manampy anao hanaraka ny tenin’ Andriamanitra hitarika anao amin’ireo fitahiany lehibe indrindra ity lesona ity.

Mivavaha tsy tapaka ho an’ny mpianatrao. Fantatry ny Ray any An-danitra ny mpianatrao tsirairay. Rehefa mivavaka Aminy ianao dia afaka manampy anao hamantatra ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatra Izy ary hanome anao aingam-panahy amin’ny fomba tsara entina hanomezana izany zavatra ilain’izy ireo izany. Henoy ireo bitsika rehefa miomana hampianatra sy mandritra ny lesona.

Fanomanana ny mpianatra: Mivavaha tsy tapaka ho an’ny mpianatrao. Fantatry ny Ray any An-danitra ny mpianatrao tsirairay. Rehefa mivavaka Aminy ianao dia afaka manampy anao hamantatra ny zavatra izay tena ilain’ireo mpianatra Izy ary hanome anao aingam-panahy amin’ny fomba tsara entina hanomezana izany zavatra ilain’izy ireo izany. Henoy ireo bitsika rehefa miomana hampianatra sy mandritra ny lesona.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ny fahitan’i Lehia

Sary
Ny nofin’i Lehia

Makà fotoana hijerevana io sary hosodokon’ny fahitana hitan’i Lehia io. Izy io dia ahitana ilay hazo, izay maneho ny fitiavan’ Andriamanitra, sy ny voany, izay maneho ireo fitahiana natolotra tamin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (jereo ny David A. Bednar, “Lehi’s Dream: Holding Fast to the Rod,” Ensign, ôkt. 2011, 32–37). Ahitana singa fanampiny maro ihany koa izy io.

  • Inona no hitanao ho miavaka indrindra amin’io sary hosodoko io?

  • Inona no azonao ianarana avy amin’ny zavatra jerenao?

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava hoe:

Mety hihevitra ianao fa tsy manan-danja manokana aminao ny nofy na ny fahitan’i Lehia, saingy manan-danja izany. Tena ao anatin’izany ianao, ao anatin’izany isika rehetra. (Boyd K. Packer, “Finding Ourselves in Lehi’s Dream,” Liahona, aog. 2010, 22)

Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia mikatsaha tari-dàlana avy amin’ny Ray any An-danitra mba hahatakarana ny fomba mety hifandraisan’ny fahitan’i Lehia amin’ny fiainanao. Mitadiava fahamarinana izay mety hanampy anao handray ilay fifaliana nampanantenaina amin’ny alalan’ny Mpamonjy, eo ihany koa ny hoe inona avy ireo sakana mety hilainao ialana na resena.

Olona maro mibosesika

Tao amin’ny nofiny i Lehia dia nahita “andian’olona tsy hita isa” (1 Nefia 8:21) niezaka nihazo ny lalana izay nitondra nankeo amin’ny hazo. Niatrika singa maro izay nisy fiantraikany tamin’ny fahafahan’izy ireo nanatona ilay hazo izy ireo: zavon’ny haizina, ny anja-by ary olona tao amina trano lehibe sy malalaka. Afaka mahita ireo singa telo ireo eo amin’ny sary hosodoko eo ambony ianao.

Azonao atao ny manasa ny mpianatra hanao ny sary fanehoan’izy ireo manokana an’ilay fahitana rehefa mandalina izy ireo. Afaka mampiditra antsipiriany ny mpianatra mandritra ny lesona.

Lava ity sahanasa vakiteny manaraka ity. Asao ny mpianatra izay mety hosahirana amin’ny famakiana irery mba hamaky tsiroaroa. Amporisiho ny mpianatra hifampizara ny zavatra hitan’izy ireo sy ny fahatsapan’izy ireo.

Rehefa mamaky ny 1 Nefia 8:22–34 ianao, dia tadiavo ireo singa ireo sy ny zavatra heverinao fa asehony. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Nahita anja-by sy ireo izay lavo i Lehia” (3:30), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  • Inona araka ny eritreritra no mety hasehon’ireo singa ao amin’ny fahitan’i Lehia ireo?

Tatỳ aoriana dia hitan’i Nefia tao anatina fahitana ny zavatra hitan-drainy ary nohazavainy ireny sariohatra ireny. Vakio ny 1 Nefia 12:17–18 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Nefia. Raketo an-tsoratra ny zavatra ianaranao.

Raha nanao ny sary fanehoan’izy ireo manokana an’ilay fahitana ny mpianatra, dia azon’izy ireo atao ny manisy soratra ny sary nataon’izy ireo amin’ny zavatra nianaran’izy ireo tamin’ny fanazavan’i Nefia.

Mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny zavatra nianaran’izy ireo sy hampihatra izany amin’ny fiainan’izy ireo, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto:

  • Ahoana no fisehon’ilay trano mijoalajoala sy malalaka ary ilay zavon’ny haizina amin’izao androntsika izao?

  • Ahoana no anaovan’ireny sakana ireny izay hahavery làlana ny olona ankehitriny?

  • Inona no zavatra nianaranao ka zava-dehibe ny fahatakarana azy momba ny dianao eo amin’ny fiainana?

Mety hahazoan’ny mpianatra tombony raha resahina kokoa ilay zavon’ny haizina sy trano lehibe sy malalaka, amin’ny alalan’ny fametrahana ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no antony mety nahatonga ny Tompo naneho ireny sakana ireny amin’izany fomba izany?

  • Nahoana araka ny hevitrao no maro ny olona nikatsaka ny ho ao amin’ilay trano lehibe sy malalaka?

Eritrereto ny fakam-panahy atrehinao sy ny fiantraikan’ny avonavom-po aminao. Saintsaino ny fomba entin’izany manao izay hahavariana anao na manankantsakana ny fahafahanao manatona an’i Kristy sy hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra.

Ny fanampiana omen’ Andriamanitra antsika

Tao amin’ny fahitana hitan’i Lehia Andriamanitra dia nanomana fomba hanampiana ireo zanany hanatona ilay hazo ihany koa. Nisy “làlana ety sy tery” (1 Nefia 8:20) izay nitondra tany amin’ilay hazo. Teny an-dàlana dia nanome “anja-by” iray izay nitarika ny olona Izy (1 Nefia 8:19, 24, 30).

  • Inona no heverinao ho manan-danja amin’ilay hoe anja vita amin’ny vy?

Vakio ny 1 Nefia 15:23–25 mba hahitana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny hevitr’ilay anja sy ny fampanantenany momba izany.

  • Inona no zavatra nisongadina taminao tamin’ireo andinin-tsoratra masina ireo?

Azon’ireo mpianatra izay manao ny sarin’ilay fahitana atao ny mampiditra ilay làlana sy ilay anja-by ary ny zavatra asehon’izany. Asao hamintina ny zavatra nianarany momba ilay anja-by sy ny fomba ahafahan’izany manampy azy ireo ny mpianatra. Fahamarinana iray mety ho tena ilaina ity manaraka ity.

Fahamarinana iray azontsika ianarana ny hoe raha mihaino sy mihazona mafy ny tenin’ny Tompo isika, dia tsy haharesy antsika ny fakam-panahin’ny fahavalo.

  • Ahoana no ahafahan’ireo tenin’ny Tompo ao amin’ny soratra masina sy ireo lazain’ny mpaminany manome fiarovana sy tanjaka mandritra ny fotoan’ny fakam-panahy?

  • Inona avy ireo ohatra sasany amin’ny fomba ahafahan’ny tenin’ny Tompo mitarika antsika handray fitahiana sy fifaliana omen’ny Mpamonjy amin’ny alalan’ny Sorompanavotany?

  • Inona no ampianarin’io fahamarinana io anao mikasika ny Tompo?

Raha mety hahazoan’ny mpianatra tombony ny firesahana kokoa ilay anja-by, dia mety ho tena ilaina ny iray na maromaro amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no antony mety nahatonga ny Tompo naneho ny teny ho toy ny anja-by?

  • Mety ho inona no hevitry ny hoe “mihaino ny tenin’ Andriamanitra, ary … mihazona mafy izany”? (1 Nefia 15:24).

  • Inona avy ireo fomba samihafa ahafahantsika mamaky, na mihaino, na mandray ny tenin’ Andriamanitra?

Ny mpianatra izay manao ny sarin’ilay fahitana dia afaka mampiditra andinin-tsoratra masina eo amin’ilay anja-by izay manampy azy ireo manokana hijanona eo amin’ny làlana, na handresy ireo fakam-panahy, na handray ireo fitahian’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. Raha mila fanampiana amin’ny fitadiavana soratra masina izy ireo, dia azon’izy ireo atao ny mijery ireo andinin-tsoratra masina izay mampiasa ny voambolana hoe “tenin’ Andriamanitra” (Torolalana ho an’ny soratra masina, scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Hevero ny hizara ohatra anao manokana amin’ny kilasy na hangataka mpianatra iray hanao izany an-tsitrapo.

Hamaranana ity lesona ity, dia saintsaino ny misy anao amin’izany fahitana izany. Ahoana no nanatonanao ny Mpamonjy, ary ahoana no anohizanao miezaka manatona Azy? Inona no zava-mahavariana na fakam-panahy atrehinao? Ahoana no anampian’ny Tompo anao amin’ny alalan’ny teniny?

Hevero ny hanombana ny tanjon’ny fandalinanao soratra masina sy ny fomba anampian’izany anao, ary koa ireo fanatsarana na fanovana tianao hatao. Raha tsy manana tanjona amin’ny fandalinana ianao, dia hevero ny haka fotoana kely hanaovana anankiray.

Hamoaka printy