Seminera
1 Nefia 8:1–18: Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra


“1 Nefia 8:1–18: Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 8:1–18: Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 8:1–18

Ny fitiavan’ Andriamanitra no mampilendalenda indrindra amin’ny zavatra rehetra

Sary
Hazon’aina

Ahoana no hamaritanao ny fitiavan’ Andriamanitra? Nahita hazo tsara tarehy tao anatin’ny fahitana i Lehia. Nihinana ny voan’ilay hazo izy, ary “tena mamy izany, manoatra noho izay rehetra” efa nandramany hatrizay (1 Nefia 8:11). Ilay hazo sy ny voany dia maneho ny fitiavan’ Andriamanitra izay niseho tamin’ny fahaterahana, fiainana, asa fanompoana ary sorom-panavotan’i Jesoa Kristy. Io fitiavana io dia “nameno fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahin’i [Lehia]” (1 Nefia 8:12). Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hampitombo ny fanirianao hahatsapa fifaliana amin’ny alalan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

Mamporisika ny mpianatra hizara zavatra niainana. Ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao dia loharano manan-karena fijoroana ho vavolombelona, sy hevi-baovao ary traikefa eo amin’ny fiainana ny filazantsara. Omeo fahafahana hizara zavatra niainana manokana mifanaraka amin’izany ny mpianatra. Manehoa fankasitrahana ny mpianatra rehefa vonona hizara zavatra niainana toy izany izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto: Amin’ny fomba ahoana no ahafahan’ny olona iray miaina ny fitiavan’ Andriamanitra? Oviana no nahatsapanao ny fitiavany anao? Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miresaka amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fomba iainan’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Haizina sy fahazavana

Hevero ny handefa horonan-tsarin’ny iray amin’ireo tantara nozaraina nandritra ny fihaonambe maneran-tany ireo. Azonao atao ihany koa ny mizara zavatra niainana manokana mba hanampiana ny mpianatra hanomboka hahatsapa izany hoe ao anaty haizina izany ary maniry fahazavana. Izany dia afaka manampy ny mpianatra hiomana hianatra momba ny filan’izy ireo an’i Jesoa Kristy mba handresena ny haizina eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Mitaingina bisikileta ao anatina tonelina mirefy 24 kilaometatra (jereo ny Vern P. Stanfill, “Safidio ny fahazavana,” Liahona, nôv. 2015, 55–57).

Ny jiron’ny Tempoly any Salt Lake tsy mirehitra amin’ny alina (jereo ny Sharon Eubank, “I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina,” Liahona, mey 2019, 73–76).

Midina amin’ny alalan’ny tady any anaty lava-bato lalina (jereo Timothy J. Dyches, “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana,” Liahona, mey 2021, 112–15).

Nivavaka ho an’ny famindram-pon’ny Tompo i Lehia

Raha nipetraka tany an-tany foana i Lehia dia nizara tamin’ny fianakaviany ny antsipirian’ny fahitana iray izay hitany. Tao amin’io fahitana io dia tany amina “tany foana maizina sy mahonena” izy (1 Nefia 8:4).

Mba hanampiana ny mpianatra haka sary an-tsaina ireto andininy manaraka ireto, dia mety hanampy ny mangataka azy ireo hamaky miadana na ny hamakianao ireo andininy ka hanasa ny mpianatra hanakimpy ny masony sy haka sary an-tsaina ny zavatra faritan’ireo andininy.

Vakio ny 1 Nefia 8:5–8, hitadiavana ny zavatra niseho tamin’i Lehia sy ny fahatsapany. Mety hanampy ny fakana sary an-tsaina ny zavatra novakinao. Mitadiava antsipirian-javatra manoritsoritra izay afaka manampy anao hamorona sary an-tsaina na haka sary an-tsaina ilay tranga ho toy ny sarimihetsika.

  • Inona araka ny eritreritrao no karazana eritreritra na fahatsapana nahatonga an’i Lehia hivavaka mba hahazo famindram-po?

Makà fotoana hisaintsainana ireo fomba samihafa mety hahatsapantsika haizina eo amin’ny fiainantsika sy ireo antony mety hitarainantsika amin’ny Tompo mba hahazo famindram-po.

Vakio ny 1 Nefia 8:9–12 hitadiavana ny fomba nanampian’ny Tompo an’i Lehia.

Mba hanampiana ny mpianatra hanohy haka sary an-tsaina ny soratra masina, dia hevero ny handefa ilay horonan-tsary hoe “Nahita ny hazon’aina i Lehia” (4:32) manomboka eo amin’ny mari-potoana 1:52 hatramin’ny 4:32.

Ao amin’ny diary fandalinanao dia manaova sary tsotsotra maneho ilay hazo hitan’i Lehia. Ataovy eo amin’ilay hazo ny sarin’ilay voany, ary asio anarany ilay voankazo miainga amin’ny fanazavan’i Lehia ao amin’ny 1 Nefia 8:10–12. (Mba hahitana famaritana fanampiny hanomezana anarana ilay voankazo, dia vakio ny 1 Nefia 15:36 sy ny Almà 32:42.) Rehefa manao sary ianao dia eritrereto ny zavatra mety hasehon’ilay hazo sy ny voany.

Taty aoriana dia naniry ny hahalala sy hahatakatra manokana ilay fahitana, miaraka amin’ny hevitr’ilay hazo hitan’i Lehia i Nefia. Teo am-pieritreretana ny zavatra nampianarina azy i Nefia no nampisehoan’ny Fanahy Masina fahitana momba an’i Maria Virijiny nitrotro an’i Jesoa zazakely teny an-tànany (jereo ny 1 Nefia 11:13, 20).

Jereo ity sary manaraka ity ary eritrereto ny antony mety ho nampisehoana izany tamin’i Nefia tamin’ny fotoana naniriany hahalala ny hevitr’ilay hazo.

Sary
I Maria sy i Jesoa zazakely

Vakio ny 1 Nefia 11:21–23, hitadiavana ny zavatra hafa naseho an’i Nefia sy ny fomba nanampian’izany azy hahalala ny dikan’ilay hazo. Azonao asiana anarana araka ny zavatra ianaranao ilay hazo.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no fomba anampian’ny Mpamonjy antsika hahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra?

Nampianatra ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo hoe:

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny asa fanompoana tety an-tany sy ny sorompanavotana ary ny Fitsanganana amin’ny maty notanterahin’i Jesoa Kristy Tompo no fanehoana lehibe indrindra ny fitiavan’ Andriamanitra ho an’ireo zanany. Ilay voa teo amin’ilay hazo dia azo raisina ho toy ny fanehoana ireo fitahiana entin’ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy. (David A. Bednar, “Avia Fa Ho Hitanareo,” Liahona, nôv. 2014, 109)

  • Avy amin’ny fahitana hitan’i Lehia sy ny teny nambaran’ny Loholona Bednar, inona avy no fahamarinana hitanao momba ny fitiavan’ Andriamanitra?

Mety hahita fahamarinana maro samy hafa ny mpianatra. Amporisiho ny mpianatra mba haneho ny antony maha zava-dehibe amin’izy ireo ny fahamarinana hitany.

Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy fifaliana lehibe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy

Fahamarinana azontsika ianarana ny hoe ny fitiavan’ Andriamanitra izay miseho amin’ny alalan’i Jesoa Kristy, dia mampilendalenda kokoa mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra ary mitondra fifaliana lehibe.

Ireto sahanasa manaraka ireto dia afaka manampy anao hahafantatra ny fomba mety hahatsapanao ny fitiavan’ Andriamanitra anao noho i Jesoa Kristy. Rehefa manao ireo sahanasa ireo ianao, dia miezaha mamantatra fitahiana maro izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany ary soraty eo ambonin’ilay voankazo nataonao sary na manodidina azy izany.

Mety hahomby raha atao amin’ny fomba samy hafa ny tsirairay amin’ireto sahanasa manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny miasa tsiroaroa na anatina vondrona kely ho an’ny Sahanasa 1. Mety ho tsara kokoa ny hanaovana ny Sahanasa 2 amin’ny alalan’ny fisafidianana horonan-tsary iray sy mijery izany miaraka amin’ny iray kilasy. Ny Sahanasa 3 dia azon’ny mpianatra tsirairay atao manokana.

Sahanasa 1

Vakio ny zavatra nijoroan’i Lehia ho vavolombelona rehefa avy nahita io fahitana io izy ao amin’ny 1 Nefia 10:5–6. Mamakia ihany koa sasany amin’ireto soratra masina manaraka ireto na mijere hafa izay maneho ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy: Isaia 53:4–5; Jaona 1:17; Môzià 4:2–3; Almà 7:11–12; Helamana 5:12.

Sahanasa 2

Mijereva iray amin’ireto horonan-tsary manaraka ireto, izay hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ireo fitahiana izay tonga amin’ny alalan’i Jesoa Kristy:

Sorompanavotana—Tsy zavatra mitranga indray mandeha” (3:00)

Noho Izy” (2:36)

Fiadanana ao amin’i Kristy” (4:09)

Sahanasa 3

Saintsaina ireo fomba niainanao ireo fitahiana atolotr’i Jesoa Kristy na ny nahitanao izany tamin’ny fiainan’olon-kafa. Mety hahitana ireo fomba nitahian’ny Tompo anao tamin’ny fotoan’ny haizina izany.

Inona no nianaranao?

Makà fotoana hamerenana mijery ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy izay nosoratanao teo amin’ny sarim-boankazo nataonao. Saintsaino ny antony mahatonga ireo fitahiana ireo ho “mahasambatra ny olona” (1 Nefia 8:10), sy ho “tena mamy, manoatra noho ny zava-drehetra” (1 Nefia 8:11), ary mameno anao “amina fifaliana mitafotafo” (1 Nefia 8:12).

Manasà mpianatra maro hizara ny zavatra nianarany sy ny antony naha nanan-danja izany tamin’izy ireo. Mety hanampy ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Inona no zavatra nianaranao momba ny fitiavan’ Andriamanitra anao?

  • Inona avy ireo fitahiana azo raisina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy ka irinao indrindra eo amin’ny fiainanao? Nahoana?

  • Ahoana no nahavoatahy anao noho ny fitiavana nasehon’ Andriamanitra tamin’ny fandefasana an’i Jesoa Kristy Zanany hanao sorompanavotana ho anao?

Rehefa avy mihaino ny traikefan’ny mpianatra, dia hevero ny hizara ny eritreritrao manokana sy fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fitiavan’ Andriamanitra ary ireo fitahiana azontsika raisina amin’ny alalan’ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany.

Hamoaka printy