Seminera
1 Nefia 10; 11:1–6: “Mba hahita sy handre ary hahalala”


“1 Nefia 10; 11:1–6: ‘Mba hahita sy handre ary hahalala” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 10; 11:1–6: ‘Mba hahita sy handre ary hahalala” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 10; 11:1–6

“Mba hahita sy handre ary hahalala”

Sary
I Nefia mivavaka

Oviana ianao no nanana antony nanosika anao hamantatra raha marina ny zavatra iray henonao? Inona avy ireo ezaka nataonao ary iza no nianteheranao hanampy? Rehefa avy naheno an’i Lehia rainy nampianatra momba ny hazon’aina sy faminaniana momba ny fahatongavan’i Kristy i Nefia, dia naniry ny hianatra ho an’ny tenany manokana ny fahamarinan’ireo tenin-drainy. Afaka manampy anao amin’ny ezaka ataonao hikatsahana fahalalana avy amin’ny Tompo amim-pahazotoana ity leosna ity.

Mametraka fanontaniana izay mahatonga fahitana zava-baovao. Ny fametrahana fanontaniana manan-danja sy misokatra, ary avy eo mamela ny mpianatra hikaroka ny valiny ao amin’ny soratra masina dia afaka manokatra fahafahana manan-danja sy mahery vaika ho an’ny mpianatra mba hahitan’izy ireo ny fotopampianarana sy fitsipika. Ireo karazana fanontaniana ireo dia mampiseho amin’ny mpianatra fa azo jerena ao amin’ny soratra masina ny valiny ary afaka mahita ireny valiny ireny izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany ray aman-dreny iray na mpitarika zatovo ny zavatra ataon’izy ireo hikatsahana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amim-pahazotoana na ny fomba anambaran’ny Fanahy Masina fahamarinana amin’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara hevitra amin’ny iray kilasy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Rehefa miteny ny mpaminany

Sary
Fitokanana ny BYU Pathway Worldwide

Ho solon’ny fampiasana ny rafi-tantara eo ambany, dia azonao atao ny manomboka ny lesona amin’ny alalan’ny fizarana zavatra vitsivitsy nambaran’ireo mpaminany sy apôstôly amin’izao fotoana izao izay manambara fotopampianarana na manasa olona hanao asa amim-pinoana. Asehoy na vakio mafy ilay fanambarana ary asao ny mpianatra mba hamaritra manokana hoe iza amin’ireo zavatra telo nambara ireo no maneho ny fahatsapan’izy ireo: (1) Mino izany aho ary vonona hanao asa araka izany, (2) Mino izany aho saingy tsy mikasa hanao asa araka izany(3) Tsy azoko antoka hoe mino izany aho. Ataovy izay ahatakaran’ny mpianatra fa tsy misy valiny marina na diso ary tsy mila mizara ny fomba anomezany naoty ny tenany izy ireo.

Alaivo sary an-tsaina fa nandritra ny fampaherezam-panahy maneran-tany iray ho an’ny zatovo ny mpaminany dia nanome fanasana maro mba hanaovan’ny zatovo asa amim-pinoana.

  • Inona avy ny sasany amin’ireo fihetsika samihafa mety hasetrin’ny zatovo?

  • Nahoana araka ny eritreritrao no miseho ireo valiny samihafa ireo?

  • Inona no mety ho fiantraikan’ireo fihetsika nasetriny ireo amin’ny fiainan’izy ireo amin’izao fotoana izao sy amin’ny hoavy?

Eritrereto ny fomba namalianao ireo fampianaran’ny mpaminany ary nahoana. Inona no fiantraikan’ny fihetsika nasetrinao teo aminao? Rehefa mandalina ity lesona ity ianao, dia katsaho ny hianatra avy amin’ireo fihetsika samihafa nasetry ny fampianaran’ny mpaminany ao amin’ny soratra masina ary saintsaino ny mety hiharan’izany aminao.

Faniriana hahalala

Rehefa avy notantarain’i Lehia mpaminany tamin’ny fianakaviany ny fahitana hitany momba ilay hazon’aina (jereo ny 1 Nefia 8), dia nijoro ho vavolombelona izy fa hanatanteraka ny Sorompanavotany i Jesoa Kristy (jereo ny 1 Nefia 10:1–16). Ireo zanakalahin’i Lehia dia samy nanana ny fihetsika nasetriny ireo fampianarany izay nentanim-panahy.

Mba hanamorana ny fitombon’ny fandraisana anjara sy fifanakalozan-kevitra ataon’ny mpianatra, dia hevero ny hizara ny kilasy ho vondrona kelikely kokoa mba hiaraka handalina ireo andininy ireo. Rehefa voazara ho vondrona ny mpianatra, dia fantaro ny fomba fiarahan’izy ireo miasa, ary ampiasao ny hery mitarika anananao mba hanampiana azy ireo hahomby.

Vakio ny 1 Nefia 10:17–19 sy ny 15:1–3, 8–9, hampitahana ny fomba nasetrin’i Nefia sy i Lamana ary i Lemoela ny tenin-drain’izy ireo. Azonao atao ny manisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto mba hifanakalozan’ny kilasy hevitra. Azonao atao ny mihodina amin’ireo vondrona ary mihaino ny fomba amalian’ny mpianatra.

  • Inona avy ireo fahasamihafana hitanao tamin’ny fomba namalian’i Nefia sy ireo rahalahiny ny hafatra iray?

  • Inona no ninoan’i Nefia momba an’ Andriamanitra? Inona no ninoan’i Lamana sy i Lemoela? (Jereo ny 1 Nefia 10:17–18; 15:9.)

  • Inona araka ny eritreritrao no fiantraikan’ny finoana sy fihetsika samihafa nasetrin’izy ireo eo amin’izy ireo?

Iray amin’ireo fahamarinana takatr’i Nefia ny hoe Manambara fahamarinana amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina Andriamanitra rehefa mikatsaka Azy amim-pahazotoana isika.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe io fanambarana natao sora-matevina io:

  • Inona avy ireo zavatra efa nananan’i Nefia traikefa ka nanampy azy ho tonga tamin’ny fahalalana momba an’ Andriamanitra?

Raha sahirana amin’ny famaliana ny mpianatra, dia azonao atao ny manasa azy ireo hamerina hijery ny 1 Nefia 2:16 sy ny 1 Nefia 4:6–13 na hamintina ireo trangan-javatra ireo.

Ny fieritreretana momba ny zavatra niainan’i Nefia dia mety hamerina ao an-tsaina ireo zavatra niainanao tany amin’ny lasa rehefa nanambara fahamarinana taminao ny Ray any An-danitra. Azonao atao ny mandray an-tsoratra ny fomba nitahiany anao ao amin’ny diary fandalinanao.

Mety ho iray amin’ireo fahafahana maro mandritra ny lesona izany, rehefa afaka mizara zavatra niainana manokana ny mpianatra.

Mikatsaka fahamarinana avy amin’ Andriamanitra

Nianatra i Nefia fa omen’ny Ray any An-danitra antsika ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka fahamarinana avy Aminy isika. Mba hijerena akaiky kokoa io fahamarinana io, dia manaova tsanganana roa amina pejy iray amin’ny diary fandalinanao. Asio soratra hoe “Fomba ikatsahana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra amim-pahazotoana” eo amin’ny tsanganana iray, ary “Fomba anambaran’ Andriamanitra fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina” eo amin’ny anankiray. Mampidira hevitra maro izay azonao eritreretina ao amin’ny tsanganana tsirairay. Azonao atao ny mampiditra hevi-baovao nianaranao avy ao amin’ny 1 Nefia 10:17–19.

Safidy hafa azon’ny vondrona kely atao ny mampiasa taratasy iray ary mamindrafindra izany taratasy izany avy amin’ny olona iray mankamin’ny olona iray imbetsaka. Hanisy hevitra iray ao amin’ny anankiray amin’ireo tsanganana ny mpianatra tsirairay rehefa mahazo ilay taratasy. Azon’ny kilasy iray manontolo atao eny amin’ny solaitrabe ity sahanasa ity. Raha misy fotoana dia hevero ny hamporisika ny mpianatra hampiditra andinin-tsoratra masina izay manohana ny zavatra aroson’izy ireo.

Vakio ny 1 Nefia 11:1–6 hitadiavana ny zavatra nataon’i Nefia hikatsahana fahamarinana sy ny fomba nanampian’ny Fanahy azy. Mariho ireo teny na andian-teny manokana tena manan-danja aminao. Azonao atao ny manampy ao amin’ireo tsanganana ao amin’ny diary fandalinanao.

Hevero ny hanasa mpianatra hizara ny zavatra hitan’izy ireo fa manan-danja. Rehefa avy mizara ny mpianatra, dia azonao atao ny mametraka fanontaniana fanaraha-maso toy ny hoe “Nahoana araka ny hevitrao no nifaly ny Fanahy?” (jereo ny andininy 6) na hoe “Ahoana araka ny hevitrao no ahafahan’ny fisaintsainana mitondra ho amin’ny fanambarana?”

Mba hahitana ny fomba nikatsahan’ny Apôstôly maoderina iray valiny avy amin’ny Tompo fony izy mbola zatovolahy, dia jereo ilay horonan-tsary hoe “Ahoana no #ahenoko Azy: Loholona Ronald A. Rasband” (2:55), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org. Eritrereto ny fomba nanarahan’ny Loholona Rasband maodely mitovitovy tamin’ny fikatsahana fahamarinana sy ny nitahian’ny Tompo azy. Manampia hevi-baovao ao amin’ireo tsanganana ao amin’ny diary fandalinanao.

Diniho ny zavatra noraketinao an-tsoratra momba ny fomba anambaran’ Andriamanitra fahamarinana amintsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina rehefa mikatsaka Azy amim-pahazotoana isika. Eritrereto ny fomba mety ho nahitanao ny sasany amin’izy ireo ho marina teo amin’ny fiainanao. Tamin’ny fomba ahoana no nanamafisana orina ny fifandraisanao tamin’ny Ray any An-danitra rehefa nikatsaka Azy tamim-pahazotoana ianao?

Raha tsy mahakasika ny tenan’izy ireo manokana loatra ilay zavatra niainana, dia manasà mpianatra maromaro hizara. Hevero ihany koa ny hizara zavatra niainanao manokana. Katsaho ny hanantitrantitra ny maha-marina sy manan-danja amin’ny fiainantsika ankehitriny ny fitsipika ao amin’ity lesona ity.

Zava-dehibe ny fanambarana ho an’ny tena manokana

Satria naniry ny hianatra samirery i Nefia ary nitodika tamin’ny Tompo mba hahazo valiny, dia nahita ny zavatra hitan’i Lehia rainy izy ary nampisehoana zavatra maro hiseho amin’ny hoavy izay hitranga eto an-tany. (Mba hahalalana misimisy kokoa momba ny fahitan’i Nefia, dia jereo ny 1 Nefia 11–14.) Ny fahitan’i Nefia momba ilay làlana ety sy tery dia nanova ny fiainany. Tatỳ aoriana dia noraketiny an-tsoratra ny famporisihany ny rehetra hanaraka izany làlana izany (jereo ny 2 Nefia 31:18–21).

Asao ny mpianatra hamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo:

  • Inona no nianaranao momba ny antony maha manan-danja ny fihetsika asetrinao ny fampianarana avy amin’ny fanentanam-panahy?

  • Ahoana no mety hahafahanao mampihatra ny zavatra nianaranao momba ny fikatsahana fahamarinana amim-pahazotoana?

  • Inona no nianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ka manainga anao hanatona akaiky kokoa Azy ireo?

Hamoaka printy