Seminera
1 Nefia 11–15: Topimaso ankapobeny


“1 Nefia 11–15: Topimaso ankapobeny” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 11–15: Topimaso ankapobeny” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 11–15

Topimaso ankapobeny

Rehefa niresaka tamina mpitondra hafatra avy any an-danitra i Nefia, dia nahita fahitana momba ny Mpamonjy an’izao tontolo izao ary nandray ny fahatakarany manokana momba ny zavatra mitondra fifaliana be indrindra: ny fitiavan’ Andriamanitra. Rehefa avy naseho azy tao anaty fahitana ny fihemorana sy ny faharavan’ny vahoakany amin’ny farany, dia nahita izy fa hisy fiangonana makadiry sy maharikoriko hanimba ireo fampianaran’ny Baiboly ary hiady amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra. Na izany aza, hitany ihany koa fa haverina amin’ny laoniny ny filazantsara ka hitahy ireo rehetra izay hanaiky ireo fampianarana sy fanekempihavanan’ny Mpamonjy. I Nefia dia nahita ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny efa ela talohan’ny nitrangan’izy ireo ary nahatakatra ny anjara toerana manan-danja hohazonin’ny rakitsoratra nataony amin’ny Famerenana amin’ny laoniny.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manoro hevitra ireo mpampianatra mahakasika ny zavatra mety ilain’izy ireo omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Nefia 11

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy azy ireo ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hitondra zavatra iray ao amin’ny kilasy izay maneho fomba iray anehoan’ Andriamanitra ny fitiavany azy ireo ny mpianatra.

  • Sary: Sary isan-karazany avy amin’ny fiainan’i Jesoa Kristy sy ny asa fanompoany

  • Horonan-tsary:Tsapako ny fitiavan’ny Mpamonjy ahy” (3:39)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mandritra ny fotoana andinihan’ny mpianatra ny 1 Nefia 11:26–33, dia mampisehoa sarina trangan-javatra avy amin’ny fiainan’ny Mpamonjy voaresaka ao amin’ireo andininy. Asao ireo mpianatra hizara ny fomba anehoan’ny trangan-javatra tsirairay ny fiambanian’ Andriamanitra.

1 Nefia 13–14

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekem-pihavanana ary hampitomboana ny fanirian’izy ireo hanao sy hitandrina izany.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara izay zavatra heverin’izy ireo fa anisan’ireo tranga manan-danja indrindra tao anatin’ny 500 taona lasa.

  • Votoatiny haseho: Ny andiam-panontaniana momba ny 1 Nefia 13–14, aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Horonan-tsary:Mijoro amin’ny toerana masina” (5:36)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiasa application momba ny andiam-panontaniana mba hamoronana sy hizarana ilay andiam-panontaniana mba hahafahan’ny mpianatra miditra amin’izany amin’ny finday na ny fitetezan-tranonkala ampiasain’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mamaly ilay andiam-panontaniana any am-piandohan’ny lesona.

1 Nefia 13:20–42

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina nambara hafa mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara zavatra iray vao fantar’izy ireo vao haingana avy amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.

  • Zavatra: Bisikileta iray na sarina bisikileta iray

  • Votoatiny haseho: Ny lisitry ny lohahevitra sy soratra masina mifandray amina fahamarinana tsotra sy sarobidy, aseho na adika eny amin’ny solaitrabe

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina efitrano firesahana ary hanendry ny vondrona tsirairay hanao ny iray amin’ireo lohahevitra mifandray amina fahamarinana tsotra sy sarobidy. Asao ny mpianatra mba hifanakalo hevitra momba ireo andinin-tsoratra masina mifandray amin’izany ao amin’ny vondrona misy azy ireo ary avy eo dia hifidy mpitondra teny iray. Avereno miaraka indray ny iray kilasy ary asao hizara ny zavatra nifanakalozan’ny vondrona nisy azy ireo hevitra ny mpitondra teny tsirairay.

Tombano ny fianaranao 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tombatombana ny tanjona napetrany sy ny fivoarana izay niainan’izy ireo nandritra ny fianarana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara zavatra iray nianaran’izy ireo hatreto tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

  • Votoatiny haseho: Ny fanombatombanan-tena momba ny fandalinana soratra masina any am-piandohan’ny lesona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Ho an’ny “Sahanasa 3: Soratra navoaka tamina tambajotran-tserasera” dia hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hizara zavatra iray nianaran’izy ireo hatreto tao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Hevero ihany koa ny hizara fijoroana ho vavolombelona manokana momba ny fanatonana akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy amin’ny alalan’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hamantatra ny toerana ahitana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna ary hanisy marika sy hizatra hanao tsoanjery izany.

  • Fanamarihana: Mety ho ilaina ny mampianatra lesona mombana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mahita ireo andalan-tsoratra masina ireo ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana (2022) na ao amin’ny fampiharana Fifehezana Fotopampianarana ny mpianatra.

  • Votoatiny haseho: Tabilao maneho ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hampiasa efitrano firesahana mba hamelana ny mpianatra hifankahafantatra eo am-pitadiavana soratra masina sy eo am-panaovana tsianjery ireo andian-teny manan-danja avy ao amin’ny soratra masina.

Hamoaka printy