Seminera
1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy


“1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 13:20–42: Fahamarinana tsotra sy sarobidy” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 13:20–42

Fahamarinana tsotra sy sarobidy

Sary
Bokin’i Môrmôna

Ny Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsaran’ny Tompo dia fitahiana amin’ny lafiny maro be. Fitahiana iray ny hoe mampiseho fahamarinana tsotra sy sarobidy maro izay very tao amin’ny Baiboly izy io. I Nefia dia nahita ireo zava-nitranga tamin’ny Famerenana amin’ny laoniny efa ela talohan’ny nitrangan’izy ireo ary nahatakatra ny anjara toerana manan-danja hohazonin’ny rakitsoratra nataony amin’ny Famerenana amin’ny laoniny. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatakatra ny fomba ahafahan’ny Bokin’i Môrmôna sy ny soratra masina nambara hafa mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy momba ny filazantsaran’ny Mpamonjy.

Manomana ny tenanao hampianatra. Ny fampianarana ny filazantsara amin’ny fomba mafonja dia tsy midika fotsiny hoe manomana lesona fa manomana ny ny tenantsika ihany koa. Satria ny Fanahy dia mijoro ho vavolombelona momba ny fahamarinana ary loharanon’ny fiovam-po, ny mpampianatra ny filazantsara mahomby dia mifantoka amin’ny famenoana ny fon’izy ireo amin’ny Fanahy Masina alohan’ny hamenoan’izy ireo ny fotoam-pampianarana. Hevero ny hanontany tena hoe: “Vonona hampianatra amin’ny alalan’ny Fanahy ve aho?”

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara zavatra iray vao fantar’izy ireo vao haingana avy amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanamarinana ny maha-azo antoka

Ampisehoy sarina bisikilety ny mpianatra na, raha azo atao, dia hevero ny hitondra bisikilety ao am-pianarana. Asao hieritreritra ireo ampahany tena manan-danja amin’ny bisikilety iray ny mpianatra ary hanao lisitra izany eny amin’ny solaitrabe.

Ny bisikilety dia fomba fitaterana tsotra sy mahomby. Ny fitaingenana bisikilety dia afaka ny ho zavatra mahafinaritra sy mahafa-po ihany koa. Inona avy ireo ampahany manan-danja sasany izay manome fahafahana ny olona iray hitondra bisikilety am-pilaminana sy amin’ny fomba mahomby? Alaivo sary an-tsaina hoe manana bisikilety ianao ary nisy olona nanao fanahy iniana nanongotra ampahany tena ilaina tamin’izany.

  • Inona no mety hambaran’ny ireo fihetsika ireo momba ny fihetseham-pony aminao?

  • Inona no mety hiseho raha andramanao entina ilay bisikilety nefa misy ampahany tsy eo?

  • Iza no mety hantsoinao hanamboatra sy hamerina amin’ny laoniny ny bisikiletinao mba hiasa tsara?

Mitovitovy amin’izany, i Satana dia nikatsaka izay hanimbana sy hanakorontanana ireo zanak’ Andriamanitra tamin’ny alalan’ny fanesorana sy fanovàna ampahany manan-danja tamin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ny 1 Nefia 13 ianao, dia mitadiava zavatra nataon’ny Mpamonjy mba hanampiana antsika handresy ireo sakana ataon’i Satana.

Betsaka ireo izay tafintohina

Nampisehoana tranga manan-danja amin’ny andro farany tao anaty fahitana i Nefia, tao anatin’izany ny boky izay nentin’ny Jentilisa ho any amin’ilay tany nampanantenaina. Vakio ao amin’ny 1 Nefia 13:20–25 ny momba ilay boky ary jereo ny zavatra tao anatiny.

Mety hanampy ny hanaovana lisitra eny amin’ny solaitrabe ny zavatra hitan’ny mpianatra, toy “ny fanekempihavanan’ny Tompo,” sy “ny faminanian’ny mpaminany masina,” ary “ny fahafenoan’ny filazantsara” (1 Nefia 13:23–24). Hevero ny hanontany ny mpianatra raha fantatr’izy ireo hoe inona ilay boky ao amin’ny andininy 20 alohan’ny hanasana azy ireo handray naoty ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona no zavatra nianaranao avy amin’ny zavatra novakianao?

Hevero ny handray naoty ao amin’ny andininy 20 fa ilay boky tazan’i Nefia dia manondro ny Baiboly Masina. Ny fandraisana naoty ao amin’ny soratra masinao dia afaka manampy anao hanao azy ireny ho anao manokana sy mampitombo ny fahombiazan’ny fandalinanao soratra masina. Ohatra hoe, ny fandraisana naoty ao amin’ny soratra masinao dia mety hanampy anao hitadidy hevi-baovao ara-panahy amin’ny ho avy na ho fitahiana ho anao na ny hafa amin’ny fotoana mahasahirana.

  • Inona no tsikaritrao momba ny fomba namaritana ny Baiboly?

Hevero ny hamela ny mpianatra handalina ireto andininy manaraka ireto tsiroaroa na anatina vondrona kely ary hanasa azy ireo hifanakalo hevitra momba ireto fanontaniana manaraka ireto. Rehefa vitan’ny mpianatra ny vakiteny, dia hevero ny hanasa azy ireo hieritreritra momba ny nahitan’izy ireo ny fomba nahafahan’ny ezaka nataon’i Satana hanalana ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy hanatafintohina ny olona eo amin’izao tontolo izao.

Vakio ny 1 Nefia 13:26–29, hitadiavana ny zavatra nitranga tamin’ny Baiboly taorian’ny nialany tamin’ireo “apôstôlin’ny Zanakondry.”

  • Inona no nitranga tamin’ny Baiboly?

  • Ahoana no ahafahan’ny fanesorana ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy avy tao amin’ny Baiboly hanafintohina ara-panahy ny olona?

  • Inona no itovitovian’ireo andininy ireo amin’ny fanoharana momba ny bisikilety?

“Ny fanomezam-pahasoavana sy fahefan’ny Zanakondry”

Rehefa avy nahita maso i Nefia fa novana na nesorina tao amin’ny Baiboly ny fahamarinana tsotra sy sarobidy, dia nianatra izy fa tsy hamela izao tontolo izao hijanona ho sahiran-tsaina na jambena ny Tompo amin’ny famindram-pony (jereo ny 1 Nefia 13:30–34). Nahita i Nefia fa ny filazantsara dia haverina amin’ny laoniny amin’ny fahafenoany amin’ny alalan’ny “fanomezam-pahasoavana sy ny fahefan’ny Zanakondry.” (1 Nefia 13:35).

Mba hahalalana ny fomba nahatanterahan’ny Mpamonjy izany, dia vakio ny 1 Nefia 13:35–39 ary hevero ny hanamarika ireto andian-teny manaraka ireto sy handray an-tsoratra ny hevitr’izy ireo ao amin’ny soratra masinao na diary fandalinanao.

Ho solon’ny fitenenana fotsiny amin’ny mpianatra ireto fampahalalana manaraka ireto, dia azonao atao lisitra eny amin’ny solaitrabe anatina tsanganana iray ireo soratra masina sy andian-teny anaty farango sosona. Ao amin’ny tsanganana faharoa, dia azonao atao lisitra amina filaharana samy hafa amin’ny voatanisa eto ny fanazavana. Asao handalina ireo andininy ny mpianatra ary hampifandray ny andian-teny amin’ny fanazavana marina. Azo atao ihany koa ny manome fahafahana ny mpianatra hametraka fanontaniana momba ireo andininy ireo.

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

Fanazavana

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:35 “ireo zavatra ireo”

Fanazavana

Ny Bokin’i Môrmôna

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:39 “boky hafa”

Fanazavana

Ahitana ny Bokin’i Môrmôna, ny Fotopampianarana sy Fanekempihavanana, ny Voahangy Lafo Vidy, ary ny Dikantenin’ny Baiboly nataon’i Joseph Smith.

Toko sy andininy sy andian-teny ao amin’ny soratra masina

1 Nefia 13:39 “rakitsoratry ny mpaminany sy ny an’ny apôstôly roa ambin’ny folon’ny Zanakondry”

Fanazavana

Ny Baiboly Masina

Vakio ny 1 Nefia 13:40–41, hitadiavana famaritana momba ny zavatra hampahafantarin’ireo soratra masin’ny Famerenana amin’ny laoniny ny olona.

  • Inona no zavatra hitanao?

Hevero ny hirakitra an-tsoratra ity fahamarinana manaraka ity ao amin’ny soratra masinao na ny diary fandalinanao: Ny Bokin’i Môrmôna sy ireo soratra masina hafa dia mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy izay mijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy manangana ny fahafenoan’ny filazantsarany maharitra mandrakizay.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hanoratra amin’ny taratasy kely iray ny valintenin’izy ireo amin’ny fanontaniana faharoa sy fahatelo etsy ambany. Angony ny valintenin’izy ireo ary asehoy manerana ny trano mba hovakin’ny hafa.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no faritana ho tsotra sy sarobidy ireo fahamarinana avy ao amin’ny filazantsaran’ny Mpamonjy?

  • Inona no ianaranao momba ny Tompo avy amin’ny anjara asany amin’ny famerenana amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy?

  • Inona no fahamarinana iray na fampianarana avy amina soratra masin’ny andro farany izay tsotra sy sarobidy aminao?

  • Ahoana no nanampian’ilay fahamarinana anao hanakaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Fahamarinana tsotra sy sarobidy naverina tamin’ny laoniny

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto lohahevitra sy soratra masina mifandray aminy manaraka ireto. Afaka maka safidy iray na maro hohalalinina amin’ny antsipiriany kokoa ny mpianatra. Asaivo mandalina ilay andalan-tsoratra ao amin’ny Baiboly aloha ny mpianatra ary haka sary an-tsaina fa io ihany no fampahalalana momba ilay lohahevitra. Avy eo dia asaivo mandalina andalan-tsoratra masina hafa izy ireo, hitadiavana ny fomba anazavan’izy ireo izay ao amin’ny Baiboly. Azo atao tsiroaroa izany, ary afaka mifanakalo hevitra momba ny fandinihana nataony ny mpianatra. Azo ampifanoloana amin’izany dia afaka mandalina tsirairay ny mpianatra ary avy eo dia mifanakalo hevitra momba ireo zavatra hitan’izy ireo miaraka amin’ny iray kilasy.

Ny Andriamanitra (Matio 3:16–17)

Ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy (Lioka 22:41–44)

Fiainana talohan’ny nahaterahana (Jeremia 1:5)

Ny fanasan’ny Tompo (Matio 26:26–28)

Ny filazantsaran’i Jesoa Kristy (Marka 1:14–15)

  • 3 Nefia 11:31–35; 27:13–21

  • Fanekem-pinoana 1:4.

    Manasà mpianatra vonona maromaro mba hizara izay zavatra nianarany. Afaka mampiasa fanontaniana toy ireto manaraka ireto ianao:

  • Inona no nianaranao momba ny lohahevitra nosafidinao?

  • Ahoana no ahafahan’io fahamarinana io manampy anao hifaly sy hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy?

  • Inona no antony ankasitrahanao ny namoahan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy soratra masina fanampiny sy ny namerenan’izy ireo tamin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy?

Hamoaka printy