Seminera
1 Nefia 13–14: “Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”


“1 Nefia 13–14: ‘Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“1 Nefia 13–14: ‘Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

1 Nefia 13–14

“Nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra”

Sary
fanasan’ny Tompo

Rehefa avy naseho azy tao anaty fahitana ny fihemorana sy ny faharavan’ny vahoakany amin’ny farany, dia nahita i Nefia fa hisy fiangonana makadiry sy maharikoriko hanimba ireo fampianaran’ny Baiboly ary hiady amin’ireo Olomasin’ Andriamanitra. Alaivo sary an-tsaina ny fifalian’i Nefia tamin’ny fahitany ihany koa fa haverina amin’ny laoniny ny filazantsara ka hitahy ireo rehetra hanaiky ireo fampianarana sy fanekempihavanan’ny Mpamonjy. Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana anao hahatakatra ny maha-zava-dehibe ireo fanekem-pihavanana ary hampitomboana ny fanirianao hanao sy hitandrina izany.

Mampahafantatra fa manan-danja ny fandraisan’anjaran’ny mpianatra. Rehefa manangan-tànana hanao fanehoan-kevitra ny mpianatra, dia antsoy amin’ny anarany izy ireo ary ampio hahatsapa fa afaka manampy ny hafa ny fanehoan-kevitr’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara izay zavatra heverin’izy ireo fa anisan’ireo tranga manan-danja indrindra tao anatin’ny 500 taona lasa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Fanamarihana: Ny 1 Nefia 13:20–42 dia hampianarina amin’ny antsipiriany kokoa amin’ny lesona manaraka.

Ny tànan’ Andriamanitra teo amin’ny tantara

Alaivo sary an-tsaina hoe nanehoana fahitana momba ireo zava-nitranga manan-danja indrindra tao anatin’ny 500 taona lasa ianao, ao anatin’izany ny androntsika.

Hevero ny hanoratra na hampanoratra ny mpianatra ny valin’ity fanontaniana ity eny amin’ny solaitrabe. Ny fahitana valiny eny amin’ny solaitrabe dia mety hiteraka hevitra avy amin’ny mpianatra hafa.

  • Inona araka ny eritreritrao no zava-nitranga mety hitanao ao amin’io fahitana io? Nahoana?

I Nefia mpaminany dia nanehoana fahitana iray izay nahitana zava-nitranga manan-danja tamin’io vanim-potoana io. Mariho ny zavatra nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson momba ny fahitan’i Nefia:

Isika no lohalaharana manatri-maso mivantana ny zavatra hitan’ny mpaminany Nefia tao anaty fahitana fotsiny ihany. …

Ianareo, ry rahalahy sy anabaviko, dia isan’ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy izay hitan’i Nefia ireo. Saintsaino anie izany e! (Russell M. Nelson, “Henoy Izy,” Liahona, mey 2020, 88)

Rehefa mandalina ny 1 Nefia 13–14 ianao, dia mitadiava porofon’ny herin’ Andriamanitra ao amin’ireo zava-nitranga izay mitondra mankaty amin’ny androntsika sy ireo fampanantenana manan-danja hotanterahin’ny Tompo eo amin’ny fiainanao.

Azo ampiasaina amina fomba maro ity sahanasa manaraka ity. Ohatra, azonao atao ny mampiseho ireo zava-nitranga sy ireo soratra masina mifandray amin’izy ireo ary avy eo dia manasa ny mpianatra hamaky ireo andininy sy hanoratra famintinana fohy ny trangan-javatra rehetra. Azonao atao ihany koa ny mamorona andiam-panontaniana izay ahafahan’ny mpianatra mampifandray zava-nitranga amin’ireo andininy.

Vakio ny andalan-tsoratra masina ary ampifandraiso amin’ny zava-nitranga voatanisa eo ambany ny zavatra voafaritra ao amin’ireo andininy. Fanamarihana: Ny hoe Jentilisa araka ny ampiasana azy ireo ao amin’ireo andininy ireo dia manondro olona izay tsy avy any amin’ny tanin’i Joda na monina ao.

  1. 1 Nefia 13: 12–13, 16–19

  1. Ny rakitsoratry ny Nefita (Bokin’i Môrmôna) sy ireo soratra masina hafa dia manangana fahamarinana momba ny fahamarinan’ny rakitsoratry ny Jiosy (Baiboly) ary mamerina amin’ny laoniny ireo fahamarinana tsotra sy sarobidy.

  1. 1 Nefia 13:23–26

  1. Fahitana sy fanjanahana ilay tany nampanantenaina nataon’ny Jentilisa.

  1. 1 Nefia 13: 35–36, 39–40

  1. Rakitsoratry ny Jiosy (ny Baiboly) izay nosimbain’ilay fiangonana makadiry sy maharikoriko.

  1. 1 Nefia 14:7–10

  1. Mitranga ny asa mahagaga (Famerenana amin’ny laoniny ny filazantsara). Misafidy na hanaiky na handà ny fitahian’izany ny Jentilisa.

Valiny: 1-b, 2-d, 3-a, 4-e. Azonao atao ny manontany ny mpianatra ny zavatra fantatr’izy ireo na raha manana fanontaniana momba ireo zava-nitranga izy ireo.

  • Inona araka ny eritreritrao no zavatra manan-danja amin’ireo faminaniana ireo?

Mety hahazo tombony amin’ny fandalinana ny 1 Nefia 13:12–13, 16–19 ny mpianatra mba hahitany ny naha-teo amin’ireo izay nandeha tany amin’ilay tany nampanantenaina ny Fanahy sy ny herin’ Andriamanitra.

  • Inona no ianaranao momba an’ Andriamanitra avy amin’ireo andininy ireo?

    Mety ho fahafahana tsara hizarana ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny tànan’ Andriamanitra amin’ny fisehon’ny Famerenana amin’ny laoniny izany. Azonao atao koa ny manasa ny mpianatra hizara ny fahatsapan’izy ireo.

  • Ahoana no mety hitahian’io fahatakarana momba Azy io ny fiainanao amin’izao?

Mahazo ny herin’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika

Naseho an’i Nefia ny andro farany ary nahita ny Famerenana amin’ny laoniny ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny fanoherana hatrehin’izany izy. Hitany ihany koa ireo fitahiana nampanantenaina an’ireo mpanara-dia an’i Jesoa Kristy izay mpitandrina ny fanekempihavanana.

Vakio ny 1 Nefia 14:12–14, hitadiavana ny zavatra nianaran’i Nefia momba ireo mpikambana amin’ny andro farany ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy.

  • Inona no manan-danja aminao amin’ny famaritan’i Nefia ny Fiangonan’i Jesoa Kristy sy ny mpikambana ao aminy amin’ny androntsika? Nahoana?

    Hevero ny hifanakalo hevitra momba ireo eritreritra sy fahatsapan’ny mpianatra momba ny maha-ao anatin’ireo mpikambana vitsy ao amin’ny Fiangonana maneran-tany azy ireo. Azonao atao ny manasa azy ireo hizara ireo fomba nahitan’izy ireo olona niady tamin’ny Mpamonjy sy ny fomba ahafahan’izy ireo mamaly am-pahatokiana sy am-pitiavana ny fanamby toy izany.

    Mba hanamorana ny fifanakalozan-kevitra, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamaly ireo fanehoan-kevitra ataon’ny mpiara-mianatra amin’izy ireo. Mikatsaha fitarihana avy amin’ny Fanahy mba hahalalana izay fanontaniana fanaraha-maso tokony hapetraka.

  • Inona avy ireo fitsipika azonao fantarina avy amin’ny andininy 14?

Fitsipika iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe raha mitandrina ny fanekempihavanantsika isika, dia hampirongoana antsika ho fiadiantsika ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra.

  • Inona no fanekempihavanana nataonao na hataonao amin’ Andriamanitra?

  • Inona avy no fomba sasantsasany manampy anao hijanona hifantoka amin’ny fitandremana ireo fanekempihavanana nataonao?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra momba ny dikan’ny hoe ampirongoana ho fiadiana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra amim-boninahitra lehibe:

Ilay andian-teny hoe: “nampirongoana azy ho fiadiany ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe” [1 Nefia 14:14] dia tsy hoe hevitra tsara fotsiny na koa ohatra amin’ny fiteny kanto ao amin’ny soratra masina fotsiny. Fa ireo fitahiana ireo dia miharihary eo amin’ny fiainan’ireo mpianatry ny Tompo amin’ny andro farany tsy tambo isaina. …

… Mijoro ho vavolombelona aho fa ny vahoakan’ny fanekempihavanan’ny Tompo ankehitriny dia tena nampirongoana ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra amin’ny voninahitra lehibe. Nahita finoana aho, herim-po, fomba fijery, fikirizana ary fifaliana izay mihoatra lavitra noho ny azon’olombelona tratrarina—ary Andriamanitra irery no afaka manome izany. (David A. Bednar, “Amin’ny herin’ Andriamanitra tamim-boninahitra lehibe,” Liahona, nôv. 2021, 29–30)

  • Inona avy no mety ho ohatry ny olona mitovy taona aminao izay “nampirongoana ho fiadiana ny fahamarinana”?

  • Oviana no niainanao ny sasany amin’ireny karazana fitahiana “izay Andriamanitra irery no afaka manome izany”?

Mba hahitana ohatra iray momba ny vehivavy iray izay manao sy mitandrina fanekempihavanana, dia jereo ny horonan-tsary “Mijoro amin’ny toerana masina” (5:36), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

Misaintsaina ireo fitahian’ny fandehanana amin’ny làlan’ny fanekempihavanana ny zatovovavy iray eo am-panaovana ny diany ho any amin’ny tempoly.

  • Inona no lazain’ny zavatra ataonao isan’andro anao momba ny maha zava-dehibe ireo fanekempihavanana izay nataonao?

  • Nahoana ianao no mila ilay hery avy amin’ireo fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra?

  • Ahoana no ahafahanao manasa feno kokoa ho eo amin’ny fiainanao ireo fitahian’ny fanaovana sy fanajana fanekempihavanana amin’ny Ray any An-danitra?

Hamoaka printy