Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery


“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1: Mariho sy ianaro tsianjery,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 1

Mariho sy ianaro tsianjery

Sary
Mpianatra

Iray amin’ireo tanjon’ny fifehezana fotopampianarana ny hanampy anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahita sy hanisy marika ary hanazatra tena amin’ny fanaovana tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Manisy marika ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Ny fanisiana marika ireo andalan-tsoratra masina ireo dia hanampy ny mpianatra hahatsiaro sy hahita ireo soratra masina faingana kokoa. Asao hihevitra ny hanisy marika ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka amin’ireo marika hafa nataon’izy ireo ny mpianatra.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hamerina hjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany izay hita ao amin’ny Bokin’i Môrmôna. Afaka mahita ireo andalan-tsoratra masina ireo ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra fifehezana fotopampianarana (2023) na ao amin’ny fampiharana fifehezana fotopampianarana ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny fototra ao anatin’ny soratra masina

  • Nahoana no ilaina ny mahafantatra ireo toko sy andinin-tsoratra masina ary ireo andian-teny fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana?

Mba hanampiana anao hianatra ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany, dia hevero ny handikana ity tabilao manaraka ity ao anatin’ny diary fandalinanao na ampidiro ao anatin’ny findainao ny application Maîtrise de la doctrine ary ampiasao ireo sahanasa ao amin’ilay application mba hanampiana anao hianatra tsianjery.

Asehoy ity tabilao manaraka ity na manomeza tahadikan’ilay taratasy zaraina.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny fototra

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra seminera (2024)

Toko sy andinin-tsoratra masina

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Toko sy andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’ Andriamanitrareo ianareo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’ Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Toko sy andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Miankina amin’ny habetsahan’ny mpianatra, hevero ny hanome iray na maromaro amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 ho an’ny mpianatra tsirairay. Raha ilaina dia azo omena mpianatra maro ny andalan-tsoratra masina iray.

Azon’ny mpianatra atao ny mifindrafindra eran’ny efitrano fianarana ary miasa miaraka amina mpiara-mianatra iray izay manana andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hafa amin’ny alalan’ny fanaovana izao manaraka izao (hevero ny hanoratra ireto eny amin’ny solaitrabe):

  1. Mametraha fanontaniana mba hifankahalalana kokoa. (Ohatra: “Milazà fialambolinao anankiray?” “Inona no anisan’ny toerana tianao indrindra ny mitsidika azy?”)

  2. Mifanampia amin’ny fijerena sy fanisiana marika ny andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny fototra nampandraiketina.

  3. Zarao ny mety haha-fitahiana eo amin’ny fiainanao ny fahalalana ny fahamarinana ao amin’ilay andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina.

  4. Ezaho atao tsianjery ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny fototra ao amin’ny soratra masina.

Amporisiho hiova namana isaky ny minitra vitsivitsy ny mpianatra. Amporisiho hanohy hifamadibadika izy ireo mandra-pahitan’ny mpianatra rehetra sy anisiany marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana.

Hamoaka printy