Seminera
1 Nefia 16–22: Topimaso ankapobeny


“1 Nefia 16–22: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 16–22: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 16–22

Topimaso ankapobeny

Tsy ela taorian’ny nialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema, ny Tompo dia nanome azy ireo fitarihana fanampiny tamin’ny alalan’ny Liahona. Niatrika fanamby isan-karazany tany an-tany foana izy ireo, ary ny fihetsika nasetrin’i Nefia izany fanamby izany dia manome antsika ohatra momba ny fihetsika hasetry ireo fitsapana eo amin’ny fiainantsika manokana. Teo am-pampianarana momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely, i Nefia dia nampiasa ireo faminanian’i Isaia mba hanehoana fa tsy hanadino ny mpianakavin’i Isiraely niely ny Tompo. Nampianatra ihany koa izy fa na inona na inona loharanon’ny fijaliantsika, dia manome tanjaka sy fanasitranana ireo izay mikatsaka Azy i Jesoa Kristy.

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Nefia 16–18

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hamantatra sy hanaraka ny tari-dàlan’ny Tompo eo amin’ny fiainan’izy ireo ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanamarika fomba anomezan’ Andriamanitra azy ireo tari-dàlana sy fitarihana mandritra ny andro.

  • Sary: Sarin’ny Liahona iray na maromaro

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Rehefa avy namorona ilay tabilao araka ny toromarika ao amin’ny lesona ny mpianatra, dia hevero ny hanasa azy ireo hampiasa ny fifandefasan-kafatra (chat) na solaitrabe fotsy mba hizarana ny zavatra nianaran’izy ireo momba ny Liahona. Avy eo dia azon’izy ireo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fahatakarana sy fampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina.

1 Nefia 16–17

Tanjon’ny lesona: Afaka hanampy ny mpianatra hianatra ny fomba ampiharana ny soratra masina sy iatrehana ireo fanamby am-pinoana ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny 1 Nefia 19:23 ny mpianatra ary hieritreritra ny dikan’izany hoe mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika izany.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Mety ho fotoana mety hanarahana ny fandehan’ny fandalinan’ny mpianatra soratra masina manokana ilay rafi-tantara any am-piandohan’ny lesona. Ho solon’ilay rafi-tantara, dia hevero ny hametraka fanontaniana toy ny hoe “Inona avy ireo fanahiana mahazo matetika ny zatovo amin’ny famakiana ny soratra masina?” eo amin’ny efijery ary hamela ny mpianatra hamaly amin’ny alalan’ny fampiasana fitsapan-kevitra na endrika fanontaniana sy valiny.

1 Nefia 17–18

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ny Tompo ity lesona ity, na inona na inona toe-java-misy atrehin’izy ireo.

  • Fiomanan’ ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hizara zavatra niainan’izy ireo izay nanampy azy ireo hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa an’ Andriamanitra.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Ho an’ny sahanasa fampitahana ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fihetsiny amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela dia hevero ny hanasa ny mpianatra hisafidy na “Handeha ho any an-tany foana” na “Hanamboatra sambo”. Avy eo dia asao hamaky ireo andalan-tsoratra masina mifandray amin’ny safidin’izy ireo ary hiomana hizara ny zavatra nianarany amin’ny mpianatra sisa izy ireo.

1 Nefia 19–22

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo azy ireo sy ny olon-drehetra ary ny faniriany hanangona azy ireo ao Aminy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hangataka ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara teny roa na telo hampiasain’izy ireo hamaritana ny fahatsapan’i Jesoa Kristy momba azy ireo.

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny fototra ao amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Fanamarihana: Mety ho tokony hampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina sy ho vonona hifanakalo hevitra amin’ireo andalan-tsoratra masina rehetra izay nanampy azy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra.

  • Fitaovana: Taratasy roa mba hamoronan’ny mpianatra tsirairay ny karatra fitadidiany; fitaovana fanaovana zava-kanto toy ny pensilihazo miloko na marqueur

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio conférence: Rehefa vitan’ny mpianatra ny karatra fitadidian’izy ireo, dia ampidiro ao anatina salle de discussion ny mpianatra (tsiroaroa na vondrona kely) mba hanao fampiharana ny fanaovana tsianjery ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny karany. Azon’ny mpianatra iray atao ny mampifanitsy ny ilan’ny karany amin’ny fakan-tsary, ary ny mpianatra hafa ao amin’ilay salle de discussion dia afaka manao fampiharana mamerina ny zavatra ao amin’ny ilany hafa amin’ilay karatra.

Hamoaka printy