Seminera
Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 2: Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina


“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 2: Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 2: Ianaro tsianjery ireo toko sy andininy ary ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

Famerenana ny fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna 2

Ataovy tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Ny fitadidiana ireo andinin-tsoratra masina sy ireo zavatra azon’izy ireny ampianarina dia afaka manampy anao amin’ny fomba maro. Ity lesona ity dia natao mba hanampiana anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho an’ny sasantsasany amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

Famporisihana ny fanaovana sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana. Ny sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana dia manampy ny mpianatra hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Amin’ny alalan’ny fanaovana ireny sahanasa ireny tsy tapaka, dia afaka mianatra ireny andian-teny ireny ny mpianatra. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatrao hanohy ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa ivelan’ny fotoam-pianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hisaintsaina sy ho vonona hifanakalo hevitra amin’ireo andalan-tsoratra masina rehetra izay nanampy azy ireo teo amin’ny fiainan’izy ireo ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Azo ampianarina eo amin’ny toeran’ity lesona famerenana ity ny lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana anankiray. Jereo ny fandaharam-potoana izay nomen’ny tale na mpandrindra eo anivon’ny vondromparitra na ny faritra mba hahazoana antoka fa ampianarina avokoa ireo lesona momba ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehetra mandritra ny fotoana ampianarana seminera.

Mampiasa ny soratra masina hizarana ny filazantsara

Alaivo sary an-tsaina hoe manana fanontaniana momba ny sasany amin’ireo zavatra inoanao amin’ny maha mpikambana ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany anao ny namanao iray, ao anatin’izany ny finoanao momba an’i Jesoa Kristy, ny tanjontsika eto an-tany ary ny didin’ Andriamanitra. Rehefa mieritreritra ny fomba mety hamalianao ianao, dia manapa-kevitra fa hampiseho azy soratra masina avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna mba hahafahana mamaly ny fanontaniany.

  • Afaka mieritreritra andinin-tsoratra masina manampy avy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay azonao aseho ny namanao ve ianao?

  • Mety hanampy anao ao anatina toe-javatra tahaka izany amin’ny fomba ahoana ny fahafantarana andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao anatin’izy ireny?

Hevero ny hanontany ny mpianatra raha efa tao anatina toe-javatra toy io izy ireo ary hizara hoe nanao ahoana ny niatrehan’izy ireo izany. Azon’ny mpianatra atao ny mampiasa ny fanomanan’izy ireo ny lesona ao anatin’ity fifanakalozan-kevitra ity.

Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ireo andinin-tsoratra masina sy ireo andian-teny manan-danja ao amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana hohalalininao amin’ity taona ity. Ny fanaovana tsianjery ireny andinin-tsoratra masina sy andian-teny ireny dia afaka manampy anao amin’ny fiainanao sy amin’ny ezaka ataonao hizarana ireo zavatra inoanao amin’ny hafa. Eto ambany dia misy ny lisitr’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany ao amin’ny Bokin’i Môrmôna miaraka amin’ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandraika aminy.

Mba hanampiana anao hamaritra ny isan’ny andinin-tsoratra masina hasongadina ao amin’ity lesona ity, dia hevero ny fotoana misy sy ny zavatra ilain’ny mpianatra. Asehoy ity tabilao manaraka ity mba hahafahan’ireo mpianatra mijery izany mandrapahavitan’izy ireo ny karany.

Andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 voalohany sy andian-teny manan-danja

Andinin-tsoratra masina

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andinin-tsoratra masina

1 Nefia 3:7

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ny Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:25

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 2:27

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Afaka isika na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na hifidy ny fahababoana sy ny fahafatesana.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 26:33

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ho an’ Andriamanitra dia mitovy ny rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 28:30

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Andriamanitra dia “hanome ny zanak’olombelona andalan-tsoratra anampy andalan-tsoratra, ary fitsipika anampy fitsipika.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:3

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Mivokisa amin’ny tenin’i Kristy; fa indro hilaza aminareo ny zava-drehetra tokony hataonareo ny tenin’i Kristy.”

Andinin-tsoratra masina

2 Nefia 32:8–9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Tsy maintsy mivavaka mandrakariva ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:17

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Rehefa eo amin’ny fanompoana ny mpiara-belona aminareo ianareo, dia tsy manao afa-tsy ny fanompoana an’Andriamanitrareo ianareo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 2:41

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Ireo izay mitandrina ny didin’Andriamanitra … dia tahiana amin’ny zava-drehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 3:19

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“[Esory] ny maha-olona araka ny nofo [ary tongava] olomasina amin’ny alalan’ny Sorompanavotan’i Kristy Tompo.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 4:9

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

“Minoa an’ Andriamanitra … minoa fa Izy dia manana ny fahendrena rehetra.”

Andinin-tsoratra masina

Môzià 18:8–10

Andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Aoka hatao “batisa … amin’ny anaran’ny Tompo ho vavolombelona … fa efa nanao fanekempihavanana taminy ianareo.”

Karatra fitadidiana

Ataovy mifanaraka amin’ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana izay hianarana ao amin’ilay lesona ireto torolalana manaraka ireto. Ireo mpianatra izay afaka mampiasa fitaovana elektronika dia afaka mampiasa application na rindrambaiko hamoronana ireo karatra. Raha tsy izany dia izarao taratasy roa ny mpianatra tsirairay hanaovana ity sahanasa ity.

Makà fotoana hanamboarana andian-karatra fitadidiana azonao ampiasaina mandritra ny taona. Ataovy amin’ny lafiny Iray amin’ny karatra tsirairay ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana, ary ao ambadika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Manamboara karatra fitadidiana ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 12 rehetra, izay voatanisa ao amin’ny tabilao.

Ampiasao ireto torolalana manaraka ireto mba hanampy anao amin’ny fanamboarana ny karatra fitadidianao:

Hevero ny hampiseho ireto torolalana manaraka ireto hojeren’ny mpianatra rehefa mamorona ny karany izy ireo.

Dingana 1: Manamboara karatra miisa 12

Amin’ny alalan’ny fampiasana ny lafiny manontolo amin’ny taratasy iray, dia manaova tsipika eo amin’ny fisasahan’ilay taratasy mba hamoronana tsanganana roa. Avy eo dia manorita tsipika roa mitsivalana manapaka ilay taratasy mba hamoronana efajoro telo mitovy habe isaky ny tsanganana, izay manome anao efajoro miisa enina ny fitambarany. Jereo ity sary manaraka ity hatao ohatra amin’ny endrika tokony hisehoan’ny pejinao:

Sary
Tabilao foana

Avadiho ilay taratasy rehefa vita izany ary manaova toy izany ihany koa eo amin’io lafiny io. Avereno amina taratasy hafa io dingana arahina io mba hamoronana ilay efajoro miisa 12 ilainao.

Dingana 2: Soraty eo amin’ny lafiny iray ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana

Soraty eo amin’ny lafiny iray amin’ireo taratasinao anankiroa ny andinin-tsoratra masina iray avy amin’ilay tabilao ao anatin’ny efajoro tsirairay. Ankoatra ilay andinin-tsoratra masina, dia azonao atao ihany koa ny manao sary tsotsotra izay hanampy anao hahatsiaro ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Dingana 3: Soraty ao ambadika ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina

Avadiho ireo taratasinao, ary soraty ao amin’ny efajoro tsirairay ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina mifandray amin’ny andinin-tsoratra masina ao ambadika.

Dingana 4: Tapaho ny karatrao

Tapaho tsirairay ho tonga karatra ireo efajoro namboarinao.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho tsiroaroa hampiasa ny karatr’izy ireo hanombohana manao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja anatin’ny soratra masina sasany na izy rehetra. Afaka mifandimby mifanadina andiam-panontaniana ny mpianatra, na mampiasa ireo andian-karatra roa mba hanaovana kilalao fampifandraisana, na mamorona sahanasa hafa.

Azonao atao ihany koa ny manasa ny mpianatra hamaky ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sasany na izy rehetra ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

  • Inona no andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay tsapanao fa hanampy indrindra anao ny hanaovanao tsianjery azy? Nahoana?

  • Inona no fahamarinana ampianarin’ireo andinin-tsoratra masina ireo momba ny Mpamonjy sy ny filazantsarany?

Hamoaka printy