Seminera
1 Nefia 17–18: “Nitodika tamin’ Andriamanitra aho”


“1 Nefia 17–18: -Nitodika tamin’ Andiamanitra aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 17–18: -Nitodika tamin’ Andiamanitra aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 17–18

“Nitodika tamin’ Andriamanitra aho”

Sary
zatovovavy misy mampijaly

Samy handalo fitsapana sy fijaliana avokoa isika rehetra eo amin’ny fiainantsika. Ny sasany amin’izany dia ho tonga vokatr’ireo zavatra tsy mety nataontsika na amin’ny alalan’ny fiainantsika eo amina tontolo lavo sy tsy lavorary fotsiny. Araka ny niainan’i Nefia nandritra ny diany ho any amin’ilay tany nampanantenaina, ny fitsapana sy fijaliana sasany dia tonga rehefa tsy mety ny fomba ampiasan’ireo manodidina antsika ny fahafahan’izy ireo misafidy. Na inona na inona loharanon’ny fijaliantsika, dia manome tanjaka sy fanasitranana ireo izay mikatsaka Azy i Jesoa Kristy. Afaka manampy anao hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana ny Tompo ity lesona ity, na inona na inona toe-java-misy atrehinao.

Takaro ny zavatra ilain’ny mpianatra amin’ny fianarana. Katsaho ny hahatakatra ny zavatra ilain’ny olona tsirairay ao amin’ny kilasinao ara-pianarana. Izany dia hanampy anao hanome traikefam-pianarana izay manome ny zavatra ilain’izy ireo ary mamela ny tsirairay hianatra amina fomba isan-karazany. Izany dia mety hahitana fampiasana fanohanana amin’ny alalana zavatra jerena, asa atao anaty vondrona, na fandalinana manokana ataon’ny tsirairay. Jereo manokana ny mpianatra izay manana fahasarotana manokana amin’ny fianarana.

Fiomanan’ ny mpianatra: Asao hiomana hizara zavatra niainan’izy ireo ka nanampy azy ireo hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana lehibe kokoa an’ Andriamanitra ny mpianatra.

Sahanasa fianarana azo atao

Toy ny ahoana no ho fihetsika?

Efa voamarikao ve ny fomba samy hafa anaovan’ny olona fihetsika amina toe-javatra mitovitovy indraindray? Vakio ireto rafi-tantara manaraka ireto ary eritrereto ny sasany amin’ireo fihetsika isan-karazany azon’ny olona ao amin’ilay rafi-tantara hasetry izany.

Ampiasao ity manaraka ity na mamoròna vetivety rafi-tantara hafa mba hanampiana ny mpianatra hiresaka fihetsika isan-karazany entina miatrika zava-tsarotra na fitsapana.

Nankany amina mpitsabo maso i Guillermo fa nanjavona ny masony. Nilaza taminy ny dokotera fa tratran’aretina tsy dia fahita firy izay hahajamba azy tanteraka ao anatin’ny herintaona izy.

Tezitra mafy ny anadahin’i Layla ka nanosika azy, nahatonga azy naratra teo amin’ny kitrokeliny. Tokony ho nilalao tamin’ny lalao fiadiana ny ho tompon-daka nataon’ny ekipany izy, saingy tsy afaka mihazakazaka izy amin’izao fotoana izao.

  • Inona avy ireo fihetsika samihafa mety hasetrin’ireo olona ao amin’ireo rafi-tantara ireo ny toe-java-tsarotra lalovan’izy ireo?

  • Inona no heverinao ho antony maromaro mahatonga ny olona haneho fihetsika tsara na ratsy manoloana ny fitsapana iainan’izy ireo?

Fomba fijerin’i Nefia

Satria nandalina ny Bokin’i Môrmôna ianao, dia mety nahatsikaritra fahasamihafana teo amin’ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fihetsiny raha mitaha amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela, na dia tao anatin’ny fotoana niaretan’izy ireo ny maro tamin’ireo fahoriana mitovy aza. Jereo tsara io fahasamihafana io rehefa mandalina ireto andininy manaraka ireto ianao.

Ho an’ity sahanasa fandalinana manaraka ity dia azon’ny mpianatra atao ny mamaky ny fampitahana voalohany miaraka amina namana iray, avy eo dia miova namana ao amin’ny vondrona manana andininy hafa. Mitovitovy amin’izany, azon’ny mpianatra atao ny mifanakalo hevitra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto tsiroaroa na anatina vondrona kely na miaraka amin’ny iray kilasy alohan’ny handalinana ireo zava-nitranga ao amin’ny 1 Nefia 18.

Nandeha tany an-tany foana:Ampitahao ny fitantaran’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:1–3 sy ny zavatra lazain’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 17:20–22.

Manamboatra sambo:Ampitahao ny fihetsika nasehon’i Nefia ao amin’ny 1 Nefia 17:8–9, 15 sy ny fihetsika nasehon’i Lamàna sy i Lemoela ao amin’ny 1 Nefia 17:17–18.

Tapaho ny fomba tsara indrindra hampandraisana anjara ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny zavatra novakin’izy ireo. Mety hanampy amin’izany fifanakalozan-kevitra izany ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Inona no eritreritra na fahatsapana nanananao rehefa nampitaha ny teny sy ny fihetsik’i Nefia tamin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela ianao?

  • Inona no tsikaritrao momba ny fifandraisana nananan’ireo olona tsirairay ireo tamin’ Andriamanitra?

Misy fotoana isika rehetra maneho fihetsika tsara amina toe-javatra sarotra ary misy fotoana tsy dia tsara loatra. Eritrereto raha toa ka manao fihetsika mitovy amin’ny an’i Nefia ianao amin’ny ankapobeny na mitovy kokoa amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela rehefa miatrika toe-java-tsarotra. Rehefa manohy mandalina ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka hanampy anao haneho fihetsika tsara kokoa rehefa miatrika zava-tsarotra na fitsapana ianao.

Nandeha sambo nankany amin’ilay tany nampanantenaina i Lehia sy ny fianakaviany

Rehefa vitan’i Nefia sy ireo rahalahiny ny fanamboarana ny sambo, dia nandidy an’i Lehia sy ny fianakaviany hanomboka handeha an-tsambo ho any amin’ny tany nampanantenaina ny Tompo (jereo ny 1 Nefia 18:1–8).

Vakio ny 1 Nefia 18:9–21, hitadiavana ny sasany tamin’ireo zava-tsarotra niainana nandritra io dia io. Rehefa mandalina ianao, dia manohiza mampitaha ny zavatra nataon’i Nefia sy ny fihetsiny amin’ny an’i Lamàna sy i Lemoela.

  • Inona no hitanao fa nisongadina tamin’io fitantarana io?

  • Mariho ny zavatra noraketin’i Nefia ao amin’ny andininy 16. Raha manana fahafahana hametraka fanontaniana aminy momba ny fihetsiny ao amin’io andininy io ianao, inona no mety hanontanianao azy?

  • Ahoana araka ny hevitrao no mety hamaliany ny fanontanianao?

Ny Loholona Dale G. Renlund ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nizara antony iray nahavitan’i Nefia naneho ny fihetsika izay nasehony tao anatin’ny zava-tsarotra nolalovany.

Koa satria lavitry ny Mpamonjy i Lamàna sy i Lemoela dia nimonomonona, ka lasa be fifandirana ary tsy nanam-pinoana. Nahatsapa izy ireo fa tsy rariny ny fiainana ka tokony hahazo ny fahasoavan’ Andriamanitra izy ireo. I Nefia kosa, noho izy nanakaiky an’ Andriamanitra hatrany, dia tsy maintsy nahafantatra fa ny fiainan’i Jesoa Kristy no nahitana tsy rariny indrindra. Na dia tsy nanan-tsiny mihitsy aza ny Mpamonjy dia Izy no nijaly indrindra.

Arakaraka ny maha-akaiky antsika amin’i Jesoa Kristy eo amin’ny eritreritra sy ny fikasan’ny fo no hankasitrahantsika kokoa ny fijaliana tsy rariny nianjady taminy, sy ny hankasitrahantsika kokoa noho ny fahasoavana sy ny famelan-keloka, ary haniriantsika bebe kokoa ny hibebaka ka ho lasa tahaka Azy. (Dale G. Renlund, “Mba hahazoako misintona ny olon-drehetra atỳ Amiko,” Liahona, mey 2016, 40)

  • Inona no fahamarinana nianaranao avy amin’ny teny nambaran’ny Loholona Renlund ka afaka manampy anao amin’ny fitsapana lalovanao?

Hevero ny hizara ity fahamarinana manaraka ity raha tsy nahita zavatra mitovitovy amin’izy io samirery ny mpianatra.

Fahamarinana iray mety ho hitanao ny hoe rehefa akaiky an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka mahatsapa fitiavana sy fankasitrahana Azy na dia mandritra ny fotoan-tsarotra aza.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no mety hahatsapa fitiavana sy fankasitrahana an’i Jesoa Kristy kokoa isika rehefa akaiky Azy kokoa?

Raha afaka mampiasa fanampiana amin’ny famaliana ny fanontaniana teo aloha ny mpianatra, dia hevero ny hametraka fanontaniana fanampiny toy ny hoe “Inona no nataon’ny Tompo ho anao ka mahatonga anao mankasitraka Azy?” na “Oviana ianao no nahatsapa ho tena nankasitraka ny Mpamonjy?”

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hanoratra ny valintenin’izy ireo amin’ny iray na ny maromaro amin’izany ao amin’ny diary fandalinany. Avy eo dia manasà mpianatra manolo-tena hizara ny sasany amin’ny eitreritr’izy ireo.

  • Ahoana no ahafahanao mahafantatra rehefa lasa manalavitra ny Tompo ianao? Inona no azonao atao hampihenana izany fifanalavirana izany?

  • Inona no nanampy anao ho tonga akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy?

Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainany sy hivavahany mangina momba ny fahatsapan’izy ireo ny fanakaikezan’izy ireo ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ary hirakitra an-tsoratra izay rehetra mety ho eritreritra na fahatsapana tsapan’izy ireo nandritra ity lesona ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. fomba iray ahafahanao manao izany ity andiam-pehezan-teny manaraka ity.

Hamoaka printy