Seminera
1 Nefia 19–22: “Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao”


“1 Nefia 19–22: -Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

1 Nefia 19–22: -Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 19–22

“Mety manadino ihany izy, fa Izaho kosa tsy mba manadino anao”

Sary
Ilay mpiandry ondry tsara

Inona no tsapanao rehefa tsaroan’ny olona iray izay manan-danja aminao ianao? Teo am-pampianarana momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely, i Nefia dia nampiasa ireo faminanian’i Isaia mba hanehoana fa tsy hanadino ny mpianakavin’i Isiraely niely ny Tompo. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa ny fitiavan’ny Tompo anao sy ny olon-drehetra ary ny faniriany hanangona anareo ao Aminy.

Manasa ny mpianatra hizara. Mitadiava fotoana ao amin’ny lesona ahafahanao mitarika ny mpianatra hisaintsaina ny fahatsapan’izy ireo momba ny zavatra iray, ary avy eo dia mangataka azy ireo hizara ny zavatra tsapan’izy ireo na hanoratra ny fahatsapan’izy ireo ary avy eo dia hizara. Ny fanomezana fahafahana ny mpianatra mba hamoahany am-bava ny eritreriny sy ny fahatsapany dia afaka manampy azy ireo hahatsapa ho matoky tena kokoa amin’ny fanehoana fijoroana ho vavolombelona.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hangataka ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara teny roa na telo hampiasain’izy ireo hamaritana ny fahatsapan’i Jesoa Kristy momba azy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika

Hevero ny hanomboka ny fotoam-pianarana amin’ny alalan’ny fihirana hira iray mifandray amin’ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika, toy ny “Fantatro fa tia ahy ny Mpamonjy ahy” (music.ChurchofJesusChrist.org). Azo asaina hizara teny na andian-teny manan-danja amin’izy ireo avy ao amin’ilay hira ny mpianatra.

Misy ny fotoana ahafantarantsika sy ahatsapantsika tsirairay ny fitiavan’ Andriamanitra eo amin’ny fiainantsika, fa mety tsy ho fantatsika mihitsy izany amin’ny fotoana sasany. Alaovy sary an-tsaina hoe miresaka amina namana iray izay nilaza taminao ianao fa tsy azony antoka ny fitiavan’ Andriamanitra azy.

  • Inona no mety hozarainao avy ao amin’ny soratra masina ka afaka manampy ny namanao?

  • Inona no zavatra niainanao azonao zaraina amin’ny namanao momba ny fomba nahafantaranao sy nahatsapanao ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Omeo fotoana ao am-pianarana ny mpianatra mba hanaovany izao manaraka izao. Asao hirakitra an-tsoratra ny sasany amin’ny eritreritra na fanontanian’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany ny mpianatra ary hitady valiny mandritra ny lesona.

Saintsaino ny fahatsapanao manokana momba ny fitiavan’ Andriamanitra anao, ao anatin’izany ny fanontaniana na fanahiana mety hanananao. Rehefa mandalina ianao, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hahatakatra sy hahatsapa tsara kokoa ny fitiavan’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy anao.

Nampianatra momba ny fitiavan’ny Mpamonjy antsika i Nefia

Ao amin’ny 1 Nefia 19, i Nefia dia naminany momba ny fiainan’i Jesoa Kristy amin’ny hoavy sy ny iraka hataony. Vakio ny 1 Nefia 19:7–10, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia momba ny fomba handraisana an’i Jesoa Kristy mandritra ny androny etỳ an-tany sy ny antony mahatonga Azy ho vonona hatao toy izany.

  • Inona no teny na andian-teny nanan-danja taminao tao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakarana ny fampianarana ao amin’ireo andininy ireo miantraika amin’ny fahatsapanao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Fintino ity andiam-pehezan-teny manaraka ity na manasà mpianatra iray hizara izany amin’ny iray kilasy.

Rehefa avy nirakitra an-tsoratra ireo faminaniany manokana momba an’i Jesoa Kristy i Nefia, dia nizara faminaniana avy amina mpaminanin’ny Testamenta Taloha, i Isaia, momba ny fampielezana sy ny fanangonana an’i Isiraely. Ireo faminaniana ireo dia nanan-danja tamin’i Nefia sy ny fianakaviany izay niparitaka niala avy tany Jerosalema tanindrazany noho ny faharatsian’ny olona nipetraka tamin’izany faritra izany. Ireo faminanian’i Isaia dia nilaza fa maro amin’ireo Isiraelita no hahatsapa ho hadinon’ny Tompo any am-pielezan’izy ireo.

Vakio ny 1 Nefia 21:14–16 ary tadiavo ny tenin’ny Tompo tamin’ireo izay mety hahatsapa ho hadino.

Raha mila fanampiana amin’ilay andian-teny hoe “ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva” ny mpianatra (1 Nefia 21:16), dia azonao atao ny manazava fa io andian-teny io dia milaza fa mijery mandrakariva avy any ambony ny Tompo ary miaro ny olony.

  • Ahoana no fahitanao ny fitiavan’ny Mpamonjy miseho amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no fahamarinana azonao lazaina momba an’i Jesoa Kristy miainga amin’ny zavatra nianaranao hatreto?

    Fahamarinana iray mety ho hitan’ny mpianatra ny hoe tia antsika ny Tompo ary tsy hanadino antsika mihitsy. Hevero ny hanoratra izany eny amin’ny solaitrabe.

  • 1 Nefia 22:9–12

  • 1 Nefia 22:24–25

  • 3 Nefia 22:7–8

  • Inona avy no toe-javatra mety hahasarotra amin’ny olona sasany ny hino io fahamarinana io?

  • Inona no afaka manampy antsika hahafantatra sy hahatsapa kokoa ny fitiavan’i Jesoa Kristy antsika?

Ny fitiavan’ny Mpamonjy dia miseho amin’ny alalan’ny fahavononany hanangona olona ho ao Aminy

Naely patrana foana ny vahoakan’i Isiraely fahiny isaky ny nijanona tsy nanompo an’i Jehovah ka nanapaka ny fanekempihavanana sy ny didin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 6:10–11; 10:3–6). Ny vahoakan’i Isiraely dia voangona rehefa manatona an’i Kristy, manaiky ny filazantsarany amin’ny alalan’ny batisa ary mitandrina ny didiny izy ireo. Nampanantena an’i Isiraely niely patrana ny Tompo fa tsy hanadino azy ireo ary hanangona azy ireo any Aminy amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 15:13–14; 2 Nefia 6:11; 9:1–2; 10:7–8).

Halalino ny lohatenin’ny toko ao amin’ny 1 Nefia 21 sy 22 mba hahatakarana tsara kokoa ny zavatra aminanian’i Isaia sy ny fampianarana ao amin’ireo toko ireo.

Halalino ireto andalan-tsoratra masina momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany manaraka ireto. Jereo tsara ny teny na andian-teny izay milaza ny fitiavan’ny Tompo ny olony.

Hevero ny fomba hampandraisana anjara ny mpianatra amin’io sahanasa fianarana io. Fomba iray azo atao ny manoratra ny toko sy andininy tsirairay amina karatra kely fandraisana an-tsoratra misaraka na tapaka taratasy mba ho ampy ho an’ny mpianatra tsirairay ao amin’ny kilasy. Asao handalina ny andininy eo amin’ny taratasiny ny mpianatra, hamantatra ny zavatra hataon’ny Tompo hanangonana an’i Isiraely, ary avy eo dia hanakalo ny taratasiny amin’ny mpiara-mianatra aminy. Afaka manakalo taratasy imbetsaka ny mpianatra.

  • Inona no fampanantenana nataon’ny Tompo ao amin’ireo andininy ireo? Ahoana no anehoan’ireo fampanantenana ireo ny fitiavany ny olona rehetra?

  • Inona avy no ohatra azonao eritreretina eo amin’ny fiainanao na ny fiainan’ny hafa izay nanangonan’ny Tompo olona ho ao Aminy?

Asao hizara ny fahatsapany, ny zavatra efa niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ny mpianatra. Ijoroy ho vavolombelona amin’ny mpianatra ny fitiavan’i Jesoa Kristy azy ireo tsirairay avy sy ny olona rehetra eo amin’izao tontolo izao.

Hamoaka printy