Seminera
1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana


“1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 16–18: Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 16–18

Ny Liahôna: Mpanoro lalana ao an-tany foana

Sary
I Lehia sy ny Liahôna

Mahatsapa ho very na sahiran-tsaina momba ny zavatra tokony hataonao na ifantohanao amin’ny fiainana ve ianao? Mety hanao ahoana ny fahasamihafan’ny fiainanao raha afaka namantatra kokoa ny fitarihana noezahin’ny Tompo nomena anao ianao? Tsy ela taorian’ny nialan’ny fianakavian’i Lehia tany Jerosalema, dia nanome azy ireo fitarihana fanampiny ny Tompo tamin’ny alalan’ny Liahôna. Afaka manampy anao hamantatra sy hanaraka ny tari-dàlan’ny Tompo eo amin’ny fiainanao ity lesona ity.

Mitarika ny mpianatra hikatsaka fanambarana ho an’ny tena manokana. Ampio ny mpianatra mba hino fa afaka ny hampianarina sy hampaherezin’ny Fanahy Masina izy ireo. Amporisiho izy ireo hanatona ny Ray any An-danitra amin’ny vavaka mba hanasana ny Fanahy hampianatra azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ireo mpianatra hanamarika fomba anomezan’ Andriamanitra azy ireo tari-dàlana sy fitarihana mandritra ny andro.

Sahanasa fianarana azo atao

Mpanoro lalana ao an-tany foana

Ity sahanasa manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny zavatra niainan’i Lehia tamin’ny fanomezana azy ny Liahôna. Mety ho safidy hafa azon’ny mpianatra atao ny fanaovan’izy ireo sary manokana miainga amin’ny zavatra efa fantatr’izy ireo momba ny Liahôna ary avy eo dia hampiasa ny fampahalalana araka izay ilaina mba hampitomboana ny fahatakarana.

Diniho ny sasany amin’ireo sary fanehoana ilay fitaovana mahagaga nomena an’i Lehia tsy ela taorian’ny nitarihany ny fianakaviany avy tany Jerosalema.

Sary
Liahôna
Sary
Liahôna
Sary
Liahôna
  • Inona no fantatrao momba ny zavatra aseho ao amin’ireo sary ireo? (jereo ny 1 Nefia 16:10).

  • Inona no tanjony?

Ampiasao araka izay ilaina ity manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra hoe inona no atao hoe Liahôna.

Rehefa avy notarihin’ny Tompo handeha lavitra kokoa tany an-tany foana i Lehia, dia nahita fitaovana mahagaga izay nomen’ny Tompo izy teo am-pifohazana. Ny Liahôna dia “bola varahina misy sahaza roa izay manondro lalana, toy ny kômpà—ary koa nanome toromarika an’i Lehia sy ireo mpanaraka azy rehefa nanao ny marina izy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra masina, “Liahôna,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Alaivo sary an-tsaina hoe mety hanao ahoana izany hoe mifoha ianao indray maraina ary mahita fitaovana toy ny Liahôna eo akaikin’ny varavaranao, izay azonao ampiasaina hitari-dalana anao mandritra ny andro.

Hevero ny hametraka ireto fanontaniana manaraka ireto ka raiso naoty ny valintenin’ny mpianatra mba hiverenanao mijery izany rehefa avy mandalina ny fitovian’ny Liahôna amin’ny Fanahy Masina ny mpianatra.

  • Inona no mety ho niova teo amin’ny fiainanao raha nanana zavatra toy ny Liahôna hitarika anao ianao?

  • Inona avy no toe-java-misy atrehinao amin’izao fotoana izao ka ilanao fitarihana sy tari-dalana hafa?

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia namaritra antony iray tokony hikatsahantsika ny hahatakatra tsara kokoa ny fiasan’ny Liahôna. Mariho fa ny andian-teny hoe “fanehoana an’ohatra sy tandindona” dia manondro zavatra, na tranga, na tantara, na olona izay maneho zavatra hafa.

Sary
Loholona David A. Bednar

Ny famaritana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna momba ny Liahôna, ilay mpanondro làlana na kômpà nampiasain’i Lehia sy ny fianakaviany tany an-tany foana, dia nampidirina manokana tao amin’ny rakitsoratra ho fanehoana an’ohatra sy tandindona ho an’izao androntsika izao ary ho lesona manan-danja momba ny zavatra tokony hataontsika mba hisitrahana ireo fitahian’ny Fanahy Masina. (David A. Bednar, “That We May Always Have His Spirit to Be with Us,” Ensign or Liahona, May 2006, 30)

Fitovitoviana misy eo amin’ny Liahôna sy ny Fanahy Masina

Manaova tabilao tahaka ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao. Hevero ny hanao lisitra ny fitovitoviana sasantsasany misy eo amin’ny Liahôna sy ny Fanahy Masina izay efa fantatrao. Rehefa mandalina ianao, dia hevero izay zavatra ianaranao ka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny Fanahy Masina sy ny fomba ahafahanao mampiasa tsara kokoa io fanomezam-pahasoavana io eo amin’ny fiainanao.

Toetoetry ny Liahôna

Fitovitoviana amin’ny Fanahy Masina

Toetoetry ny Liahôna

Fitovitoviana amin’ny Fanahy Masina

Hevero ny hampiseho tabilao mitovitovy amin’izany sy hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny zavatra ianaran’izy ireo mba hanomanana azy ireo hifanakalo hevitra momba ny zavatra hitan’izy ireo.

Vakio ireto toko sy andininy ao amin’ny soratra masina ireto, ary raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana ankavian’ny tabilaonao ireo antsipiriany momba ny Liahôna. Izany dia mety hahitana ny fomba niasan’ny Liahôna, ny antony nanomezana azy ary ny zavatra nitranga nahatonga azy nitsahatra tsy niasa intsony. Avy eo dia hevero am-bavaka ny fomba ifandraisan’ireo antsipiriany momba ny Liahôna ireo na anehoan’izy ireo an’ohatra ny asan’ny Fanahy Masina. Raketo an-tsoratra ao amin’ny tsanganana havanan’ny tabilaonao ireo fitovitoviana. Ohatra, ao amin’ny 1 Nefia 16:10, dia nianatra isika fa ny Liahôna dia nanondro ny làlana tokony halehan’i Lehia sy ny fianakaviany tany an-tany foana. Mitovitovy amin’izany, ny Fanahy Masina dia afaka manondro ny zotra tokony halehantsika eo amin’ny fiainana.

Fantaro raha hahazoana tombony kokoa ny mampamaky ny mpianatra ireo andalan-tsoratra masina tsirairay na tsiroaroa na anatina vondrona kely. Mba hananana endrika maro, dia azonao atao ny mametaka sarina Liahôna miisa fito manerana ny efitrano miaraka amin’ny iray amin’ireto toko sy andininy ao amin’ny soratra masina manaraka ireto mipetaka amin’ny tsirairay amin’izy ireo. Azon’ny mpianatra atao ny mandehandeha eran’ny efitrano ka mandinika ireo sary samihafa sy mirakitra an-tsoratra ireo fampianarana momba ny Liahôna ao amin’ny tabilaon’izy ireo. Avy eo dia afaka miverina eny amin’ny toerany ireo mpianatra hisaintsaina samirery ireo fitovitoviana misy eo amin’ny Liahôna sy ny Fanahy Masina.

Asao hizara ireo fahamarinana nianaran’izy ireo momba ny Fanahy Masina tamin’ny fandalinan’izy ireo ny mpianatra. Ny ohatra amin’ireo fahamarinana mety ho hitan’izy ireo dia ahitana izao manaraka izao: rehefa mihaino ny bitsiky ny Fanahy Masina isika, dia afaka mitari-dàlana antsika amin’ny diantsika eo amin’ny fiainana ny Tompo; miasa eo amin’ny fiainantsika arakaraka ny finoana sy fahazotoana ary fihainoana atolotsika azy ny Fanahy Masina; ary ny Fanahy Masina dia manome antsika fahatakarana momba ireo làlan’ny Tompo.

Raha naseho ny iray kilasy ilay tabilao, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hameno izay zavatra nianaran’izy ireo momba ny Liahôna. Avy eo dia azonareo atao ny mifanakalo hevitra momba ny fomba ifandraisan’ireo fahamarinana ireo amin’ny fahatakarana sy fampiasana ny fanomezam-pahasoavan’ny Fanahy Masina.

  • Oviana ianao na ny hafa no niaina iray na maromaro amin’ireo fahamarinana momba ny Fanahy Masina ireo?

  • Ahoana no ahafahan’ny fikatsahana hahafantatra sy hanaraka fitarihana avy amin’ny Fanahy Masina miantraika amin’ny fifandraisanao amin’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Makà fotoana hisaintsainana ny fahaizanao mandray tari-dàlana avy amin’ny Fanahy Masina sy ny hery mitarika ananan’izany eo amin’ireo safidy ataonao. Hevero ny hirakitra an-tsoratra izay eritreritra na fahatsapana rehetra mety hanananao.

Raha mila fanampiana fanampiny amin’ny famantarana sy fanarahana ny fitarihan’ny Fanahy Masina ny mpianatra, dia mizarà fanambarana avy ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” any amin’ny fiafaran’ity lesona ity. Ankoatra izay, raha mbola misy ny fotoana ka mety hahazoan’ny mpianatra tombony izany, dia hevero ny hampiasa ny fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny.”

Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny famelantsika ny Fanahy Masina hitarika ny fiainantsika. Afaka mizara ihany koa ny fijoroana ho vavolombelona sy ny traikefa ananan’izy ireo ny mpianatra.

Hamoaka printy