Seminera
1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra


“1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 16–17: Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 16–17

Manao asa ami-pinoana amina toe-javatra sarotra

Sary
Manamboatra ny sambo

Eritrereto ireo fanamby natrehin’i Lehia sy ny fianakaviany taorian’ny nialan’izy ireo tany Jerosalema sy tamin’ny nitoerany tany an-tany foana. Ny fihetsika nasetrin’i Nefia ireo fanamby natrehiny dia manome antsika ohatra momba ny fomba hamaliana ireo fitsapana eo amin’ny fiainana. Afaka manampy anao hianatra ny fomba ampiharana ny soratra masina amin’ny tenanao sy iatrehana ireo fanamby am-pinoana ity lesona ity.

Manampy ny mpianatra hampivelatra fahaizana mandalina. Mba hanampiana ny mpianatra hahomby amin’ny fandalinan’izy ireo ny soratra masina, dia tariho hanaraka karazana fahaiza-mandalina sy fomba fandalinana ny soratra masina. Misafidiana fahaiza-manao sy fomba fiasa mifantoka amin’ny fanampiana ny mpianatra hanasa ny Fanahy ho ao amin’ny fandalinan’izy ireo sy hahatakatra tsara kokoa ny soratra masina ary hampihatra fitsipiky ny filazantsara eo amin’ny fiainan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamaky ny 1 Nefia 19:23 ny mpianatra ary hieritreritra ny dikan’izany hoe mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika izany.

Sahanasa fianarana azo atao

Mitady heviny ao amin’ny soratra masina

Ity manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hieritreritra momba ny lanjan’ny fampiharana ny soratra masina eo amin’ny fiainan’izy ireo. Mety ho fotoana tsara hanaraha-maso ny fandehan’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina izany. Ho solon’ilay rafi-tantara dia azonao atao ny manomboka amin’ny alalan’ny fanontaniana hoe “Inona avy ireo olana sasany matetika ananan’ny zatovo amin’ny famakiana ny soratra masina?”

Alaivo sary an-tsaina hoe misy olona iray mizara aminao fa tsy mieritreritra izy hoe mendrika ny fotoany ny famakiana soratra masina. Mahatsapa izy ireo fa tsy tena ilaina amin’ireo fanamby sy olana amin’izao androntsika izao ny soratra masina.

  • Ahoana no mety hamalianao ny olan’izy ireo?

Saintsaino ny fandalinanao manokana ny soratra masina ary ny lanjany sy ny fampiasanao ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Mieritrereta zavatra izay nahatonga ny fanomezan-danja ny soratra masina ho sarotra sy ny zavatra izay nanampy anao handresy ireny sakana ireny.

Mba hanampiana ireo rahalahiny hianatra zavatra avy amin’ny soratra masina sy hampiasa izany tamin’ny andron’izy ireo, dia nampianatra lesona manan-danja izay afaka manampy antsika amin’ny fandalinantsika ny soratra masina ihany koa ny mpaminany Nefia.

Vakio ny 1 Nefia 19:23 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Nefia.

  • Ahoana no hamaritanao amin’ny teninao manokana ny fahamarinana ampianarin’i Nefia?

Mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika

Fahamarinana iray mety hitanao tao amin’io andininy io ny hoe rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika, dia mianatra sy mahazo tombony avy amin’izany.

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny fampiharana ny soratra masina?

  • Inona avy ireo zavatra efa niainanao mahakasika ny fampiharana ny soratra masina?

  • Araka ny andininy 23, inona no tanjon’i Nefia tamin’ny famakiana sy fampiharana ny tenin’i Isaia?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fampiharana ny soratra masina manampy anao hahalala sy hino an’i Jesoa Kristy feno kokoa?

Ny hoe mampihatra ny soratra masina dia midika hoe mampifandray ny zavatra voarakitra ao aminy amin’ny fiainantsika manokana.

Ity dingana manaraka ity dia afaka manampy anao amin’ireo ezaka ataonao hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao. Raketo ao anaty diary fandalinanao ireto dingana ireto.

Asehoy ireto dingana manaraka ireto mba hahafahan’ny mpianatra mijery azy ireo mandritra ny lesona.

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Fariparito ny fomba fampiharana azonao atao manokana.

Ao amin’ity lesona ity ianao dia hanana fahafahana hizatra mampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainanao rehefa mandalina tranga maromaro niseho tamin’ny fianakavian’i Lehia tany an-tany foana.

Nahatapaka ny tsipìkany i Nefia

Ity manaraka ity dia natao hitarihan-dalana ny mpianatra hampihatra ny soratra masina eo amin’ny fiainan’izy ireo ary hanomanana azy ireo hanao izany manokana rehefa lasalasa ny lesona.

Dingana 1: Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja

Ampiharo io dingana io amin’ny alalan’ny fandalinana ny 1 Nefia 16:17–25, 30–32 sy ny fitadiavana ireo antsipiriany manan-danja. Mety ho isan’ireny antsipiriany ireny ny olona, na toerana, na zavatra, na fihetsika, na trangan-javatra.

  • Inona avy ireo antsipiriany manan-danja hitanao?

Ny antsipiriany mety ho voamarikao dia ahitana an’i Nefia nahatapaka ny tsipìkany; ny fimonomononan’i Lehia, i Lamàna, i Lemoela ary ireo zanak’i Isimaela; i Nefia nanamboatra tsipìka vaovao; ary i Nefia niverina tany amin’ny rainy mba hahazoany fitarihana momba ny fahazoana sakafo.

Sary
Nahatapaka ny tsipìkany i Nefia
Dingana 2: Manaova fampitahana amin’ny fiainanao

Mieritrereta lafiny eo amin’ny fiainanao izay mifandray amin’ireo antsipiriany hitanao tao amin’ny dingana teo aloha. Afaka manampy anao hanao izany ity fanontaniana manaraka ity:

  • Inona avy ireo zava-misy eo amin’ny fiainako mitovy amin’ireo zava-misy ao amin’ireo andininy ireo?

Mety ho nampitaha ny nahatapahan’i Nefia ny tsipìkany amina zava-tsarotra tsy ampoizina eo amin’ny fiainanao ianao. Mety ho nampitaha ny teny sy fihetsik’i Nefia sy ny olona ao amin’ny fianakaviany amin’ny fihetsiky ny olona rehefa miatrika toe-java-tsarotra ihany koa ianao.

Dingana 3: Fantaro ireo lesona sarobidy

Eritrereto ny zavatra nianaranao tao amin’ny soratra masina izay afaka mihatra aminao. Azonao atao ihany koa ny mieritreritra ny zavatra nianaranao momba ny Mpamonjy.

  • Inona no lesona nianaranao avy tamin’ny tantaran’ny nahatapahan’i Nefia ny tsipìkany sy ny nanamboarany izany ka afaka mihatra amin’ny fiainanao?

  • Inona no ampianarin’io tantara io anao momba an’i Jesoa Kristy?

Ohatra iray mety ho hitanao tao amin’io tantara io ny hoe Raha manao ezaka manokana isika ka mikatsaka ny fitarihan’ny Tompo, dia hanampy antsika amin’ny zava-tsarotra lalovantsika Izy.

Dingana 4: Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana
  • Farito amin’ny alalan’ny fisaintsainana ny fiainanao ny fampiharana ataonao manokana.

  • Inona avy no fomba sasantsasany ahafahanao mampihatra io fahamarinana io amin’ny fiainanao?

Amin’ireo fomba maro ahafahana mampihatra io fahamarinana io dia azonao atao ny mihevitra ny fomba ahafahanao manaraka ny ohatra nasehon’i Nefia rehefa miatrika fanamby tsy nampoizina ianao na mahatsapa ho mihitsoka amin’ny fiainana. Aleo mandray andraikitra sy miroso amim-pinoana sy amim-patokiana hoe hanampy anao i Jesoa Kristy, toy izay mimonomonona na tsy manao na inona na inona.

  • Tamin’ny fomba ahoana no nanampian’ny fanarahana ity lamina fandalinana ity anao hahita ny dikany tao anatin’ity tantara ao amin’ny soratra masina ity?

Nodidina hanamboatra sambo i Nefia

Ity manaraka ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampiasa ilay fahaiza-manao amin’ny fampiharan’izy ireo samirery ny soratra masina. Amporisiho hanao fampiharana tsirairay aloha ny mpianatra. Avy eo dia afaka mitambatra tsiroaroa na anaty vondrona kely hizara ny zavatra hitany ny mpianatra.

Asaivo mijery ireo dingana efatra naseho teo aloha tao amin’ny lesona ny mpianatra mba hahafahan’izy ireo mampiasa izany rehefa miasa samirery.

Rehefa avy nandeha tany an-tany foana nandritra ny valo taona i Lehia sy ny fianakaviany, dia tonga tao amin’ny tany iray amoron-dranomasina izay nantsoin’izy ireo hoe Soafeno noho ny habetsahan’ny voankazo sy tantely tany (jereo ny 1 Nefia 17:4–6).

Vakio ny 1 Nefia 17:5–20, 48–55; 1 Nefia 18:1–4, ary ampiasao ireo dingana efatra teo aloha hanampy anao hampihatra io tantara io eo amin’ny fiainanao. Avelao hitarika ny eritreritrao sy ny fandalinanao ny Fanahy. Miatoa matetika mba hieritreretana ny fomba azo ampiharana ny zavatra ianaranao amina toe-javatra manokana eo amin’ny fiainanao. Raketo an-tsoratra ireo fahatsapana voarainao.

Asao hizara ireo zavatra hitan’izy ireo avy amin’ny tsirairay amin’ireo dingana efatra ny mpianatra. Mety ho azonao zaraina ihany koa ny fomba niharan’ny fampiharana ny soratra masina teo amin’ny fiainanao tamin’ny fandalinanao soratra masina.

Hamoaka printy