Seminera
2 Nefia 1–2: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 1–2: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 1–2: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 1–2

Topimaso ankapobeny

Rehefa nanakaiky hifarana ny androm-piainan’i Lehia, dia niteny tamin’ireo zanany izy mba hanentanana azy ireo hitandrina ny didin’ Andriamanitra. Nampianatra izy fa ny fahafahana misafidy dia iray amin’ireo fanomezana lehibe indrindra omen’ Andriamanitra antsika. Nampianatra ireo zanany momba ny vokatry ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva izy ary nampianariny fa rehefa miaraka amin’ny Mpamonjy isika dia afaka mandresy ny fanamby rehetra eto amin’ny fiainana an-tany. Nampianatra ihany koa izy fa noho i Jesoa Kristy, ny olon-drehetra dia “afaka […] hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” na “ny fahababoana sy ny fahafatesana” (2 Nefia 2:27).

Miomana hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina omanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 1

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hianatra hamantatra fitsipika izay afaka mitarika azy ireo handray ny fanampian’ Andriamanitra eo amin’ny fiainan’izy ireo rehefa ampiharina.

  • Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho hanao ny fandalinan’izy ireo soratra masina isan’andro ny mpianatra. Asao hitady fitsipika marina ao amin’ny 2 Nefia 1 izy ireo ary ho tonga hianatra efa vonona hizara ohatra iray.

  • Sary: Ilay sary misy zavatra miafina

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa nahita fitsipika iray ny mpianatra ka nahavita ireo dingana efatra ao amin’ny fiafaran’ny lesona, dia hevero ny hanasa azy ireo hanoratra ao amin’ny fandefasan-kafatra ny fitsipika hitan’izy ireo. Avy eo dia asao ny mpianatra iray hifantina fitsipika iray tiany hofantarina bebe kokoa. Angataho ilay mpianatra nahita izany fitsipika izany mba hizara ny fomba namitany ny dingana efatra. Avy eo dia asao hifantina fitsipika hafa izany mpianatra izany. Angataho hizara ny mpianatra maromaro.

2 Nefia 2:1–16

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny anjara toeran’ny fahafahana misafidy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hamantatra sy hanao lisitra ireo safidy lehibe ataon’izy ireo eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny lesona manaraka ny mpianatra. Angataho izy ireo ho tonga hianatra efa vonona hizara ny antony maha tena ilaina ny safidy amin’ny fiainantsika ety an-tany sy amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izy ireo.

  • Taratasy zaraina: “Ny fahefana hisafidy ananantsika”

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa vitan’ny mpianatra ny rindran-damin’izy ireo manazava ny fahafahana misafidy, dia hevero ny hizara ny mpianatra ho ao amin’ireo salles de discussion dia hilalao ilay toe-javatra. Mety hilaina ny mangataka mpianatra iray isaky ny vondrona mba ho mpitarika sy hanapa-kevitra hoe iza no manazava voalohany. Na, mety hahomby raha asaina ny mpianatra hijery ny hoe iza ao amin’ny vondrona misy azy ireo no zokiny indrindra, na lava indrindra, na nifoha aloha indrindra tamin’io maraina io ka izay olona izay no atao manazava voalohany.

2 Nefia 2:17–26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hankasitraka kokoa ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany rehefa mahatakatra ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva izy ireo.

  • Fiomanan’ ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hamaky ny fanekem-pinoana faharoa ary hieritreritra ny fomba hanazavany izany amin’olon-kafa. Azon’izy ireo atao ihany koa ny mangataka olona iray na roa atokisan’izy ireo mba hizara amin’izy ireo ny fahatakarany ny fanekem-pinoana faharoa.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana tontosana amin’ny alalan’ny fampitana mivantana amin’ny efijery: Alohan’ny fotoam-pianarana, hevero ny handefa any amin’ny mpianatra roa ireo teny roa nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland. Asao ny tsirairay amin’izy ireo mba hamaky ilay fanambarana voarain’izy ireo sy hieritreritra ny dikan’izany amin’izy ireo. Amin’ny fotoana mety mandritra ny lesona dia angataho izy ireo mba hamaky ny fanambarana azony ary hizara ny eritreriny.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny toko sy andinin’ny fifehezana fotopampianarana sy andian-teny fototra ao amin’ny 2 Nefia 2:25, hanazava ny fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hitanisa ny 2 Nefia 2:25 tsy ankijery ny mpianatra ary ho tonga efa vonona hizara fomba iray iainan’izy ireo fifaliana noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa avy namaky ny rafi-tantara momba an’i Gideona ny mpianatra, dia asao izy ireo hizara ny zavatra mety hataon’izy ireo mba hanampiana. Raha mihitsoka ny mpianatra na raha toa ka hanampy amin’ny fifanakalozan-kevitra izao manaraka izao, dia hevero ny hizara ireo andiam-pehezan-teny ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) amina vondro-mpianatra telo. Ampidiro ao amina salles de discussion izy ireo mba hifanakalo hevitra momba ireo andiam-pehezan-teny sy ilay rafi-tantara, ary avy eo dia farano salles de discussion mba hahafahan’izy ireo mizara ny zavatra nianaran’izy ireo ka mety hanampy an’i Gideona.

2 Nefia 2:26–30

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ny fahafahany misafidy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky ny 2 Nefia 2:27 ary hihevitra am-bavaka ny hoe safidy inona eo amin’ny fiainan’izy ireo no manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy handray ireo fitahiana omeny. Asao ihany koa izy ireo hihevitra ny safidy rehetra azon’izy ireo ovana.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Asao hizara ilay kisary nataon’izy ireo momba ny 2 Nefia 2:27 ny mpianatra na ny teny nampiasain’izy ireo namintinana izany. Raha nanao kisary izy ireo dia mangataha vitsivitsy amin’izy ireo mba hizara izany amin’ny alalan’ny fihazonana ny kisary nataony hifanandrify amin’ny fakan-tsariny, ary omeo toromarika izy ireo hisafidy ny speaker view mba hahitany izany mazava tsara. Aorian’izay dia hevero ny hampiseho ilay kisary ao amin’ny lesona sy hampiasa ny kitondronao na ny fiasa fanaovana sary mba hanasongadinana ny ampahany sasany amin’izany rehefa manohy ny lesona ianao.

Hamoaka printy