Seminera
2 Nefia 2:26–30: Afaka misafidy


“2 Nefia 1: Afaka misafidy,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 2,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 2:26–30

Afaka misafidy

Sary
zatovolahy anatina fety

Mandritra ny fiainanao dia hiatrika safidy ianao. Ny sasany amin’ireo safidy ataonao dia hisy vokany maharitra ary indraindray aza mandrakizay. Nampianatra i Lehi noho i Jesoa Kristy, ny olon-drehetra dia “afaka […] hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay” na “ny fahababoana sy ny fahafatesana” (2 Nefia 2:27). Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hampiasa ny fahafahany misafidy hanaraka an’i Jesoa Kristy.

Mahafantatra ny toe-javatra misy eo amin’ny mpianatra tsirairay. Ny mpianatra rehetra dia manana zavatra niainana sy fifandraisana samy hafa izay misy fiantraikany amin’ny fiheverany sy fahatsapany ireo fahamarinana ara-pilazantsara. Katsaho ny hahatakatra ny mpianatra tsirairay sy ny toe-javatra nandalovan’izy ireo. Rehefa manomana sy mampianatra lesona ianao, dia eritrereto ireo karazan-javatra miovaova izay mety hisy fiantraikany amin’ny fomba fihetsiky ny mpianatra.

Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky ny 2 Nefia 2:27 ary hihevitra am-bavaka ny hoe safidy inona eo amin’ny fiainan’izy ireo no manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny Mpamonjy sy handray ireo fitahiana omeny. Asao ihany koa izy ireo hihevitra ny safidy rehetra azon’izy ireo ovana.

Sahanasa fianarana azo atao

Manao safidy

Soraty eny amin’ny solaitrabe ity lisitra manaraka ity: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy.

Hevero ny antony mahatonga ny olona samy hafa mety hanapa-kevitra ny hanao na tsy hanao ireto manaraka ireto:

  • mivavaka tsy tapaka

  • mandeha any am-piangonana

  • mibebaka

  • mankatò ny Tenin’ny Fahendrena

  • mamela heloka

Diniho ireo antony manokana isafidiananao ny hanao na tsy hanao ireo asa ireo. Mieritrereta ihany koa didy hafa tafiditra ao amin’ny filazantsaran’i Jesoa Kristy. Rehefa mandalina ity lesona ity ianao dia katsaho ny fanampian’ny Fanahy Masina hampitomboana ny fahatakaranao ny maha-zava-dehibe ny fampiasana ny fahafahanao misafidy araka ny fomba izay tian’ny Tompo ampiasanao izany sy ny fomba tianao hivoarana.

Afaka misafidy

Talohan’ny nahafatesany ny mpaminany Lehi dia nampianatra ny fianakaviany mikasika ireo ampahany manan-danja ao amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra. Ny fampianarany dia nahitana ny Fahalavoana, ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy ary ny fahafahana misafidy.

Vakio ny 2 Nefia 2:26, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Lehia momba ireo ampahany telo ireo.

  • Inona no nianaranao?

    Rehefa mizara ny mpianatra, dia mety ilaina ny manantitrantitra ilay andianteny hoe “avotana amin’ny fahalavoana izy” sy ny manontany ny zavatra tadidin’izy ireo momba ny Fahalavoana.

  • Ahoana no mahatonga ny Fahalavoana sy ny Sorompanavotan’ny Mpamonjy hahafahantsika manana fahafana misafidy?

Vakio ny 2 Nefia 2:27. Manaova kisary tsotsotra hanehoana ny zavatra ampianarin’ilay andininy, na fintino amin’ny teninao manokana izany.

Asao ireo mpianatra mba hizara ny sary nataony sy ny fomba namintinany an’ilay andininy. Afaka mifampizara tsiroaroa, na ao anatin’ny vondrona kely, na miaraka amin’ny iray kilasy ny mpianatra.

Ny 2 Nefia 2:27 dia andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Hevero ny hanisy marika ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana amin’ny fomba miavaka mba hahafahanao mahita azy ireny mora foana. Ao amin’ny lesona manaraka ianao dia hanana fahafahana hamerimberina fampiharana ny fotopampianarana nampianarina tao amin’io andininy io amina fanontaniana na toe-java-misy iray.

Hevero ny hanao kisary eny amin’ny solaitrabe tahaka ity anankiray aseho eto ambany ity, na mampiasà iray hafa izay noforonin’ny mpianatra. Ampiasao ilay sary rehefa mamaly ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra: Azonao tonga dia indray aseho ilay kisary manontolo, na azonao atao ny mampiseho ny tapany ambony aloha ary avy eo dia ampidiro ilay tapany ambany rehefa mifanakalo hevitra amin’ny fanontaniana fahatelo sy fahefatra.

Fomba iray hanehoana io andininy io ity manaraka ity:

Sary
Kisary maneho ny hoe Afaka misafidy

Fomba iray mety hahafahanao mamintina ny fampianaran’ny Mpamonjy ao amin’ny andininy 27 ny hoe afaka misafidy fahafahana sy fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika na misafidy fahababoana sy fahafatesana.

Mariho fa tena eo ambonin’ilay efajoro mitondra ny lohateny hoe “Afaka Misafidy” no manomboka mifanakaiky ny tsilo. Ny olona sasany dia mety hahatsapa fa ny fampiharana ny fahafahantsika misafidy ny hanaraka an’i Jesoa Kristy dia mametra ireo safidintsika ary manala ny fahafahantsika raha ny marina.

  • Nahoana no mety hahatsapa ny olona sasany fa ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia mametra ny fahafahantsika?

Mariho ny fomba anehoan’ilay kisary fa rehefa manaraka an’i Jesoa Kristy isika dia misokatra malalaka kokoa ireo tsilo. Ny tena marina, ny fanarahana an’i Jesoa Kristy dia manome antsika safidy bebe kokoa sy fahafahana lehibe kokoa.

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fanarahana an’i Jesoa Kristy hitondra antsika mankany amin’ny fahafahana?

Mariho fa amin’ny ilan’ilay kisary, ireo tsilo dia manomboka misaraka lavitra ary avy eo dia mifanakaiky indray.

  • Nahoana no mety hahatsapa ny olona sasany fa ny tsy fankatoavana an’i Jesoa Kristy dia mitarika antsika hanana fahafahana?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny tsy fankatoavana an’i Jesoa Kristy hitondra mankamin’ny fahababoana?

Nampianarin’ny Loholona D. Todd Christofferson, ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ny antony mahatonga ny tsy fankatoavana mitondra mankamin’ny fahababoana:

Sary
Loholona D. Todd Christofferson

I Satana … dia manome vahana ny fitondran-tena sy safidy izay mametra ny fahafahantsika misafidy amin’ny alalan’ny fanoloany ny hery mitariky ny Fanahy Masina amin’ny fifehezany (jereo ny F&F 29:40; 93:38–39). Ny fileferana amin’ireo fakampanahiny dia mampihena hatrany ny karazana safidy azo atao, mandrapahatonga izany ho tsy misy intsony sy amin’ny fiankinan-doha izay mahatonga antsika ho tsy manana hery hanoherana izany intsony. (D. Todd Christofferson, “Moral Agency,” Ensign, June 2009, 49)

.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hizara tantara maneho ny fitsipika izay hitan’izy ireo.

Vakio ny 2 Nefia 2:28–30, ary makà minitra vitsy hisaintsainana ny fomba isafidiananao hampihatra ny fahafahanao misafidy.

Eritrereto ny valinteny izay homenao amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no mahatonga ny safidinao hanaraka an’i Jesoa Kristy hitarika anao any amin’ny fahafahana sy fiainana mandrakizay? Ahoana no hitahian’ny Tompo anao noho reo ezaka ataonao?

  • Amin’ny fomba ahoana no mety hahatonga ireo safidinao sasantsany mitondra anao ho any amin’ny fahababoana? Inona no mety ho dingana voalohany ataonao hiovana? Amin’ny fomba ahoana no mety hanampian’ny Tompo anao?

Omeo toky ny mpianatra fa izay rehetra mety ho safidy tsy dia nety loatra efa nataon’izy ireo dia azo resena amin’ny alalan’ny finoana an’i Jesoa Kristy sy ny fibebahana. Mijoroa ho vavolombelona momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ary ny fahaizany manatanjaka antsika hanao ireo safidy izay hitarika amin’ny fahasambarana sy fiainana mandrakizay. Raha ilaina, dia mety hanampy ny fampahatsiahivana ny mpianatra fa ny evekan’izy ireo na filohan’ny sampana misy azy ireo dia manana fanalahidin’ny fisoronana hanampiana ny olona rehetra hiverina amin’ny làlan’ny fanekempihavanana.

Hamoaka printy