Seminera
2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky ny filazantsara


“2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky ny filazantsara,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 1: Mikaroka fitsipiky nyfilazantsara,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 1

Mikaroka fitsipiky ny filazantsara

Sary
I Lehia sy i Sarià mampianatra ny fianakavian’izy ireo

Alaivo sary an-tsaina ny zavatra mety ho tsapanao raha misy olona iray izay nankamamianao efa akaiky ho faty ary mizara torohevitra farany aminao. Fantatr’i Lehia fa ho faty tsy ho ela izy, koa dia niteny tamin’ireo zanany izy mba hanentanana azy ireo hitandrina ny didin’Andriamanitra. Ny fahamarinana nampianariny dia afaka ny ho loharanon’aingam-panahy sy tari-dalana ho anao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hianatra hamantatra fitsipika izay afaka mitarika anao handray ny fanampian’Andriamanitra eo amin’ny fiainanao rehefa ampiharina.

Manampy ny mpianatra hahita fotopampianarana sy fitsipiky ny filazantsara. Na dia ilaina aza indraindray ny manazava fotopampianarana na fitsipika amin’ny mpianatra, ny zavatra ilain’izy ireo matetika indrindra dia ny hotarihin-dàlana sy hamporisihina hahita irery fotopampianarana sy fitsipika. Ampio amim-pahazotoana ny mpianatra hahazo ny fahaiza-mamantatra irery ny fotopampianarana sy fitsipika.

Fanomanana ny mpianatra: Amporisiho hanao ny fandalinan’izy ireo soratra masina isan’andro ny mpianatra. Asao hitady fitsipika marina ao amin’ny 2 Nefia 1 izy ireo ary ho tonga hianatra efa vonona hizara ohatra iray.

Sahanasa fianarana azo atao

Ny zavatra hotadiavina

Asehoy ity sary manaraka ity ary asao hamita ny sahanasa mifandray amin’izany ny mpianatra. Raha mieritreritra ianao fa ohatra ny mifandraika kokoa amin’ny kilasinao ny sahanasa mampiasa sary miafina hafa, dia tadiavo ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org ny ”sary miafina”.

Raha tsy izany dia, azonao atao ny manafina zavatra samihafa ao amin’ny efitrano, lazao amin’ny mpianatra ny zavatra hokarohina, ary asao hikaroka izany ny iray kilasy.

Diniho ilay sary eo ambany ary jereo hoe firy amin’ireo zavatra miafina no hitanao afaka iray minitra.

Sary
Zavatra mahafinaritra–Tadiavo!
  • Iza tamin’ireo zavatra ireo no mora taminao ny nikaroka azy? Iza no nitaky ezaka bebe kokoa?

  • Mety ho niova toy ny ahoana ny fahaizanao mikaroka zavatra miafina raha tsy fantatrao ny zavatra hotadiavina?

Asao hizara ny valintenin’izy ireo amin’ity fanontaniana manaraka ity tsiroaroa na anatina vondrona kely ny mpianatra, alohan’ny hizarana izany amin’ny iray kilasy.

  • Ahoana no itovitovian’io sahanasa io amin’ny fandalinana soratra masina?

Afaka ny hihatsara ny traikefanao amin’ny soratra masina rehefa mitady fitsipika ianao eo am-pandalinanao.

Ny Loholona David A. Bednar ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nanazava ny atao hoe fitsipika:

Ny fitsipika anankirain’ny filazantsara dia torolalana iray mifototra amin’ny fotopampianarana ho an’ny fampiharana ara-drariny ny safidin’ny saina amam-panahy. Ireo fitsipika dia avy amin’ireo fahamarinan’ny filazantsara mivelatra kokoa ary manolotra fitarihana sy fenitra arahina rehefa mibosesika mandroso eo amin’ny lalan’ny fanekempihavanana isika. (David A. Bednar, “Ireo fitsipiky ny filazantsarako,” Liahona, mey 2021, 123)

Ny ohatra vitsivitsy amin’ireo fitsipika nohalalininao teo aloha tao amin’ny 1 Nefia dia ny hoe raha mitandrina ny fanekempihavanana nataontsika isika, dia hampirongoana antsika ho fiadiantsika ny fahamarinana sy ny herin’ Andriamanitra (jereo ny 1 Nefia 14:14) ary rehefa mampihatra ny soratra masina amin’ny tenantsika isika, dia hianatra sy hahazo tombony amin’izany (1 Nefia 19:23).

  • Ahoana no hamintinanao ny atao hoe fitsipika?

  • Inona avy no antony vitsivitsy mahatonga ny famantarana fitsipika ho afaka manampy eo amin’ny fiainantsika?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra. Alaivo antoka fa azon’izy ireo hoe inona no atao hoe fitsipika ary ahoana no ahafahan’ny fitsipika manome fitarihana eo amin’ny fiainantsika.

Mikaroka fitsipika

Asao hizara ny valintenin’izy ireo amin’ireto fanontaniana manaraka ireto ny mpianatra. Azon’izy ireo atao ny mieritreritra ny fanomanan’izy ireo ny fotoam-pianarana rehefa manazava na manao maodelin’ny fomba hahitana fitsipika amin’ny alalan’ny fampiasana andininy avy ao amin’ny 2 Nefia 1.

  • Inona no nataonao tany amin’ny lasa ka nanampy anao hahita fitsipika tao amin’ny soratra masina?

  • Inona no hitanao fa sarotra rehefa nanandrana nikaroka fitsipika ianao?

Fomba mahomby iray hikarohana fitsipika ao amin’ny soratra masina ny mamaky ary mitady teny, na andian-teny, na hevitra manan-danja. Mety hanampy anao hanao izany ireto fanontaniana manaraka ireto:

Asehoy eny amin’ny solaitrabe ireto fanontaniana sy torolalana manaraka ireto mba hadikan’ny mpianatra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Afaka ny ho fanovozan-kevitra ilaina mandritra ny seminera sy amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina izany.

  • Inona avy no teny na andian-teny niverimberina na toa manan-danja?

  • Inona no fampitandremana na fampanantenana tafiditra tao amin’ireo andininy ireo?

  • Inona no mety ho hevi-dehibe nezahin’ny mpanoratra nampitaina?

  • Inona no nantitranterin’ny Fanahy Masina taminao?

Miainga amin’ireo teny na andian-teny na hevitra ireo, dia manorata fanambarana fahamarinana iray izay afaka manampy anao eo amin’ny fiainanao. Rehefa avy manoratra ianao dia apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Marina ve io fitsipika io amin’ny toe-javatra sy fotoana ary kolontsaina rehetra? Raha tsy izany, inona no fanitsiana atao hahatonga izany ho marina?

  • Hitondra ahy sy ny hafa ho akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve io fitsipika io?

Ny 2 Nefia 1 dia ahitana ny sasany amin’ny torohevitra farany nomen’i Lehia ireo zanany talohan’ny nahafatesany. Nampahatsiahy azy ireo ny fahatsaran’Andriamanitra izy ary nampianatra fitsipika maro izay nantenainy hitarika azy ireo mandritra ny fiainan’izy ireo.

Vakio ny 2 Nefia 1:1–4 hitadiavana fitsipika marina. Hevero ny hampiasa ireo fanontaniana voatanisa amin’ny lisitra eo ambony.

  • Inona no hitanao?

Manasà mpianatra maromaro hizara. Mety hahita karazana fitsipika maro izy ireo. Isaory amin’ny ezaka ataony izy ireo ary ampahafantaro azy ireo fa sarobidy aminao sy ny olona hafa ao amin’ny kilasy ny fizarana ataon’izy ireo.

Ohatra iray amin’ny fitsipika nampianarin’i Lehia ny hoe: afaka ny harovan’ny Tompo amin’ny alalan’ny fanarahana ny fampitandremany isika (jereo ny 2 Nefia 1:3–4).

Rehefa avy mahita fahamarinana iray, dia ilaina ny misaintsaina ny dikany sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao eo amin’ny fiainanao.

Asao hizara ireo fomba ahafahan’izy ireo mahatakatra tsara kokoa na mampihatra ireo fahamarinana vao hitany ny mpianatra. Apetraho araka izay ilaina ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Mety hilaina ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Ahoana no niarovan’ny Tompo anao na ny olona fantatrao rehefa avy nanaraka ny fampitandremany?

  • Inona no ampianarin’ireo fampitandremany anao momba Azy sy ny zavatra tsapany aminao?

Saintsaino hoe amin’ny fomba ahoana no mety hampitandreman’ny Tompo anao amin’izao fotoana izao sy ny fomba mety hamalianao izany.

Ampitomboy ny fahaizanao mikaroka fitsipika

Ampitomboy ny fahaizanao mikaroka fitsipika ao amin’ny soratra masina amin’ny alalan’ny fanarahana ity dingana arahina ao amin’ny sahanasa eo ambany ity.

Mamakia roa farafahakeliny amin’ireto andinin-tsoratra masina manaraka momba ny torohevitra farany nataon’i Lehia tamin’ireo zanakalahiny ireto. Azonao atao ihany koa ny mijery ny “Nampianatra ny fianakaviany i Lehia” manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:39 hatramin’ny 3:35, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, mba hamerenana mijery ireo andalan-tsoratra masina ireo. Ampiasao ilay dingana arahina “Mikaroka fitsipika” mba hahitana fitsipika marina.

Asehoy ireto andinin-tsoratra masina manaraka ireto na soraty eny amin’ny solaitrabe.

Mifantena fahamarinana iray avy ao amin’ny 2 Nefia 1 izay tsapanao fa tena hanampy indrindra anao, ary soraty ao amin’ny diary fandalinanao ity manaraka ity:

  1. Ny fitsipika hitanao sy ny andininy na ireo andininy hitanao tao amin’ny

  2. Fanazavana izay heverinao ho dikan’io fitsipika io

  3. Fomba tsapanao fa mety hitarihan’ilay fahamarinana anao sy hitondrany fitahiana manan-danja eo amin’ny fiainanao?

  4. Ny zavatra ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’io fitsipika io

Asao hizara ny valintenin’izy ireo ny mpianatra. Fomba iray azo anaovana izany ny maniraka mpianatra maromaro hanoratra fitsipika hitan’izy ireo eny amin’ny solaitrabe. Avy eo dia manasà mpianatra iray haka anankiray amin’ireo fitsipika maro nosoratan’ny mpiara-mianatra aminy izay toa mahaliana na manan-danja aminy. Avy eo dia afaka mizara ny valinteniny amin’ireo fanontaniana eo ambony ilay mpianatra nahita izany fitsipika izany. Azo averina imbetsaka ity sahanasa ity. Antitrantero ireo fahamarinana mandrakizay zarain’ny mpianatra sy ny fomba ahafahan’ny fahalalana sy fampiharana ireo fahamarinana ireo manampy antsika eo amin’ny fiainantsika. Dokafy amin’ny fahombiazany izy ireo. Hevero ihany koa ny hizara fitsipika iray izay hitanao.

Eritrereto ny zavatra nataonao hamantarana sy hahatakarana ireo fitsipika ao amin’ny 2 Nefia 1.

  • Ahoana no ahafahan’ny fitadiavana fitsipika tsy tapaka ao amin’ny fandalinanao soratra masina manokana manampy anao?

  • Ahoana no mety hiantraikan’izany amin’ny fifandraisanao amin’i Jesoa Kristy sy ny fanirianao ho tonga tahaka Azy?

Mijoroa ho vavolombelona momba ny maha zava-dehibe ny fikarohana fitsipika ao amin’ny soratra masina, ary asao hampiasa matetika ny fahaiza-manao nianaran’izy ireo androany amin’ny fandalinan’izy ireo soratra masina ny mpianatra.

Hamoaka printy