Seminera
2 Nefia 2:1–16: “Nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny”


“2 Nefia 2:1–16: -Nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 2:1–16: -Nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 2:1–16

“Nomen’ Andriamanitra ny olombelona ny fahafahana hanao araka ny safidiny”

Sary
I Lehia nampianatra an’i Jakoba

Alaivo sary an-tsaina ny fiainanao raha tsy nanan-tsafidy ianao. Ny fahafahana na fahefana hisafidy dia anisan’ny fanomezana lehibe indrindra nomen’ Andriamanitra antsika. I Jakoba zanak’i Lehia dia efa niaina fanamby maro tamin’ny fahatanorany, koa nampianarin’i Lehia fahamarinana sarobidy momba ny Mpamonjy sy ny fahafahana misafidy izy. Afaka manampy anao hahatakatra tsara kokoa ny anjara toeran’ny fahafahana misafidy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra ity lesona ity.

Mametraka fanontaniana izay miteraka fandinihan-tena. Ny fanontaniana izay manasa ny mpianatra hisaintsaina ny soratra masina, na ny zavatra tsapan’izy ireo amin’ny Mpamonjy, na ny fampianarany, na ny fampiharana fitsipika, dia afaka manatsara ny fandinihan-tena, izay azon’ny Fanahy ampiasaina hampianarana. Omeo an’ny mpianatra ny fotoana ilaina hanaovana fisaintsainana sy fanoratana mahomby.

Fanomanana ny mpianatra: Asao hamantatra sy hanao lisitra ireo safidy lehibe ataon’izy ireo eo anelanelan’izao fotoana izao sy ny lesona manaraka ny mpianatra. Angataho izy ireo ho tonga hianatra efa vonona hizara ny antony maha tena ilaina ny safidy amin’ny fiainantsika ety an-tany sy amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra izy ireo.

Sahanasa fianarana azo atao

Safidy manan-danja

Asao hampiasa ny fanomanana ny fotoam-pianarana ny mpianatra mba hanaovana ity sahanasa manaraka ity ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

Mandritra ny roa minitra manaraka, soraty ny sasany amin’ireo safidy manan-danja nataonao tao anatin’ny andro vitsivitsy lasa.

  • Nahoana araka ny eitreritrao no tena ilaina amin’ny fiainantsika etỳ an-tany sy amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny safidy?

Saintsaino ny zavatra nianaranao tamin’ireo safidy mampirehareha anao sy tamin’ireo nanenenanao. Rehefa mandalina ao amin’ity lesona ity ianao, dia mikatsaha tari-dàlan’ny Fanahy Masina mba hianaranao ny zavatra mety hanampy anao hahatakatra tsara kokoa sy hampiasa ny fahaizanao misafidy. Raha manana fanontaniana momba ny fahafahana misafidy ianao, dia mivavaha ihany koa ary mikatsaha valiny rehefa mandalina ianao.

Lafiny tena ilaina amin’ny fahafahana misafidy

I Jakoba zanak’i Lehia dia teraka tany an-tany foana taorian’ny nialan’ny fianakaviany tao Jerosalema. Fotoana fohy talohan’ny nahafatesany i Lehia dia nampianatra an’i Jakoba fahamarinana manan-danja momba ny fahafahana misafidy.

Vakio ny 2 Nefia 2:1–4 hahitana ny fomba nanombohan’i Lehia ny hafatra nomeny an’i Jakoba. Mety hilaina ny mahafantatra fa ny teny hoe “manamasina” dia midika hoe manokana na manao ho masina ( jereo ny “Manokana” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina [scriptures.ChurchofJesusChrist.org]).

  • Nahoana no mety hanan-danja amin’ny olona iray izay niatrika fitsapana maro ny mahatakatra ny maha-zava-dehibe ny herin’ny safidy?

  • Fahamarinana inona avy amin’ireo andininy ireo no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

Sary
sary famantarana, raketo an-tsoratra

Asehoy ity fampahalalana manaraka ity na omeo ny mpianatra amina taratasy zaraina. Azonao omena mpianatra samy hafa na vondrona mpianatra ny iray amin’ireo safidy telo ireo. Raha tsy izany dia azonao atao ny mizara ny mpianatra ho vondrona ary manasa azy ireo handalina araka izay azo atao ao anatina fotoana voafetra.

Ny hery omena antsika mba hisafidy

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—”2 Nefia 2:1–16”

Safidy A: Mampianatra antsika inona momba an’ Andriamanitra ny fahefana hisafidy ananantsika?

Vakio ny 2 Nefia 2:14, 16 hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Lehia momba an’ Andriamanitra sy ny fahafahantsika misafidy.

  • Inona no nianaranao?

  • Nahoana no zava-dehibe ny mahatakatra fa manome antsika fahafahana hanao araka ny safidintsika Andriamanitra?

  • Ahoana no anomezan’izany anao fahatsapana fa matoky anao hanao ny safidinao manokana ny Ray any An-danitra?

Mieritrereta ohatra iray amin’ny fotoana nampiasanao fahafahana misafidy tamin’ny fomba tsapanao fa nahafaly ny Ray any An-danitra.

  • Nahoana no tsapanao fa nahafaly an’ Andriamanitra ny safidinao?

Mety hilaina ihany koa ny handinihana ny safidy rehetra nataonao izay mety ho tsy nahafaly an’ Andriamanitra sy ny zavatra nianaranao tamin’izy ireny.

Safidy B: Inona no nomen’ Andriamanitra antsika mba hanampiana antsika hisafidy am-pahendrena?

Vakio ny 2 Nefia 2:5, 13 sy ny Môrônia 7:16 hitadiavana ireto fahamarinana manaraka ireto. Mariho fa “ny lalàna” dia manondro ireo didin’ Andriamanitra.

  • Tsy maintsy mahay manavaka ny tsara amin’ny ratsy isika mba hampiharana feno ny fahafahantsika misafidy.

  • Tsy maintsy manana ny lalàna isika mba hananana fahafahana misafidy.

  • Inona no ianaranao momba ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy avy amin’ny fahamarinana hoe nomen’Izy Ireo fahalalana ampy momba ny tsara sy ny ratsy ny olon-drehetra mba ho afaka misafidy ny ho marina na ho ratsy fanahy?

  • Inona no mety ho nitranga raha tsy nisy lalàna na didy?

Safidy D: Nahoana isika no mahatsapa fanoherana amin’ny safidy tsara ataontsika?

Vakio ny 2 Nefia 2:11, 16, hitadiavana fahamarinana fanampiny nampianarin’i Lehia momba ny fahafahana misafidy.

  • Inona no hitanao?

  • Ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, nahoana araka ny eritreritrao no lafiny tena ilaina amin’ny fahafahana misafidy ny fanoherana?

  • Amin’ny fomba ahoana no hisarihana antsika hanao safidy tsara na ratsy?

Mba hanampiana anao hahatakatra io fahamarinana io dia vakio ity teny manaraka nambaran’ny Loholona Jeffrey R. Holland ao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo ity:

Tsy afaka ny ho tonga tahaka Azy ny zanak’ Andriamanitra talohan’ny nahaterahany … raha tsy efa nahazo … traikefa tao amina kianja iray nahitana ny tsara sy ny ratsy. …

… Nirintsika ny fahafahana … hiatrika ny tsara sy ny ratsy ary hahery tsara ka hisafidy ny tsara. (Jeffrey R. Holland, Christ and the New Covenant: The Messianic Message of the Book of Mormon [1997], 200, 204)

Mieritrereta fomba ianaranao misafidy ny tsara na dia alaim-panahy amin’ny ratsy aza. Azonao atao ny manoratra ny eritreritrao ao amin’ny diary fandalinanao. Azonao atao ihany koa ny misaintsaina fomba ahafahanao mikatsaka fanampiana amin’ny fanapahan-kevitra rehetra tianao hovana.

Ny ilantsika ny Mpamonjy

Tsy misy afa-tsy ny Mpamonjy no nampihatra tamin’ny fomba tonga lafatra ny fahafahana misafidy teo amin’ny fiainana an-tany. Manota isika rehetra ary raha tsy misy fanampiana dia ho “faty … ary ho zary fadiranovana mandrakizay” isika (2 Nefia 2:5).

Hevero ny hampiasa fampahalalana avy ao amin’ny fizarana hoe “Fanazavana sy fampahalalana avy amin’ny zava-miseho” eto mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ny zavatra ampianarina ao amin’ny 2 Nefia 2:6–8.

Rehefa ao an-tsaina izany zavatra izany, dia vakio ny 2 Nefia 2:6–8 mba hahitana ny zavatra nataon’i Jesoa Kristy ho antsika rehetra.

  • Ahoana no nisafidianan’ny Mpamonjy hanampy anao?

Fitsipika iray nijoroan’i Lehia ho vavolombelona ny hoe amin’ny alalan’ny Sorompanavotana nataony no anavotan’ny Mpamonjy antsika amin’ny fahotantsika.

  • Inona no fiantraikan’ny fahatakarana izany momba an’i Jesoa Kristy eo amin’ny fahatsapanao momba Azy?

  • Inona no ianaranao avy amin’ny ohatra nasehon’ny Mpamonjy momba ny fanaovana safidy?

Asao ny mpianatra hisaintsaina ireto manaraka ireto ka tsy hizara ny valintenin’izy ireo amin’ny feo mafy satria mety ho mahakasika ny tena manokana loatra izany.

Mieritrereta fotoana nibebahanao tamin’ny fahotana niaraka tamin’ny fanampian’i Jesoa Kristy. Inona no fiantraikan’ny fibebahana teo aminao?

Azonao atao ny manome ny mpianatra fahafahana hamintina sy hizara ny zavatra takatr’izy ireo momba ny fahafahana misafidy alohan’ny hamaranana ny lesona. Fomba iray mety hanaovana izany ity sahanasa manaraka ity.

Alaivo sary an-tsaina hoe mampianatra zatovo iray izay vao voalohany no andrenesany momba ny drafitry ny Ray any An-danitra ny misiônera eo amin’ny faritra misy anao. Manasa anao ho tonga amin’ny fotoana hampianarana nifanaovana tamin’io zatovo io ireo misiônera ireo. Mangataka anao hanomana eritreritra avy ao amin’ny 2 Nefia 2 momba ny maha zava-dehibe ny fahafahana misafidy ao amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra izy ireo. Mamoròna drafitra fohy momba ny zavatra hampianarinao ary alefaso izany. Ampidiro ao anatin’izany ireto zavatra manaraka ireto:

  1. Farafahakeliny soratra masina roa avy ao amin’ny 2 Nefia 2:1–16, 26 miaraka amin’ireo fahamarinana mifandray amin’izany, ahitana fanazavana fohy ny antony maha manan-danja na maha zava-dehibe izany

  2. Ny fomba ahafahan’ny fahafoizan-tena nataon’i Jesoa Kristy miantraika amin’ny safidintsika

  3. Ny fomba ahafahan’ireny fahamarinana ireny mitondra fiovana eo amin’ny fiainantsika

    Apetraho tsiroaroa na anatina vondrona kely ny mpianatra ary asao hifampizara ny drafitr’izy ireo. Raha misy fotoana dia hevero ny hilalao an-tsehatra ireo drafitra sy hanasa ny mpianatra hifampianatra.

Rehefa vitanao ny drafitrao dia katsaho ny fitarihan’ny Fanahy Masina rehefa misaintsaina ireo fomba ahafahanao mitadidy ireo fahamarinana ireo sy ny fomba ahafahan’ny fitadidiana azy ireo mitahy ny fiainanao. Ohatra, mety ho azonao atao ny manisy fitsitsiana efijery ao amin’ny findainao, na mametraka naoty eo amin’ny fitaratrao, na manao zavatra hafa izay hamela anao hijery tsy tapaka sy hahatadidy ireo fahamarinana ireo.

Hamoaka printy