Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: “Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: -Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25: -Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:25

“Lavo i Adama mba hisian’ny olona; ary misy ny olona mba hahazo fifaliana”

Sary
Ny fianakavian’i Adama sy i Eva

Tao amin’ny lesona “2 Nefia 2:17–26,” dia nianatra momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ianareo. Ny fahalalana momba ny Fahalavoana dia afaka manampy anao hitoky amin’ny Mpamonjy rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany ianao. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina izay hita ao amin’ny 2 Nefia 2:25, ary hanazava ny fotopampianarana ary hanazatra tena amin’ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manampy ny mpianatra hahalala fa omen-danja ny fandraisan’izy ireo anjara. Matetika no mila fahasahiana ny fizaran’ny mpianatra ny eritreritra na fanahian’izy ireo ao am-pianarana. Ny fisaorana ny mpianatra amin’ny fandraisan’izy ireo anjara dia hampiseho amin’izy ireo fa ankasitrahanao ny fahavononan’izy ireo hizara ireo fahatakarany, fanontaniany ary fijoroana ho vavolombelona ananany. Hamporisika azy ireo hizara amin’ny hoavy ihany koa izany.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ho tonga efa vonona hitanisa ny 2 Nefia 2:25 tsy ankijery ny mpianatra ary hizara fomba iray iainan’izy ireo fifaliana noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “2 Nefia 2:17–26,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 2 Nefia 2:25. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Hazavao sy ianaro tsianjery

Asao hanakimpy ny masony ny ankamaroan’ny mpianatra ary ny mpianatra vitsivitsy dia hihazona ny masony hihiratra. Mihazòna zavatra ataovy ambony, dia asao hamaritra izany tsy mampiasa ny anaran’ilay zavatra ny mpianatra mihiratra. Jereo raha afaka manampy ny mpianatra sisa haminavina hoe inona izany izy ireo. Io sahanasa io dia afaka manampy ny mpianatra hampihatra ny fanazavana hevitra amin’ny hafa amina fomba tsotra.

Mety ho sarotra hazavaina ny ampahany sasany amin’ny drafitry ny Ray any An-danitra, ao anatin’izany ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva. Tao amina lesona teo aloha, dia nianatra momba ny Fahalavoana ianareo. Vakio ny 2 Nefia 2:25, hieritreretana momba ny zavatra nianaranao. Tadidio fa ny Fahalavoana dia ampahany nanan-danja tamin’ny drafitry ny fahasambaran’ny Ray any An-danitra.

Soraty ny fomba hanazavanao ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva amin’ankizy valo taona sy ny antony maha-zava-dehibe ny fahatakarana ny Fahalavoana.

Mba hanampiana ny mpianatra handinika io fotopampianarana io, dia mety hanampy ny fanasana azy ireo hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo amina vondrona kely. Mandehandehana mihaino ny fanazavan’izy ireo eran’ny trano. Raha ilaina, dia avereno jerena ny tahirin-kevitra avy ao amin’ny lesona teo aloha mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra ny Fahalavoana sy ny fahamarinana voalaza eo ambony.

Manaova fanazaran-tena manao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana. Fomba iray anaovana fanazaran-tena manao tsianjery izany ny fizarana ilay toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ho ireto fizarana dimy manaraka ireto:

  • 2 Nefia 2:25

  • “Lavo i Adama

  • mba hisian’ny olona;

  • ary misy ny olona

  • mba hahazo fifaliana.”

Raha azo atao, dia hevero ny hamorona vondrona dimy ary hanendry ny vondrona tsirairay amin’ny iray amin’ireo fizarana. Rehefa manondro ny vondrona iray ianao, dia afaka milaza ny ampahany nasaina nataony izy ireo. Avy eo, miovà amin’ny ampahany nanendrena ireo vondrona, dia avereno.

Soraty amina taratasy ireo fizarana ireo, ary avereno ny fizarana tsirairay rehefa manondro izany ianao. Avy eo dia mamafà na manakòna teny na andian-teny eo am-pamerenana ny soratra masina. Tohizo mandra-pahavoafafa ny zavatra rehetra ka afaka mamerina ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsy ankijery ianao.

Fampiharana hanazaran-tena

Ampio ny mpianatra hamerina hijery ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy. Fomba iray anaovana izany ny fanasana ny mpianatra hiezaka hanoratra ireo fitsipika telo rehetra tsy ankijery.

Raha mila fanampiana ianao amin’ny fitadidiana ireo fitsipika ireo, dia jereo ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022).

Ampiasao amin’ity rafi-tantara manaraka ity ireo fitsipika ireo:

Eeo am-pianarana momba ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva ao amin’ny kilasy Sekoly Alahady misy azy, dia gaga i Gideon maheno ny mpampianatra azy milaza fa ampahany tena manan-danja amin’ny drafitry ny famonjen’ny Ray any An-danitra ny Fahalavoana. Manomboka mieritreritra ireo zavatra ratsy rehetra izay afaka mitranga noho ny Fahalavoana izy—fahotana, fahafatesana, aretina, fahasembanana, aretin-tsaina, fitsapana, sy ireo maro hafa. Tsapany fa ireo zavatra tena itarainany indrindra dia matetika no vokatry ny Fahalavoana. Manontany tena izy hoe ahoana no mety haha-zavatra tian’ny Ray any An-danitra hiseho ny Fahalavoana.

Rehefa mamaly ny mpianatra, dia afaka manampy azy ireo hamorona drafitra hisahanana izany fanahiana izany ianao. Mety ho afaka mametraka fanontaniana toy ity manaraka ity ianao: Inona no ataonao voalohany? Karazana fanamarihana inona no horaketinao an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao? Inona avy ireo fanontaniana hafa mety ho tianao hitadiavana valiny?

Makà fotoana amin’ny fanomananao lesona hiheverana fomba hafa hanampiana ny mpianatra hanao fanazaran-tena mampiasa ireo fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny fotopampianaran’ny Fahalavoana.

Azonao atao ihany koa ny mifanakalo hevitra amin’ny sasany na ny rehetra amin’ireto fanontaniana manaraka ireto miaraka amin’ny mpianatrao.

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 11–12 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

  • Inona no loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra hasainao jeren’i Gideon mba hahazoana fanampiana fanampiny?

Raha sahirana amin’ny fitadiavana loharano ny mpianatra, dia azonao atao ny mampahatsiahy azy ireo ny 2 Nefia 2:24–26 na Mosesy 5:9–10. Azonao atao ihany koa ny mampijery azy ireo ny “Fahalavoan’i Adama sy i Eva” ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina.

  • Inona no antony hisafidiananao ireo loharano ireo?

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Avereno jerena ny andiam-pehezanteny 8–10 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

  • Ahoana no ahafahan’ny fahatakaranao ny Fahalavoana sy ny toerany ao amin’ny drafitry ny famonjena manampy amin’io toe-javatra io?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy sy ny Sorompanavotany ka mety hanampy?

  • Ahoana ihany koa no ahafahantsika mahita io toe-javatra io amina fomba fijery mibanjina ny mandrakizay?

Manao asa amim-pinoana

Avereno jerena ny andiam-pehezan-teny 5–6 ao amin’ny fizarana “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana.

  • Ahoana no mety ahafahanao mampiasa io fitsipika io hisahanana ny fanahian’i Gideon?

Fomba hafa ampiasana io fitsipika io

Eritrereto ny traikefanao manokana amin’ny fiatrehana fanamby mifandray amin’ny Fahalavoana. Saintsaino ny zavatra nataonao mba hanaovana asa amim-pinoana sy hitokiana amin’ny Mpamonjy rehefa niatrika fanamby mifandray amin’ny fiainana an-tany.

  • Ahoana no mety hanampian’ny traikefanao amin’ny toe-javatra misy an’i Gideon?

  • Ahoana ihany koa no ahafahan’i Gideon maneho finoana an’i Jesoa Kristy?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Ao amin’ny lesona manaraka, hevero ny hanoratra ny toko sy andinin-tsoratra masina ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina tsy manaraka filaharana eny amin’ny solaitrabe. (Azonao atao ny mampiasa ireo fizarana tao amin’ny sahanasa fitadidiana ao amin’ity lesona ity.) Asao hanandrana hanoratra azy ireo amina filaharana marina ny mpianatra tsirairay.

Raha misy azo ampiasaina, dia azonao atao ny manoratra ny toko sy andininy ary ny ampahany amin’ireo andian-teny amina taratasy misaraka mba hahafahana mampiseho azy ireo amin’ny iray kilasy. Afaka mitsangana ny mpianatra iray ary, miaraka amin’ny fanampian’ny iray kilasy, dia mandamina ireo andian-teny amin’ny filaharany marina.

Hamoaka printy