Seminera
2 Nefia 3–5: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 3–5: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 3–5: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 3–5

Topimaso ankapobeny

Talohan’ny nahafatesany, i Lehia dia nilaza faminaniana nataon’i Josefa tany Egypta momba an’i Joseph Smith tany ho any amin’ny 1700 taona talohan’ny nahaterahan’i Kristy. Taorian’ny nahafatesan’i Lehia, i Nefia dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapany lalina, nampiseho tamintsika tamin’ny alalana ohatra ny fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Tompo rehefa miatrika ireo fanambin’ny fiainana an-tany isika. Satria nokasain’i Lamana sy i Lemoela hovonoina i Nefia, dia nampitandremana haka “ireo izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra” (2 Nefia 5:6) ary handositra any an-tany foana izy. Izy sy ireo izay nanaraka azy dia nanangana vondrom-piarahamonina vaovao, izay nivelaran’izy ireo sy niainany fiainana niteraka fahasambarana.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 2:27, sy hanazava ny fotopampianarana, ary hampihatra ireo fitsipiky ny mahazo fahalalana ara-panahy eo amin’ny toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny 2 Nefia 2:27. Azon’ireo mpianatra atao ihany koa ny mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hametraka rohy amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ao amin’ny chat rehefa manomboka ny fizarana “Fampiharana hanazaran-tena” ao amin’ny lesona mba hahafahan’ny mpianatra mahita haingana ilay tahirin-kevitra.

2 Nefia 3

Tanjon’ny lesona: Ny tanjon’ity lesona ity dia ny hanampiana ny mpianatra hampahalalina ny fijoroana vavolobelon’izy ireo momba ny antso masina ananan’ny Mpaminany Joseph Smith.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hamaky na hijery ny lahatenin’ny Loholona Neil L. Andersen “Joseph Smith,” avy amin’ny fihaonambe maneran-tany tamin’ny ôktôbra 2014 (Liahona, nôv. 2014, 28–31), ary hitady ny antony maha-zava-dehibe ny fananana fijoroana ho vavolombelona manokana fa nantsoin’ Andriamanitra i Joseph Smith.

  • Votoatiny haseho: Ireo sary maneho ireo Joseph efatra any amin’ny fiandohan’ny lesona

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalana visio-conférence: Hevero ny hizara ny mpianatra ho amina efitrano firesahana ary hifampiresaka mikasika ny eritreritra sy ny ny fahatsapany momba an’i Joseph Smith na hijoro vavolombelonafa izy dia mpaminany.

2 Nefia 4

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hiatrika amim-pahatokiana ny fakampanahy sy ny fahakiviana amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hangataka an’ Andriamanitra hanampy amin’ny fakam-panahy na fanamby izay atrehin’izy ireo.

  • Taratasy zaraina: “Izaho sy ny salamo nataon’i Nefia”

  • .

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mifantena fanambarana iray farafahakeliny avy ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” ary miomana hampiseho izany ho an’ny mpianatra rehefa eo am-pizarana ny eritreritra sy fahatsapan’izy ireo momba ny 2 Nefia 4 izy ireo.

2 Nefia 5:1–9

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hanaraka ireo fampitandramana izay nomen’ny Tompo hiarovana azy ireo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny zavatra niainan’izy ireo rehefa feno fankasitrahana tamin’ny olona iray izay olona iray nampitandrina azy izy ireo.

  • Votoatiny haseho: Famantarana fampitandreamana na sarina famantarana mampitandrina

  • Fampianarana amin’ny alalan’ny fampiasan-javatra: Zavatra maloto na miraikidraikitra eo amin’ny anankiray amin’ny seza sy famantarana fampitandremana manodidina izany seza izany

  • .

  • Tahirin-kevitra ho an’ny mpianatra: Tahadikan’ny Jeunes, soyez-forts! (kiboky, 2011) ho an’ny mpianatra tsirairay na tahadika ho ana vondro-mpianatra kely hifampizaràna.

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Any am-piandohan’ny lesona, mba tsy hanasana ny mpianatra hamaky ny fampitandremana nomen’ny Tompo an’i Nefia, dia aleo mihevitra ny handefa ilay horonan-tsary hoe “Nandositra tany an-tany foana ny Nefita” (5:33) manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00 hatramin’ny 3:21.

2 Nefia 5

Fanamarihana: Ity lesona ity dia mizara ho sahanasa kely anankitelo. Hevero ny hanasa mpianatra telo mialoha mba hanomana ny hampianatra ny ankizy amin’ny fampiasana ireto sahanasa ireto.

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita ny zavatra azon’izy ireo atao hahafahany miaina araka ny fahamarinana.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray itokiany na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny maha samihafa ny fahasambarana sy ny fahafinaretana.

  • Zavatra ampiasaina: Ny taratasy zaraina ho an’ireo sahanasa kely anankitelo omena ny mpianatra mialoha, raha nasaina nanao izany izy ireo

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mba tsy hanendrena mpianatra telo hanao ireo sahanasa telo, dia aleo zaraina ho vondrona ahitana olona telo ny kilasy ary ampanaovy ny iray amin’ireo sahanasa telo ny mpianatra tsirairay ao amin’ny vondrona tsirairay. Avy eo dia mampiasà efitrano fanasarahana mba hamelana ny mpianatra hampianatra ny vondrona misy azy ireo ny zavatra nomaniny. Raha mampiasa io safidy io ianao, dia hevero ny hifindrafindra amina vondrona rehefa mampianatra ireo mpianatra.

Hamoaka printy