Seminera
Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27: Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika


“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27: Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Fifehezana fotopampianarana: 2 Nefia 2:27

Afaka misafidy amin’ny alalan’ilay Mpanalalana lehibe isika

Sary
Ny hery manova fo ananan’ny Bokin’i Môrmôna

Tao amina lesona iray teo aloha, “2 Nefia 2:26–30,” dia nianatra ianareo fa afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hanao tsianjery ny toko sy andininy fifehezana fotopampianarana sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 2:27, sy hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy amina toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

Manitatra fahalalana amin’ny alalan’ny sahanasa famerenana ny fifehezana fotopampianarana. Ny fanaovana ireo sahanasa ireo tsy tapaka dia manampy ny mpianatra hanao tsianjery ireo andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny mamporisika ny mpianatrao hanohy ny fandalinana ireo andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana rehefa ivelan’ny fotoam-pianarana.

Fanomanana ny mpianatra: Azonao atao ny manasa ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny 2 Nefia 2:27. Ampahatsiahivo ny mpianatra fa azon’izy ireo atao ny mampiasa ny application Maîtrise de la doctrine.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity dia natao hampianarina aorian’ny lesona “2 Nefia 2:26–30,” izay lesona mifandray amin’ny sahan-kevitra ho an’ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny 2 Nefia 2:27. Raha ohatra ka ilaina ny mamindra ity lesona momba ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ity amin’ny herinandro hafa dia ataovy azo antoka tsara fa lesona miresaka sahan-kevitra mifandray amin’izany ihany koa no ampianarina amin’io herinandro io.

Ianaro tsianjery sy hazavao

Ampiasao izay rehetra mety ho fomba fiasa mahomby sy mety mba hanampiana ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 2:27 ary hanazava ny fahamarinana hita ao amin’io andininy io.

Raha ampiasaina ity soso-kevitra manaraka ity, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hiaraka hanao sary eny amin’ny solaitrabe na amina taratasy lehibe anankiray. Tandremo tsara mba ho voahazona ho fohy ny sahanasa fanaovana sary mba hisian’ny fotoana ampy hanaovana fampiharana hanazaran-tena. Raha azo atao dia asehoy mandritra ny andro vitsivitsy ilay sary nataon’ny kilasy mba hanampiana ny mpianatra hanao tsianjery ny toko sy andininy ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny 2 Nefia 2:27 ary manaova sary izay manampy anao haka sary an-tsaina ny dikan’ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina: “Afaka izy na hifidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay … na … ny fahababoana sy ny fahafatesana.” Ampidiro ao amin’ny sary nataonao ny teny manan-danja mba hanampiana anao hitadidy izany.

Manaraka izany, soraty eo amin’ny sary nataonao ny dikan’ny hoe afaka misafidy ny fahafahana sy ny fiainana mandrakizay amin’ny alalan’i Jesoa Kristy isika na misafidy ny fahababoana sy ny fahafatesana. Ampidiro amin’izany ny dikan’io andininy io aminao manokana sy ny fomba ahafahan’izany manampy anao hanaraka tsara kokoa an’i Jesoa Kristy.

Raha misy sary nataon’ny kilasy voaforona, dia asao hiaraka hiasa hanoratra fanazavana momba ilay andininy ny mpianatra.

Rava vitan’ny mpianatra ny sary ataon’ny isam-batan’olona, dia asao izy ireo hanoratra ny fanazavan’izy ireo manokana ary avy eo dia handehandeha eran’ny trano sy hizara ny sariny sy ny fanazavany amina mpianatra roa hafa farafahakeliny.

Farany, eo am-pijerena ilay sary, dia avereno ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina, mandra-pahaizanao azy tsy ankijery.

Fampiharana hanazaran-tena

Safidy hafa azo asolo ny soso-kevitra manaraka mba hanampiana ny mpianatra hamerina hijery ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy ny fanasana mpianatra telo handalina tsirairay ny anankiray amin’ireo fitsipika alohan’ny fotoam-pianarana. Amin’io sehatra io ao amin’ny lesona, dia asao izy ireo haka tsirairay iray na roa minitra hanazavana ny fitsipika izay nohalalin’izy ireo amin’ny kilasy.

Mba hamerenana mijery ireo fitsipiky ny fahazona fahalalana ara-panahy, dia jereo raha tadidinao hoe inona avy ny tsirairay amin’ireo fitsipika telo ireo. Avy eo dia jereo raha afaka mampifandray ireto andian-teny manaraka ireto amin’ny fitsipika marina ianao. (Ampiasao ny andiam-pehezan-teny 5–12 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana [2022] mba hijerena ny fahamarinanao.)

  • “Arovy amina fampahalalana diso sy amin’ireo izay mikatsaka ny hanapotika finoana izahay”

  • “Aleo mijery ny hevitra mifototra amin’ny feni-pahamarinan’ny Tompo toy izay hanaiky ny hevitra iaingan’izao tontolo izao sy ny tombatombana ataony”

  • “Mitokisa amin’ny fijoroana ho vavolombelona efa ananantsika”

Aza misalasala manamboatra ny rafi-tantara naroso ao amin’ny fandaharam-pianarana mba hifanarahan’izany tsara kokoa amin’ny toe-javatra misy ny mpianatrao. Ohatra, ao amin’ity rafi-tantara manaraka ity, ny fitondrantena feno ota hafa dia azo soloina toaka.

Azo ampiasaina ihany koa ny rafi-tantara samy hafa mba hanatrarana tanjona mitovy. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny mifantoka amina rafi-tantara hafa momba ana mpikambana iray ao amin’ny Fiangonana izay sosotra satria mamporisika ny fanarahana fenitra manokan’ny Fiangonana ny ray aman-dreniny. Ao anatin’ny fahasosorana dia mety hamaly toy izao izy: “Manana ny fahafahako misafidy aho! Afaka manao izay tiako aho!” Avy eo dia azon’ny mpianatra ampiharina amin’io rafi-tantara io ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy sy ny 2 Nefia 2:27.

Vakio ity rafi-tantara manaraka ity ary eritrereto ny fomba ahafahan’ny fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy hampiharin’i Ivan.

Nikasa ny handany ny sabotsy tolakandro miaraka amin’ny namany i Ivan, saingy nony nipoitra tsy nampoizina niaraka tamina toaka hozaraina ny anankiray tamin’izy ireo, dia tsapany fa fotoana hialana izany. Fantany fa tsy hahataitra ireo namany izany satria taloha dia nody toy izany foana izy tamina toe-javatra mitovitovy amin’izany. Rehefa nandeha izy dia naheno an’i Daniel namany niteny hoe: “Ohatra ny tsy hamela an’i Ivan hanao n’inona n’inona mihitsy ny fiangonany.”

Nanohy nieritreritra ny teny nataon’i Daniel i Ivan rehefa nandeha nody.

Fakafakao amin’ny fomba fijery mibanjina ny mandrakizay ny hevi-dehibe sy fanontaniana.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 8 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022). Ifantohy manokana ny dikan’izany hoe manombantombana fanontaniana izany.

  • Ahoana no hamaritanao izany hoe manombantombana fanehoan-kevitra na fanontaniana izany?

Henoy tsara ny valintenin’ny mpianatra amin’ilay fanontaniana teo aloha mba hanampiana anao hahafantatra ny fahazoan’ny mpianatra io hevi-dehibe io. Raha azony tsara ilay izy, dia hevero ny hanasa mpianatra iray hitarika ny mpianatra hafa amin’ny fanombantombanana ny fanehoan-kevitr’i Daniel.

Raha mbola tsy vonona hanombantombana hevitra ny mpianatra rehefa tsy mahazo fanampiana, dia hevero ny hampiasa ny sasany amin’ireto soso-kevitra manaraka ireto mba hanampiana azy ireo.

  1. Fantaro ny hevitra iaingana sy tombatombana mety hiseho.

    • Inona no zavatra toa inoan’i Daniel momba ny fahafahana sy ny tanjon’ny fahafahana misafidy?

    • Inona no zavatra toa inoany momba ny fenitry ny Fiangonan’ny Mpamonjy?

  2. Hevero ao anatin’ny sahan-kevitry ny drafitry ny famonjena sy ireo fampianaran’ny Mpamonjy.

    • Inona no zavatra nanananao traikefa tamin’ny alalan’ny fiainana ny filazantsaran’i Jesoa Kristy izay nanampy anao hahita zavatra tsy mitovy amin’ny hitan’i Daniel?

    • Lafiny inona amin’ny drafitry ny famonjena araka ny hevitrao no tena hanampy indrindra mba hahatakaran’i Daniel?

    • Karazana fahafahana inona no omen’ny Tompo ireo izay mampiasa ny fahafahan’izy ireo misafidy hitandremana ny didiny? Karazana fahababoana inona no ateraky ny fandavana izany?

Hevero ny hizara tsiroaroa ny mpianatra ka ny mpianatra tsirairay dia handalina ny iray amin’ireto fitsipiky ny fahazoana fahalalana ara-panahy roa manaraka ireto. Avy eo dia asao izy ireo hizara ny valinten’izy ireo amin’ireto fanontaniana manohana ireto amin’ny naman’izy ireo.

Vakio ny andiam-pehezan-teny 5–7, 11 ao amin’ny fizarana hoe “Mahazo fahalalana ara-panahy” ao amin’ny Tahirin-kevitra fototra ho an’ny fifehezana fotopampianarana (2022) ary saintsaino ny fomba iharan’ireto fitsipika roa manaraka ireto amin’ny toe-javatra misy an’i Ivan.

Manao asa amim-pinoana

  • Raha toa ka hanomboka hametraka fanontaniana amin’ny fanapaha-keviny hiala amina zava-misy mampidi-doza ara-panahy i Ivan, inona no mety hozarainao aminy avy ao amin’ny andiam-pehezan-teny 5–7? Nahoana?

Mikatsaha fahatakarana bebe kokoa amin’ny alalan’ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra

  • Inona no loharano voaresaka ao amin’ny andiam-pehezan-teny 11 heverinao fa hanampy indrindra an’i Ivan?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fahamarinana ao amin’ny 2 Nefia 2:27 manampy azy?

Famerenana fifehezana fotopampianarana

Mandritra ny lesona ho avy manaraka, ampio hamerina hijery fohifohy ny toko sy andinin-tsoratra masina ary ny andian-teny manan-danja ao amin’ny 2 Nefia 2:27 ny mpianatra. Fomba iray hanaovana izany ny manasa ny mpianatra hijery ny sary nataon’izy ireo ary mijery raha toa ka mbola tadidin’izy ireo ny toko sy andininy ary andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina. Izany dia azo averina any am-piandohana na fiafaran’ny lesona ho avy isan-karazany.

Hamoaka printy