Seminera
2 Nefia 5:1–9: Ny fampitandreman’ Andriamanitra


“2 Nefia 5:1–9: -Ny fampitandreman’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“2 Nefia 5:1–9: -Ny fampitandreman’ Andriamanitra,-” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 5:1-9

Ny fampitandreman’ Andriamanitra

Sary
Ny fianakavian’i Nefia nandositra tany an-tany foana

Tsy maintsy nandratra ny fon’i Nefia izany. Satria nokasain’i Lamana sy i Lemoela hovonoina i Nefia, dia nampitandremana haka “ireo izay nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra” (2 Nefia 5:6) ary handositra any an-tany foana izy. Misy fotoana, mety hasain’ny Tompo mitandrina amina loza ara-batana sy ara-panahy manodidina antsika ihany koa isika. Afaka manampy anao hanaraka ny fampitandremana omen’ Andriamanitra am-pitiavana mba hiarovana anao ity lesona ity.

Manome vahana ny tontolo iray anjakan’ny fanekena sy fanajana. Amboleo ao amin’ny mpianatra tsirairay, amin’ny alalan’ny fanekena marina fa ilaina ny mpianatra tsirairay, ny fahatsapana ho raisina tsara, ka omeo lanja ny fahasamihafan’ny toerana niaviana sy ny toe-java-misy, ary omeo làlana misokatra hifampisintona tanjaka sy hisintona tanjaka amin’ny Mpamonjy ny mpianatra. Azonao atao ihany koa ny manampy ny mpianatra hahita fa mitana anjara toerana ao amin’ny asan’ Andriamanitra izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra ho tonga ao am-pianarana efa vonona hizara zavatra niainana izay nanomezan’ny olona iray fampitandremana azy ireo ka nankasitrahin’izy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Fampitandremana

Hevero ny hampiseho famantarana mampitandrina maromaro ary hametraka fanontaniana toy ireto manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hifanakalo hevitra amin’ny fomba ahafahan’ny fampitandremana ho fitahiana:

Mety ho azonao heverina ihany koa ny hametaka zavatra maloto na miraikidraikitra eo amin’ny anankiray amin’ny seza ary hametraka famantarana mampitandrina manodidina izany seza izany alohan’ny fotoam-pianarana.

Sary
famantarana mampitandrina
  • Nahoana no manan-danja ny famantarana mampitandrina toy ireo?

  • Inona no antony mety hijeren’ny olona ny famantarana mampitandrina am-pankasitrahana? an-kasosorana?

  • Oviana ianao no nankasitraka ny nampitandremana anao?

Rehefa mandalina ianao anio dia eritrereto ny antony andefasan’ Andriamanitra fampitandremana etỳ amintsika. Ezaho tadidina ihany koa ireo fomba samy hafa mety namalianao ny fampitandremana nalefany.

Ny fampitandreman’ Andriamanitra an’i Nefia

Vakio ny 2 Nefia 5:1–9, hitadiavana fampitandremana iray nomen’ Andriamanitra an’i Nefia taorian’ny nahalasanany ho mpitarika ara-panahin’ny fianakaviana taorian’ny nahafatesan’i Lehia. Na azonao atao ny mijery ny horonan-tsary hoe “Nandositra tany an-tany foana ny Nefita” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 0:00–3:21.

Miezaha mipetraka amin’ny toeran’ny iray amin’ireo zatovo nefita izay nantsoina hanaraka an’i Nefia ny fianakaviany.

  • Inona no antony mety ho nahasarotra ny niala?

  • Inona no ilaina mba handraisanao fanapahan-kevitra hanaraka an’i Nefia any an-tany foana?

  • Araka ny andininy 6, inona no nandrisika an’ireo izay niaraka taminy?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’io fitantarana io ny hoe Afaka mitarika antsika hanalavitra ny loza Andriamanitra raha misafidy ny hino ireo fanambarany isika ary mihaino ireo mpaminaniny.

Ny fifanakalozan-kevitra ataon’ny kilasy dia mety hanampy ny mpianatra hahatsapa ho mankasitraka fa tena tia antsika Andriamanitra ka mampitandrina antsika amin’ny loza.

Mba hanamorana ny fifanakalozan-kevitra iray, dia azonao atao ny mamporisika ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe hanao ahoana ny fahasamihafan’izao tontolo izao (na ny fiainan’izy ireo manokana) raha tsy nisy zavatra nampitandreman’ Andriamanitra antsika mihitsy. Avy eo dia asao hizara ny eritreritr’izy ireo amin’ny iray kilasy ny mpianatra. Rehefa mifanakalo hevitra amin’ny eritreritr’izy ireo ny mpianatra, dia ampio izy ireo hahita fa ny fampitandreman’ Andriamanitra dia famantarana ny fitiavany sy ny fikarakarany antsika. Ity horonan-tsary manaraka ity sy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto dia azo ampiasaina hampivelarana ny fifanakalozan-kevitry ny kilasy:

Azonao atao ny mijery horonan-tsary hoe “Enemy Territory [Ny tanin’ny fahavalo]” (3:38), hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, hitadiavana ny fomba ahafahan’ny fampitandreman’ Andriamanitra mitahy ny fiainantsika.

  • Nahoana araka ny hevitrao no mila ny fampitandreman’ Andriamanitra isika amin’izao androntsika izao?

  • Inona avy ireo fomba samy hafa ampahafantaran’ Andriamanitra ny fampitandremany amin’ny ankabeazan’ny olona ary momba ny toe-javatra manokana misy azy ireo amin’ny isam-batan’olona?

  • Inona avy no antony mahatonga ny olona iray mety tsy hisafidy ny hanaraka ny fampitandreman’ Andriamanitra, ary ahoana no mety hamalianao ny olona iray izay manome anao ny iray amin’ireny antony ireny?

  • Ahoana no niarovan’ny fanarahana ny fampitandremana avy amin’ Andriamanitra anao na ny olona akaiky anao? Mizarà ohatra manokana raha afaka mieritreritra iray ianao.

Mampitandrina antsika amin’ny alalan’ireo mpaminaniny Andriamanitra

Ny iray amin’ireo fomba ampitandreman’ Andriamanitra antsika am-pitiavana mombana loza dia amin’ny alalan’ireo mpaminaniny velona. Ohatra, ao amin’ny 2 Nefia 5:5–6, maro tamin’ny fianakavian’i Nefia no nihaino ny fampitandremana nomen’ny Tompo azy hiainga ho any an-tany foana. (Jereo ihany koa ny Amosa 3:7.) Isika ihany koa dia mahita fampitandremana ara-paminaniana maro avy amin’ Andriamanitra ho antsika ao amin’ny soratra masiny.

Makà fotoana hikarohana ny soratra masina mba hahitana fampitandremana nomen’ Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’ireo mpaminaniny tany amin’ny lasa. (Ny ohatra sasany dia ahitana ny Almà 41:10; Môrônia 10:30, 32; Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 63:57–58; 89:1–4.)

Hevero ny hamela ny mpianatra hitady samirery fampitandremana avy amin’ Andriamanitra ao amin’ny soratra masina. Azonao atao ny manome ireo ohatra eo ambony na ohatra hafa raha mila fanampiana izy ireo.

Asehoy ireto fanontaniana manaraka ireto mandritra ny fandalinan’izy ireo. Avy eo dia asao hizara ny valintenin’izy ireo ao anatina vondrona kely izy ireo:

  • Inona no fampitandremana hitanao ka heverinao fa tena ilain’izao tontolo izao indrindra ankehitriny?

  • Inona no heverinao ho vokany raha mankatò na tsy miraharaha ireo fampitandremana ireo?

  • Ahoana no maha-porofon’ny fitiavan’ Andriamanitra ireo fampitandremana ireo?

  • Ahoana no hanampian’ny fankatoavana ny fampitandremana hitanao anao ho tonga tahaka an’i Jesoa Kristy bebe kokoa?

  • Ahoana no ahafahan’ny tsy firaharahaina ny fampitandremany mampanalavitra antsika Aminy?

Ny fampitandreman’ Andriamanitra anao

Hevero ny hizara zavatra niainana manokana tamin’ny fotoana nitahiana anao tamin’ny fanarahana fampitandremana iray avy amin’ Andriamanitra.

Avy eo dia omeo fotoana mangina ampy ny mpianatra mba hisaintsainany sy hanoratany ny eritreritra sy fahatsapany ao amin’ny diary fandalinany hamaranana ny lesona. Ireto fanambarana sy torolalana manaraka ireto dia mety hanampy amin’ny fanomanana ny mpianatra alohan’ny hanoratana.

Ny Filoha Boyd K. Packer (1924–2015) tao amin’ny Kôlejin’ny Apôstôly Roambinifolo dia nampianatra toy izao:

Marina fa tsy maintsy hanao fahadisoana ianareo eo amin’ ny fiainana, kanefa tsy hahavita hadisoana goavana ianareo raha tsy efa nampitandreman’ilay bitsiky ny Fanahy Masina mialoha. Izany fampanantenana izany dia mihatra amin’ireo mpikamban’ny Fiangonana rehetra. (Boyd K. Packer, “Torohevitra ho an’ireo Tanora,” Liahona, nôv. 2011, 18)

  • Nampitandrina ahy momba ana zavatra manokana teo amin’ny fiainako tamin’ny alalan’ny eritreritra na fahatsapana avy amin’ny Fanahy ve ny Ray any An-danitra?

  • Nisy fampitandremana manokana avy amin’Andriamanitra noraisiko tamin’ny alalana mpitarika ao amin’ny Fiangonana, na ray aman-dreny, na tsodranon’ny fisoronana, na fomba hafa ve? Manahoana aho amin’ny fanarahana izany?

  • Inona no zavatra iray heveriko fa tian’ny Ray any An-danitra hataoko amin’ny zavatra nianarako na tsapako androany?

Hamoaka printy