Seminera
2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia


“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“2 Nefia 4: Salamo nataon’i Nefia,” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

2 Nefia 4

Salamo nataon’i Nefia

Sary
I Nefia mivavaka

Miatrika fakam-panahy ny olona rehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka na kivy. Nahatsapa toy izany ihany koa i Nefia mpaminany. Taorian’ny niatrehany ny fahafatesan’i Lehia rainy sy niatrehany ireo rahalahiny tezitra, dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapany lalina i Nefia. Nilaza ny hafaliany sy ny alahelony izy. Ny ohatra nataony dia nampiseho tamintsika ny fomba ahafahantsika mitodika amin’ny Tompo rehefa miatrika ny fanambin’ny fiainana an-tany isika. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana amin’ny alalan’ny fitodihana amin’ny Tompo.

Manasa ny mpianatra hizara ny fahatsapany, ny zavatra niainany, ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany. Afaka mandray anjara ny olona tsirairay ao amin’ny kilasy misy anao. Rehefa manampy ny mpianatra hizara ny fahatsapany, ny zavatra efa niainany ary ny fijoroana ho vavolombelona ananany ianao, dia afaka mitahy ny fiainan’ireo manodidina azy izy ireo. Afaka hankaherezin’ny Fanahy Masina ny olona rehetra ao amin’ny kilasy.

Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra hangataka an’ Andriamanitra hanampy amina fakam-panahy na fanamby atrehin’izy ireo.

Ireo asa azo atao ao anatin’ny fianarana

Ireo fanambin’ny fiainana an-tany

Fomba iray anombohana ny lesona ny mifanakalo hevitra amina fanamby eo amin’ny fiainana izay iraisan’ny rehetra. Ohatra, miatrika fakam-panahy isika rehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho malahelo na kivy. Hevero ny hanome fotoana ny mpianatra hisaintsainy mangina ireto fanontaniana manaraka ireto. Azon’ny mpianatra atao ny manoratra ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo ny fakam-panahy iray manokana na antony mety hahatsapan’izy ireo ho kivy.

  • Nahoana araka ny hevitrao no alaim-panahy ny olon-drehetra ary misy fotoana mahatsiaro ho ketraka?

  • Amina ambaratonga 1 hatramin’ny 10, ahoana no fahatsapanao fa voatantanao ireny fahasarotana ireny?

  • Ahoana no mety hitahiana ny fiainanao raha mahavita mandresy fakam-panahy sy fahakiviana tsara kokoa ianao?

Salamo nataon’i Nefia

Vakio ny 2 Nefia 4:12–13, 18, hitadiavana ny sasany amin’ireo fanamby natrehin’i Nefia.

  • Araka ny hevitrao dia inona no fahatsapana nananan’i Nefia naterak’ireo fanamby ireo?

Ireo andininy ao amin’ny 2 Nefia 4:16–35 dia matetika no antsoina hoe salamo nataon’i Nefia. Ny salamo dia “hira na tononkalo entanim-panahy” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Salamo,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org). Ao amin’ireo andininy ireo, i Nefia dia nanoratra momba ny sasany tamin’ireo fahatsapana lalina nananany. Nozarainy ny fanamby natrehiny sy ny fomba nanaovany fihetsika namaly ny fakam-panahy sy fahakiviana. Rehefa mandalina ireo andininy ireo ianao, dia mitadiava aingam-panahy amin’ny alalan’ny Fanahy Masina mba hahalalana ny zavatra azonao atao amin’ireo fanamby manokana atrehinao.

Afaka mitadidy dingana efatra ianao mba hanampiana anao hampihatra ny soratra masina amin’ny fiainanao:

  1. Tadiavo ireo antsipiriany manan-danja.

  2. Manaova fampitahana amin’ny fiainanao.

  3. Fantaro ireo lesona sarobidy.

  4. Farito ny fampiharana ataon’ny tena manokana.

Omeo tahadikan’ny taratasy zaraina ny mpianatra mba hofenoin’izy ireo tsirairay avy. Safidy iray hafa azo atao ny mamita miaraka ny andalana roa voalohany ary avy eo mizara ny andalana telo farany amina vondrona ary manasa ny vondrona tsirairay hanao tatitra ny zavatra nianaran’izy ireo.

Azo atao ny mamporisika ny mpianatra hanoratra ny eritreritra sy fahatsapan’izy ireo manokana momba ireo andininy ireo ao amin’ny soratra masin’izy ireo.

© 2023 by Intellectual Reserve, Inc. All rights reserved. 2 Nefia 4:16–35. Hevero ny hanontany ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto.

Ny sasany amin’ny fanambarana ao amin’ny fizarana hoe “Fanamarihana sy fampahalalana voarakitra” dia mety hanatsara ny fifanakalozan-kevitra.

Ny Salamo nataon’i Nefia sy Izaho (2 Nefia 4:16–35)

Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—”2 Nefia 4: Salamon’i Nefia”

Ny zavatra niainan’i Nefia

Ny zavatra niainako

2 Nefia 4:16

Ny zavatra niainan’i Nefia

Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany?

2 Nefia 4:17–19

Ny zavatra niainan’i Nefia

Nanao ahoana ny fahatsapan’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Oviana aho no nanana fahatsapana mitovitovy amin’izany?

2 Nefia 4:20–25

Ny zavatra niainan’i Nefia

Inona no traikefa niaraka tamin’ Andriamanitra nanampy an’i Nefia hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana nahazo azy?

Ny zavatra niainako

Inona avy no traikefa ara-panahy azoko tadidina rehefa alaim-panahy na kivy aho?

2 Nefia 4:26–29

Ny zavatra niainan’i Nefia

Karazana fisainana toy ny ahoana no nanampy an’i Nefia hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy ho kivy?

Ny zavatra niainako

Karazana fisainana toy ny ahoana no afaka manampy ahy hatanjaka rehefa nahatsiaro ho alaim-panahy sy kivy?

2 Nefia 4:30–35

Ny zavatra niainan’i Nefia

Inona no manaitra ahy amin’ny vavak’i Nefia?

Ny zavatra niainako

Ahoana no ahafahako mampihatra ny ohatra nataon’i Nefia amin’ny vavaka ataoko manokana?

  • Andininy na andian-teny inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no manan-danja indrindra aminao? Nahoana?

  • Inona no ianaranao momba ny Mpamonjy avy amin’ny 2 Nefia 4?

  • Ahoana no niantraikàn’ny fampitahana ny soratra masina amin’ny fiainanao tamin’ny fandalinanao ny 2 Nefia 4?

  • Inona avy ireo fitsipika maromaro hitanao?

    Ao anatin’ny fifanakalozan-kevitra dia ampio hahita karazana fitsipika ny mpianatra. Ohatra:

    • Ny fitokiana amin’ny Tompo sy fahatsiarovana traikefa ara-panahy tany aloha dia afaka manampy ahy hamaly am-pahatokiana ny fakam-panahy sy fahakiviana.

    • Raha mivavaka amin’ Andriamanitra amin-kitsimpo aho, dia afaka mandray ny fanampiany rehefa alaim-panahy sy mahatsiaro ho kivy.

  • Ahoana araka ny eritreritrao no ahafahan’ireo fitsipika ireo manampy anao hitodika amin’ny Tompo rehefa alaim-panahy na mahatsiaro ho kivy ianao?

Ny drafitra handreseko fakam-panahy sy fahakiviana

.

Mba hanampiana ny mpianatra hahita ny fomba nitodihan’ny hafa tamin’ny Tompo tao anatina fitsapana, dia hevero ny handefa ny iray amin’ireo horonan-tsary aroso ao amin’ny fizarana hoe “Sahanasa fianarana fanampiny”.

Hevero ny hanasa ny mpianatra hiresaka ny fotoana nitodihan’izy ireo tamin’ny Tompo tao anatina fotoan-tsarotra.

Araho ny ohatra nasehon’i Nefia ary soraty ny salamonao. Mety hanampy ny sasany amin’ireto fanontaniana manaraka ireto:

  • Fitsipika, na fampianarana na andininy inona ao amin’ny 2 Nefia 4 no azonao ampiharina amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no hampiharanao izany eo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana araka ny hevitrao no hanampian’ny fanaovana izany anao hitodika amin’ny Mpamonjy?

  • Rehefa mihasarotra ny fiainana, ahoana no ahafahanao mamaly am-pinoana ao amin’ny Mpamonjy?

Asao ihany koa ny mpianatra vonona mba hizara ny salamo nataony amin’ny iray kilasy. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona manokana anananao momba ny Mpamonjy. Mety hanampy ny hampahatsiahivana ny mpianatra fa hiatrika sakana izy ireo ary mila manao fanandramana miverimberina matetika mba handresena izany. Na izany aza, amin’ny alalan’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy, dia afaka mandray ny tanjaka handresena na hiaretana ny zava-drehetra izy ireo.

Hamoaka printy