Seminera
2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana


“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana,” Bokin’i Môrmôna:Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 5

Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana

Sary
zatovovavy mitsiky

Taorian’ny nisarahany tamin’ireo rahalahiny, i Nefia sy ireo izay nanaraka azy dia nanangana fiarahamonina vaovao. Niroborobo ny olon’i Nefia ary niaina fiainana izay niteraka fahasambarana. Ity lesona ity dia hanampy ireo mpianatra hahita ny zavatra azon’izy ireo atao hahafahany miaina araka ny toetry ny fahamarinana.

Mamporisika fandraisana anjara mavitrika. Mandritra ny fotoana anomanana lesona sy ifaneraserana amin’ny mpianatra, dia mitadiava fomba hanasana ny mpianatra handray anjara mavitrika. Ny fanaovana izany dia hanampy ny mpianatra hirotsaka hianatra ary hanampy azy ireo hitombo kokoa toa ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hifanakalo hevitra amina namana iray itokiany na olona ao amin’ny fianakaviana momba ny maha samihafa ny fahasambarana sy ny fahafinaretana.

Sahanasa fianarana azo atao

Araka ny toetry ny fahasambarana

Hevero ny hanoratra ny fanontaniana hoe “Inona no mahasambatra ny olona iray?” eny amin’ny solaitrabe sy hangataka ny mpianatra hizara ny fomba mety hamalian’ny zatovo amin’ny ankapobeny izany; avy eo dia ifanakalozy hevitra ny fomba mety hamalian’ny Mpamonjy izany.

Asao ireo mpianatra mba hisaintsaina mangina momba ny hoe manao ahoana ny valin-tenin’izy ireo raha oharina amin’izay heverin’izay ireo fa ho avalin’ny Tompo. Asao hikatsaka fanambarana izy ireo rehefa mandalina ity lesona ity mba hahalalana ny zavatra mety hasain’ny Ray any An-danitra fantarina na ataon’izy ireo.

Ny toko 2 Nefia 5 dia milaza ny antsipirian’ny fisarahan’ny fianakavian’i Lehia ho Nefita sy Lamanita. Rehefa nikasa hamono an’i Nefia i Lamana sy i Lemoela, dia nampitandrina an’i Nefia hisaraka amin’ireo rahalahiny ny Tompo (jereo ny 2 Nefia 5:1–5). Nankatò ny Tompo i Nefia ary niainga niaraka tamin’ireo izay “nino ny fampitandremana sy ny fanambaran’ Andriamanitra” (2 Nefia 5:6) ary nanangana fiarahamonina vaovao.

Ny Lamanita dia nijanona tao amin’ilay tany ary nikomy tamin’ Andriamanitra. “Nesorina teo anatrehany izy ireo” izy ireo (2 Nefia 5:20). Ny ozona voaresaka ao amin’io toko io dia ny fisarahana amin’ Andriamanitra (jereo ny 2 Nefia 5:20–24). Ny fiovan’ny volon-koditry ny Lamanita dia marika na famantarana ny ozona. Tsy feno ny fahatakarana momba ny toetra sy endrik’io famantarana io. Tamin’ny voalohany ilay famantarana dia nanavaka ny Lamanita tamin’ny Nefita. Taty aoriana, rehefa samy nandalo vanim-potoana feno haratsiam-panahy sy feno fahamarinana avokoa ny Nefita sy Lamanita, dia lasa tsy azo nampiasaina ho zavatra manambara ny toerana misy ireo Lamanita eo anatrehan’ Andriamanitra intsony ilay famantarana.

Aza manao tombatombana amin’ilay ozona. Raha manana fanontaniana ny mpianatra dia misy fampahalalana betsaka hita ao amin’ny fizarana “Fanazavana sy Fampahalalana avy amin’ny Zava-miseho”.

Vakio ny 2 Nefia 5:27 ary mariho ny fomba amaritan’i Nefia ilay fiarahamonina vaovao natsangany.

  • Inona araka ny hevitrao no dikan’ny hoe miaina araka ny toetry ny fahasambarana?

  • Inona no mety ho fanamby hita ao amin’ny fiainana ny toetry ny fahasambarana?

Jereo ireo andininy voalohandohany ao amin’ilay toko mba hahazoana fahatakarana momba ny zavatra nataon’ny Nefita ka nitarika azy ireo hiaina tao amin’ny toetry ny fahasambarana.

Vakio ny 2 Nefia 5:10–17, 26 ary fenoy amin’ny zavatra hitanao ity fanambarana manaraka ity:

afaka manampy ahy hanara-dia ny Mpamonjy sy hiaina araka ny toetry ny fahasambarana.

Azonao atao ny manoratra ilay teny eny amin’ny solaitrabe ary mangataka ny mpianatra hanatona sy hanoratra ny zavatra hitany rehefa avy namaky izy ireo.

  • Inona ihany koa araka ny hevitrao ny no mety hanampy anao hiaina araka ny toetry ny fahasambarana?

  • Impiry ianao no manolo tena hanao ireto karazana sahanasa ireto?

Ireto sahanasa manaraka ireto dia lesona kely natao hifampianaran’ny mpianatra. Indreto misy hevitra vitsivitsy ampiasana azy ireo:

  1. Zarao ho vondrona telo ny iray kilasy ary asao ny tsirairay ao amin’ny vondrona mba hiomana hampianatra ny vondrona misy azy ireo lesona iray ao anatin’ny telo.

  2. Ampanaovy mialoha ny mpianatra telo mahavita sy afaka manomana ary tonga efa vonona hampianatra ny kilasy ireo lesona.

  3. Ifanakalozy hevitra miaraka amin’ny iray kilasy ny lesona iray na maromaro.

Fomba telo azo atao hamaranana io fehezanteny io ny hoe ny “Fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra,” “Asa,” ary “Ny tempoly.” Ireto sahanasa manaraka ireto dia mijery lalina kokoa ny tsirairay amin’ireo.

Sahanasa 1. Fankatoavana ireo didin’ Andriamanitra

Bokin’i Môrmôna:Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana

Asao ireo mpianatra hifanakalo hevitra mikasika ity fanontaniana manaraka ity amin’ny namana iray:

  • Inona avy no lalàna sasantsasany ao amin’ny fiarahamonina misy anao?

  • Inona no mety ho vokatry ny fanarahana tsy tapaka na ny tsy fanarahana ireo lalàna ireo?

  • Ahoana no itovitovian’io fampitahana io na ny tsy itoviany amin’ny lalàn’ Andriamanitra?

Nankatò ny didin’ny Tompo i Nefia sy ny mpanaraka azy (jereo ny 2 Nefia 5:10). Vakio ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana Môzià 2:41 ary tadiavo ny zavatra tian’i Benjamina Mpanjaka ho takatry ny vahoakany momba ny fitandremana ny didin’ Andriamanitra. Afaka mihevitra ny hanisy soratra masina mifandray io andininy io amin’ny 2 Nefia 5:10 ianao.

  • Ahoana araka ny hevitrao no anampian’ny fankatoavana ny lalàn’ Andriamanitra antsika ho sambatra?

  • Tamin’ny fomba ahoana no nisehoan’i Jesoa Kristy ho ohatra tamin’io fitsipika io?

    Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe na amina taratasy ny lisitr’ireo didin’ Andriamanitra izay manampy antsika ho sambatra kokoa. Anontanio an’ireo mpianatra ny antony nisafidianan’izy ireo ny didy nataony.

  • Inona no sasantsasany amin’ny didin’ Andriamanitra izay nitondra fahasambarana lehibe kokoa ho anao?

Hevero ny hizara ny zavatra niainanao manokana na hizara ny fijoroanao ho vavolombelona momba ny fifandraisana misy eo amin’ny fahasambarana sy fankatoavana ny didin’ Andriamanitra.

Sahanasa 2. Asa sy fizakan-tena

Bokin’i Môrmôna:Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana

Amina taratasy na ao amin’ny diary fandalinanao, makà fotoana hanaovana ny lisitr’ireo tombontsoa izay ataonao hoe avy amin’ny asa mafy.

Azonao atao avy eo ny manasa mpianatra vitsivitsy hizara ny zavatra nosoratan’izy ireo.

Vakio ny 2 Nefia 5:11, 15, 17 ary fantaro ny fomba samy hafa niasan’ny Nefita sy ny vokatry ny asa mafy nataon’izy ireo.

  • Inona no hitanao?

Asao ireo mpianatra hanao ity manaraka ity miaraka amin’ny namana iray.

Vakio ny “Asa sy fizakan-tena” ao amin’ny kiboky Jeunes, soyez-forts (2011) ary jereo izay zavatra ianaranao momba ny fitsipiky ny asa.

  • Inona avy ireo tombontsoa fanampiny avy amin’ny asa hitanao? (Hevero ny hampiditra izany ao amin’ny lisitrao.)

  • Iza amin’ireo tombontsoa ireo no efa niainanao?

  • Ahoana no fomba hanampian’ny asa ny olona iray mba ho lasa tahaka an’i Jesoa Kristy kokoa?

Sahanasa 3. Ny Tempoly

Bokin’i Môrmôna:Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)—“2 Nefia 5: Miaina ao amin’ny toetry ny fahasambarana

Sary
fiainam-pianakaviana

Vakio ny 2 Nefia 5:16 ary jereo izay zavatra ianaranao momba ny tempolin’ny Nefita.

  • Inona araka ny hevitrao no nahatonga an’i Nefia sy ny vahoakany nanao ezaka goavana mba hananganana tempoly?

  • Nahoana araka ny hevitrao ny Tompo no nangataka sy manohy mangataka amin’ny vahoakany hanao fahafoizan-tena hanangana tempoly?

Nilaza izao manaraka izao ny Filoha Russell M. Nelson momba ny tanjona sy ireo fitahian’ny tempoly. Azonao atao ny mijery ilay horonan-tsary hoe “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao” manomboka eo amin’ny kaodim-potoana 4:27 hatramin’ny 5:55 na mamaky ny fanambarana eo ambany:

Ny tempoly no ivon’ny fanamafisana orina ny finoana sy ny tanjaka ara-panahy satria ny Mpamonjy sy ny fotopampianarany no ampahany manan-danja indrindra amin’ny tempoly. Ny zavatra rehetra ianarana any amin’ny tempoly, amin’ny alalan’ny zavatra rehetra ampianarina any sy amin’ny alalan’ny Fanahy, dia mampitombo ny fahatakarantsika momba an’i Jesoa Kristy. Ireo ôrdônansy ilaina omeny dia mampifamatotra antsika Aminy amin’ny alalan’ny fanekempihavanan’ny fisoronana. Avy eo, rehefa mitandrina ireo fanekempihavanantsika isika dia hotafiany amin’ny heriny manasitrana sy mampatanjaka. Ary endrey fa ho ilaintsika ny heriny amin’ireo andro ho avy.

Nampanantenaina isika fa “raha efa miomana [isika] dia tsy hatahotra.” Misy dikany lalina io fanomezan-toky io amin’izao fotoana izao. Nanambara ny Tompo fa na dia eo aza ireo fanamby tsy manam-paharoan’izao andro izao, dia tsy mila mikoa eo anatrehan’ireo fanahiana amin’izao vanim-potoana izao ireo izay manorina ny fotony eo amin’i Jesoa Kristy, sy nianatra ny fomba fisintonana ny heriny. (Russell M. Nelson, “Ny tempoly sy ny fototra ara-panahinao,” Liahona, nôv. 2021, 93–94)

  • Inona no manaitra anao amin’io teny nambaran’ny Filoha Nelson io?

  • Amin’ny fomba ahoana no mahatonga ny fankanesana any amin’ny tempoly hanampy anao hanorina tsara kokoa ny fototra iorenanao eo amin’i Jesoa Kristy? Afaka mizara zavatra iray niainanao ianao raha nieritreritra ny hanao izany.

  • Ahoana no fomba nitondran’ny tempoly fahasambarana lehibe kokoa taminao na tamin’ny olona iray fantatrao?

Rehefa vitan’ny mpianatra ny fampianarana, dia azonao asaina izy ireo hizara ny fomba mety ho nahatsapany fahasambarana lehibe kokoa tamin’ny fanarahana ireo fitsipiky ny filazantsaran’i Jesoa Kristy toy ilay anankiray nifanakalozana hevitra androany. Hevero ny hizara ny fijoroanao ho vavolombelona manokana momba ny fomba nitondran’ireo fitsipika ireo fahasambarana lehibe kokoa taminao.

Hamoaka printy