Seminera
2 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny


“2 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 6–10

Topimaso ankapobeny

I Jakôba rahalahin’i Nefia dia nizara faminaniana momba ny androntsika sy ny fanangonana an’i Isiraely izay afaka manampy antsika hahatakatra ny anjara toerantsika ao amin’ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany. Nampianatra ny Nefita momba ireo toe-javatra atrehin’ny olombelona rehetra noho ny Fahalavoan’i Adama sy i Eva izy. Nambarany fa manafaka antsika amin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy, ary nampitandrina tsy hanao zavatra na fihetsika mampanalavitra antsika amin’i Kristy izy. Nanasa ny olony hanatona an’i Kristy sy hiravoravo amin’ireo fitahian’ny filazantsara izy.

Miomàna hampianatra

Ireto fampahalalana manaraka ireto dia manoro hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety hilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

2 Nefia 6; 10

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa handray anjara amin’ny fanangonana an’Isiraely miaraka amin’ny Tompo.

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandraisany anjara tamin’ny fanangonana an’Isiraely.

  • .

  • Sary: Saina, faneva am-pananganana

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho an’ity sahanasa eo ambanin’ny “Manaova drafitra hanampiana ny Tompo hanangonana an’Isiraely,” ity dia manaova copier-coller an’ilay loharano ho eo amin’ny tabilao fifanakalozan-kevitra mba hahafahan’ireo mpianatra mahita izany haingana. Mety hanampy ihany koa ny hanomezana fe-potoana ny mpianatra hijerena ireo loharano ary fampahatsiahivana rehefa iray minitra sisa no ananan’izy ireo. Afaka manampy azy ireo hanao tsoa-kevitra amin’ny fandalinan’izy ireo izany ary hanome fotoana azy ireo hanaovany ny drafiny sy hizara izany amin’ny iray kilasy.

2 Nefia 9:1–26

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hahatsapa kokoa ny fankasitrahan’izy ireo ny anjara andraikitr’i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana antsika handresy ny fahotana sy ny fahafatesana

  • Fanomanana ny mpianatra: Hevero ny hanasa ny mpianatra handalina ny 2 Nefia 9:1–26. Azon’izy ireo atao ny manamarika amina fomba iray ny zavatra hitranga amintsika raha tsy nisy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy, ary amina fomba iray hafa dia azon’izy ireo atao ny manamarika ny zavatra hitranga amintsika noho i Jesoa Kristy sy ny Sorompanavotany.

  • .

  • Votoatiny haseho: Ny tabilao izay maneho ny mety ho endriky ny fiainanafiainana raha misy ny Mpamonjy sy raha tsy misy ny Mpamonjy

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hampiasa tabilao fotsy fifampiresahana ao amin’ny application fanaovanao visio-conférence. Asaivo mameno ny lafiny roa amin’ilay tabilao ny kilasy rehefa miara-mandalina sy miara-mianatra ianareo.

2 Nefia 9:27–49

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ireo mpianatra hiala amin’ny fitondran-tena izay mitondra mankamin’ny tsy fahasambarana sy ny fisarahan’izy ireo amin’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra:  Asao ireo mpianatra mba hijery tsara hoe inona amin’ireo asa ataony hatreto ka hatramin’ny fianarana manaraka no manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa an’Andriamanitra, ary inona avy ireo izay mampanalavitra azy ireo Aminy

  • Zavatra: Zavatra iray, toy ny vatomamy, izay tian’ny mpianatra ny mitady azy amin’ilay lalao hoe “mafana na mangatsiaka” eo am-panombohan’ny lesona

  • .

  • Soso-kevitra fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Ho karazana fiomanana azon’ny mpianatra atao dia asao izy ireo ho avy ao amin’ny kilasy, efa vonona hizara ireo ohatra olona iray fantatr’izy ireo miraharaha ny ara-panahy. Raha azo atao dia amporisiho hitondra sarin’ilay olona nofidiny izy ireo ary hihazona izany ambony eo amin’ny fakantsary mandritra ny fotoana izaran’izy ireo ny eritreritr’izy ireo.

2 Nefia 9:50–52

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ireo fitahiana sy fahafaham-po izay ny Tompo ihany no afaka manome azy.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra safidy nataon’izy ireo, sy toerana nandehanan’izy ireo, na zavatra nianaran’izy ireo ka nitondra fahafaham-po maharitra teo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Zavatra: Kaopy feno zavatra izay tsy hanala ny hetahetan’ny olona iray, toy ny saosy sôzà, moutarde, na karamelina na sôkôlà natsonika. (Azonao atao ihany koa ny mitondra sakafo vitsivitsy izay tsy haha-afaka hanoanana, toy ny sira na solila kely, ary sakafo lehibe kokoa toy ny voankazo iray.)

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visio-conférence: Mampiasà efitra fanasarahana ary asa ny mpianatra hizara soratra masina iray na maromaro mifandray amin’ny 2 Nefia 9:50–52. Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miara-miasa amin’ny vondrona misy azy ireo mba hiarahana mitady ireo soratra masina mifandray.

Famerenana fifehezana fotopampianarana 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hampitomboana ny fahatakaran’ny mpianatra sy hamela azy ireo hizatra hanazava fotopampianarana nampianarina ao amin’ny sasany amin’ireo andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna.

  • Fanomanana ny mpianatra: Asao hifantina andalan-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana ao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay manan-danja amin’izy ireo ny mpianatra ary hiomana hizara amin’ny iray kilasy ny antony maha-manan-danja io andalan-tsoratra masina io.

  • Zavatra: Izay fitaovana rehetra mety hilain’ny mpianatra hamitana ny sahanasa A, B, D, na E

  • Soso-kevitra ho an’ny fampianarana amin’alalan’ny visio-conférence: Hevero ny hanampy ireo mpianatra hieritreritra zavatra na fitaovana ao an-tranony izay azon’izy ireo ampiasaina hamenoana ny sahanasa A, B, D, na E. Asao ireo mpianatra hizara ireo zavatra ireo amin’ny iray kilasy.

Hamoaka printy