Seminera
2 Nefia 9:50–52: “Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely”


“2 Nefia 9:50–52: -Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 9:50–52,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 9:50–52

“Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely“

Sary
zatovo miara-mamaky soratra masina

Efa nisy fotoana ve ianao nanantena fahasambarana lehibe tamina zavatra iray kanefa dia diso fanantenana avy eo? I Jakôba dia namarana ny toriteniny tamin’ny fanoroana hevitra ny Nefita hiala amin’ny fandaniana fotoana na vola amin-javatra izay tsy hanome fahafaham-po maharitra. Nanasa azy ireo hanatona an’i Jesoa Kristy sy hiravoravo amin’ireo fitahian’ny filazantsara izy. Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa hikatsaka ireo fitahiana sy fahafaham-po izay i Jesoa Kristy irery ihany no afaka manome azy.

Mampianatra fotopampianarana. Nandidy antsika ny Tompo mba “hifampiana[tra] ny fotopampianaran’ny fanjakana” (Fotopampianarana sy Fanekempihavanana 88:77). Io fotopampianarana io dia ireo fahamarinana mandrakizay izay mitondra any amin’ny fisandratana rehefa ampiharina. Ny anjara asan’i Jesoa Kristy eo amin’ny drafitry ny famonjena dia ivon’ireo fahamarinana ireo. Ny fampianarana fotopampianarana marina dia manasa ny vavolombelon’ny Fanahy Masina ary afaka manainga ny mpianatra hanaraka ny Mpamonjy.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra safidy nataon’izy ireo, toerana nandehanan’izy ireo, na zavatra nianaran’izy ireo ka nitondra fahafaham-po maharitra teo amin’ny fiainan’zy ireo.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Manala hanoanana sy hetaheta

Hevero ny hampiseho amin’ny mpianatra kaopy vitsivitsy feno zavatra izay tsy hanala ny hetahetan’ny olona iray, toy ny saosy sôzà, moutarde, na sirô. Avy eo dia mampisehoa kaopy iray hafa feno rano madio. Asao ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe tena faran’izay mangetaheta izy ireo ary manana fahafahana hisotro amin’ny anankiray amin’ireo kaopy nasehonao azy ireo. Angataho hanao safidy izy ireo ary hanazava ny mety ho vokatry ny safidin’izy ireo.

Azonao atao ihany koa ny manao fanehoana amin’ny alalan’ny fampiasana sakafo izay tsy haha-afaka ny hanoanan’ny olona iray, toy ny sira na solila kely, miaraka amin’ny sakafo lehibe sy misy otrikaina kokoa, toy ny voankazo iray.

Mety ho efa voamarikao fa ny fanahintsika, tahaka ny vatantsika, dia mila sakafo sy fahafaham-po.

  • Inona avy no fomba sasantsasany azontsika anomezana sakafo sy fahafaham-po maharitra ny fanahintsika?

  • Inona avy no zavatra itodihan’ny olona mba hahazoana fahafaham-po ka afaka manome azy ireo fahatsapana ho noana na mangetaheta ara-panahy?

  • Inona araka ny eritreritrao no mahatonga ny olona hitodika amin’ireo zavatra tsy mitondra fahafam-po maharitra akory indraindray?

Asao hanao tombana ny fiainan’izy ireo manokana ny mpianatra, amin’ny alalan’ny fanomezana azy ireo fahafahana hieritreritra ireto fanontaniana manaraka ireto.

  • Misy zavatra itodihanao ve mba hahazoanao fahasambarana sy fahatsapana ho nahavita zavatra izay tsy manome fahafam-po ireo faniriana ireo akory? Inona no nanampy anao hahatsapa fiadanana sy fahasambarana maharitra teo amin’ny fiainanao?

  • Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fahamarinana izay afaka manampy anao hiaina ireo fitahiana sy fahafaham-po izay i Jesoa Kristy irery ihany no afaka manome azy.

“Mivokisa amin’izay tsy mety simba”

Tsarovy avy amin’ny fandalinana ny 2 Nefia 9:27–49 fa i Jakôba dia nampitandrina ny olony tamin’ireo fanao feno fahotana nataon’izy ireo. Avy eo dia nofaranan’i Jakôba tamina fanasana manan-danja ny teny nataony.

Vakio ny 2 Nefia 9:50–52, hitadiavana ny fanasan’i Jakôba ny olony.

  • Inona no teny na andian-teny sasantsasany hitanao fa manan-danja taminao ao amin’ireo andininy ireo? Nahoana?

  • Ahoana no anampian’ireo andininy ireo anao hahatakatra ny fanirian’i Jesoa Kristy amintsika? Inona no ampianarin’izy ireo anao momba ny zavatra omeny antsika?

Asao hamantatra fahamarinana avy amin’ireo fampianaran’i Jakôba ny mpianatra. Mety hahita fitsipika mitovitovy amin’ity manaraka ity izy ireo. Hevero ny hanoratra io fahamarinana io eny amin’ny solaitrabe.

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ireo andininy ireo ny hoe rehefa manatona an’i Jesoa Kristy isika, dia afaka ny ho afa-po ny fanahintsika.

Mampiasa fampifandraisana soratra masina mba hampitomboana ny fahatakaranao

Ny fitadiavana andinin-tsoratra masina izay mifandray amin’ny zavatra halalininao dia afaka ny ho fomba iray manampy amin’ny fampitomboana sy fankasitrahanao ny zavatra ao anatin’ny soratra masina.

Ampiharo amin’ny alalan’ny fitadiavana fampifandraisana soratra masina izay mifandray amin’ireo fampianarana ao amin’ny 2 Nefia 9:50–52 izany fahaiza-manao izany.

Hevero ny handalo amin’ny dingana arahina voafaritra ao amin’ireto andiam-pehezan-teny roa manaraka ireto miaraka amin’ny iray kilasy, hanao ny kisary eny amin’ny solaitrabe ary hiaraka hitady fampifandraisana soratra masina iray na roa. Fampifandraisana soratra masina iray manampy azonao atoro ny mpianatra ny Almà 5:33–34. Avy eo dia azo zaraina mba hiara-miasa na ho ao anaty vondrona kely ny mpianatra mba hiara-hiasa hitady fampifandraisana soratra masina.

Hevero ny hanao kisary mitovitovy amin’ity manaraka ity ao amin’ny diary fandalinanao ary hanoratra ny hoe “2 Nefia 9:50–52” eo amin’ny faribolana afovoany. Rehefa mahita soratra masina mifandray amin’izy io izay tianao hotadidiana ianao dia azonao atao ny manoratra ireo toko sy andininy ao amin’ny faribolana hafa.

Sary
kisarina faribolana

Ny dingana voalohany ataonao amin’ny fitadiavana fampifandraisana soratra masina dia mety ho ny fitadiavana toko sy andinin-tsoratra masina sy lohahevitra voatanisa ao amin’ny fanovozan-kevitra eny ambanin’ny pejy. Manaraka izany, hevero ny hamantatra teny manan-danja avy ao amin’ny 2 Nefia 9:50–52 ary hijery izany teny izany na voambolana mifandray amin’izany ao amin’ny Torolalana ho an’ny Soratra Masina, na ny fahafahana manao fikarohana ao amin’ny Bibliothèque de l’évangile.

Ireto misy teny na andian-teny azonao jerena: manatòna; rano velona; mahafa-po; henoy; mivokisa; mivavaha; manolòra fisaorana; aoka hiravoravo.

Rehefa nahazo fotoana ampy hitadiavana fampifandraisana soratra masina ny mpianatra, dia manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny iray amin’ireo soratra masina izay manan-danja manokana amin’izy ireo. Asaivo manazava ny fomba nanatsaran’izany fampifandraisana soratra masina izany ny fahatakaran’izy ireo ny fampianaran’ny 2 Nefia 9:50–52 ny mpianatra. Hevero ny hanampy ny toko sy andinin-tsoratra masina zarain’ny mpianatra ho ao amin’ilay kisary eny amin’ny solaitrabe.

Mampihatra ny zavatra nianaranao

Eritrereto ny zavatra nianaranao momba an’i Jesoa Kristy androany sy ny fomba ahafahan’ireo fampianarana ireo mitahy ny toe-java-misy anao ankehitriny.

Mba hanampiana ny mpianatra hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo tao amin’ny lesona androany, dia hevero ny hampiseho ireto fanontaniana manaraka ireto ary hanasa ny mpianatra hirakitra an-tsoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo.

  • Inona no nianaranao na tsapanao momba an’i Jesoa Kristy androany ka tianao hotadidina?

  • Ahoana no ahafahan’ny fisafidianana ny hanaraka an’i Jesoa Kristy mamatsy ny fanahinao amin’ny fahafaham-po maharitra?

  • Inona avy no safidy manokana sasantsasany azonao atao ka hitondra fahafaham-po maharitra izay azo amin’ny alalan’i Jesoa Kristy eo amin’ny fiainanao?

Manasà mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sasany amin’ny valin-tenin’izy ireo amin’ny kilasy. Mijoroa ho vavolombelona ny amin’ireo fahamarinana izay noresahinao androany. Amporisiho handinika ny fiainan’izy ireo ny mpianatra ary hieritreritra fanovana azon’izy ireo atao izay hanampy azy ireo hiaina fahasambarana, fiadanana, ary fahafaham-po izay tonga avy amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy.

Hamoaka printy