Seminera
2 Nefia 9:27–49: “Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay”


“2 Nefia 9:27–49: -Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 9:27–49,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 9:27–49

“Ny fiheverana ny zava-panahy dia fiainana mandrakizay”

Sary
zatovovavy mitsiky sady mamindra

Impiry ianao no mieritreritra momba ny hoe hitondra anao mankaiza ny zavatra ataonao sy ny fihetsikao? Rehefa avy nanambara i Jakoba fa manana hery hanafahana ny olona rehetra amin’ny vokatry ny Fahalavoana i Jesoa Kristy, dia nampitandrina tsy hanao zavatra na fihetsika mampanalavitra antsika amin’ny Tompo izy. Nijoro ho vavolombelona momba an’i Jesoa Kristy sy ny zavatra azontsika atao hanatonana Azy sy hahavoavonjy izy. Afaka manampy anao hiala amina fitondrantena izay mitarika ho any amin’ny tsy fahasambarana ary mampisaraka anao amin’i Jesoa kristy ity lesona ity.

Mametraka fanontaniana izay manasa handinin-tena. Ny fandinihan-tena sy ny fanombanan-tena dia afaka manasa ny Fanahy Masina hanampy ny mpianatra tsirairay hahita ny zavatra “araka ny tena toetrany, sy … ny ho tena toetrany” (Jakoba 4:13). Ny fanombanan-tena mahomby dia manampy ny mpianatra hihevitra ny fahatakaran’izy ireo fahamarinana ara-pilazantsara amin’izao fotoana izao sy ny fanirian’izy ireo na ny antony manosika azy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hijery tsara hoe inona amin’ny zavatra ataon’izy ireo manomboka izao hatramin’ny fotoam-pianarana manaraka no manampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa an’ Andriamanitra ary inona no mahatonga azy ireo hahatsapa ho lavitra Azy kokoa.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Elanelana amin’ Andriamanitra

Alohan’ny fotoam-pianarana dia hevero ny hanafina vatomamy (na zavatra hafa tian’ny mpianatra ny mitady azy) iray na maromaro ao amin’ny efitrano. Manasà mpianatra maromaro hitady ireo zavatra nafenina. Manomeza fanampiana amin’ny teny toy ny hoe mafana sy mafana kokoa rehefa manakaiky ny toerana nanafenana ilay zavatra ny mpianatra ary mampiasà teny toy ny hoe mangatsiaka na mangatsiaka kokoa rehefa manalavitra izy ireo. Aorian’ny fahitana ny vatomamy na zavatra hafa dia hevero ny hametraka fanontaniana toy izao manaraka izao:

  • Nanampy anao hahita ilay zavatra tamin’ny fomba ahoana ireo teny nampiasaina nanoroana anao?

  • Inona no mety mahatonga ny olona iray tsy hanaraka ireo teny fanoroana hanampiana azy hahazo zavatra mitondra soa?

Asao hisaintsaina mangina ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ny mpianatra:

Mieritrereta fotoana teo amin’ny fiainanao izay nahatsapanao manokana ho akaiky an’ Andriamanitra sy fotoana izay nahatsapanao ho lavitra Azy. Inona avy ireo zavatra natao sasantsasany izay mety ho nitarika tamin’ireo vokatra ireo?

  • Inona no hitanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no nanampy an’i Jakoba hahatsapa ny zavatra nosoritsoritany ao amin’ny 2 Nefia 9:49?

Eritrereto ny fiainanao sy ny fahatsapanao ho akaiky an’ Andriamanitra amin’izao fotoana izao. Rehefa mandalina ny toritenin’i Jakoba ao amin’ny 2 Nefia 9 ianao, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy anao hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy.

“Atongilano amin’ny teniko ny sofinareo”

Taorian’ny nampianarany momba ny anjara asa tanan’i Jesoa Kristy amin’ny fanampiana antsika handresy fahotana sy fahafatesana (jereo ny 2 Nefia 9:1–26), dia nampitandrina ny Nefita momba ny fihetsika sy fitondrantena izay hampanalavitra azy ireo amin’ny Mpamonjy i Jakôba.

Zarao misasaka ny kilasy ary saraho ity vakiteny ampanaovina manaraka ity. (Ny antsasaky ny kilasy dia afaka mamaky ny 2 Nefia 9:27–30, ary ny antsasany hafa dia afaka mamaky ny 2 Nefia 9:31–38.)

Vakio ny 2 Nefia 9:27–38, hitadiavana ireo fihetsika sy zavatra atao nampitandreman’i Jakôba. Mety ho azonao heverina ny hanao lisitra azy ireo eo am-pamakiana izany.

Eritrereto ny fomba iharan’ny tsirairay amin’ireo fitondrantena nampitandreman’i Jakôba ireo amin’ny tanora ankehitriny. Ohatra, na dia tsy mandray anjara amina famonoana olona aza ny ankamaroan’ny zatovo, ny andininy 35 dia afaka manampy anao hahatadidy ny hiala amin’ireo eritreritra, fahatsapana ary fitondrantena mahery setra (jereo ny Matio 5:21–22, 38–42).

Fomba iray hanampiana ny mpianatra hahita ny fifandraisan’ireo fampianaran’i Jakôba amin’ny fiainan’izy ireo ny fanasana azy ireo hamantatra fampianarana avy ao amin’ny Ho zatovo mahery!: Torolalana amin’ny fanaovana safidy (kiboky, 2022) izay mifandray amin’ny 2 Nefia 9. Azonao atao ny mangataka ny mpianatra handalina ary hizara amin’ny iray kilasy ny sasany amin’ny torohevitra hitan’izy ireo. Ohatra amin’ny fampianarana ireo fahamarinana mandrakizay sy fanasana ary fitahiana ampanantenaina ao amin’ny pejy 31–32 (izay mifandray amin’ny andininy 28–29, 34) sy ny fampianarana momba ny lalàn’ny fahadiovam-pitondrantena ao amin’ny pejy 23–28 (izay mifandray amin’ny andininy 36).

  • Inona avy ireo ohatra maneho ny fomba hifandraisan’ireo fampianaran’i Jakôba amin’ny zatovo ankehitriny?

  • Ahoana no ahafahan’ireo fihetsika sy fitondrantena notanisain’i Jakôba miantraika amin’ny fifandraisantsika amin’ Andriamanitra?

Ny olona iray maneho ireo fitondrantena sy fihetsika nampitandreman’i Jakôba dia azo faritana ho “mihevitra ny zavatry ny nofo” (2 Nefia 9:39).

Vakio ny 2 Nefia 9:39, hitadiavana ny zavatra nampianarin’i Jakôba momba ny vokatry ny fiheverana ny zavatry ny nofo sy ny fiheverana ny zava-panahy.

Mba hanampiana ny mpianatra haharay ireo fampianaran’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:39, dia hevero ny hanasa azy ireo hanao sary na zavatra mahatsikaiky izay maneho ny andian-teny hoe “ny fiheverana ny zava-panahy … dia fiainana mandrakizay.”

  • Inona no hitanao?

  • Inona araka ny eritreritrao no dikan’ny hoe fiheverana ny zava-panahy?

Avy amin’io andininy io, isika dia mianatra fa ny fiheverana ny zavatry ny nofo dia mitondra mankany amin’ny fahafatesana ara-panahy. Ny fiheverana ny zava-panahy dia mitondra mankany amin’ny fiainana mandrakizay.

  • Inona avy ny zavatra sasany azonao atao isan’andro mba hihazonanao ny sainao hifantoka ara-panahy amin’i Jesoa Kristy?

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny fanambaran’ny Filoha Nelson?

Manatòna ny Iray Masin’ny Isiraely

Asao hisaintsaina mangina ny fomba iharan’ny zavatra ianaran’izy ireo amin’ny tenany ny mpianatra. Mety ho afaka mametraka fanontaniana toy ireo voatanisa ao amin’ity andiam-pehezan-teny manaraka ity ianao, saingy aza asaina mizara ny mpianatra.

Avereno eritreretina ireo fitondrantena feno fiheverana ny zavatry ny nofo notanisain’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:27–38. Inona amin’ireo fampitandremana ireo no hitanao fa sarotra indrindra? Misy fiovana azonao atao izay hanampy anao hanakaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy ve? Hevero hoe dingana inona no mety ho azonao atao.

Rehefa mieritreritra ny toe-javatra misy anao manokana ianao, dia vakio ny tenin’i Jakôba ao amin’ny 2 Nefia 9:40–45. Tadiavo ireo fampianarany, indrindra ireo izay momba ny Mpamonjy, izay mety hanampy anao amin’ny toe-javatra misy anao amin’izao fotoana izao.

  • Teny sy andian-teny inona avy no hitanao ho manan-danja indrindra? Nahoana?

  • Ahoana no mety hahafahan’ny fahatsiarovana “ny fahalehibeazan’ny Iray Masin’ny Isiraely” (andininy 40) manampy anao hihevitra kokoa ny zava-panahy?

Omeo fotoana hieritreretana ny zavatra nianaran’izy ireo sy tsapan’izy ireo tamin’ny lesona androany ny mpianatra. Asao izy ireo hirakitra an-tsoratra ny eritreriny sy ireo zavatra tsapany ao amin’ny diary fandalinan’izy ireo. Rehefa vitan’izy ireo izany, dia hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sasany amin’ny zavatra nosoratan’izy ireo raha tsy mahakasika azy ireo manokana loatra izany. Mijoroa ho vavolombelona momba ireo fahamarinana izay nifanakalozanareo hevitra.

Hamoaka printy