Seminera
2 Nefia 6; 10: Ny fanangonana an’i Isiraely


“2 Nefia 6; 10: Ny fanangonana an’i Isiraely,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“2 Nefia 6; 10,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

2 Nefia 610

Ny fanangonana an’i Isiraely

Sary
misiônera mandray tanana lehilahy iray

Faminaniana maro ao amin’ny soratra masina no miresaka momba ny zava-mitranga amin’ny andro farany. Nizara faminaniana momba ny androntsika sy ny fanangonana an’i Isiraely izay afaka manampy antsika hahatakatra ny anjara toerantsika ao amin’ny asan’ny Tompo amin’ny andro farany i Jakôba rahalahin’i Nefia. Ity lesona ity dia afaka manampy anao hahatsapa faniriana lehibe kokoa handray anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany.

Mamorona tontolom-pianarana mavitrika. Misy fotoana, mety ho tena ilaina ny mampitombo ny fandraisana anjaran’ny mpianatra sy ny fifantohany amin’ny alalana fampihetseham-batana. Hevero ny hanampy ny mpianatra handray anjara amin’ny alalan’ny fihetsehana. Ohatra, azon’ny mpianatra atao ny miova seza, manoratra eny amin’ny solaitrabe, mitsangana hamaky soratra masina iray, na milalao tantara ao amin’ny soratra masina, sns.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandraisan’izy ireo anjara tamin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Zavatra manan-danja mitranga

Hevero ny hampiseho tsirairay ireto teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson ireto, dia miatoa kely mba hahafahan’ny mpianatra mieritreritra ny teny nambara tsirairay alohan’ny hifindrana amin’ny manaraka.

Ireto sombiny manaraka ireto dia avy ao amin’ny hafatra iray nozarain’ny Filoha Russell M. Nelson. Rehefa mamaky azy ireo ianao, dia mieritrereta lohahevitra vitsivitsy izay mety tian’ny Filoha Nelson niaviana.

  • Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. … Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy” (Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018], ChurchofJesusChrist.org).

  • Izany … no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo” (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely”).

  • “Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany” (Russell M. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely”).

  • Inona avy ireo lohahevitra vitsivitsy eritreretinao fa mety ho tian’ny Filoha Nelson niaviana tamin’ireo teny nambara ireo?

Mety efa fantatrao fa ny fanangonana an’i Isiraely no tian’ny Filoha Nelson niaviana. Jereo ny “Fanantenana ho an’i Isiraely” manomboka amin’ny mari-potoana 39:36–40:05, ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org, na vakio ity manaraka ity mba hahitana ny fanambarana feno nataon’ny Filoha Nelson.

Ry zatovo mahavariana malalako, nalefa tety an-tany ianareo ho amin’izao fotoana izao indrindra, ny fotoana manan-danja indrindra amin’ny tantaran’izao tontolo izao, mba hanampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Tsy misy zavatra manan-danja kokoa noho izany eto amin’ity tany ity amin’izao. Tsy hisy zavatra hanan-danja kokoa noho ny vokatra hoentin’izany. Tena tsy hisy.

Izany fanangonana izany no zavatra tokony hanan-danja indrindra ho anareo. Izany no iraka nanirahana anareo ety an-tany. (Russell M. Nelson sy i Wendy W. Nelson, “Fanantenana ho an’i Isiraely” [fampaherezam-panahy maneran-tany ho an’ny zatovo, 3 jona, 2018], ChurchofJesusChrist.org)

  • Inona avy ireo eritreritra na fahatsapana anananao momba ny teny nambaran’ny Filoha Nelson?

  • Inona avy no fanontaniana anananao momba ny fanangonana an’i Isiraely?

Diniho ireo eritreritrao sy fahatsapanao momba ny fandraisana anjara amin’ny fanangonana an’i Isiraely, ao anatin’izany ny fitoriana ny filazantsara amin’ireo izay eto an-tany amin’izao fotoana izao ary ny fanaovana tantaram-pianakaviana sy asa atao any amin’ny tempoly ho an’ireo izay efa maty mba hananan’ny rehetra fahafahana hanatona ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy. Manan-danja toy ny ahoana io asa io aminao? Rehefa mandalina ianao anio, dia mitadiava fampianarana izay afaka manampy amin’ny fampitomboana ny fahavononanao sy ny fahaizanao mandray anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Mampianatra momba ny fanangonana an’i Isiraely i Jakôba

Nanasa an’i Jakôba rahalahiny hizara faminaniana manan-danja avy ao amin’ny Testamenta Taloha momba ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany i Nefia (jereo ny 2 Nefia 6:4–7).

Mba hanampiana amin’ny fanomanana ny mpianatra hahatakatra ireo andininy hovakin’izy ireo, dia hevero ny hampiseho sy hamaky ireto famaritana manaraka ireto sy sary iray na maromaro maneho saina na faneva.

  • Jentilisa: Araka ny ampiasana azy ao amin’ny soratra masina, ny Jentilisa dia manana heviny maro. Ao amin’ny faminanian’i Isaia (jereo ny 2 Nefia 6:5–7), ny iray amin’ireo hevitry ny teny hoe Jentilisa dia mety manondro ireo olona izay tsy ao anatin’ny taranak’i Isiraely (Jereo ny Torolalana ho an’ny soratra masina, “Jentilisa,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

  • Faneva: “Saina ivondronan’ny olona manodidina azy, miray hina noho ny tanjona na noho ny maha-izy azy ireo” (Torolalana ho an’ny Soratra Masina, “Faneva,” scriptures.ChurchofJesusChrist.org).

Sary
Ny Kapiteny Môrônia sy ny Fanevan’ny fahafahana
Sary
Asandrato ny fanevanao

Vakio eo am-pieritreretana ireo famarinana ireo ny 2 Nefia 6:5–7. Ataovy lisitra ao amin’ny diary fandalinanao ireo antsipiriany momba ny faminanian’i Isaia izay toa manan-danja.

Raha ilaina dia ampio ny mpianatra hamantatra antsipiriany manan-danja toy ny hoe:

  • Hanangana faneva Andriamanitra.

  • Ny Jentilisa dia hitondra ny zanakalahy sy zanakavavin’i Isiraely eny an-tsandriny ary hitrotro azy ireo eny an-tsorony.

  • Ny mpanjaka sy andriambavy Jentilisa dia ho reny sy ray mpitaiza.

  • Inona no antsipiriany hitanao tao amin’ny faminanian’i Isaia ka toa manan-danja?

  • Inona avy no fanontaniana mbola anananao momba io faminaniana io?

Samy namelabelatra momba io faminaniana io ao amin’ny zavatra nosoratany na i Nefia na i Jakôba. Mikatsaha fahatakarana misimisy kokoa momba ny faminanian’i Isaia amin’ny alalan’ny famakiana ny iray farafahakeliny amin’ireto andian’andininy manaraka ireto. Mety hanampy ihany koa ny fampifandraisana ireo andininy ireo amin’ny 2 Nefia 6:5–7.

Hevero ny hizara ny mpianatra ho vondrona kely, ka ny antsasaky ny vondrona dia mandalina ireo tenin’i Nefia ary ny antsasany hafa mandalina ny an’i Jakôba. Avy eo dia asao ny mpianatra hanao tatitra ny zavatra nianaran’izy ireo avy tamin’ireo andininy nohalalinin’izy ireo.

  • Inona no zavatra ampianarin’i Nefia na i Jakôba ao amin’ireo andininy ireo ka manampy anao tsara kokoa hahatakatra ny 2 Nefia 6:5–7? Inona no hevi-baovao fanampiny azonao?

Ireto fanontaniana telo manaraka ireto dia natao hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ireo andininy novakin’izy ireo. Raha efa azon’izy ireo tsara ilay andininy, dia azonao atao ny mandingana ny fanontaniana fahaefatra sy fahadimy eo ambany.

  • Inona araka ny eritreritrao ilay “asa mahatalanjona” izay hiseho amin’ny andro farany izay “hanan-danja lehibe” amin’ny olona maro (1 Nefia 22:8)? Raha mila fanampiana amin’ny fahatakarana hoe inona ilay asa mahatalanjona ny mpianatra, dia azonao atao ny mampijery azy ireo fanovozan-kevitra iray eo ambanim-pejy na manazava fa manondro ny famerenana ny filazantsara amin’ny laoniny izany.

  • Araka ny 1 Nefia 22:12, inona no ho fantatr’ireo vahoakan’i Isiraely niely patrana rehefa tafangona izy ireo?

  • Inona no anjara asa hohazonin’ireo firenen’ny Jentilisa amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany (jereo ny 1 Nefia 22:8–9; 2 Nefia 10:8–9)?

  • Manampy anao hahatakatra inona momba an’i Jesoa Kristy sy ny fahatsapany momba ny olon-drehetra ireo fampianarana ireo?

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny anjara asanao amin’ny fanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely izy ireo?

Fahamarinana iray azontsika ianarana avy amin’ny faminanian’i Isaia sy ny teny nambaran’ny Filoha Nelson tany aloha tao amin’ny lesona ny hoe amin’ny maha-mpikamban’ny Fiangonan’ny Mpamonjy naverina amin’ny laoniny antsika, dia manana andraikitra handray anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely amin’ny andro farany isika.

  • Manampy anao hahatakatra inona momba ny zavatra tsapan’ny Mpamonjy momba anao io fahamarinana io?

  • Inona no zavatra fantatrao momba ny Mpamonjy ka mampitombo ny fanirianao hanangona ny hafa ho ao Aminy? Ahoana no ahafahan’ny fizarana izany amin’ny hafa mampitombo ny fanirian’izy ireo hanangona ny hafa ho ao amin’ny Mpamonjy?

Manaova drafitra hanampiana ny Tompo hanangona an’i Isiraely

Ny Filoha Nelson dia nanoritsoritra ny zavatra azontsika atao mba hanampiana amin’ny fanangonana an’i Isiraely:

Isaky ny manao zavatra izay hanampy olona isika, eo amin’ny lafy roa amin’ny voaly, mba hanao dingana mitondra any amin’ny fanaovana fanekempihavanana amin’ Andriamanitra dia manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely izay isika. (Russell M. Nelson, “Aoka Andriamanitra no hanjaka,” Liahona, nôv. 2020, 92–93)

  • Miaraka amin’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson ao an-tsaina, inona avy ireo zavatra manokana azonao atao mba handraisana anjara miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanampiana ny hafa hanatona Azy?

  • Inona no traikefa anananao amin’ny fanampiana ny hafa hiangona na hanatona akaiky kokoa ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy?

Eritrereto ny fomba ahafahanao mandray anjara feno kokoa miaraka amin’ny Tompo amin’ny fanangonana an’i Isiraely.

Raha misy fotoana, dia hevero ny hizara ny iray na ny maromaro amin’ireto loharanom-pitaovana manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hieritreritra hevitra manokana.

  1. Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara hevitra naroson’ny zatovon’ny Fiangonana momba ny fomba ahafahan’izy ireo manampy amin’ny fanangonana an’i Isiraely. Jereo ny “Fanangonana an’i Isiraely” manomboka eo amin’ny mari-potoana 40:29–43:38, hita ao amin’ny ChurchofJesusChrist.org.

  2. Tsidiho ny share.churchofjesuschrist.org.

Manaova drafitr’asa amin’izay zavatra azonao atao hanasana ny hafa hiangona ao amin’ny Mpamonjy na, amin’ny teny hafa, hanatona an’i Kristy amin’ny alalan’ny fanaovana sy fitandremana fanekempihavanana Aminy. Alaivo antoka fa ampidirinao ao amin’izany ny dingana manokana azonao atao. Hanampy anao hanao asa amim-pinoana izany. Fomba iray mety ho azonao anaovana izany ny famenoana ireto fehezan-teny manaraka ireto:

  • Alohan’ny hifaranan’ny andro androany, izaho dia

  • Mandritra ny ambin’ity herinandro ity, izaho dia

Hamoaka printy