Seminera
Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15


“Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna (2024)

“Tombano ny fianaranao 1: 1 Nefia 1–15” Boky torolalana ho an’ny mpampianatra ny Bokin’i Môrmôna

Tombano ny fianaranao 1

1 Nefia 1–15

Sary
Mamaky ny soratra masina any Afrika

Ity lesona ity dia natao hanampiana anao hanombantombana ireo tanjona napetrakao sy ny fitomboana izay niainanao hatreto nandritra ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna.

Manampy ireo mpianatra hanombana ny fianarana izay nataony. Omeo fotoana ireo mpianatra mba hanombanany ny fianarana izay ataon’izy ireo. Fomba iray azo atao ny manasa azy ireo hizara ny fomba nitomboan’izy ireo na nivoaran’izy ireo vokatry ny fandalinana sy ny finoan’izy ireo.

Fanomanana ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga ao an-dakilasy efa vonona hizara zavatra iray nianaran’izy ireo hatreto tao amin’ny Bokin’i Môrmôna izay nanampy azy ireo hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy.

Ireo sahanasa fianarana azo atao

Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ireo mpianatra hanao tombana ny tanjona napetrak’izy ireo, ny fahaizany manazava ireo fampianarana ao amin’ny Bokin\’i Môrmôna, na ny fiovan’ny fomba fihetsiny, ny faniriany, ary ny fahaizany miaina ny Filazantsara. Ny fandalinan’ny iray kilasy momba ny 1 Nefia 1–15 dia manantitrantitra ireo fahamarinana hafa ankoatra ireo izay hita ao amin’ireto sahanasa atao manaraka ireto. Raha izany no izy, dia azo amboarina ireo sahanasa mba hampidirana ireo fahamarinana ireo.

Halalino isan’andro ny Bokin’i Môrmôna

Ity fizarana ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanombantombana ny hoe manao ahoana izy ireo amin’ny tanjon’izy ireo amin’ny fandalinan’izy ireo manokana ny soratra masina sy ny fahatsapan’izy ireo ny lanja sy ny maha zava-dehibe ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna.

  • Inona avy no zavatra ataonao isan’andro na isan’alina?

Mety hovalin’ny mpianatra hoe miborosy nify, mihinana, matory, sns izany.

  • Inona no mety hitranga raha hadinonao ao anatin’ny indray andro na mihoatra ireo zavatra ataonao ireo?

  • Nahoana no zavatra tokony hoezahintsika atao ny fandalinana soratra masina isan’andro?

Asehoy ity fanombanan-tena manaraka ity. Afaka misaintsaina manokana ny valintenin’izy ireo ny mpianatra na mirakitra an-tsoratra ny valintenin’izy ireo ao amin’ny diary fandalinany.

Misafidiana iray amin’ireto manaraka ireto mba hamaritana ny fandehan’ny fandalinanao isan’andro ny Bokin’i Môrmôna:

  1. Tsapako ho manan-danja ny fandalinako ary tsy tapaka.

  2. Tsara ny fandalinako rehefa mitranga izany saingy tsy mitranga matetika izany.

  3. Tsy tapaka mihitsy aho manao ny fandalinako saingy tsy dia mahazo zavatra betsaka amin’izany.

  4. Sahirana mafy aho manakatra ny zavatra vakiko ary mahalana vao mianatra irery.

  5. Tsy mbola nanao zavatra hiezahana manatratra ny tanjoko amin’ny fandalinana soratra masina aho.

  6. Hafa: hazavao ny valinteninao.

Tsy mahagaga raha misy sakana mipoitra amin’ny tanjona isan’andro toy izany. Ny zava-dehibe dia ny fanohizana manandrana foana.

Hevero ny hanoratra eny amin’ny solaitrabe ireo sakana mahazo ny mpianatra ary hanasa ny iray kilasy hifanakalo hevitra momba ny fomba niatrehany na ahafahany miatrika ireny sakana ireny.

  • Inona no nety tsara tamin’ny fandalinanao ny Bokin’i Môrmôna? Inona no tianao hatao tsara kokoa na amin’ny fomba hafa?

Hevero ny hisafidy iray na maromaro amin’ireto sahanasa manaraka ireto mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa ny lanja sy ny fahamarinan’ny Bokin’i Môrmôna.

Eritreritra sy fahatsapana manokana momba ny Bokin’i Môrmôna

Sahanasa 1: Fivoriana fijoroana ho vavolombelona

Raha hijoro ho vavolombelona momba ny Bokin’i Môrmôna ao amina fivoriana fanasan’ny Tompo ianao, dia inona no holazainao mba hampitana ny fahatsapanao?

Sahanasa 2: Nahoana ianao no mandalina?

Alaivo sary an-tsaina hoe eo am-pandalinana ny Bokin’i Môrmôna ianao no misy zandrinao mpiray tampo aminao miditra ary manontany hoe: “Inona no vakinao?” Mamaly ianao hoe “Ny Bokin’i Môrmôna.” Manontany ilay mpiray tampo aminao hoe: “Fa nahoana?” Manorata fehezan-teny roa na telo manoritsoritra ny zavatra azonao lazaina amin’ny zandrinao mba hanampiana azy hahatakatra ny antony isafidiananao ny handalina ny Bokin’i Môrmôna.

Sahanasa 3: Zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera

Nanoratra izao zavatra aely amin’ny tambajotran-tserasera izao ny namana iray: “Nanomboka namaky ny Bokin’i Môrmôna aho tato ho ato ary tiako ilay izy! Ho anareo rehetra izay efa namaky ny Bokin’i Môrmôna tany aloha, azonareo zaraina amiko ve azafady ny andininy tianareo indrindra sy fanazavana fohifohy momba ny antony itiavanareo azy?”

Afaka ny ho fahafahana tsara hanasana ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo amin’ny fanomanana ny mpianatra izany. Hevero ny hizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny nanampian’ny Bokin’i Môrmôna anao hahatsapa ho akaiky kokoa an’i Jesoa Kristy tamin’ity enim-bolana ity.

Ny nofin’i Lehia

Ity fizarana ity dia natao hanampiana ny mpianatra hanazava ny ampahany sy ny hevitry ny nofin’i Lehia ary hisaintsaina ny toerana misy azy ireo amin’ilay nofy.

Fomba iray azonao anampiana ny mpianatrao hamerina hijery ity votoatiny ity ny manasa azy ireo hijery manokana ireto fanehoana sy fanontaniana manaraka ireto. Avy eo dia zarao ho tsiroaroa ny mpianatra ary asao izy ireo hifandimby hanazava amin’ny naman’izy ireo ny antsipiriany sy ny hevitry ny nofin’i Lehia be indrindra azon’izy ireo atao ao anatin’ny 30 segondra.

Mety hilaina ny fampisehoana ireo fanontaniana manaraka ireo sary.

Sary
Ny fahitan’i Lehia momba ny hazon’aina miaraka amina hazo volamena mamiratra, sy olona mihazona mafy ilay anja-by, ary ilay trano lehibe sy malalaka.
Sary
Ny nofin’i Lehia
  • Inona avy ireo ampahany sy sariohatra samihafa tadidinao tamin’ilay nofy?

  • Inona tamin’ireo sariohatra no nanan-danja indrindra taminao? Nahoana?

  • Ahoana no itovitovian’ny nofin’i Lehia amin’izao tontolo izao ankehitriny?

Hevero ny fomba mety hanampian’ny ampahany isan-karazany tamin’ny nofin’i Lehia ny isam-batan’olona ao amin’ireto rafi-tantara manaraka ireto:

  • Mandany fotoana miaraka amina vondron’olona izay misafidy ny handika ny Tenin’ny Fahendrena sy manery azy hanao toy izany ny zatovolahy iray.

  • Mieritreritra hanao ny fandalinany soratra masina matotra kokoa ny zatovovavy iray rehefa mitony ny fiainany feno adin-tsaina.

  • Manomboka mahatsapa ho menatra ny amin’ny maha-mpikambana azy ao amin’ny Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny Olomasin’ny Andro Farany ny zatovolahy iray rehefa maheno olon-kafa maniratsira ny olona mpivavaka.

  • Ahoana no ahafahanao mampiasa ny nofin’i Lehia hisahanana ny rafi-tantara tsirairay?

  • Fampianarana na fahamarinana inona avy amin’ny nofin’i Lehia no tsapanao fa afaka manampy anao hanatona akaiky kokoa an’ Andriamanitra eo amin’ny fiainanao?

Afaka mitandrina ny didy ianao.

Ity fizarana ity dia natao hahafahan’ny mpianatra mahita ny hoe manao ahoana izy ireo amin’ny drafitr’izy ireo (manomboka amin’ny 1 Nefia 3) hanaovana asa feno kokoa manoloana ireo didin’ Andriamanitra.

Nandritra ny lesona momba ny 1 Nefia 3, mety nametraka tanjona iray hankatò kokoa ny didy iray izay sarotra notandremana ianao. Saintsaino ny fandrosoanao ho amin’io tanjona io, ary raketo an-tsoratra ao amin’ny diary fandalinanao na diarinao manokana ny eritreritrao. Diniho ireto fanontaniana manaraka ireto rehefa misaintsaina sy manoratra ianao:

  • Manao ahoana ny fandehan’ny ezaka ataonao hankatoavana io didy io?

  • Fahombiazana na sakana inona avy no efa niainanao?

  • Ahoana no mety hanitsianao ny drafitrao?

  • Ahoana no nitahiana anao noho ireo ezaka nataonao?

  • Ahoana no nanomanan’ny Tompo làlana mba hankatoavanao?

Raha mbola tsy nieritreritra didy iray izay mety ho sarotra aminao ny mitandrina azy ianao, dia mieritrereta iray izao. Tapaho hoe inona no asa azonao atao mba hitandremana izany feno kokoa.

Hevero ny hanome fahafahana ny mpianatra hizara izay mety ho valinteny amin’ireo fanontaniana ireo na ny zavatra nianaran’izy ireo amin’ny iray kilasy, raha tsy mahakasika azy ireo manokana loatra izany. Azonao atao ny mizara ny fijoroana ho vavolombelona anananao momba ny fomba hitahian’ Andriamanitra antsika hahatanteraka ireo didiny rehefa manao ezaka lehibe hatoky sy hankatò Azy isika.

Ny Filoha Henry B. Eyring ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra fa ny fahatokian’i Nefia ny Tompo dia afaka manome fampaherezana antsika rehefa hitantsika fa sarotra ny mankatò ireo didin’ny Tompo:

I Nefia ilay tovolahy ao amin’ny Bokin’i Môrmôna dia mamporisika antsika mba hanam-paniriana ny hampivelatra fahatokiana ny Tompo mba hankatò ny didiny, na dia toa sarotra amintsika aza izy ireo. Niatrika loza ary mety ho fahafatesana mihitsy i Nefia raha niteny ireto teny maneho fahatokiana ireto izay afaka sy tokony hohazonintsika mafy ao am-pontsika: “Handeha aho ary hanao ny zavatra izay efa nandidian’ ny Tompo, satria fantatro fa tsy manome didy ho an’ ny zanak’ olombelona ny Tompo raha tsy efa nanomana lalana ho azy mba hahazoany manatontosa ny zavatra izay andidiany azy” [1 Nefia 3:7]. (Henry B. Eyring, “Trust in God, Then Go and Do,” Liahona, nôv. 2010, 71)

Hamoaka printy