Seminera
1 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny


“1 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 6–10: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 6–10

Topimaso ankapobeny

Nahita hazo tsara tarehy tamin’ny fahitana i Lehia. Io hazo io sy ny voany dia naneho ny fitiavan’ Andriamanitra, ary “nofenoiny fifaliana mitafotafo tokoa ny fanahin’i [Lehia]” (1 Nefia 8:12). Tamin’ny alalan’ny fahitana hitany no nianaran’i Lehia momba ny lalana tsy maintsy diavintsika sy ny fomba hijanonana amin’izany lalana izany mba hisitrahana ireo fitahiana avy amin’ny fitiavan’ Andriamanitra. Rehefa avy naheno an’i Lehia nampianatra momba ny hazon’aina sy ny faminaniana momba ny fahatongavan’i Kristy i Nefia, dia naniry ny hianatra ny fahamarinan’ny tenin-drainy ho an’ny tenany izy.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Nefia 6–7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia hanampy ny mpianatra hahatakatra ny fomba ahafahan’ny tanjon’ny Bokin’i Môrmôna manampy azy ireo amin’ny fandalinana ataony sy eo amin’ny fiainan’izy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho ny mpianatra hanao ny fandalinan’izy ireo manokana isan’andro ny Bokin’i Môrmôna. Asao izy ireo hisaintsaina ny zavatra niainan’izy ireo tamin’ny fandalinana ny Bokin’i Môrmôna hatramin’izao sy ny zavatra izay ianaran’izy ireo

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hilalao an-tsehatra ilay toe-java-misy any amin’ny fiandohan’ny lesona amin’ny alalan’ny fametrahana ireo fanontaniana amin’ny mpianatra sy ny fanasana azy ireo hanoratra ny valin-tenin’izy ireo ao amin’ny chat. Mety hanampy ny manendry mpianatra iray ho mpandrindra ilay chat ary hamaky valin-teny rehefa milatsaka ao izany. Isaory noho ny valin-teniny ny mpianatra ary mametraha fanontaniana fanaraha-maso ny fahatakarana izay mety hitarika amina hevi-baovao hafa.

Mahazo fahalalana ara-panahy, Tapany 3

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hahatakatra ny maha-zava-dehibe ny fikatsahana ny fahamarinana avy amin’ireo loharanom-pahalalana nomen’ny Ray any An-danitra sy i Jesoa Kristy tamim-pitiavana ho antsika.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hieritreritra ireo fanontaniana na olana manan-danja ananan’izy ireo sy ireo loharanom-pahalalana azon’izy ireo jerena mba hahazoana valiny. Amporisiho izy ireo ho vonona hizara ohatra anankiray amin’ireo loharanom-pahalalana ireo na hitondra iray any am-pianarana mihitsy aza.

  • Zavatra ampiasaina: Zinga lava misy rano fisotro madio iray sy vera mangarahara fisotroana rano; na, azo azo asolo izany koa ny koveta misy rano, savony fanasana tànana ary lamba famaohana

  • Taratasy zaraina: “Mampiasa ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra”

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ho an’ilay sahanasa eo ambanin’ny hoe “Mampiasa ireo loharanom-pahalalana nofidin’ Andriamanitra,” dia hevero ny hampiseho ireo torolalana eo amin’ny efijery ary hanasa ny mpianatra hanao capture d’écran. Azo atao ihany koa ho solon’izany ny mametraka ireo torolalana eo amin’ny rafitra chat ary manasa ny mpianatra handika sy hametaka azy ireny amina tahirin-kevitra ao amin’ny fitaovan’izy ireo. Avy eo dia zarao ho ao anatina salles de discussion ny mpianatra mba hifanakalo hevitra sy hiaraka hamita ilay sahanasa fianarana.

1 Nefia 8:1–18

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao hanampiana ny mpianatra hampitombo ny fanirian’izy ireo hahatsapa fifaliana amin’ny alalan’ny fitiavan’ Andriamanitra sy ny Sorompanavotan’i Jesoa Kristy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hisaintsaina ireto fanontaniana manaraka ireto: Ahoana avy no fomba ahafahan’ny olona iray mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra? Oviana ianao no nahatsapa ny fitiavany anao? Azon’ny mpianatra atao ihany koa ny miresaka amin’olona iray ao amin’ny fianakaviana na mpitarika ao amin’ny Fiangonana momba ny fomba ahatsapan’izy ireo ny fitiavan’ Andriamanitra azy ireo.

  • Horonan-tsary:I Kristy: Ilay hazavana izay mamiratra ao anaty haizina” (11:29; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:00 ka hatramin’ny 0:54 sy manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:09 hatramin’ny 10:02); “Ny fahazavana miraikitra amin’ny fahazavana” (11:11; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 0:32 ka hatramin’ny 2:33)

  • Sary: Sarin’i Maria mihazona an’i Jesoa zazakely

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ho an’ny sahanasa 2 eo ambanin’ny hoe “Mahatsapa ny fitiavan’ Andriamanitra sy fifaliana lehibe amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,” dia hevero ny hisintona ireo horonan-tsary ary hamela ny mpianatra hisafidy izay anankiray hojerena. Azo atao hanoloana izany ny fizarana ny mpianatra ho ao anatina salles de discussion, ary mampijery ny iray amin’ireo horonan-tsary an’ny vondrona tsirairay. Ny mpianatra iray ao amin’ny vondrona tsirairay no handefa ilay horonan-tsary ary hizara ny efijeriny amin’ny olona hafa ao amin’ny vondrona. Asao ny mpianatra mba hisaintsaina sy hifanakalo hevitra ny amin’ireo fitahiana izay azo raisina amin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Avy eo dia azon’ny vondrona tsirairay atao ny mizara amin’ny iray kilasy ny zavatra nifanakalozan’izy ireo hevitra.

1 Nefia 8:19–38

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hanaraka ny tenin’ Andriamanitra mba hitarika azy ireo ho amin’ireo fitahiany lehibe indrindra ity lesona ity.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Amporisiho hamaky ny 1 Nefia 8:19–34 ny mpianatra mba ho lasa mahafantatra tsara ireo sariohatra ao amin’ny fahitana hitan’i Lehia ary ho vonona hifanakalo hevitra momba izany ao amin’ny kilasy.

  • Sary haseho: Sarin’ny fahitana hitan’i Lehia

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Ho solon’ny fangatahana ny mpianatra hanao sarin’ny ampahan’ilay fahitana, dia hevero ny handefa ilay horonan-tsary ary hampiato izany isaky ny misy iray amin’ireo singa manan-danja miseho. Azo atao ny mangataka ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo momba ilay sariohatra ary hitady izay zavatra ampianarin’ny soratra masina momba izany. Mba hiomanana amin’ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hanoratra ny mari-potoana isaky ny fotoana tokony hampiatoana ny horonan-tsary.

1 Nefia 10; 11:1–6

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra amin’ny ezaka ataon’izy ireo hikatsahana amim-pahazotoana fahalalana avy amin’ny Tompo ity lesona ity.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hanontany ray na reny iray na mpitarika zatovo ny zavatra ataon’izy ireo hikatsahana amim-pahazotoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra na ny fomba anambaran’ny Fanahy Masina fahamarinana amin’izy ireo. Amporisiho ny mpianatra ho tonga efa vonona hizara hevitra amin’ny iray kilasy.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Hevero ny hampiasa solaitrabe fotsy nomerika (tableau blanc) mba hahafahan’ny mpianatra miara-miasa amin’ny fitanisana ireo fomba itadiavana amim-pahazotoana fahamarinana avy amin’ Andriamanitra sy ireo fomba anambaran’ Andriamanitra fahamarinana amin’ny alalan’ny Fanahy Masina.

Hamoaka printy