Seminera
1 Nefia 4–5: “Notarihin’ny Fanahy aho”


“1 Nefia 4–5: -Notarihin’ny Fanahy aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 4–5: -Notarihin’ny Fanahy aho,-” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 4–5

“Notarihin’ny Fanahy aho”

Sary
I Nefia tao Jerosalema

Taorian’ny andrana indroa tsy nahomby mba hahazoana ireo takelaka tany amin’i Labàna, dia niditra mangingina tany Jerosalema tamin’ny andro alina i Nefia, nomban’ny finoana ny Tompo. Saingy tsy dia nanan-kevitra ny amin’ny fomba hanatanterahana ny asa nampanaovina azy izy. Tahaka an’i Nefia, efa nisy fotoana ve nahatsapanao mafy fa tokony hanao zavatra iray kanefa tsy hainao hoe ahoana no hanatanterahana ilay izy? Ity lesona ity dia natao hanamafisana orina ny fahatokianao ny Ray any An-danitra sy ny fahavononany hitari-dalana anao.

Manampy ny mpianatra hiomana hianatra. Miresaka mikasika ny toetry ny fahavononana ao am-po sy ao an-tsain’ireo izay mikatsaka ny hianatra zavatra ara-panahy ny soratra masina. Ifanakalozy hevitra matetika amin’ny mpianatra ny maha-zava-dehibe ny fiomanan’ny mpianatra ary amporisiho izy ireo hamita ny fiomanan’ny mpianatra isan’andro.

Fiomanan’ny mpianatra: Omeo tahadikan’ny teny nambaran’ny Filoha Nelson izay hita any am-piandohan’ny lesona ny mpianatra. Asao izy ireo ho tonga efa vonona miaraka amin’ny hevitra mombana toe-java-misy izay ahafahan’izy ireo mahazo tombontsoa ho an’ny tenany manokana avy amin’ny fandraisana ny tari-dalan’ny Tompo.

Sahanasa fianarana azo atao

Mandray tari-dalana avy amin’ny Ray any An-danitra

Asehoy ity teny nambaran’ny Filoha Nelson manaraka ity ary hevero ny hanasa ny mpianatra hizara ny eritreritr’izy ireo avy amin’ny fiomanan’ny mpianatra.

Ny Filoha Russell M. Nelson dia nizara torohevitra manan-danja momba ny fandraisana fanambarana ho an’ny tena manokana. Rehefa mandalina ny teny nambarany ianao, dia hevero ny fomba iharan’izany aminao.

Sary
Ny Filoha Russell M. Nelson

Afaka mivavaka amin’ny Raintsika any An-danitra isika ary mandray fitarihana sy torolalana, mahazo fampitandremana momba ireo loza sy zavatra mety hahavariana, ary lasa afaka manatanteraka ireo zavatra izay tsy vitantsika samirery tsotra izao. Raha mandray marina ny Fanahy Masina isika ary mianatra mamantatra sy mahatakatra ny bitsiny, dia hotarihina amin’ireo toe-javatra lehibe na kely. (Russell M. Nelson, “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika,” Liahona, mey 2018, 94)

  • Inona avy ireo toe-javatra eo amin’ny fiainanao, na lehibe na kely, izay hanampy tokoa ny fandraisana ny tari-dalan’ny Ray any An-danitra ao anatin’izany? (Hevero ny hanoratra ireo valin-teninao.)

Hevero ny hampiseho ireto fanontaniana sy valin-teny azo isafidianana manaraka ireto eny amin’ny solaitrabe alohan’ny hanombohan’ny fotoam-pianarana na hamoaka printy azy ireo ho an’ny mpianatra tsirairay. Omeo fotoana ny mpianatra mba hanombanany mangina ny zavatra tsapany sy hiraketany an-tsoratra ireo valin-teniny.

Safidio ny valin-teny izay tena ahitana taratra ny fahatsapanao momba ireto teny nambara manaraka ireto.

  1. Mikatsaka amim-pahavitrihana ny fitarihana sy ny torolalan’ny Ray any An-danitra aho mba hanampy ahy amin’ireo olako, ny fanontaniana ananako ary ireo fanapahan-kevitra raisiko.

    • Matetika

    • Indraindray

    • Mahalana

  2. Matoky ny fahaizan’ny Ray any An-danitra sy ny faniriany hitarika ny fiainako amin’ny alalan’ny Fanahy aho.

    • Matetika

    • Indraindray

    • Mahalana

  3. Mandroso am-pinoana aho ary manao zavatra araka ny bitsiky ny Fanahy Masina izay voaraiko, na dia amin’ny fotoana tsy mampahazava ny lalako aza.

    • Matetika

    • Indraindray

    • Mahalana

Rehefa mandalina fotoana iray tsy nahafantaran’i Nefia ny zavatra tokony nataony ianao, dia mitadiava fahamarinana izay manamafy orina ny fahatokianao ny Ray any An-danitra sy ny fahavononany hitari-dalana anao.

“Andeha isika hiakatra”

Ampahatsiahivo fa ireo zanak’i Lehia dia nanao andrana indroa hahazoana ireo takela-barahina tany amin’i Labàna kanefa tsy nahomby ary natahotra ny ain’izy ireo (jereo ny 1 Nefia 3:11–27). Inona no mety ho tsapanao raha tao anatina toe-javatra nitovitovy tamin’izany ianao? Inona avy ireo fanahiana mety hanananao? Na dia nahita anjely aza i Lamàna sy i Lemoela, dia nahatsapa ahiahy sy nanana fanontaniana momba ny fomba hanatanterahana ny zavatra nasaina nataony izy ireo (jereo ny 1 Nefia 3:31).

Vakio ny 1 Nefia 4:1–3, ary tadiavo ny fomba namalian’i Nefia ny fanahian’ireo rahalahiny.

  • Inona no hitanao fa manan-danja ao amin’ireo andininy ireo?

  • Ohatra inona avy ao amin’ny soratra masina no nampiasain’i Nefia mba hijoroana ho vavolombelona momba ny herin’ny Tompo sy hamporisihana ireo rahalahiny? Inona avy ireo tantara ao amin’ny soratra masina izay nanome anao herim-po sy tanjaka teo amin’ny fiainanao?

  • Ahoana no azo ampiharana ilay andian-teny hoe “Andeha isika hiakatra” amin’ireo toe-javatra sy fanamby eo amin’ny fiainanao? (Hevero ny hanisy marika io fehezan-teny io ao amin’ny soratra masinao isaky ny miseho ao amin’ny andininy 1–3 izany.)

Hevero ny hampiseho ity horonan-tsary manaraka ity mba hanampiana ny mpianatra hahatakatra tsara kokoa ilay rafi-tantara: Mety hitondra soa ny fampiatoana tsindraindray ny horonan-tsary dia manasa ny mpianatra hijery ny soratra masina. Ohatra, azo aato eo amin’ny mari-potoana 1:07 ilay horonan-tsary mba hamantaran’ny mpianatra ny zavatra ataon’i Nefia. Avy eo dia azo atao ny manasa ny mpianatra hamaky sy hanisy marika ny 1 Nefia 4:6–7 ao amin’ny soratra masina.

Vakio ny 1 Nefia 4:4–8 hitadiavana ny zavatra nataon’i Nefia tamin’ny andrana fanintelony haka ireo takela-barahina.

  • Inona no fantatr’i Nefia ary inona no tsy fantany rehefa nanomboka io andrana fanintelony io izy?

  • Inona no hitanao fa manan-danja mahakasika ilay andian-teny hoe “Na dia teo aza izany, dia nandroso aho” ao amin’ny 1 Nefia 4:7?

  • Inona no fahamarinana iray azonao ianarana avy amin’ny tenin’i Nefia?

Ity misy fitsipiky ny filazantsara iray izay mety efa neritreretinao: amin’ny fotoan’ny fisalasalana dia afaka mandray fitarihana avy amin’ny Ray any An-danitra amin’ny alalan’ny Fanahy isika rehefa mandroso am-pinoana.

Hevero ny hirakitra an-tsoratra io fitsipika io na ny fitsipika iray neritreretinao tao amin’ny soratra masinao.

Ny Filoha Dallin H. Oaks ao amin’ny Fiadidiana Voalohany dia nampianatra momba ny maha-zava-dehibe ny zavatra ataontsika rehefa mikatsaka fanambarana sy fitarihana isika:

Sary
Ny Filoha Dallin H. Oaks

Tamin’ny fandalinako ny soratra masina dia nahatsikaritra aho fa ny ankabetsahan’ny fanambarana ho an’ny zanak’ Andriamanitra dia tonga rehefa eny am-pihetsehana izy ireo, fa tsy rehefa mitoetra any an-tranon’izy ireo ka miandry ny Tompo hilaza amin’izy ireo ny dingana voalohany tokony hatao. …

Noho izany dia manao izay rehetra azontsika atao isika. Dia miandry ny Tompo isika avy eo mba hanome ny fanambarany. (Dallin H. Oaks, ”In His Own Time, In His Own Way,” Ensign, aog. 2013, 22, 24)

Eritrereto ny fomba ifandraisan’io fahamarinana io sy ny teny nambaran’ny Filoha Oaks amin’ireo toe-javatra hitanao teo aloha.

  • Nahoana araka ny eritreritrao no tian’ny Tompo handroso amim-pinoana ianao mandritra ny fotoana isian’ny fisalasalana?

Manomana lalana ny Tompo

Nodidin’ny Tompo i Nefia mba hamono an’i Labàna. Sahiran-tsaina tamin’ilay hoe handatsaka aina izy, saingy nanohy namporisika azy hiroso ny Fanahy. Nankatò “ny feon’ny Fanahy” i Nefia (1 Nefia 4:18), nisalotra ny akanjon’i Labàna izy ary nandresy lahatra an’i Zôrama mpanompon’i Labàna haka ireo takela-barahina ao amin’ny tahiry.

Hevero ny hamaky io tantara io ao amin’ny 1 Nefia 4:9–24 sy hanisy marika ireo teny sy andian-teny izay manan-danja aminao.

Inona no ifandraisan’ny traikefan’i Nefia tamin’ny fakàna ireo takelaka amin’ny fijoroana ho vavolombelona nozarainy tao amin’ny 1 Nefia 3:7?

Omeo fotoana ny mpianatra hieritreretany ny toe-javatra misy azy ireo manokana izay mety hitaky ny handrosoan’izy ireo amim-pinoana. Amporisiho izy ireo hisaintsaina ny zavatra nianaran’izy ireo avy amin’ny zavatra niainan’i Nefia rehefa mirakitra an-tsoratra amim-pahanginana ny eritreritr’izy ireo sy ny drafitra ataon’izy ireo mba handrosoana izy ireo. Hevero ny hanasa mpianatra manolo-tena vitsivitsy hizara ny sasany amin’ny eritreritra sy ny hevitr’izy ireo rehefa avy manoratra izy ireo.

  • Inona no zavatra nianarako androany ka afaka manampy ahy amin’ny toe-javatra misy ahy?

  • Inona no zavatra tsapako androany ka afaka manamafy orina ny fahatokiako ny fahaizan’ny Ray any An-danitra sy ny faniriany hitarika ahy?

  • Inona no azoko atao mba hanarahana ny ohatra nasehon’i Nefia ka handroso am-pinoana na dia toa tsy mazava aza ny lalako?

Hamoaka printy