Seminera
1 Nefia 1–5: Topimaso ankapobeny


“1 Nefia 1–5: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra (2024)

“1 Nefia 1–5: Topimaso ankapobeny,” Bokin’i Môrmôna: Boky torolalana ho an’ny mpampianatra

1 Nefia 1–5

Topimaso ankapobeny

Nantsoin’ Andriamanitra hitory fibebahana tamin’ny olona tao Jerosalema i Lehia. Nankatò fanambarana iray avy amin’ny Tompo hamindra ny fianakaviany ho any an-tany foana izy. Ny zanany lahy, i Nefia, dia nangataka ny fanampian’ny Tompo mba hahazoany fahatakarana bebe kokoa ary nohalefahana ny fony. Rehefa avy nandeha nandritra ny andro maro an-tany foana i Nefia sy ireo rahalahiny, dia niatrika fizahan-toetra ny fankatoavana sy ny finoan’izy ireo an’ Andriamanitra rehefa nodidiana hiverina tany Jerosalema mba haka ireo takela-barahina tany amin’i Labàna.

Miomàna hampianatra

Ity fampahalalana manaraka ity dia manome hevitra ireo mpampianatra momba ny zavatra mety ilaina homanina mialoha ho an’ny lesona tsirairay.

1 Nefia 1

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hahatakatra sy hahatsapa ny maha-zava-dehibe ny fandraisana sy ny fanarahana ireo mpaminanin’ Andriamanitra ity lesona ity.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba ho tonga efa vonona hizara ireo fampitandremana vao haingana henon’izy ireo avy amin’ireo mpaminany ary hisaintsaina ny fomba namalian’izy ireo izany fampitandremana izany.

  • Sary: Sarina renirano sy riandrano avy ao amin’ny lesona

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Mandritra ny sahanasa farany, rehefa manomana ny valin-tenin’izy ireo amin’ny hafatra an-tsoratra avy amina namana iray ny mpianatra, dia asao izy ireo hiandry mandrapahavitan’ny rehetra ny azy vao hizara izany. Ampiasao ny rafitra chat mba hamelana ny rehetra hiara-handefa ny valin-teniny ao anatin’ny fotoana iray. Amin’izay ny mpianatra dia hahita ny valin-tenin’izy ireo manokana kanefa ho afaka hanana fahafahana handinika ny eritreritry ny hafa ihany koa.

1 Nefia 2

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia natao mba hanampiana ny mpianatra hahatsapa faniriana lehibe kokoa hitodika amin’ny Tompo rehefa mangataka azy ireo hanao zava-tsarotra Izy.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Manontania namana iray na olona iray ao amin’ny fianakaviana hoe: “Oviana ianao no nikatsaka sy nandray ny fanampian’ny Tompo mba hino sy hankatò ireo teniny, na dia sarotra aza ny nanao izany?”

  • Sary: Sarintany maneho ny mety ho lalana nalehan’ny fianakavian’i Lehia nivoaka an’i Jerosalema

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Rehefa avy mampiseho ilay sarintany maneho ny mety ho làlana nalehan’ny fianakavian’i Lehia ho any an-tany foana sy manazava ny momba ny halaviran-tany mety ho nodiavin’izy ireo dia hevero ny hampiasa application ana sarin-tany an-jotra mba hampisehoana amin’ny mpianatra toerana vitsivitsy izay manana halavirana mitovitovy amin’izany miala avy eo amin’ny toerana onenan’izy ireo. Azo atao ny manasa ny mpianatra haka sary an-tsaina hoe mety ho toy ny ahoana ny mandeha any amin’izany toerana izany raha tsy misy fitaterana misy môtera, kanefa fantany fa tsy maintsy mitondra ny entana tian’izy ireo entina miaraka aminy izy ireo.

1 Nefia 3

Tanjon’ny lesona: Afaka manampy ny mpianatra hampihatra finoana an’ Andriamanitra mba hahavitana izay zavatra nampanaoviny azy ireo ity lesona ity.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra hiezaka hanao tsianjery ny andinin-tsoratra masina fifehezana fotopampianarana 1 Nefia 3:7 ary hieritreritra momba ny fomba hiharan’izany amin’ny toe-java-misy atrehin’izy ireo eo amin’ny fiainany.

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Fomba iray mety ho azo atao hanombohana ny lesona ny manasa ny mpianatra hampiseho eo amin’ny fakantsary ny zavatra iray manan-danja be amin’izy ireo na ny fianakavian’izy ireo noho ny ezaka notakina mba hahazoana izany. Manasà mpianatra vitsivitsy hiresaka momba ny lanjan’ilay zavatra asehon’izy ireo sy ny fomba nahazoana izany. Avy eo dia mampisehoa sarin’ny fianakavian’i Lehia mitazona ireo takela-barahina, ary manasà mpianatra iray hanazava ny zavatra tsy maintsy nataon’ny fianakavian’i Lehia mba hahazoana izany sy ny antony nahatonga azy ireo ho vonona tanteraka hanao izany.

Fifehezana fotopampianarana: 1 Nefia 3:7

Tanjon’ny lesona: Ity lesona ity dia afaka manampy ny mpianatra hitadidy ny andinin-tsoratra masina sy ny andian-teny manan-danja ao amin’ny soratra masina ao amin’ny 1 Nefia 3:7, hanazava ny fotopampianarana ary hampihatra ireo fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy amina rafi-tantara maneho toe-javatra tena misy eo amin’ny fiainana.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Asao ny mpianatra mba hieritreritra zavatra niainan’izy ireo na ny olona akaikin’ny fon’izy ireo izay maneho fa manomana lalana hanatanterahana ny zavatra angatahiny amintsika ny Tompo.

  • Sary haseho: I Nefia miresaka amin’i Lehia rainy

  • Votoatiny haseho: Ireo torolalana sy fanontaniana hita ao amin’ireo fitsipika telo hahazoana fahalalana ara-panahy (manomboka amin’ny “Manao asa amim-pinoana” ao amin’ilay fizarana hoe “Fampiharana hanazaran-tena”)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Mba tsy hampiasana ireo rafi-tantara naroso ao amin’ny fizarana hoe “Fampiharana fahanazaran-tena”, dia hevero ny hanasa ny mpianatra hamoaka ao amin’ny chat firesahana toe-javatra tena misy izay sarotra itandremana ny didy iray. (Ampahatsiahivo izy ireo tsy hamoaka zavatra izay mahakasika loatra ny tenany manokana na ny hafa.) Avy eo dia afaka misafidy iray amin’ireo zavatra navoakan’ny mpiara-mianatra aminy ny mpianatra ka hifantoka amin’izany mandritra ny fotoana ampiharan’izy ireo ny fitsipika hahazoana fahalalana ara-panahy.

1 Nefia 4–5

Tanjon’ny lesona:: Ity lesona ity dia natao hanamafisana orina ny fahatokian’ny mpianatra ny Ray any An-danitra sy ny fahavononany hitari-dalana azy ireo.

  • Fiomanan’ny mpianatra: Omeo tahadikan’ny teny nambaran’ny Filoha Russell M. Nelson izay hita any am-piandohan’ny lesona ny mpianatra. Asao izy ireo ho tonga efa vonona miaraka amin’ny hevitra mombana toe-java-misy izay ahafahan’izy ireo mahazo tombontsoa ho an’ny tenany manokana avy amin’ny fandraisana ny tari-dalan’ny Tompo.

  • Horonan-tsary: “Fanambarana ho an’ny Fiangonana, fanambarana ho an’ny fiainantsika” (20:28; jereo manomboka eo amin’ny mari-potoana 9:14 hatramin’ny 9:40)

  • Sosokevitra ho an’ny fampianarana amin’ny alalan’ny visioconférence: Alohan’ny hivondronan’ny mpianatra hanatrika ny fotoam-pianarana, dia hevero ny hanasa vitsivitsy amin’izy ireo ho tonga efa vonona hizara zavatra niainana momba ny hoe tarihin’ny Fanahy Masina. Mitadiava fotoana mandritra ny fifanakalozan-kevitra mba hamelana ny mpianatra hijoro ho vavolombelona momba ny herin’ny Tompo hitarika azy ireo.

Hamoaka printy